FANDALINANA

Itsikio, tononkalon'i Haingo

58 taona anio i Haingo ! Miara-miaina amin’ny mpiara-belona ihany koa ny asasorany ary mampita hevitra mikolo toe-panahy sahy misetra ny lala-miolika feno sampanana eto amin’ity tany diavina ity. Koa raha tojo ny fahasahiranana izay mampiferinaina àry ny tsirairay dia inona no tolo-tsaina azo aroso handaminana izany? Ny tononkalon’i Haingo notsongaina tao amin’ny Sandratra Amboaran-tononkalo voalohany tak. 49 mitondra ny lohateny hoe "Itsikio" no mandrisika ny rehetra hiaina sy hiatrika am-pitoniana ny sotasotan’ny fiainana.

Lire plus »

Ny diako, modelim-piainana poeta

     Ao anatin'ny vanimpotoanan'ny kizo lalina i Madagasikara ankehitriny ka tsy mahita lalan-kivoahana. "Tapi-dalana aleha ohatra ny soki-manani-bato" ny vahoaka noho ny fizorana amin'ny lalana mampihodinkodina fotsiny. Miteraka havizanana sy fahadisoam-panantenana ho an'ny maro ny fomba amam-panaon'olom-bitsy misitraka tombony amin'ny fikatsoana.  Matotra loatra anefa ny fiainam-pirenena ka itondran'i Jean Narivony vahaolana.

Lire plus »

Mba mafy asaina ny tanimbary

        Anisan'ny mamy napetraky ny poeta Ratsimba Georges na Ny Rahona ho antsika ny "Fikirizana". Fikezahana tsy mety kivy no famaritan'ny Rakibolana ny fikirizana, mitovitovy hevitra amin'ny filofosana, filozohana... Mitondra io lohateny io ny tononkalony iray izay tsy afaka eo imolotra hatrany amin'ny garabola. Mitantana amin'ny fiainana manontolo koa izany fomba izany noho ny fahafahany mamatsy hery sy risika manoloana ny ady atrehina izay taratra indrindra ato amin'ity andininy voalohany hohadihadina ity. Hisantarana izany ny fanehoana ny hamafin'ny ady atrehina. Hanaraka izany kosa ny fikirizana mitarika amin'ny fandresena.

Lire plus »

Ny Fanantenana

Hiaraka hahatsiahy an’i Régis Rajemisa-Raolison, ilay pôeta fanta-daza isika ao amin'ity tononkalony mitondra ny lohateny hoe "NY FANANTENANA" ity. Miharihary amin’izany fa manana ny anjara toerany eo amin’ny tontolom-piainana ny fanantenana ka tsy azo hodian-tsy hita. Hasongadina ao anatin’ny fizarana roa miavaka tsara àry ny famaritana ny fanantenana sy ny lanjan’izany eo amin'ny fiainan'ny olona rehetra.

Lire plus »

Hafatr'ilay miaramila

         Fambara iray ahatarafana ny fahambonian’ny olona ny fananany fitiavana ny tanindrazany. Tsy am-bava fotsiny izany fa voaporofo amin’ny fahafoizana aina ho fiarovana azy. Hita izany amin’ity tononkalo iray ity izay nosoratan-dRabary Mpitandrina, nampitondrainy ny lohateny hoe "Hafatr’ilay miaramila", nalaina tao amin’ny Fary Mamy kilasy famaranana, takila faha-45. Asongadin’ny mpanoratra ao fa tsy mitovy amin'ny fahafatesan’ny olona rehetra ny fahafatesan’ny maherifon’ny tanindrazana. Mba hahafahana mandinika akaiky io asasoratra io dia hojerena voalohany fa tokony hotsorina ny fandraisana ny fahafatesan’ireo nahafoy ny ainy ho an’ny fireneny; ny fizarana faharoa dia hanambara ny antony hanaovana izany.

Lire plus »

Anika

Mialoha ny hidirana ao amin’ny famakafakana ny lahatsoratra aloha dia tsara raha toa ka mifanolotra arahaba fantimpantenana ombam-pirariantsoa isika rehetra amin’izao fihaonantsika mpianakavin’ny literatiora izao indray. Izany lahatsoratra izany dia mitondra ny lohateny hoe A N I K A araka ny nanolorana sy nandrafetan’i Solofo José azy, mpanoratra izay tsy zovina tokoa na dia teo amin’ny sehatry ny filalaovana tantara an-tsehatra na indrindra tao amin’ ny Fampielezam-peom-pirenena Malagasy aza no saika nahafantarana sy ahatsiarovan’ny maro azy.

Lire plus »

Mamaky teny

"Efa novahana ilay fatoran’ny vala tsy hita faritra, mifalia !" hoy J.-J.Rabearivelo (1903 - 1937) raha namaritra ny atao hoe asa famoronana poezia izy. Pôetan’ny fahafatesana, poetan’ny alahelo tokoa hatramin’izay no nahafantarana kokoa ny mpanoratra. Amin'ity tsingerin-taona nahaterahany ity dia hizara izay hafaliany sy lafy hafa naha-Rabearivelo azy izay izao asa fandalinana fohy izao: lafy hafa izay izy faly anaty asa famoronana, lafy hafa izay izy mizara sy mampianatra mikasika ny atao hoe pôezia sy ny fomba famakiana azy. 

Lire plus »

Te handre hira aho

Miako ao am-pon'ireo tandrify azy lalandava ny soratra novolain'ireo pôeta. Mainka mitombo lanja kokoa aza izany rehefa arahina ngadona sy feo. Mifantoka amin'izany indrindra ity sorakanto iray notsongaina tao amin'ny aingam-panahin'i Narivelo Rajaonarimanana ity, izay nampitondrainy ny lohateny hoe : "Te handre hira aho", nalaina tao amin'ny gazety Hehy, laharana faha-2040, ny 30 janoary 1970. Asongadiny ao fa mitana toerana lehibe ao anatin'ny mpankafy ny soratra. Hotomorina akaiky ny tononkalo ka horesahina voalohany fa mitondra hakiviana indraindray ny soratra. Raha efa izany, haseho fa mampisandratra ny firenena ny diam-penina.

Lire plus »