Pôeta Violette de Parme

Publié le 15 avril 2021 à 13:13

"Koa samia mivimbim-pitia mifanerana
Miaraha-mivongika ny fandeferana"


Ny fahazazany sy ny fiainany

 

Teraka tamin’ny 21 jona 1903, tao Fianarantsoa, Ramasinoro Joséphine ; iray amin’ireo taranaka maro nomen’Andriamanitra an’Itompokolahy Andriamasy Joseph, governora tao amin’ny faritanin’i Fianarantsoa, sy Itompokovavy Razanamihanta, ray aman-dreniny. Avy amin-drainy dia ao Fianarantsoa no fiaviany ary ao Betsizaraina (Antananarivo) kosa avy amin-dreniny. Teraka teo anivon’ny fianakaviana kristianina prôtestanta izy. Tsy tena nobeazina niaraka tamin’ireo mpiray tampo aminy anefa izy, fa natsangan’Andriamatoa Martin Charles mivady, izay teratany frantsay manambady an-dRamatoa Ravaomihanta, rahavavin-dreniny, teo amin’ny fahadimy taonany. Mpandraharaha teo amin'ny taozavabaventy Ingahy Martin Charles ary isan’ireo mpiandraikitra ny famakian-dalana, fahizany, nanerana an’i Madagasikara. Koa nampitsimoka sahady tao anatiny hankamamy ny kanto ny fifaneraserany tamin’ny ala mikirindro sy ny zavaboaary samihafa tamin’ireny fifindran-toerana tetsy sy teroa ireny.

Tsy azo lavina, ary mifameno amin’izay voalaza izay ka nampitia azy ny literatiora malagasy ny nianarany tao amin’ny École Benjamin Escande tao Ambositra, izay fantatra ny lazany amin’ny tsy fanaovana ambanin-javatra io taranja io. Andian’ny faharoa, indray nihira taminy tao i Eliza Freda (Alfred Andrianaly) sy i Bolespara (Rafanoharana), raha andiany fahatelo manaraka azy ireo i S.Bem (Randrianasolo) ary taoriandriana i Randja Zanamihoatra (Edmond Randriamananjara).

Nampakarin’Andriamalala Paul, governora, ho vady izy, ka araka ny tsodranom-pirariantsoa ho an’ny mpivady vao, avy amin’ny ray aman-dreny sy ny havana rehetra, dia noravahan-jaza enina mianadahy ny tokantranony.

Azo ambara ho mpanakanto feno Ramasinoro Joséphine satria manan-talenta eo amin’ny fanoratana, ny hosodoko, ny famoronan-kira, ny mozika. Momba ireto talenta roa farany ireto dia mpitendry harmonia tao am-piangonana izy nandritra ny fotoana naharitraritra, rehefa alahady, tao Ambositra ; ary nisy tamin’ireo hira sy tononkiran’ny mpanakanto, tamin’izany fotoanandro izany, no narafiny sy nosoratany, araka ny voalazan’ny zanany, Rafidison Henriette.

Ny taona 1951 dia niondrana nankany Frantsa noho ny antony ara-pahasalamana Ramasinoro Joséphine, nonina tao Parisy ary tsy tafaverina teto an-tanindrazana indray raha tsy ny taona 1970.

 

"Iray amin'ny zanako vavy"

Noro Fine

Nodimandry izy ny 18 septambra  1997, teto Antananarivo, milevina ao Anjanahary, eo akaikin’ireo ray aman-dreniny nitaiza azy, Martin Charles sy Ravaomihanta.


Raha alahatra ara-potoana ny lalana nodiaviny teo amin’ny sahan’ny kanto dia ny fanoratana no nisantarany izany.

Violette de Parme mpanoratra :

tononkalo – tantaraforonina - tantaratsangana

 

Violette de Parme no anarana nentiny teo amin’ny tontolon’ny soratra. Ny hafatra apetrak’io voninkazo io no nahatonga ny safidiny, hoy ny solontenan’ny taranany, tamin’ny fankalazana ny faha-100 taonan’ny nahaterahany, natao teto Antananarivo ny 20 desambra 2003. Mitondra hafatra mivolom-piangaviana mantsy ny voninkazo Violette de Parme : "Avelao aho hitia anao — Laissez-moi vous aimer". Izay no ventin-kevitr’ireo asasorany, hahatsapana indrindra ilay maha-mpanakanto ny mpanakanto mianoka ny famoronana hatolotra ny hafa.

 

Fahazato taonan'i Violette de Parme

 

Ny tononkalo no nisantarany ny maha-mpanoratra azy, toy ny namany maro tamin’izany fotoana izany. Nivoaka tao amin’ny gazety isan-karazany ireo sanganasany, tao ny Takariva, Ny Fandrosoam-baovao, Ny Sakaizan’ny Tanora, ny gazety boky Voahirana… Ity farany dia noforonin’i Violette de Parme tamin’ny 1950, nivoaka isam-bolana, ho sehatra ifaneraseran’ny mpanoratra, ny mpamakafaka… teo amin’ny lafiny literera, fahaiza-miaina sy mitondra tena, ary ny lafiny ara-piarahamonina. Niova ho isan-kerinandro ny fivoahany ny taona 1951, midika izany fa maro ireo olona liana tamin’ny foto-pisainana nenti- namorona ity gazety boky ity.

Rehefa natsangan-dRapatsalahy Paul ny trano printy Takariva tamin’ny 1935, dia maro ireo  mpanoratra nifanotrona tao ho fampivoarana ny asasoratra malagasy. Tononina eto ny vitsivitsy amin’izany miaraka amin’i Violette de Parme dia i Jupiter (Justin Rainizanabololona), Ny Avana Ramanantoanina, S. Bem, Jasmina Ratsimiseta… (Randrianandrasana Rova, 2003); mpanoratra samy nahazo an-tsaina tsara ny vesatry ny fitondran-janatany teo amin’ny teny sy ny haisoratra malagasy. Tamin’ny avrily 1945 dia namoaka ny amboara Tanàna haolo, i Violette de Parme izay nirakitra ny ankabezan’ny tononkalo nosoratany. 

Tamin’ny volana mey, 1940, no nivoaka ho boky ny tantara noforoniny voalohany : Voalobo-jaza ; ary ny volana desambra 1947 kosa ny farany : Hafatra avy any Ankoatra. Fa sivy no fitambarany teo anelanelan’ny taona 1940 – 1947. Ny roa amin’ireo izay samy nivoaka tamin’ny taona 1941 dia nosoratana mirindra (roman en vers) : Nofon’ny Nofy sy An’iza ny heloka ? Ny collection Malagasy Minerve avokoa no nisehoan’izy rehetra, toraka izany koa ny Amboaram-betsovetso nifarimbonany niaraka tamin’i Élie Charles Abraham, ny taona 1947.

Tsy latsa-danja noho ireo mpanoratra malagasy hafa rehetra i Violette de Parme. Matoa tsy re firy na tsy fantatry ny tanora amin’izao fotoana izao mihitsy ny anarany dia noho izy tsy teto an-tanindrazana nandritra ny roapolo taona latsaka kely, araka ny voalaza etsy ambony. Raha manao jery todika isika dia hahatsapa fa isan’ny vehivavy mpamaky lay izy teto Madagasikara. Raha i Charlotte Razafiniaina no vehivavy voalohany teo amin’ny fanoratana tantaraforonina, tany amin’ny fiandohan’ny taonjato faha-20, dia i Violette de Parme kosa no voalohany tamin’ny famakiana tononkalo, dia ny tononkalony, tao amin’ny Radio-Tananarive  tamin’ny taona 1944 (Martel Robert, 2011).

Nandritra ny taona 1945-1946 dia namoaka tantaratsangana miisa telo izy,  ka  ny Itompokolahy Raberanto (1946) dia nosoratana mirindra. Taorian’ny fahatongavany teto an-tanindrazana no namoaka ny asasorany farany izy, ka iray tamin’ireo tantara noforoniny, Antson’ny ra (1940) no namboariny ho tantaratsangana (jona 1973).

 

Angamba tsy nanoratra mihitsy i Violette de Parme tany ampita, tsy nahita asasoratra nahazoa-manamarina na mandiso izany ny fikarohana hatreto. Fa namirapiratra kosa ny talentany teo amin’ny sahan’ny hosodoko.

Fa ny tena mampalahelo ireo taranany dia very, nisy "naka ho tompony, naka tsy niera", ny tahirin-tsoratr’i Mémée, fa izany no fiantsoana azy eo anivon’ny fianakaviany. Iray dia iray no hany tononkalo sisa ananan’izy ireo, dia ity soratanany atolotra antsika ity, nosoratany tamin’ny fampakarana ny zafiafiny (1987). Nanampy trotraka izany ny fahamaizan’ny Radio-Madagasikara ka dia levona tao ireo asasorany maro.

Tsy hitanay na tao amin’ny Tranombokim-pirenena etsy Ampefiloha na tao amin’ny Arsivam-pirenena  ao Tsaralalana ny anarana na ny solonanaran-dRamasinoro Joséphine. Toraka izany koa ny gazety boky Voahirana sy ny amboaran-tononkalo Tanàna haolo. Azo antoka kosa fa ireo gazety namoahany ny tononkalony tany am-piandohana dia nahatahiry ny maro amin’izy ireny. Ny zava-misy iainana ara-pahasalamana eto an-tanindrazana amin’izao fotoana izao anefa dia sakana lehibe tsy hahafaha-manatanteraka fikarohana lalindalina kokoa. Mirary koa izahay raha mirary ny mbola hanohy izany, ka hanatevina ny famoahana eto ny asasorany aoriana.

Manao antso avo sahady koa amin’ireo izay nahatahiry na vitsivitsy aza amin’ireo soratr’i Violette de Parme mba hiara-misalahy aminay.

Andron’ny Fanambadian’I Koto sy I Kala

Manao aza fady aho, miala salohy,
Mangata-dalana, hiteny fohy.
Eto ny ray aman-dreny, hajaina
Ny zanaka rehetra tsy azo vizaina.
Tsy mba ny sarambaben’ny kintana,
Fa, fitarikandro navahan’ny vintana
Ka tsy hatao rano dikain’ny zinga,
Fa raha mibolisatra tsy mahakinga.

Ny tsiny no aoka hesorina aloha,
Fa ombako tsy zaka, tsy leon’ny Taloha.
Ny tsiny, hono, tsy re velively,
Tsy hita tarehy kanefa mamely.
Tsy manao haody hatao mandrosoa,
Ka aoka hatosika sao mahavoa.
Hopaohin-tadio mitambolombolona.
Any an-tany tsy fantatra, tsy misy olona.

Tsy Ntaolo aho, fa zandrijandriny ihany
Fa tia ny fitenenan’ny tany aloha tany
Izay nampamiratra ny andro diavolany,
Dia ireo ankamantatra sy ohabolany,
Fa voahangy raraka, tsy vasoky ny ela,
Ka ombay mitsimpona, fa lova navela.

Anio, no andron’i Koto sy i Kala malala,
Andro iray toa zato, tsy manan-tsahala.
Andron’ny mpifankatia, mpisakaiza fahazaza.
Moa tsy mendrika hobina toy ny olo-malaza ?

Koa rariny loatra raha toa arahabaina,
Tsofina rano, tsy ho hambahambaina,
Ho tratry izay ela dia ela indrindra.
Ho tretrika ao amin’fiaina-mirindra !
E ! maroa fara, ho lahy sy vavy,
Samy ho bolangina tsy mba fanavy !

Izaho koa, rebika tsy torahan-damba
Te-hitsipi-sandry handihy hisambasamba
Ny haravoana anaty tsy efan’ny vava
Endrey ity harivako, nihamazava.
Fa ny zafiafiko ity ampakarina,
Isaorana anie Ilay Rain’ny marina.

Todihiko indray izy roa vao hisantatra
Ny hitety onja sy lalana tsy fantatra.
Ny fomban’ny hendry dia mifehy vatsy
Tsara ny lalana, fa misy koa mba ratsy
Koa samia mivimbim-pitia mifanerana
Miaraha-mivongika ny fandeferana
Aza manandrana adimadinika
Fa ny mpifankatia no mifampidinidinika

Anio ary dia efa niova sahady
Ny iantsoana anareo dia “izy mivady”
Anarana kely tsy saro-tononina
Fa mampisy haja amin-tany ama-monina
Koa aoka ho filamatra, ‘olona ilaina’
Manadino tena, ny hafa no ao an-tsaina
Vonona hiady amin’ny fitiavan-tena
Fa io no mampietry na iza firenena.

Nakambanareo izao ny fianakaviana
Toa ladim-boatavo ka iray fihaviana
Ny endrika mirana tsy mba vidina,
Fa ny fahatsorana, toetra kajina.

Farany

Ny Fanambadiana na hoe : Tokantrano
Dia firasana masina, tsy anganongano
Ka raha-te-ho sambatra sady finaritra
Aoka ho tsapa fa ao Andriamanitra

Violette de Parme na Memée
Sabotsy, 5 Septembre 1987

 

Noro Fine sy ny hosodoko

 

Fa na dia nandao an’i Madagasikara aza izy, ny taona 1951, dia tsy nahafoana ny aigam-panahin’ny maha-poeta azy ny elanelan-tany. Indro fa nadikany amin’ny hosodoko ny fihetsahampony, navaingany ho sary sy loko ny teny.

 

Mon professeur Madame Jarot

Nanaraka fiofanana momba ny hosodoko indroa miantoana nandritra ny valo taona tao Parisy izy, teo amin’ny Place des Vosges (1958-1959) sy tao amin’ny Grand-Maître, Madame Jarot, Montparnasse (1959-1966).

Noro Fine no ahafantarana azy eto amin’ity sehatra ity ; ny tapany farany amin’ny anarany sy ny fanampinanarany ireo noraisiny ireo. Hita taratra tamin’ireo sanganasany fa mamelovelo hatrany ao am-pony ny Taniny sy ny maha-izy azy, nasongadiny tamin’ny fandokoana ny "Voankazon’i Madagasikara", "Ireo Mpandihy bara any atsimo", "Tovovavin’ampovoan-tany"… fa Malagasy izy.
Raha fintinina dia azo lazaina fa ny maha-mpanoratra/poeta azy no loharanon’ ny talentany rehetra. Hita taratra ilay fahamaizan’ny mpandika asasoratra hamerina hanoratra izay asasoratra novakiny ka nambabo ny fo amam-panahiny.

 

Ny an'i Noro Fine kosa dia nadikany ho sary ny tononkalony. Tsinjo hatrany tao aminy koa ilay hetahetan’ny mpanoratra hizara amin’ny hafa. Hany ka tsy mahagaga mihitsy raha tao anatin’ireo Malagasy miisa roapolo mahery nandray anjara tamin’ny fampisehoana mivelatra nokarakarain’ny Société des Beaux-Arts de la France d’outre-mer izy, tamin’ny 1958. Samy mpanao hosodoko fanta-daza, nanolotra ho an’ny mpijery iraisam-pirenena ny soa sy ny kanton’i Madagasikara tao ry Victoire Ravelonanosy, Yvonne Ramanandraisoa, i Émile Ralambo sy maro hafa (Marlène Lespes, Thèse de doctorat, 2017). Taorian’izay (1960-1970) dia afaka nahita sy nianoka ny talentany ihany koa, tao amin’ny Grand Palais (Paris), ireo mpankafy hosodoko.

 

"Feon'ny angorodao" - Noro Fine

"Voankazon’i Madagasikara" - Noro Fine

"Ireo Mpandihy bara any atsimo" - Noro Fine

"Tovovavin’ampovoan-tany" - Noro Fine

Notolorana ny mariboninahitra  Chevalier de l’Ordre National Malgache izy ny 25 jona 1986.
Manana ny Diplôme officiel du XIXe Grand Prix International de Deauville (1969)

Ireo asasorany

Amboaran-tononkalo
–    1945 : Tanàna haolo
–    1947 : Amboaram-betsovetso (Violette de Parme / Élie Charles Abraham)

Tantaraforonina
–    1940 : Voalobo-jaza, Antson’ny ra, Ny tena fitiavana,
–    1941 : Ilay sadiavahy tany Ibara, Noho ny zanako, Nofon’ny Nofy, An’iza ny heloka ?
–    1944 : Akohokely lasam-papango
–    1947 : Hafatra avy any Ankoatra

Tantaratsangana
–    1945 : Rahanitriniala ; Voangaly
–    1946 : Itompokolahy Raberanto
–    1973 : Antson’ny ra

Mpikambana tao amin’ny Centre artistique et littéraire de la France-Madagascar : Société des artistes indépendants et des Beaux-Arts de la France d’Outre-mer.

Nizara ny hafaliany sy ny fahafinaretany tamin’ireo mpiray tanindrazana aminy rehefa tafaverina soa aman-tsara teto Madagasikara ka nanao fampirantiana teny Anatirova (1971) ; teo amin’ny Place Goulette (Ministeran’ny Tanora ankehitriny) ; teo Imahamasina (INFP ankehitriny). Nanolotra koa fanomezana sary hosodoko iray tamin’ireo sanganasany ho an’ny Musée d’Art Contemporain de la République malgache (1974).

 

Nanao hetsika ho fahatsiarovana ny faha-100 taonan’ny nahaterahany, teto Antananarivo, ireo taranany tamin’ny 20 desambra 2003.

 

Fidiran’ny penin’ny vehivavy teo amin’ny tontolon’ny literatiora malagasy

Fameno

 

Jery todika fohy dia fohy mamintina sy ho fampahatsiahivana ny fidiran’ny penin’ny vehivavy teo amin’ny tontolon’ny literatiora malagasy.

 

Tsy mivaona amin’ny zava-misy eran-tany mantsy fa ny asasora-dehilahy dia ireo Malagasy mpianatry ny misionera, nohatevenin’ireo mpitandrina zokiny, taty aoriana kely, no nanokatra ny lalana tany amin’ny taonjato faha-XIX. Nanoratra tononkira ho fanamafisam-pinoana no niandohany fa tao anatin’io tanjato io ihany koa no teraka ny rindrambolana tsotra, tsy natao ho hiraina any am-piangonana. Isan’ny mpialoha lalana voatahiry amin’izany ny « Midira ato an-tranoko, ry lalitra malala », nosoratan’i R.B, nivoaka tao amin’ny gazetiboky Ny Teny Soa (1875), sy ny « Abidin’ny toaka », nosoratan’ny pasitera Rajaonary, nivoaka tao amin’ny gazetiboky Ny Sakaizan’ny ankizy madinika (1880).

 

Nihaniroborobo izany rehefa lasa zanatany frantsay i Madagasikara, indrindra fa teraka ny gazety voasoratra amin’ny teny malagasy voalohany tsy miankina na amin’ny fanjakana na amin’ny misiona dia Ny Basivava (1906). Koa tao no sehatra niaingan’ireo mpanoratra malagasy vao miana-mandeha teo amin’ny famoronana rindrambolana, nampian’ny torohevitra avy amin’ireo tompon’andraikitry ny gazety : i Edouard Andrianjafitrimo (1881-1951) sy i Justin Rainizanabololona (1861-1938). Nibahan-toerana sy nihamaro an’isa hatrany ny penin-dehilahy.

 

Fa ny anjara toerana lehibe tanan’ny penim-behivavy ankehitriny eo amin’ny tontolon’ny haisoratra malagasy dia tsy afa-misaraka amin’ny anaran’i Esther Razanadrasoa na Anja-Z (1892-1931), nanoka-dalana ny fanoratana rindrambolana ; i Charlotte Razafiniaina (1894-1979), voalohany teo amin’ny tantaraforonina ; i Violette de Parme (1903-1997), araka ny efa voalaza, dia nisantatra ny fiantsana rindrambolana – ny rindrambolana nosoratany - tao amin’ny Radio-Tananarive, Radiô Nasiônaly Malagasy (RNM) ankehitriny, ny taona 1944 ary i Suzanne Georgine Ravaoseheno na Suzy Andry (1909-1991), mpialoha lalana ny vehivavy nahazo ny laharana voalohany teo amin’ny fifaninanana manoratra (1946).

 

Zanatany i Madagasikara nefa dia tsy nahitana akony manao ahoana teo amin’ny tontolon’ny haisoratra malagasy ny rivotry ny fanivaivana ny firotsahan’ny vehivavy teo amin’ny sehatry ny fanoratana, izay nitsoka mahery tany ampita tany, tamin’izany fotoana izany. Tsy toerana natao hamelabelarana ny momba izany eto fa : moa tsy fiaikena ara-drariny ny famirapiratan’ny vehivavy eo amin’ny sahan’ny haisoratra aza no tsapa rehefa mamaky ny voalazan-dRajemisa-Raolison momba an’i Charlotte Razafiniaina ?

 

Endrey ny hamaroan’ny asasoratry ny vehivavy malagasy mpanoratra ankehitriny misandrahaka eo amin’ny karazan-dahatsoratra maro.

 

Izay mitady dia hahita, hoy ny fombam-pitenenana, manomboka mody ventiny ny rano nantsakaina, koa indreto Rindrambolana vitsivitsy, asasoratr’i Violette de Parme, hahazoa-manatevina ny asasorany tetsy ambony. Voarakitra tao amin’ny boky kely notontosain’ny taranany tamin’ny fanamarihana ny faha-1OO taonany ny 30 desambra 2003, teto Antananarivo izy ireto. Koa fisaorana mitafotafo hatrany no atolotra ireo taranany.

 

Ry ampitso

 

Rey ampitso antenaiko
Eny ampita ;
Ilay kintana andrandraiko
Dia tsy hita !
Izany alim-pahoriana :
Ela loatra !
Ka ny sentom-paniriana,
Tafahoatra !

 

Rey ampitso ifaharana,
Tongava !
Itony vetso tsy mifarana
Ho rava !
Diavolam-pararano
No aposahy !
Ny ankaso mba sakano
Sy roahy !

 

Rey ampitso hanonerana
Ny lasa…
Ny alahelo sy fitserana
Ho voasasa !
Ny ririnim-pijaliana
Atsaharo !
Lohataom-pifaliana
No velaro !

 

Rey ampitso ilay andrasako
Hampitony !
Ireto hafatro aparasako,
Angony !
Aminao no miantsampy,
Toy ny vahy !
Ka tolory toky ampy
Tsy hanahy !


Violette de Parme
24 mars 1940

 

Iza kosa no hangoraka ?

 

Indray harivam-pararano, tolak’andro mibaliaka,
NItsitoko vitsivitsy irony rahona botsiaka,
Noalinin-javozavo ny havoana teny ho eny,
Ka nandrombaka ny fo manimanina hankeny !

 

Ny ampanga no fikopaka nandrava-dohasaha,
Ny kamory sy zozoro samy vonona hitaha,
Ny sorindrana, ala kely fieren’ny toloho,
Hazo-tokana tsitoavina, no mba alokay roa.

 

Niala voly no naleha dia finaritra aoka izany.
Fa akory ny hasoan’ity voahary eto an-tany.
Samy ravo, na mpanjono, na mpanihika, mpihaza ;
Ireny koa teny ho eny ny vela-pandri-boron-jaza.

 

Nitsontsorika ny andro, tsy voatana tsy ho hariva,
Samy niomana ny hody, mbamin’ny masoandro iva.
Iny kosa ity mpihaza, ndeha hanenjika ny hazany :
« Vorona efa voan’ny bala, fa nilefa », no filazany.

 

Izary tokoa ery, teo akaiky tratra toraka,
Mibareraka, tapak’elatra, mahaory, mampangoraka !
Nojokoiko moramora, nodinihiko ny ratrany,
Nosavako teo daholo, na lamosina na tratrany.

 

Notrotroiko hoenti-mody ity mahantra mitakoko,
Izato ratra tsy nampizina naha-ontsa koa ny foko !
Lasalasa indray ny sentoko, fa nangina ny horakoraka ;
Izaho kosa, izaho kosa ho’aho, iza no mba hangoraka !


Violette de Parme
Avril 1940

Olo-mandalo

 

Olo-mandalo, mikalo any ho any ;
Injany ! fa reko manatona ihany
Ny endriny trotraka, toa mitomany !
Ka mampahonena sy mampanontany !

 

Mikalo malefaka, feno talaho :
« Olo-mahantra, hono, ka angoraho »
« Vontom-panala ka mila ho ana »
« Ity singan’irery mba te-hombombana »

 

Velom-pitserana ity oriory,
Hay foko mangina sy efa natory !
Izato fikalony maningantsingana ;
Mandavo ny foko, ka tena voafingana !

 

Kanjo niserana fa olo-mandalo,
Nangina sy tapaka teo koa ny kalo !
Ny lala-nombany no sisa tazanina ;
Olo-mandalo, hay ! no nahamanina !


Violette de Parme
7 juin 1940

Raha izay hira izay no reko

 

Tia mozika loatra aho na adalan-kira koa ;
Saingy raha miverin-dava, mahadilo ka tsy toha
Misy izay hira izay anefa tsy mba afaka eo am-bava !
Singana tsy mahamamo iompanan’ny fitiavako.

 

Inay somary mitaraina, mitalaho eny ambony,
Dia misononoka mora hoatr’irony rano an’ony.
Hira lavitra filatro fa milanto tsotra izao,
Fa mamalona tantara ao an’eritreritra ao.

 

Nony henoko hiraina na siahina any ho any
Miontana tokoa aho, mahatsiahy ilay niandohany
Dia miverina ny akon’ny fahiny nolalovana
Volon’andro hanitranitra tahirim-pahatsiarovana

 

Izay no itiavako ilay hira nahatonga ahy tsy ho leo
Fa miteny ato anatiko na ny tonony na feony.
Raha izay hira izay no reko, na aiza na aiza misy ahy
Dia injay manina aho, manimanina tsy nahy !


Violette de Parme
Novembre 1941

 

Inona àry izany ?

 

Mihoatra bonga, renirano tsy misy lakana mampita.
Mamihina olona any ho any, nefa ny alony tsy hita
Manarangarana any an-koatra na mampitodi-doha ny ela,
Mamindra tsy mba re tsaika na misy marika tavela.

 

Mitanika ny loha sola toa tanik’andro mahamay,
Mandrotsirotsy koa anefa, manafosafo indraindray
Manivana ny akofam-bary, dia mandanja toa mizara
Mamakivaky dia mively, tsy miandry taona hijinjana.

 

Mampiontanontana ny fo, mampangina, mampijanona,
Nefa andry mampijoro manohana ho olom-banona.
Inona àry, hoy ianao ? Tsy inona tsy akory izany :
Fa ny eritreritra na feo, tsy miala, ao anaty ihany.

 

Mandambolambo anao ho soa, mamboatra sy manefitefy,
Misakana izay fahavalo, tsy ho afaka hihoa-pefy.
Izay voninahitra, harena na fahaizana izay tratra
Mampievotra dia mampiantonta, mitondra loza ka handratra.

 

Fa io no ataovy famihinana tsy hampamantana any an-kady
Hanova ny mpivelatsihy ho marin-teny na voady
Ho famantarana avaratra ity tany mbola sambo
Tsy ho voadonam-batolampy, na hatelin’ny antambo


Violette de Parme

Olon-jovy moa hianao

 

Tsy mba iza, fa izaho.

 

Tsy mba iza, fa izaho, raha irinao ho fantarina,
Mpikalo iray manetry tena, fa ny vetso no amparina !
Io anarako io ihany, io no ahafantaran’ahy :
Ilay maniry an-tsisim-boly, raha anivo tsy mba sahy.

 

Ity voninahitra sy renty, ny tarehy amam-bika ;
Dia natolotra ny raozy, ny dalia sy ny pika,
Izaho kosa dia takona, ravi-maitso no mba ravaka,
Tsy manaitra ho jerena, f’injany ny hanitra no miavaka.

 

Ireto taho malefolefo, tsy mba tsilo hatahorana,
Ireny mantsy no fambara, fa tsy manan-kasosorana !
Misahiràna àry hianao, hanambatra ny amboarako,
Dia tsy hiafina aminao, izany izaho sy ny anarako.

 

Ilay mpikalo tsy misorona, fa nanainga ny finiavana,
Mba hanitsy ny tanora izay misantatra fitiavana !
Halako ny velatsihy, laviko ny an-tendromolotra,
Fo mafana vetivety, mora miova no atolotra !

 

Ireo àry no amboarako, ireo tokoa no hanafarako,
Hanasoavana taranaka, f’izay no fomba fahazarana
Raha mba sitrakao ireo dia hifanaraka ny kalo :
Hianao hitendry ny gitara, ka ny mpihaino no hivalo !


Violette de Parme

 

Mangina

Alin-tohi-lany
Mainty ngalingaly
Lanitra tomany
Toraky ny omaly

 

Tselatra miriatra
Manafotra ahiahy
Onja aman-tafiotra
Indray mipaoka ahy

 

Iza no antsoina,
An’avanavan-tany ;
Ako no manoina,
Mamerina eto ihany.

 

Potraka aho , lavo ;
Kely sisa ny aiko
Miantsoantso ny Avo,
Hany andrandraiko :

 

Ry Mpampitony onja,
E, mitenena indray
Indraim-bava monja
Toy ny fahizay.

 

Tsy andriko tokoa,
Ny saiko efa ketraka
Fa ny segondra roa
Toa ora roa napetraka.

Injay, mangirangirana
Manaitra ahy hihiratra
Fijery miramirana,
Endrika mamiratra.

 

Ilay Mpandresy ady,
Ny Tompo be fitiavana
Tanaty vavahady
Misoratsoratr’avana

 

Ny masoko nitraho
Fa dibo-kafaliana
Mandre ny feony aho
Miteny hoe « mangina ! »

 

Re manavatsava
Ny vahan-danitra any ;
Miarak’amin’ny vava,
Mitony indray ny tany

 

Lao ny horohoro
Lasa ny hakiviana
Naseho, koa najoro
Ny hazo fijaliana

 

Niezaka aho hiampita
Hiankohoka amin’iny
Ilay avotra efa vita
Ho ahy ankehitriny.

Violette de Parme

 

Ahy kosa izao ny didy

 

Mbola feno anao ny foko, ka tsy misy ‘zay nolaviko ;
Ny mangidy nosotroiko ; rehefa sitrakao notoaviko
Tsy ny foko ihany mantsy no nomeko manontolo,
Fa ny saiko, ny tenako, eny hatramin’ny singambolo.

 

Oriory izany izaho, manimanina ny lasa,
Na hariva na maraina : sento foana no lahasa !
Tazako eto irony zavona, toa fambara ny alaheloko
Lasa ihany ny fisainako : inona àry izao no heloko ?

 

Endrey ! manjombona ny lanitra ! Hay ! ny orana mitraho
Tahak’izany koa ny foko, kotsakotsa ! mitalaho !
Taiza kosa, ho’aho, hianao ilay nantsoiko ombieny ombieny.
Nodian-tsy fantatra ny feoko ; tsy nanoina, tsy niteny…

 

Tonga hianao ankehitriny, manantena ilay taloha
Ilay fitiavana natobaka : lany, tankina tokoa !
Ela loatra, diso aoriana !... oh ! ny foko efa nihidy !
Azafady miverena… Ahy kosa izao ny didy !


Violette de Parme

Fisaorana

Isaorako manokana eto ireo taranany indrindra Andriamatoa Rafidison Christian mivady, zafikeliny, nampita tamiko ireo sary maro dia maro miampy ny teny fanolorana sy sorapiainany nosoratan-dRamatoa Rafidison Henriette, zanany, tamin’ny fankalazana io faha-100 taona voalaza eo ambony io. Ny fanampianareo nizara ny momba azy sy ny sanganasany teo amin’ny sahan’ny kanto no nahazoana nanatanteraka izao sorapiainana izao.
Mankasitraka, Tompoko.


Boky ahitana sombintsombiny momba an’i Joséphine Ramasinoro na Violette de Parme

Lespes Marlène, De l’orientalisme à l’art colonial : les peintres français au Maroc pendant le Protectorat (1912-1956). Art et histoire de l’art. Université Toulouse le Mirail - Tome I, 2017, p. 162

Martel Robert, Une école protestante à Madagascar – Ambositra, 1861-2011 : le temple devenu le lycée Benjamin Escande, éd. Karthala, p. 90

Nirhy-Lanto Ramamonjisoa Solotiana, Le Dictionnaire Universel des créatrices (dir. Béatrice D., Fouque A., Calle-Gruber M.,) éd. Des femmes, Paris, 2013

Randrianandrasana Rova, Idealy-Soa zanany : Ny mpanoratra sy ny asasorany, Mémoire pour l’obtention du Certificat d’Aptitude Pédagogique de l’École Normale, ENS, Antananarivo, 2003, p. 10
Ravelosoa, Victor Benjamin Andriamasy, 11 février 1921 - 6 mai 1998, akondro.com

Ajouter un commentaire

Commentaires

Il n'y a pas encore de commentaire.