SORAPIAINANA

Nofidiana manokana ny "sorapiainana" noho ny fahafantarana fa tokony hokajina fatratra mba tsy ho simba na ho very ny hasin’ny maha pôeta toy ny fikajiana ny hasin'ny maha olona ao amin’ny "sorapiankohonana".


Pôeta Ratsimaholy Francinet

15 Jona 1949, mbola maizina ny tany, eny sarotra lazaina fa tsy mbola hary takona ny ratra sy ny fery noho ny vesatry ny tolona nasedra ireo mpanjanaka. Volon’andro hafa mihitsy anefa no tao amin-dry Razafindrakoto Jules François sy Ranadivelo Louise vadiny io alarobia andro ririnina io satria andro voalohany nisantaran’ny zanak’izy ireo ny hazavan’ny masoandro.

Lire plus »

Pôeta Esther Nirina

17 Nôvambra 1932, nirobona aoka izany ny ravina amam-bony tao Ambohimifangitra, andro lohataona nahaterahan'i Esther Ranirinaharitafika. Esther Nirina no anarany eo amin'ny tontolon'ny pôezia...

Lire plus »

Poeta Nirhy-Lanto

"Na ny mainty na ny fotsy ary ny efa fotsy volo Iray dia iray ny Firenena, ka dia tenako daholo; Malagasy iray ihany ka ny mamiko no maminy, Fa izay tena avo indrindra dia ny ra iraisako aminy".

Lire plus »

Pôeta Randja Zanamihoatra

Hoy i Randja Zanamihoatra tao amin’ny Vainafo tononkira tak 9 : "Ny teny sy ny sain’ny firenena iray dia mifaningotra aina hatrany". —"Ny Poeta anefa dia manana izao toetra izao : mora tohina, mora mientana, malady kokoa amin’ny feon’ny zava-boahary manodidina azy, ary mahiratra kokoa amin’ny fahatazanana izay tsy tratry ny ara-mason’ny sarambabe".

Lire plus »

Poeta DI...

Misasaka mihitsy izao ny Iray Volan’ny Teny Malagasy 2019, dia ny volana jona izany izay ankalazaina toy ny isan-taona. Tsy zoviana amintsika angamba ilay Olomanga namorona izany andro natokana ho an’ny Tenindrazana izany nanomboka ny taona 1993, roa andron’ny Teny Malagasy (25 sy 26 jona) no niantombohany, dia niitatra ho iray volana noho ny fitakian’ny maro tia ny tenin-drazany. Aleo ampiana kely ny torolalana amin’ny ankamantatra, fa io taona io ihany koa no namoronany ny fitenenana malaza hoe "Andrianiko ny teniko, ny an’ny hafa koa feheziko". DI… no anaran’izany andrarezina izany.

Lire plus »

Pôeta Solofo José

Hoy i Solofo José raha naneho hevitra mikasika ny haisoratra sy ny fandrosoana tao amin'ny Gazety Ambioka lah 32 ny janoary 2001 : "Andraikitry ny mpanoratra sy ny mpamorona ny mianatra mandalina, milona amin'ny zava-misy entin'ny fiainan'ny andavanandro".

Lire plus »

Pôeta Jean-Joseph Rabearivelo

Hoy Rabearivelo tao amin’ny Fandrosoam-baovao lah. 3 ny 19 septambra 1931 raha nieritreritra ny hanangona ny haren-tsaina malagasy isam-paritra : ”mangataka indrindra ny mpanoratra any an-tsiraka aho mba hanangona sy handika ny fitenintsika izay tonon-kira aman-kalo tanindrana mety ho hitany ary handefa azy aty amiko.”

Lire plus »

Poeta Jean NARIVONY

Rajaonarivony no tena anaran'ny poeta antsoina hoe JEAN NARIVONY. Teraka tao Andrefandrova Antananarivo izy tamin'ny 17 septambra 1898 ary maty tamin'ny 15 jona 1980. Rajaonary James avy ao Masindray Ambohimanambola, atsinanan'Antananarivo, no rainy. Rasoarivony kosa no anaran'ny reniny, mpampianatra sy mpanabe. Rasoazananoro Marie-Cécile avy ao Fenoarivo, andrefan'ny renivohitr'i Madagasikara, no anaran'ny vadiny ka nahazoan'izy mivady zanaka dimy: roa lahy sy telo vavy. Mpanjaitra no asany.

Lire plus »