Andro maneran-tany ho an'ny pôezia

Publié le 22 mars 2023 à 22:57

Lahatsoratr'i Heriarilala Andriamamonjy

 

Nanakoako ny fankalazan’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ny andro maneran-tany ho an’ny pôezia ny 21 Marsa lasa teo. Tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, efitrano David Jaomanoro, no nofidina hankalazana izany. Nanomboka ny antsan-tononkalo i Andry Andriamanantena zanak’i Rado izay nanolotra kapila mangirana ho an’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina. Kapila mangirana mirakitra ny asa soratr’i Rado.

 

Nandimby azy tamin’ny fiantsana ny pôeta 5 mianadahy : Hiaka, Tiavina, Andry Elrà, Hobiana ary Heriarilala. Natolotra tamin’io fotoana io koa ireo tsangambato telo lehibe tamin’ny fifaninanam-pirenena momba ny literatiora ny taona 2022 lasa iny. Izany hoe ireo boky telo nahazo ny laharana voalohany dia ny amboaran-tononkalo "Bitsiky ny Vitsika" an’i Andry Elrà, ny "Ody faty" tantara foronina nosoratan’i Ny Rovako Randrimanalina ary ny "Nofy ratsy, nofy tsara" sombintantara nosoratan’i AndrianimerinA Hobiana.

 

"Sarotra ny asan'ny pôeta satria teny no tefena ho tonga zava-kanto manabe ny firenena. Maniry izy ireo ny hitohizan'ny fifaninanam-pirenena tahaka izao", hoy ny solontenan'ny mpitsara, Dr Ny Hasina Ratsimbazafy.


Nisongadina tamin’ny kabarin-dRamatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo fa nametraka hatrany ho laharam-pahamehana amin’ny fampiroboroboana ny literatiora ny Minisitera tantanany. Anisan’izany ny famolavolana ireo karazana fandaharan’asa samihafa natao hanampiana tosika ireo mpanoratra toy ny "Volana iray, Mpanoratra iray" ka mpanoratra maro no efa nisehatra tamin’izany.

Ajouter un commentaire

Commentaires

Il n'y a pas encore de commentaire.

Créez votre propre site internet avec Webador