Hoy Rabary :
"Miezaha hihevitra ho an’ny tena, hiasa ho an’ny tena
Mamonoa tena, mikeleza aina amin’ny fandrosoana
Mifidiana idealy — fari-pahaizana — ambony ho tratrarina
Ny tenanao manontolo no ampanaovy ny asanao"
Teraka ny 3 mey 1864 tao Ibetsizaraina Avaradrano Rabary, zana-dRakotovao na Rainibarijaona Mpitandrina mpampianatra sy Razafimbololona. Rabarijaona Augustin no anarana nomena azy tamin’ny batisa. Razafindramaka kosa no anaram-bosotra fony fahazaza ary nisalorany tamin’ny lahatsoratra nosoratany ihany koa.
Andriatsitaitra mpanjakan’ny Sakalava izay nanatona an’Andrianampoinimerina noho ny fitiavany azy no razamben-dRabary avy amin’ny lafin-drainy. Nataon’Andrianampoinimerina Andrianamboninolona izany lehilahy izany ary vetivety dia nasondrony ho Andriamasinavalona ka napetraka teo andrefan’Andohalo.
Ralala, lehiben’ny Andriambaventy sy lehilahy voalohany tamin’ny Fanjakan-dRadama I sy Rafaravavy no ray aman-drenin’ny Raibeny. Marihina moa fa vady voalohan-dRazakamiarinimerina io antsoina hoe Rafaravavy io ka niterahany an-dRamakarivo. Natsangan-dRalala ho zanaka anefa ity farany. Ramakarivo sy Rasaimanjaka izany no raibe sy reniben-dRabary avy amin’ny lafin-drainy izay niteraka an-drainy dRakotovao na Rainibarijaona (1843-1879) mpampianatra sy mpitandrina.
Andriambelomasina (1730-1770) mpanjakan’Avaradrano kosa no razamben-dRabary avy amin’ny lafin-dreniny. Niteraka an-dRanavalonjafimanjaka izy ary ity farany no niteraka an’Andrianavalona.
Rakoto sy Ranosy kosa no raibe sy renibeny avy amin’ny lafin-dreniny ka niteraka an-dRazafimbololona renin-dRabary (1864-1947).
Nampakatra an-dRasendra, zafikelin-dRaharolahy 14 voninahitra Rabary ny 6 Aogositra 1884. Telo mirahavavy no naterany dia Jeanne Augustine Raharosoa (marsa 1905), Evangéline Rasendranoro (1906) ary Marie Rakaloandriana (1908).
Nodimandry tamin'ny febroary 1947 teo amin’ny faha 83 taonany Rabary ary nalevina tao Amboniloha Antananarivo.
RABARY : PÔETA MILOFO
Rehefa voatendry tany Ivatolehivy ny ray aman-drenin-dRabary ny 1869 dia nanomboka nianatra namaky teny niaraka tamin’ireo olon-dehibe nampianarin-drainy izy. Nifindra tany Tangaina tanindrazany Rainibarijaona rainy ny 1871, hany ka nampidirina tao amin’ny sekoly nampianaran-drainy sy M.Clarck izy. Nianatra tao amin’ny "Normal School" Antananarivo ny 1876 izy izay sekoly notandreman’i Rev Richardson, misioneran’ny "London Misionary Society". Io sekoly io no voatokana hanomanana mpampianatra ho an’ny Fanjakana. Ny mpianatra tao amin’io "Normal School" io dia natao hoe: "Efapololahin’Andriana" ary isan’ny voafidy tamin’izany Rabary noho ny fahaizany na dia mbola kely aza izy. Teo amin’ny fahefatra ambin’ny folo taonany dia nahakivikivy an-dRabary ny finoana Protestanta. Nitady filaminan-tsaina tany amin’ny fiangonana katolika izy ary saika hifindra mihitsy saingy narary ny rainy ka tsy sahy nilaza taminy. Talohan’ny nahafatesan-drainy ny 5 febroary 1879 anefa dia nanafatra an-dRabary izy mba hanao mpitandrina sy mpampianatra. Teo anatrehan’izany dia nitodika tamin’ny fikasany hivadika finoana indray ny lehilahy. Nandritra ny 5 taona nianarany tao amin’ny Normal School dia isan’ny mpianatra nahay tokoa izy. Ny faniriany anefa dia ny ho dokotera fa tsy ho mpampianatra akory. Koa raha mbola tsy nivaly akory ny fangatahany tamin’ny Praiminisitra hahazoany manao izany amin’ny maha Efapololahin’Andriana azy dia nanala fanadinana hidirana tao amin’ny "Ecole de Médecine". Voaray soa aman-tsara izy ka nanomboka nianatra tao ny 3 janoary 1881. Telo volana ihany anefa izy tao ary voatery nijanona satria nahazo taratasy nanao hoe: "Misy raharaha homen’ny Mpanjaka an-dRabarijaona any Anatirova". Tsy hita mazava akory anefa io raharaha io ka teo am-piandrasana izany indrindra no nanekeny hampianatra tany Ambohitromby.
Liana amin’ny fanovozam-pahalalana hatrany anefa Rabary ka ny alarobia 11 aprily 1888 taorian’ny isan’enim-bolana dia nanapa-kevitra izy sy ny sakaizany roalahy Razafimahefa sy Ramambahasina hiara-hianatra isan-kariva aorian’ny firavan’ny mpianatra ampianariny. Nanomboka ny 3 mey tamin’io taona io dia nampiana-tena alzebra, jeometria, simia, jeolojia, teolojia, psikolojia, fizika, teny latina sy grika.Nampian-dry Mr Huckett, Radley, Cousins, Mrs Thorne misionera izy ireo taty aoriana.
Ny 6 novambra 1896 dia niainga nankany Frantsa izy sy ireo namany 7 lahy. Nipetraka tao amin’ny "Maison des Missions" izy nony tonga tany Parisy. Fotoana fohy no nipetrahany tany ka tao an-trano hatrany no nianatra ary nisy mpampianatra tonga tao.
RABARY : PÔETA MANABE
Tamin'ny febroary 1882 dia nanomboka nampianatra tao Ambohitromby izy nandritra ny roa taona. Niverina teto Antananarivo izy ny 4 aprily 1884 ary nahita asa tao amin’ny M.Thomas Wilkinson, mpandefa lahatsoratra an-gazety tany an-dafy. Fotoana fohy ihany anefa izy no namita andraikitra tao.
Ny faramparan’ny volana desambra 1884 dia nampanantsoin’i Rev Richardson Rabary hampianatra ao amin’ny "Girl’s Central School" Ambodin’Andohalo ary nanomboka nampianatra izy ny 6 janoary 1885.
Tamin'ny janoary 1896 dia voatendry ho isan’ny mpampianatra ny kilasy voalohany ao amin’ny "sekolara" na ny kilasy nanomana ho mpanao raharaha hafa noho ny mpitandrina.Teolojia dogmatika, aljebra, jeometria no nampianariny tamin’izany. Nony tonga teto Antananarivo ny Résident général Laroche dia nampiantsoiny Rabary hampianatra teny malagasy azy.
Nony tafaverina avy tany am-pita Rabary dia nampianatra teny frantsay tao amin’ny sekoly maro teto Antananarivo. Taoriana kely dia tao amin’ny Kolejy ihany no nampianarany Teolojia Dogmatika, Homiletika, Lojika, Aljebra, Jeometria.
Rabary tao amin'ny kolejy Ambohipotsy tamin'ny janoary 1912
(mitsangana ambony indrindra, fahenina miankavanana)
Na dia natokan-toerana noho ny raharaha V.V.S. aza Rabary tamin'ny jolay 1916 dia nampianatra tao amin’ny "Ecole Biblique" tao Fihaonana sy tany Ambatomanga.
Nampianatra lojika tao amin’ny sekoly Paul Minault Rabary nanomboka ny 11 Febroary 1921 ary nitohy tamin’ny Psikolojia.
RABARY : PÔETA MISAHANA
Niditra ho isan’ny mpivavaka tao amin’ny fiangonana Avaratr’Andohalo izy satria Ambohitromby no nivavahany teo aloha sady ny vadiny rahateo efa mpiangona tao. Voafidy ho sekreteran’ny fiangonana izy tamin'ny oktobra 1885 ary tamin’izany izy vao tena resy lahatra amin’ny fivavahana protestanta.
Nandritra ny fotoana nianaran-dRabary niaraka tamin’ny namany dia matetika no nitady fiangonana tany ambanivohitra izy hitoriany teny. Koa ny 6 mey 1889 no nanaovany toriteny voalohany tao Anjoma. Niahiahy azy anefa ny maro ka nolazain’izy ireo fa mpamorona fiangonana vaovao izy. Ny 11 septambra 1891 dia tonga ny Misiona Protestanta nilaza taminy fa tsy maintsy foanana ny fotoam-pivavahan-kariva izay noforoniny.
Nandritra ny ady nataon’ny Frantsay sy ny Malagasy (1894-1895) dia ireto no nataon-dRabary ankoatra ny fampianarana:
• nikarakara famoriam-bola ho an’ny miaramila satria tsy nahazo karama ny miaramila tamin’izany
• nitory ny filazantsara tamin’ny miaramila nitoby teny Ibetsimitatatra ary nanao izay hanaitra ny fony mba hiredareda amin’ny fitiavan-tanindrazana
• nitory teny tao Anatirova tamin’ny Mpanjaka sy Praiminisitra ary ny Tandapa
Ny 14 jona 1897 - 15 oktobra 1897 fony nipetraka tany Parisy dia namangy fiangonana maro tany Frantsa izy.
Ny 10 Desambra 1899 dia lanin’ny fiangonana Avaratr’Andohalo ho mpitandrina izy ary notokanana ho Mpitandrina izany fiangonana izany ny 21 janoary 1900.
Namoaka ny boky "Ny Martiora malagasy" izy ny 1910. Ny volana septambra sy oktobra 1915 tamin’io taona io ihany dia maro ireo tanora nangataka azy ho filohan’ny fikambanana V.V.S. (Vy vato sakelika) izay noforoniny. Voasambotra anefa izy ny 24 desambra 1915 satria voalaza fa lehiben’ny V.V.S. sy mpikomy. Nivoaka anefa ny didim-pitsarana ny 18 febroary 1916 ary tsy nisy fanamelohana azy akory. Na izany aza dia natokan-toerana ivelan’Antananarivo izy ny 20 febroary 1916 ka hatramin'ny 4 avrily 1918: Ankazobe, Fihaonana, Ambatomanga, Ambohimalaza. Nony tafaverina teto Antananarivo izy ny 4 aprily 1918 dia nanohy ny asany amin’ny maha mpitandrina azy.
Tamin'ny 1920 dia nandray anjara tamin’ny fankalazana ny faha-100 taonan’ny Fiangonana teto Madagasikara izy ary namoaka ny "Diarin’ny Filazantsara" sy nanonta fanintelony ny "Maritiora Malagasy"; nanaiky hanoratra ho an’ny gazety Mpandinika izay niadidin’ny M.P.F. ary nanao hevi-teny amin’ny Bokin’ny Matio niaraka tamin’i Mrs Sharman.
RABARY : PÔETA MIJORO
Misy fiteny malagasy manao hoe: "Ny akofa no tsy menatra ny hiankandrefana raha vao tsofin-drivotra, ny lela no tsy menatry ny hivadibadika raha vao mahamay". Fa ny fanahin-dRabary, na milefitra tsy fidiny aza, tsy miforitra amin’izay hery, na voarombina tsy satry aza, tsy milofika amin’izay afo. Nanao lahateny tamin’ny ray aman-drenin’ny mpianatra tao Ambodin’Andohalo izy ny 27 febroary 1888 mikasika ny toetra tsy mendrika ataon’ny mpianatra; kanefa nahatezitra ny ankamaroan’ny olona izany.
Rabary dia mitandro mandrakariva ny zo aman-kasina nentin-drazana, nisokatra amin’ny soa avy any ivelany tsy ankanavaka.
Na dia maro aza ireo nandadilady sy maimay hiseho hoe vazaha tamin’ny fotoan’androny dia sahy nijoro sy niseho hatrany ny maha Gasy azy Rabary. Sakalava avy amin-drainy izy ary Merina avy amin-dreniny: miharo sy mivelatra tao aminy ny toetra sy kolontsaina mifameno maneho ny maha Malagasy. Nijoro ho Malagasy reharehan’ny Malagasy izy teo amin’ny tontolony. Izany no naha voaendrikendrika azy tamin’ny raharahan’ny V.V.S. ka nanibohana an-tranomaizina azy niaraka tamin-dry Pasitera Ravelojaona sy ry Mompera Manifatra, kanefa afaka nadiodio ihany avy eo.
Tany aloha dia teny gasy no nitenenan’ny tompon-tany sy vahiny: voatery nianatra teny malagasy avokoa ny mpiavy teto, ary teny malagasy no nianaran’ny zana-bahoaka ny fahaizan-drehetra. Nony lasan’ny vahiny anefa ny fanjakana dia ny teny vahiny indray no nanjaka ary teny vahiny no nianarana ny zavatra rehetra. Noheverina ho ambany sy tsy ampy fahaizana izany miteny malagasy izany. Na izany aza anefa tsy nampihemotra an-dRabary izany fa vao mainka aza nampitombo ny fandalany ny tenin-drazany. Teo amin’ny maha mpitoriteny sy maha mpanoratra sy pôeta azy izy no nanampatra. Nanehoany ny famolahany ny teny malagasy avokoa ny tononkalo sy tonon-kira, famoaboasan-kevitra, tantara foronina sy tantara marina. Nikatsaka ny tantaran-drazany izy indrindra ny fahasamihafana nisy teo amin’ireo loharano nipoirany. Niseho ho Malagasy hatrany izy ka tsy nisitrisitrika na menamenatra amin’izany fa nirehareha hatrany. Ny volana marsa 1922 dia niara-nandika ilay boky amin’ny teny latina hoe "De imitatione Christi" Rabary sy ny Misionera Radley" tamin’ny teny malagasy.
Rabary ao amin'ny toeram-piasany
RABARY : PÔETA MANORATRA
Maro ireo solon’anarana nentin-dRabary tamin’ireo famoronana sy lahatsorany toy ny P. Razafindramaka, A.R.B.P., Rasoa, Emilie Razanamino.
Tamin'ny septambra 1921 dia narindran-dRabary ho tantara haseho sehatra ilay tantara noforoniny "Raketaka Zandriko".
Nanao fandinihana momba ny ohabolana malagasy izy ny 31 jolay 1923. Havanana izy eo amin’ny fanoratana tantara, anisan’izany ny nandrafetany ny tantaran’ny Ambasady Malagasy tany Londona tamin'ny 1836, nanomboka ny 29 avrily 1926 satria teo am-pelatanany ny soratanana voalohany momba izany. Ny 17 aogositra 1926 kosa dia nanomboka niara-niasa tamin’i Denis Mahavere izy tamin’ny famolavolana ny Diksionary Sakalava-Hova. Nanaiky niara-niasa tamin’i M. Montagné izy tamin'ny avrily 1927 ka nanao ny "Essai sur la grammaire malgache". Taorian’ny nahafatesan’i Sims, misionera tao amin’ny fivarotam-boky FFMA, dia very ny dikan’ny "Imitatione Christi" mbola voasoratanana, hany ka voatery nandika fanindroany indray izy sy Radley. Ny volana jolay 1929 dia namita boky I amin’ny "Daty Malaza na ny Diarin’i Jesosy teto Madagasikara izy".
Nanomboka ny tantara "Ny androm-pahoriako" izay nataony hoe "Rafanoela" taty aoriana Rabary ny 25 jolay 1932.
Namoaka ny tantara "Asa volamena" ny 28 aogositra 1934 ity pôeta ity. Nandinika sady nanao lahatsoratra momba ny toe-panahin’ny Malagasy izy tamin'ny jona 1936 izay milohateny hoe: "Ny théologin’ny Ntaolo". Nanoratra ny tantaran-dRanavalona III izy tamin'ny novambra 1938.
Feno valopolo taona izy ny 1944 ka nankalazaina tamin’ny fandraisana anjaran’ireo mpanoratra sy mpanao gazety, ny Akademia malagasy ary ny Fiangonan’Avaratr’Andohalo.
Ankoatra ny boky dia maro ireo gazety nirotsahany an-tsehatra sy nanoratany lahatsoratra toy ny La Grande Ile, Ny Mpamafy, Ny Mpandinika, Teny Soa, Mazava, Fiainana. Tsara ihany ny manazava ireo tena nandraisany andraikitra mivantana.
- Ny Mpanolo-tsaina dia revio miseho isam-bolana navoakan’ny LMS (London Misionary Society) ary komitin’ny fanoratana izany Rabary ny 1904-1915. Niara-niasa taminy tao Razafimahefa, Razafindrakoto, Ravelojaona, Andriamifidy, Rabetafika, Dr Ranaivo...
- Ny Mpamafy dia revio miseho isam-bolana navoakan’ny MPF na Mission Protestante Française. Tonian-dahatsoratra tao Rabary ny 1918-1930
- Ny Mazava dia gazety nivoaka ny 15 jolay 1915 ary Tale tao Rabary
- Ny La Grande Ile kosa dia gazety nivoaka tamin'ny 1927.
Tantaran’i Madagasikara sy ny Protestantisma teto Madagasikara, Tantara foronina sy sombin-tantara, tontolon’ny finoana, tantara tsangana, tononkalo samihafa manodidina ny 239 no karazana asa soratra navoakany tamin'ny 1900 hatramin’ny fahafatesany.
Hosokajiana anaty fafana araka ny karazany avy àry ireo asa soratry Rabary tanaty boky sy gazety samihafa.
RABARY : PÔETA MIKANTO
Anisan’ny manavaka ny tononkalon-dRabary ny fampiasany rima izay efa mahazatra ny ankamaroan’ny pôeta dia ny rima mifaningotra. Natao hanairana ny mason’ny mpamaky indrindra izany:
Fa bangoy ny volonao
Mafy izany ka tsy zaka
Nefa hafa-janakao"
Matetika ihany koa isa ankasa hatrany no mandrafitra ny andininy tsirairay ao amin’ny tononkalo. Manamarika ny fahafenoana ny eo amin’izay tian-kambara izany.
Fahavalon-janakao
Ka mandroso manangoly
Hampisaraka aminao
Mba tazony, mba tazony
Fa tsy mahatana anao"
FFPM 576
Maro ireo hevitra raketin’ny kalon-dRabary toy ny fitiavan-tanindrazana izay ilazana fa mahatsiaro fahasambarana tokoa rehefa nahavita soa teo anivon’ny firenena. Azo heverina ho toy ny mandry am-piadanana rehefa nahefa be teo anivon’ny firenena.
Rehefa manana aina koa
Nefa mamy zany maty
Maty nahavita soa"
Tsikaritra ny fifandraisana eo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka ka anehoana ny fifampitohizana aina.
Fa hilaozan-janakao
Efa hisaraka amin-teny
Ka manao veloma anao"
Ankoatra izany dia maneho ny antso ho an’ny olona maniry fiadanam-po ny kalon’ny poeta. Voambara fa mbola hafa ny miara-dalana amin’ny Tompo satria izy no mampitony eo amin’ny fiainana.
Fihavanana aminao
Izy no manambitamby
Hanatonanao izao
Sao manjary fandatsana
Ny fifonana aminao
Ka ny mety mihavàna
Amin’ny Mpamonjy izao"
FFPM 354
RABARY : PÔETA MIADIDY NY TENANY
Tahaka ny olombelona miaina rehetra dia mahatsiaro sasatra ihany Rabary ka tsy maintsy nieritreritra ny ankohonany. Voasorany avokoa ny fotoana nanatanterahany fialan-tsasatra:
• 8-29 mey 1924 naka rivotra tany Toamasina
• 8 desambra 1927 naka rivotra tany Antsirabe
• septambra 1935 naka rivotra tany Fianarantsoa
Rabary: pôeta manam-boninahitra
Maro ireo mari-boninahitra azony :
• 16 febroary 1923: Notoloran’ny Fanjakana 9 voninahitra
• 25 Janoary 1929: nasondrotra ho 12 voninahitra
Marika hanehoana ny voninahitra azony ihany koa ny maha mpikambana eo anivon’ny Akademia Malagasy azy ka :
• 26 jolay 1923 no noraisina ho "membre correspondant"
• 27 novambra 1933 natao "membre associé"
• 16 desambra 1937 natao "membre titulaire"
Fehiny
Lehilahy nijoro hatrany tamin’ny fahamarinana Rabary ary izany no nisokafan’ny fanahiny tamin’ny fitoriana vaovao Mahafaly. Na dia nisy lafin-javatra nahasorena azy ihany aza ka saika nampivadika ny finoany dia tsy niova fitàna izy. Feno fikirizana izy ka nazoto nianatra teny latina sy Grika hamakiany ny Baiboly araka izay nanoratana azy tany am-piandohana.
Nameno ny sainy ny fahalianana hikaroka sy hizara fahalalana ho an’ny hafa ka nahatonga azy hamoaka lahatsoratra sy boky maro mikasika ny tantaram-pirenena, ny olo-malaza eran-tany, ny finoana... Vokatry ny filonany tamin’ny boky efa an’arivony no nanapariahany izany.
LOHARANON-KEVITRA
- Ministère de l’Education Nationale, 1964, Rabary (1864-1947), Imprimerie Nationale, Tananarive
- Rabary, 1931. Daty malaza III, na ny dian’i Jesosy teto Madagasikara, boky III Imprimerie LMS Tananarive
- Rabary, 1930. Daty malaza II, na ny dian’i Jesosy teto Madagasikara, boky II, Imprimerie LMS Tananarive
- Rabary, 1929. Daty malaza I, na ny dian’i Jesosy teto Madagasikara, fizarana voalohany Imprimerie LMS, Tananarive
- Ravelojaona sy ny namany. 1939. Firaketana ny Fiteny sy ny zavatra Malagasy, Antananarivo
- Rabemolaly sy ny namany, 1979. Fary Mamy, Kilasy famaranana, Edisiona Salohy
- Rabemolaly sy ny namany, 1977. Fary Mamy, Kilasy faharoa, Edisiona Salohy
- Rabemolaly sy ny namany, 1975. Fary Mamy, Kilasy Voalohany, Edisiona Salohy
Gazety sy revio
- Ravelojaona, 1947. Andriamatoa Rabary, Fiainana lah 175
Tranonkala
https://www.idref.fr/073678600
http://www.koloiko.com/wiki/index.php?title=Rabary_Mpitandrina
www.archivesnationales.gov.mg/bibliotheque
http://www.embona.free.fr/spip/spip.php?article50
https://fjkmavaratrandohalo.org/ny-tantaranny-fiangonana
KALON-DRABARY
HAFATR’ILAY MIARAMILA
Manatona izao ry neny
Hidinihan-janakao
Fa tsy misy toy ny reny
Raha ho faty tahaka izao
Ka aza manalavitra ahy
Fa efa kely sisa izao
Mba tohany kely lahy
Hifanafatra aminao...
Aza mitomanimany
Fa fafao ny masonao
Aoka tsy ho be ny lany
Lambamena iray atao
Aza mba mirakaraka
Fa bangoy ny volonao
Mafy izany ka tsy zaka
Nefa hafa-janakao
Ny sakaizako mihaona
Ka miresaka aminao
Aza avelanao hisaona
Fa ilazao ‘zao teny izao :
"Miaramila matim-basy
Noho ny tany nahabe
Tsy mba mila ranomaso
Hampitsetra izay mandre"
Ilazao ny Malagasy
Ilazao fa havanao
Ka tetezo koa ny lasy
Hahare ‘zao teny izao :
"tsy mba mafy izany maty
Miaro tany nahabe
Ny kanosa injato maty
Fa ny saha indray mandeha
Sao tsy tratry ny maraina
Fidinihana aminao
Fa efa kely izao ny aina
Ka tsarovy tsara izao :
"tsy mba misy tsy ho faty
Rehefa manana aina koa
Nefa mamy ‘zany maty
Maty nahavita soa"
Ka veloma re ry Neny
Fa hilaozan-janakao
Efa hisaraka amin-teny
Ka manao veloma anao
FARY MAMY
kilasy Famaranana tak 45
NY MPAMONJY NO MITADY
Ny Mpamonjy no mitady
Fihavanana aminao
Izy no manambitamby
Hanatonanao izao
Sao manjary fandatsana
Ny fifonana aminao
Ka ny mety mihavàna
Amin’ny Mpamonjy izao
Dieny misy hafanana
Ka mangoraka ny fo
Manatona ny Mpamonjy
Sao dia mangatsiaka indray
Izao no andro famonjena
Ka vonjeo sao neninao
Ry mpanota, miverena
Izao ankehitriny izao
Sao ity no toriteny
Fara-fanasana anao
Sao anio no fotoana
Fara-ahavelomanao
Koa aza mba misalasala
Sao manjary neninao
Raha tsy mety mahalala
Izao fotoana mety izao
Indrisy! be ny fahotako
Be ny ratsy vitako
Sao tsy raisin’ny Mpamonjy
Ny mpanota tahaka izao?
Miverena, fa ny rany
Ampy hahadio anao
Manatona hosasany
Izao ankehitriny izao
Fihirana FFPM 354
RY SAKAIZAN’NY MPANOTA !
Ry sakaizan’ny Mpanota!
Fantatrao ny zanakao
Fa malemy, mora lavo
Ka mangataka aminao
Mba todiho mba todiho
Ka henoy ny vavakay
Raha mitombo harena
Noho ny fanambinanao
Na matanjaka ny tena
Noho ny fitahianao
Mba tantano, mba tantano
Sao tsy mahalala anao
Raha mamely ny devoly
Fahavalon-janakao
Ka mandroso manangoly
Hampisaraka aminao
Mba tazony, mba tazony
Fa tsy mahatana anao
Raha mangirifiry mafy
Noho ny tsorakazonao
Ka ny havana rehetra
Tsy mahita izay hatao
Mba tsidiho, mba tsidiho
Fa maniry indrindra Anao
Raha tonga ilay fotoana
Hiverenana aminao
Ka manahinahy foana
Noho ny ratsy izay natao
Mba tohano, mba tohano
Hahatsiaro tsara anao
Fihirana FFPM 576
Ajouter un commentaire
Commentaires