Pôeta Reine David Andriamiharisoa

Publié le 15 août 2021 à 17:17

"Indreto misy voa sy felana novimbiniko ho anareo rankizy, ny voa hitondra ny mamy ho anareo,

ny felana kosa hampamerovero ny fahazazanareo."


Pôeta mihasinkasina i Reine David Andriamiharisoa ary satriny hanana toera-miavaka koa ny ankizy sy ny mpiara-belona aminy. Tsapa eo amin'ny asasorany izany ary iainany eo amin'ny fiarahamonina.

 

1. Pôeta mihasinkasina

 

Mihasinkasina amin'ny lafim-piainana manontolo i Reine David Andriamiharisoa fa tsy amin'ny teny sy literatiora iompanan'ity fandalinana ity ihany. Izy no pôeta nomena, nankafy sy nikolokolo, nandalina ary namihina ny literatiora tao anatiny. Tsy vitan'ny hoe ao anatin'ny rany ihany ny literatiora fa nilonany, nianarany, nifotorany tamin'ny andraikiny ary niorenan'ny finoany.

 

1.1. Milona amin'ny zavaboahary

 

Reine Yvette Andriamiharisoa no tena anarany teo am-pahaterahany tany Antsirabe ny 7 jona 1939. Zanak'Andriamiharisoa Raphaël mpitsabo mpanampy sy Raharisera Georgine mpampivelona izy. Nanjary Reine David Andriamiharisoa ny anarany tamin'ny nanambadiany an'i DAVID Marcel tamin'ny aogositra 1962. Dimy mianadahy ny zanak'izy ireo ary miorim-ponenana any Frantsa ny 4. Nampiasainy teo amin'ny sehatry ny literatiora koa io anarana David io. Eny Ivato ny trano fonenany, toerana nahafatesany ny 23 Septambra 2008 ihany koa.

 

“Ny Vohitry ny Nofy” no anaran’ity tanàna ity, ao Ilaivola Ivato (Antananarivo), misy ny trano fonenan’i Reine David Andriamiharisoa sy ny vady andefimandriny Marcel David

 

Azo lazaina ho miavaka ny fahazazan'i Reine David Andriamiharisoa noho ny anjara toerana manokana notanan'i Rali mpitaiza mahatoky azy tamin'ny fanabeazana (David D.H.M., 1994). Voatana matetika tamin'ny asa mantsy ireo nahitany masoandro.

Nisarika azy hankamamy zavaboahary i Rali. Tao anatin'ny fampifalifaliana azy ny kilalao mampifandray amin'ny zavaboahary toy ny fisamborana trondro, firesahana amin'ny voninkazo sy ny biby. Nozarina hampiasa tanana koa izy tamin'ny famolavolana singa samihafa toy ny vato sy fotadrevo. Nozarina hankamamy ny tara-masoandro amin'ny farihy sy ny hiram-boronkely koa izy.

Tao anatin'izay fanabeazana izay koa ny fitantaran'i Rali angano ho azy isan-kariva teo am-pandriana, azo lazaina ho fototry ny fironany tany amin'ny fanoratana angano taty aoriana. Nanamarika ny fitiavany ny zavaboahary koa ny faritra nonenany. Nifindrafindra toerana niasana mantsy ny ray aman-dreniny toy ny tany ambanivohitry Ambatofotsy. Efa tany Vohimarina koa ry zareo, toerana nankamamiany voalohany ny ranomasina.

Na dia voatanan'ny asa aman-draharaha aza ny ray aman-dreniny dia tsapa ho niaina fahazazana mivelatra tao anatin'ny fifaliana hatrany i Reine David Andriamiharisoa. Zava-dehibe ny fanazaran'i Rali azy hisaina hatrany ny lafitsaran'ny fiainana.

 

1.2. Mandranto fahalalana

 

Nilomano tao anatin'ny dobon'ny literatiora i Reine David Andriamiharisoa fahakely. Nisarika azy hankany amin'ny kihondalana lehibe fanolokoloana izany koa Rtoa Lasser, mpampianatra azy tany amin'ny garabola. Nitaona azy hankafy famakiana boky io mpanabe io ka nahafantarany pôeta havanana maro toa an-dry Paul Verlaine. Ahitana ny rivotry ny pôeziany ao amin'i Reine David Andriamiharisoa toy ny "La lune blanche" taratra ao amin'ny "L'âme soeur". Andeha hitodihana etoana ny antsipirian'ny lalana nodiaviny teo amin'ny fianarana.

Nandia toerana maro izy teo am-pandrantoana ny fahalalana ary saika sekolim-panjakana avokoa izany.

1946-1948 : Ambohimasina (Betafo)
1948-1949 : Ambatofotsy
1949-1951 : Vohimarina (Vohémar teo aloha)
1951-1952 : Antanimalalaka Analakely
1956-1957 : Ecole Primaire supérieure (Lisea Rabearivelo ankehitriny)
1957-1959 : Lycée Jules Ferry
1960-1963 : Anjerimanontolo Antananarivo


Nahazo mari-pahaizana mifanentana tamin’ny fahalalany sy ny faniriany izy.

1956 : BEPC
1958 : Baccalauréat 1ère Partie
1959 : Baccalauréat 2ème Partie 
1960 : Certificat d'Etudes Littéraires Générales
1963 : Licence de Lettres de Madagascar

 

Izy no vehivavy malagasy voalohany nahazo ny Licence en Lettre Malagasy. Marihina fa safidiny mihitsy io fironana amin'ny sampana "malagasy" io. Nahazo "certificats" maro koa izy:

 

 

Certificat de Lettres de Madagascar (1962)
Certificat de Grammaire et de Philologie Française
Certificat de Grammaire et de Philologie Malgache
Certificat de Littérature Malgache
Certificat de Littérature Française en 1963 (avec mention et un prix d’honneur)

Niainany tamin'ny asa fivelomana ny mari-pahaizana momba ny teny sy literatiora nananany ary nohalalininy hatrany.

 

1.3. Mifototra amin'ny asa aman-draharaha

 

Taratra tamin'ny fampianarana sy ny iraka teo amin'ny sehatra iraisam-pirenena izany fifotorana tamin'ny teny sy ny literatiora izany.

 

1.3.1. Fampianarana

 

Taranja malagasy sy frantsay no nampianarin' i Reine David Andriamiharisoa, tao amin'ny lisea Rabearivelo aloha, ny 1963-1964, nanohy izany tao amin'ny Institut National Supérieur de Recherche et de Formation Pédagogique Ampefiloha. Niato tamin'ny asana mpampianatra izy teo anelanelan'ny 1975 sy 1980 noho ny aretina nahazo azy ka nisedrany fandidiana sy fitiliana maro tany Frantsa.

Niverina nampianatra tao amin'ny Institut National Supérieur de Recherche et de Formation Pédagogique indray izy tamin'ny 1982 mandra-pikaton'io toeram-piofanana io tamin'ny 1982. Tao aorian'izay dia nampianatra tamin'ny sekoly katolika izy: Saint-Antoine, Saint-Michel, Scolasticat Saint-Paul.

 

Reine David Andriamiharisoa miaraka amin’ireo mpiofana ho mpampianatra sy "conseiller pédagogique". Fanaony ny mitondra ny mpianatra mitsidika vakoka malagasy toy ny doany, rova…

 

Tafiditra tao amin'ny Ecole Normale Niveau II izy tamin'ny 1987 ary tsy niala tao raha tsy tamin'ny taona 1997 nisotroany ronono.

 

1.3.2. Iraka tany ivelany sy velakevitra

 

Nampitombo ny fahalalany ireto iraka nandefasana azy tany ivelany ireto:

- tany Frantsa tamin'ny 1967, tao anatin'ny ady hevitra momba ny anjara-toeran'ny tenin-dreny sy ny teny vahiny ao amin'ny fampianarana
- Voatendrin'ny UNESCO hanao fiofanana momba ny fampianarana ny tenin-dreny tamin'ny septambra 1970 tany Sénégal (Dakar), Frantsa (Parisy, Nice, Strasbourg)

Ankoatra ireo ary tsy ny kely indrindra dia mpikambana tao amin'ny Akademiam-pirenena Malagasy i Reine David Andriamiharisoa. Izy ihay koa no namorona ny SEROI (Société des Ecrivains de l'Océan Indien) tamin'ny 8 marsa 1989 ary filohany.

 

Reine David Andriamiharisoa, Filoha mpamorona ny SEROI miaraka amin’ireo mpikambana

 

Izany iraka sy fiofanana ary andraikitra izany no vao mainka nampivoatra ny fifehezany ny teny sy ny literatiora malagasy sy frantsay.

 

1.4. Miorina amin'ny finoana velona

 

Nitoetra tao amin'i Reine David Andriamiharisoa ny finoana lalim-paka ka nananany fifandraisana manokana tamin'Andriamanitra (David D.H.M., 1994). Antony telo no manamarika izany.
 

- Tao aloha ny fomba nanabeazan'ny mpitaiza azy hatrin'ny kely teo amin'ny finoana. Nampianatra azy hitia an'Andriamanitra i Rali tamin'ny fanambarana ny momba an'i Kristy izay noraisiny sahady ho namana akaiky azo itokiana.

- Nobeazin'ny Mômpera Paul-François de Torquat (Geisler, 2017) tamin'izy nitoetra tao amin'ny Akany katôlikan'ny mpianatra tao Antanimena izy. Marihina fa diso fantatra eo amin'ny sehatry ny finoana eto Madagasikara io Mômpera io. Angadiny koa ny fampianarana, indrindra fa ny taranja filôzôfia ary nitondra fanavaozana lehibe teo amin'ny tontolon'ny sekoly, raha tsy hilaza afa-tsy ny kôlejy Masina Misely Amparibe(1) fotsiny isika. Nanana anjara toerana lehibe tamin'ny fahatsapan'i Reine David Andriamiharisoa ny maha "Fitiavana an'Andriamanitra" izy.

- Nanamafy ny finoany koa ny fijaliana mafy nahazo azy izay nateraky ny aretina tolinga(2) amin'ny atidoha ary saika nahajamba azy. Nahazoany tanja-tsaina ny herin'ny finoany ka nahafahany niatrika ny jaliny sy ny fahombiazan'ny fandidian'ny Dokotera Cophignon azy tany Frantsa. Mivohitra ao amin'ny asasorany izany fahagagana avy tamin'Andriamanitra inoany fatratra izany toy ny voalazany ao amin'ny "Indro eo Hianao, ry Tompo, misaotra!":

 

"Nomenao alalana i Docteur Cophignon
 Hanatanteraka amin'ny tanany ilay fahagagana lehibe.
 Tamin'iny dia namany mahatoky ihany Hianao,
 Fa ny fahalalanao azy no mampatoky anao ny ho vokatra".

 

 

Miavaka amin'ny asasorany ny tononkalo sy ny tononmbavaka maro. Tsy mba anisan'ireo mpanoratra mpamerina ny mahasarika sy ny mahazatra izy fa tena mpamorona ny azy manokana mihitsy.

 

2. Pôeta mamorona sy mandalina

 

Namboraka nanoratra tamin'ny taona 1960 i Reine David Andriamiharisoa. Efa nahavita amboaran-tononkalo antsoina hoe "L'adolescente" anefa izy talohan'izay raha ny tena marina. Nosoratany tamin'ny fahatanorany izany, araka io lohateny io, amboara nihirany fitiavana, fitiavana ny zavaboahary ary ny faniriany ho lasa pôeta. Manoratra amin'ny teny frantsay sy teny malagasy izy. Amin'ny teny frantsay satria nanamarika ny tontolony ny kolontsaina vahiny noho ireto antony ireto:

- hatreo amin'ny faha-21 taonany no niainany ny fanjanahantany
- Metisy frantsay ny reniny
- Metisy frantsay koa ny vadiny


Anisan’ny nahasarika azy hitozo tamin’ny fanoratana anefa ny fitiavana ny teny malagasy, ny fanabeazana ny maha olona ary indrindra ny fanahy maha Malagasy. Maro ireo asa soratra teo am-pelatanany ary niezaka hatrany izy nanaja ny hasin’izany teny malagasy izany. Mifototra amin'ny zavaboahary, ny finoana ary ny zavatra iainany andavanandro ny ankabeazan'ny asasoratr'i Reine David Andriamiharisoa. Taratra amin'ireo andalan-tononkalony ny maha pôeta miteny azy. Pôeta mampiteny koa anefa izy amin'ny alalan'ny famoronana angano. Ambonin'izany, havanana amin'ny andrana sy famakafakana ity pôeta mandalina ity.

 

2.1. Pôeta miteny

 

"Mamoaka teny na feo misy heviny fanaon'ny olombelona" ny miteny (Rajemisa Raolison, 1985). Azo heverina ho pôeta miteny amin’ny fombany manokana i Reine David Andriamiharisoa noho ireo fomba fanoratra iavahany amin’ny hafa.

Ny ankamaroan’ny lohatenin’ny tononkalony ohatra dia toy ny fehezanteny izay tsy mahazatra ny maso loatra ny mahita izany toy ny "Avelantsika ho maty noana ve ireto ankizy", "Ny taona no misandratra"...

Miteny ny pôeta noho ny filazany ny tranga hitan’ny masony izay toy ny sary velona ahitan’ny mpamaky mivantana izay ambarany.

"Ranomaso mangina no manorika ny tavany...
 Tsy zakany fa mavesatra loatra ity hazo fijaliana...
 Ankona izy, tsy mahaloa-peo intsony ny vavany"

 Avelantsika ho maty noana ve ireto ankizy?

 

Miteny ny pôeta noho ny fampiasany ireo voambolana tsotra fandre eo amin’ny tontolo andavanandro izay mora takarina kanefa mampita hafatra mahaliana sy mampisaina ny maro. Ny ankamaroan’izy ireny aza dia sarinteny miorina amin’ny fanantitranteran-javatra.

"Hiaina anatin’ny filantoana sy firindrana"


Miteny ny pôeta hany ka tsy manaiky ho voafehin’ny endrika manara-drafitra fa manasongadina ireo kanto amin’ny fisosan’ny teny izay atosaky ny aingam-panahy. Miharihary ny rima izay heverina fa mifanjohy kanefa tsy mahafaritra izany tanteraka.

"Mivimbina fanantenana, tantera-pahazavana mangarangarana
 Ka enga anie hody ventiny, izay rehetra nisasarana !
 Hampifelana, fifaliana sy fahasambarana...
 Fahasambarana safononoka sy feno fatra,
 Hibaliaka sy hangoratsaka toa volam-penomanana tsy mba hiratra"

 Ny taona no misandratra


Pôeta miteny i Reine David Andriamiharisoa satria hita taratra amin’ny feon’ny teny ambara ny endrika fitantarana toy ny amin’ny angano, ny feo malefaka toy ny mitafa amin’ny ankizy beazina sy mpianatra ampitana fahalalana. Tsapa avy amin’izany ny fihetseham-po amin’ny maha mpanabe izay mitarika ka feno fahatsorana aoka izany.

Nivoaka tamin’ny gazety maro ny tononkalon'i Reine David Andriamiharisoa. Anisany ny gazety Ala voly, Madio (Halte à la lèpre), Fararano, Fampiononana, Vakiteny mahasoa, Ny boky no loharanom-pandrosoana, Dinika.

Mbola tsy nivoaka ireto tononkalo amin'ny teny frantsay ireto: Chants d'allegresse, Pluie de Pétales, Un bouquet de messages, C'est beau d'aimer, L'amitié, La Parole est d'argent, Préludes, Prières.

 

2.2. Pôeta mampiteny

Namoaka ny boky angano milohateny hoe "Voa sy Felana" i Reine David Andriamiharisoa tamin'ny 1977. Maneho ny fiainan’ireo voahary tsy afa-misaraka amin’ny tontolo eny ambanivohitra ny boky. Mahaliana ny mamaky izany noho ny filalaovan’ny mpamorona angano ny feon-javaboahary ka namoronany tanàna mifandraika amin’izay, toy ny hoe Ambohimikoraka, izay feon’akoho mikoradraka. Ankoatra ireo ny lohateny hafa izay milaza fahagagana tsy fahita firy toy ny "tehina raim-pianakaviana mahafatra-po". Tsy ambakan’izany ireo angano tsy tambo isaina noforoniny toy ny sahamanitra, fenomanana, fampakaram-bady...

Ny vohitry ny nofy (Le Hameau du rêve) no angano voalohany nosoratany tamin'ny teny malagasy, voadika tamin'ny teny frantsay ary ahitana fizarana telo : La vallée des parfums(3), Le père trois pattes ary Tante Pendulette. Mampiaka-tsehatra ny ankizy sy ny singan-javaboahary maro io angano io toy ny biby amam-borona, hazo, voninkazo ary singan-javatra fampiasany amin'ny andavanandrony ka nampilalaovany toetran'olona. Mampahatsiahy ny fomba fanabeazan'i Rali azy fahakely ity angano ity.

Nanoratra ny "L’Oiseau et la Rose" indray izy avy eo, nentiny nanambara ny fivoaran'ny fitiavany.

 

Nomeny endrika angano ny tantara tamin'ny alalan'ny fampiresahany ny raozy sy ny vorona. Nahazo sitraka tamin'ny "Ecole de la Loire" any Frantsa io angano io tamin'ny 1985.

Mbola ao anatin'izay fitiavan'i Reine David Andriamiharisoa mitantara ny fiainany amin'ny alalan'ny angano izay ihany ny "Un univers d’enfant". Sorapiainany tsotra izao no ato anatin'ity asaroratra ity saingy miendrika angano, toy ny efa nataony tao amin'ny amboaran-tononkalo "Chants d’Allégresse". Ampahany aza raha ny tena marina satria manasongadina ny fotoana namaivay niainany taloha, nandritra ary tao aorian'ny aretina nandidiana azy tamin'ny 1975-1980.

Tsy afaka namoaka an'ireto angano ireto i Reine David Andriamiharisoa fahavelony: Sahamanitra, Anjina, Fenomanana, Rafara Fiarakodia, Rainitelo mianakavy, Rafodimirenty ny soa, Pelika sy Pilaka.

 

2.3. Pôeta mandalina

 

Andeha hotanisaina ny santionan'ireo famakafakana tsy tambo isaina efa notontosainy:

- Ny vohitry ny nofy
- Endriky ny fiarahamonina fanaperana
- Rafitry ny fianakaviambe malagasy
- Anjara toeran’ny lalao eo amin’ny fanabeazana (nivoaka ao amin'ny Dinika)
- Anjara toeran'ny ray aman-dreny amin'ny fanabeazana
- Tononkalo sy tonombavaka (tsy nivoaka)
- Tononkalo (nivoaka tamin'ny "Fampiononana" sy ny gazety Fararano)


Nanao andrana momba ny fisainana malagasy izy: Ny lalao malagasy, Ny Fianakaviambe... Tao no voadika tamin'ny teny frantsay: La Femme malgache, Le concept de l'âme, La psychologie de l’enfant malgache... Manampy ireo ny tsikeran'ny asa soratry ny mpanoratra malagasy ka anisany ny an'i E.D. Andriamalala sy Ramaholimiahaso.

Amin'ny maha pôeta mpandinika azy dia manan-kambara momba ny fikarohana sy ny ezaka efa nataony hanatsarana ny asa soratra i Reine David Andriamiharisoa:

"Fandalinana sy fanatsarana ny fomba fanoratra, fiezahana hanaja ny hasin'ny teny, ny figadony, ny firindrany, fikatsahana ny hakanton'ny teny."


Nisedra olana teo amin'ny sahan'ny fanoratana izy araka izao fanambarany izao:

"Misy asa soratra maro eo am-pelatanana, ohatra ireo angano voasoratra ao amin'ny fandaharana amin'ny kilasy fahenina saingy lafo ny fanontana boky".


Diso fantatra loatra izany fahalafosana izany eto Madagasikara satria anisan'ny olan'ny fiarahamonina lehibe sy saro-bahana.

 

3. Pôetan'ny fiarahamonina

 

Tsy misy pôeta mitsontsorika avy any an-danitra akory fa niainga tao amin'ny fiarahamonina izy ary mivelatra ao anatiny ihany. Ny fiarahamonina, tamin'ny alalan'ny nahitany masoandro, no nanolotra azy anarana heverina hifandraika amin'ny toetra irina hampiavaka azy. Mety hifanaraka tokoa àry ny nirina sy ny tanteraka. Voalaza ho olona tia fihavanana i Reine David Andriamiharisoa ary iainany ny fitsinjovana ireo tra-pahasahiranana. Hasongadina manokana ny maha pôeta mpitsetra sy mpampiombona azy, taratra amin'ny fiainany sy ao anatin'ny asasorany.

 

3.1. Pôeta miavaka

 

Yvette, araka ny famaritan'ny tranonkala "Madame" azy, dia vehivavy malalatanana, tia olona sy malefaka. Mpanonofy koa izy, liana ary mpanombana an-tsaina. Mifameno amin'izany koa ny David, anarana azony avy tamin'ny vadiny, midika hoe tian'Andriamanitra. Tsy sarotra faritana kosa ny "Reine" izay mampahatsiahy antsika ny fitondram-panjakana. Andeha hofaritana ara-bakiteny indray ny anarany Andriamiharisoa izay azo vakivakina toy izao: Andriana + Mihary + Soa. Olona hajaina sy omen-kaja ny Andriana hoy Rajemisa Raolison (1985). Mbola izy ihany no namaritra ny "mihary" amin'ny "manangona vola na fananana", sy ny "soa" amin'ny hoe "zavatra tsara, mahafinaritra, mahafaly".

Toetra mifandrindra tsara amin'ny loko volomparasy ireo mampiavaka azy ireo. Voalaza mantsy fa an'ny vehivavy ary manambara firindrana, filantoana(4), fahalefahana, nofinofy, fanombanana an-tsaina(5) io loko io, lokon'ny akanjo mampiavaka an'i Reine David Andriamiharisoa.

 

Mankafy miakanjo loko volomparasy i Reine David Andriamiharisoa, na izy miantsa tononkalo, na izy lasa eritreritra, na izy mianjaika. “Zakarandahy”, araka izany, no niantsoan'ireo mpianany azy

3.2. Pôetan'ny fihavanana

 

Tia fihavanana tokoa i Reine David Andriamiharisoa, taratra ato anatin'ireto trangan-javatra manaraka ireto.

- Voalaza tetsy ambony fa nanorim-ponenana matetika tany ambanivohitra izy sy ny ray aman-dreniny. Nanjakan'ny fihavanana  ny toerana toy izany ka nahazoany io toetra mendrika io hatramin'ny fahazazana.

- Noho ny maha mpampivelona ny reniny, asa mitaky fitiavana lehibe sy halemem-panahy satria loharanon'aina, dia nolalain'ny fiarahamonina nisy azy i "Reine" zanany. Noraisiny ho fianakaviana nankamamiana tokoa araka izany ny fiarahamonina manodidina azy.

- Nihaona tamin'i Jean Pierre Tasserie, Frantsay naman'ny zokiny lahy tao amin'ny rezimanta nanaovany fanompoam-pirenena teto Madagasikara, i Reine Yvette Andriamiharisoa ny 14 jona 1958 (David D.H.M., 1994). Finamanana tsy manam-paharoa no teraka dieny io andro voalohan'ny fihaonana io ary naharitra ela tokoa. Na dia voatery nitodi-doha tany Frantsa aza io namany io tato aoriana dia nitohy nandrombona izany finamanana izany noho ny fiheveran'i Reine azy ho tsipi-panohizana manelanelana ny nofy sy ny tena izy. Nitohy araka izany ny fifandraisana an-taratasy, ny fihaonana tsindraindray tao anatin'ny fiofanana sy ny antony ara-pahasalamana nandehanan'ny pôeta tany Frantsa. Tsy natao ho sakana ny elanelan-tany sy fahaterem-potoana noho izany fifanakaikezana toa angano tanteraka izany.

- Vao mainka nampitombo ny fahaizany mitia olona ny famakiany ny bokin'ny mpanoratra katôlika frantsay Gilbert Cesbron hoe "Les Saints Vont en Enfer". Tao anatin'ny fotoam-panarenana an'i Frantsa tamin'ny taompolo 50 no nanehoana modelim-piainana pretra iray izay nitankosona tamin'ny mpiasa madinika ho fanolorana ny tena (vatana, fo, fanahy) ho an'ny mpiara-belona sahirana, toy ny nataon'i Kristy. Niorim-paka tao amin'i Reine David Andriamiharisoa izany, anton'ny firotsahany tamin'ny asa famonjena ireo traboina nandritra ny tondradranon'ny 1959 teto Antananarivo.


Nitoetra lalina tamin'ny fomba fiainany, araka izany, ny lanjan'ny fihavanana sy ny finamanana toy ireto fanampiny ambara manaraka ireto:

- Nifanerasera tamin'i Juliette Ratsimandrava, Tale Jeneralin'ny Foiben'ny Teny teo aloha izy, fa samy Akademisiana ry zareo no mpinamana nifanakaiky tokoa.

 

Eo ankavanana i Juliette Ratsimandrava, akademisianina, namana sy mpiara-miasa akaiky amin’i Reine David Andriamiharisoa (akanjo volomparasy eo afovoany). Eo ankavia ny reniny Georgine Raharisera

 

- Nahafantatra manokana ny pôeta Ratsimba Georges izy izay mpianany tao amin'ny Institut National Supérieur de Recherche et de Formation Pédagogique tao Ampefiloha. Teo ihany koa ny fankafizan-dry zareo ny tononkalo, angano ary ny teny malagasy ka nahatonga ny fifandraisana hiorim-paka lalina kokoa ary antony nisafidianan-dRatsimba Georges azy hanao ny teny fanolorana ny boky "Rotsirotsy".

- Namany akaiky koa ny mpanao gazetin'ny Madagascar Matin taloha antsoina hoe Liliane Rahantasoa Ratsivalaka, maty tamin'ny 2018. Nisy fiaraha-miasa teo amin'izy ireo ka anisany ny naha mpitsara azy roa tamin'ny fifaninanana tantara an-tsary "Aventures dans l'Océan Indien" tao amin'ny Centre Culturel Abert Camus (C.C.A.C.) tamin'ny 1984.

 

Reine David Andriamiharisoa (ankavia) sy ny namany akaiky Liliane Rahantasoa Ratsivalaka

Tombo-kasen'ny finamanana, fahatezana an-taonany maro teo amin'izy roa

Sary nalaina tao amin'ny Centre Culturel Albert Camus (C.C.A.C.) tamin’ny 1984 (sary nindramina)
Miankavanana : Rasamoely Olide (mpanao hosodoko nisolo tena ny CGM), Andriamiharisoa Reine-David (gazety Fararano), Ratsivalaka Rahantasoa Liliane (Madagascar Matin), Aidans Edouard (Mpanao sary Tounga, Tony Stark), Saint-Michel Serge (Calao, Kouakou), Ny Gasy, Ratsimba Jules (Gazety  Atrika), Rakotoarisoa Georges sy Razafintsalama Arsène (Solontenan'ny Minisiteran'ny Kolontsaina), Ranaivoson Hans (Mpanao hosodoko)

3.3. Pôeta mitsetra

 

Anisan’ireo Poeta tsy mahazaka ny ngidim-piainana lalovan’ny mpiara-belona aminy i Reine David Andriamiharisoa. Tsy maharitra ny pôeta fa manambara ny tranga iainan’ireo olona sahirana eo amin’ny fivelomana. Mandona ny fony ny mahatazana ireo ankizy tsy manana izay hialofana sy harapaka akory eo amin’ny andavanandro. Izany no ilazany hoe:

"Hafiriana izao no tsy nihinam-bary ?
 Jereo, ireto izy, reraka, mitakoko
 Fa avelantsika ho noana, maty mosary
 Tsaroako mangirifiry ny foko"

 Avelantsika ho maty noana ve ireto ankizy?


Ambaran’ity pôeta mitsetra ity fa tsy fidiny ho an’ireo olona iharam-pahavoazana ny toe-javatra mianjady aminy ka tsy tokony hailika na homena tsiny. Fanampiana sesilany aza no mendrika azy ireny hahafahany manana herin-tsaina hivoatra eo amin’ny fiainana:

"Hanafina ny fiainany, niserana, nihelina,
 Izay vao tsapantsika mantsy ny fisiany
 Saingy ny fahantrany, ny fahavelomany nanelingelina
 Ny saintsika, Ray olona e ! Moa ve fanahiniany?"

 Avelantsika ho maty noana ve ireto ankizy?


Mbola manamarika ny alahelon’ny pôeta ny fanehoany an-tsoratra ny fiforetana anaty mahazo ny mahantra tojo ny mangidy tsy telina. Mafy tokoa ny fisarahana an-tany noho ny fahantrana ary manampy trotraka ny hanoanana izay miara-dalana aminy.

"Noana ny kibony, babangoana koa ny fony
 Ilay zandriny tsy hitsiky aminy intsony..."

 Maty ilay zandriny


Eo anatrehan’izany no hanomezany tsiny ny mpiara-belona izay minia mikimpy manoloana ireny endrika an-karatsiana iainana eo anivon’ny fiarahamonina ireny. Asehon’ny pôeta fa very ny soatoavina malagasy izay maneho ny soroka miara-milanja sy tanana miara-mandray.

"Izay mandeha anaty fiara, zara raha mitazana
 Nefa anie olona iray ra amintsika ireo, iray tanindrazana !"

 Maty ilay zandriny

 

3.4. Pôeta mampiombona

 

Hita taratra amin’ny kalon’ny pôeta ny lafitsaran’ny firaisankina izay tena maha Malagasy antsika. Aminy dia miteraka hafaliana eo amin’ny tenany manokana ary mipaka eo amin’ny manodidina azy ny fahaizana miray saina sy miray aina eo am-panatontosana asa iray mivaingana.

"Isika izao no hiray dinidinika, iray aina, iray vatsy,
 Tsy mikely soroka, nanongotra ny tsiparifary sy ny ahi-dratsy.
 Samy lany mondron-kery, mifofotra, miasa mafy"

 Ny taona no misandratra


Maro be ireo vokatsoa ateraky ny fiombonana izay tena foto-pisainana tokony hivela amin’ny taranaka mifandimby toy ny fiadanam-po, firindran’ny fiainam-piarahamonina, fijery tsy mitanila izay manalavitra ny fitiavan-tena sy fihatsaram-belatsihy.

"Ary ny sampaho, ho rako-pelana, hivesatra voa,
 Ka hifaly havanja isika, hioty kanto sy ny tsara ary ny soa"

 Ny taona no misandratra


Zava-dehibe aminy ny firaisan-kina amin'ny taranaka mifandimby, izay raisiny ho adidy ary anentanany ny mpanoratra:

"Adidy masina ho an’ny mpanoratra ny mampahalala ny mpamaky fa manana fanahy sy fo mampitepo azy ny tenindrazana ka mampiray aina sy mampiombona eritreritra tanteraka ny mpiray firenena"


sy ny hoe :

"Lova sarobidy apetraka ho an’ny firenena ny haisoratra satria vato namelan-kafatra hireharehan’ireo solofo dimbin’ny ala satria haren-tsaina amam-panahy harotsaka ao amin’ny lova iombonan’ny olombelona rehetra eran-tany".

 

Fehiny

 

Pôeta mandanjalanja ny fiainana i Reine David Andriamiharisoa ary mahay mampirindra ny tranga samihafa eo anoloany mba hivoarany. Mpandray ny lafitsaran'ny fiainana izy, araka ny nanabeazan'i Rali azy fahakely sy amin'ny maha Andriamiharisoa azy. Nandray fanabeazana feno sy mendrika izy na dia teo aza ny fahateren'ny fotoanan'ny ray aman-dreniny noho ny asa. Tsy nahasakana azy tsy handalina ny teny malagasy ny maha metisy frantsay ny vadiny sy ny reniny. Vao mainka nihalalina tao am-pony ny fifandraisana tamin'Andriamanitra noho ny aretina saika naningotra ny ainy. Izy tokoa no Yvette, tia sy mpitsetra ary mpanampy olona. Taratra amin'ny fiainana sy amin'ny asasoratra izany. Mpamboraka nofinofy sy mpanombana an-tsaina ity pôeta sy mpanoratra angano miavaka ity. Mahatalanjona ny fampitenenany ny zavaboahary. Tsy pôetan'ny kisendrasendra izy fa mahay mihary, fihariana miainga avy tamin'ny teo am-pelantanany ka mampihasinkasina azy amin'ny soratra sy amin'ny fiainana.

 

AVELANTSIKA HO MATY NOANA VE IRETO ANKIZY?

Tsy eken'ny saiko,
Ireto zaza tsy misy mpijery
Mararirary mihitsy ny aiko,
Mahita azy, miady irery.

Hafiriana izao no tsy nihinam-bary?
Jereo, ireto izy, reraka, mitakoko.
Fa avelantsika ho noana, maty mosary.
Tsaroako mangirifiry ny foko,

Nahita ny masony, tsy miandry n'inoninona intsony.
Samy mandalo azy eo isika rehetra,
Tsy mahatsapa fa efa hitsaha-mitepo ny fony.
Tsy mba misy mangoraka, tsy misy mitsetra...

Ilay zoky manambitamby  ny zandriny,
Indrisy anefa, efa mitambotsotra koa ny heriny,
Ka tsy mahafihina azy intsony ny sandriny.
Indro fa mitalaho ny fijeriny

Mba miangavy fangorahana, fanampiana!
Ranomaso mangina no manorika ny tavany...
Tsy zakany fa mavesatra loatra ity hazo fijaliana...
Ankona izy, tsy mahaloa-peo intsony ny vavany.

Iza no mba hamonjy ny ain'ireto ankizy?
Anoloan'ny hanoanana sy ny ali-mangatsiaka,
Sa dia avelantsika ho faty irery eo, ireto izy?
Izay vao hahatsiaro adidy ka handevina azy isika,

Hanafina ny fiainany, niserana, nihelina,
Izay vao tsapantsika mantsy ny fisiany
Saingy ny fahantrany, ny fahavelomany nanelingelina
Ny saintsika. Ray olona ê! Moa ve fanahiniany?

Ny Vohitry ny Nofy, 8 Avrily 1984
Reine David Andriamiharisoa

MATY ILAY ZANDRINY

Eny maty ilay zandriny
Izay famonjentsika, tsy andriny.

Indro ilay zoky nanome azy ny fara rotsirotsiny,
Tsy misy n’iza, n’iza, honjohonjon’izy mirahalahy fotsiny.

Ilay zoky vao mainka koa manirery
Singan’aina tavela eto an-tany ka toa very…

Mijery izato zandriny izy, ny endriny ory dia ory…
Tsy mba misy hanafana intsony izao rehefa hatory

Noana ny kibony, babangoana koa ny fony
Ilay zandriny tsy hitsiky aminy intsony…

Norombahina taminy koa ilay sombim-pitiavana
Nendahina taminy ilay zandry, hany havana…

Iza no mba hanome lamba hamonosana an’i Zandry
Sitrany ahay mba mafana izay efa nodimandry?

Migogogogo izy, eo an-tratran’iza no mba hiantoraka?
Izay rehetra mandalo, mandositra, tsy misy mangoraka

Izay mandeha anaty fiara, zara raha mitazana
Nefa anie olona iray ra amintsika ireo, iray tanindrazana !

O ! Tsy taovana tsy volovolo, tsy zanatsika akory io.
Tsy misy adidintsika aminy, ny eritreritsika madio

Ka vontom-pinoana ery isika miandrandra an’Andriamanitra
Manonona am-pitiavana ny "Rainay any an-danitra"

Nefa moa ve isika mieritreritra hanome hanina sahaza
Izay angamba mba ho mahavonjy ny amin’ity zaza ?

Ny vohitry ny Nofy 9 avrily 1984
Reine David Andriamiharisoa

 

Loharano nanovozan-kevitra

- David D.H.M. (1994). "Essai de monographie sur un poète malgache d expression française Reine David Andriamiharisoa". Mémoire de fin d'études pour l'obtention du CAPEN. Antananarivo
- Geisler T., Pesle N., De Miollis A. (2017). Paul François de Torquat sj (10.03.2017). Tsikaritra ao amin'ny:
https://www.jesuites.com/p-paul-francois-de-torquat-sj-10-03-2017
- Madame Figaro. Yvette. Tsikaritra ao amin'ny :
https://madame.lefigaro.fr/prenoms/prenom/fille/yvette
- Marie Claire Maison. (2016). "Le violet, sa symbolique, ses harmonies". Tsikaritra ao amin'ny:
https://www.marieclaire.fr/maison/le-violet-sa-symbolique-ses-harmonies,1144959.asp
- Rajemisa-Raolison R. (1985). Rakibolana malagasy. Fianarantsoa Ambozontany
- Ratsimba G. (1976). Rotsirotsy. Librairie Mixte. Antananarivo

Fisaorana

- David Ramy Halisera Marcelle, zanaky ny pôeta
- Mamy Steffy, zafikelin'ny pôeta
- Pressbook Alban, Antoine Ramanantsoa
___________________________
(1) Araka ny fanazavan-dry Geisler T., Pesle N., De Miollis A.
(2) Fibontsinan'ny sela mahatonga homamiadana (tumeur)
(3) Boky tamin'ny teny malagasy tsy teo am-pelatanan'ny mpandalina
(4) Toetra taratra amin'ny asasorany ao amin'ny 3.2 Pôeta miteny (Hiaina anatin’ny filantoana sy firindrana)
(5) https://www.marieclaire.fr/maison/le-violet-sa-symbolique-ses-harmonies,1144959.asp

Ajouter un commentaire

Commentaires

Il n'y a pas encore de commentaire.