Poeta Ny Rahona

Publié le 15 mai 2020 à 21:29

Fandalinan'i Toetra Ràja


"Mba mafy asaina ny tanimbary
 Kanefa mikiry ny mpiasa tany.
 Ny tanany miempaka, maharary...
 Ikirizany anefa ka vita ihany!"

Andalan-tononkalo notsoahina avy ao amin'ny "Fikirizana" nosoratan'i Ny Rahona na Ratsimba Georges no isarihana ny saina amin'izao fandalinana izao.
Fikirizana? Mahalaza tsara ny toetra fototra ananan'ny mpanoratra azy izay efa voalaza etsy ambony izany. Ankoatra ireo anarana roa ireo dia efa nisalorany tamin'ny tononkalo nosoratany koa ny NRRG, nanafohezana iretsy roa voalohany raha atao ny tombatombana.

1. PÔETAN'NY FIKIRIZANA

 

Nahoana tokoa moa no lazaina fa pôetan'ny fikirizana Ratsimba Georges? Taratra amin'ny anarany izany ary tsara koa raha hironana ny fandinihana ny lalam-piainany: fianarana norantovina, asa aman'andraikitra, finoana nofikiriny izay samy nahitany fahombiazana avokoa.
 

1.1. Ratsimba Georges no Ny Rahona

 

Ny "Ra" amin'ny Ratsimba aloha dia "mpanoritra anarana zary tovona eo alohan'ny anaran-tsamirery milaza olona, indrindra amin'ny foko anivon-tany, ka atao ho mari-panajana" [Rajemisa, 1985]. "Tsimbalivaly" kosa no teny malagasy mifanakaiky amin'ny "tsimba", izay fitambaran'ny tovona "tsi" sy ny teny verindroa "valivaly". Ny tovona "tsi" dia "fanao eo alohan'ny anarana verindroa sasantsasany ka enti-milaza fanahafan-javatra, fa kelikely kokoa, mitovy amin'ny ki" [Rajemisa, 1985]. Mitovy hevitra amin'ny valy ny "Setry".

 

Ratsimba Georges pôeta

Ny "Tsimbalivaly" àry, araka ny namaritan-dRajemisa azy tao amin'ny Rakibolana, dia "Teny ilazana fa misy ny valiny na setriny daholo izay atao".

 

Mety ho izay tsimbalivaly izay ny "Fikirizana" nofihinin-dRatsimba Georges teo amin'ny fiainana ka nitrandrahany ny tsaratsara hatrany ho an'ny tontolony ka nahazoany fahombiazana. Heverina ho avy amin'izany angamba no nisafidianan'i Alphonse Rakotozafy, mpampianatra toa azy, io anarana io ao amin'ny bokim-pianarana "Ratsimba valo mianaka". Voalaza ao amin'ny tari-dresaka mantsy fa "fianakaviana tsara ry Ratsimba fa tia asa, tia fandrosoana, antra namana, ary ohatra tsara ho an'ny manodidina". Ny momba ny "Ny rahona" indray ve? Ratsimba Georges ihany no mamaritra azy ao amin'ny tononkalony "Nahoana ny rahona?". Ny andalana roa voalohany dia manamafy ny hoe "ohatra tsara ho an'ny manodidina":
 

"Nahoana Ny Rahona no haratsina?
 Tsarovy fa izy no he nofidina"


Nofidina ny rahona satria noheverina fa "Hanala hetaheta ny mponina an-tany", amin'ny alalan'ny voalazany fa "rano madio tsy vidina" sy voajanahary tsy mitampoka. Manana hery mampiavaka azy ny Rahona ka nilazany fa "... mamy ny rano avy amin’Ny Rahona". Toetra manavaka Ny rahona ihany koa ny fanetren-tena. Hamarinin’ny hoe: "nidina ambany" hamonjy ny olona. Izay ilay "antra olona" voambaran'i Alphonse Rakotozafy ary mifandraika amin'ny nolazain-dRatsimba Georges hoe "Hamangy 'reo resy eto ambonin'ny tany".

Teraka ny 03 Septambra 1926 tao Antananarivo i Ny Rahona ary nodimandry ny 02 mey 2005 teny amin'ny Cité Ambohipo trano fonenany ao Antananarivo ihany. Zanaky Ravelomianjeva, Mpanjaitra sy Rasoamiarandray izy. Taranaky Ratsimbandahy avy eny Ambatomanoina-Ambohimalaza ry zareo, 20 km miatsinanana avy eto Antananarivo, avy amin’ny lafindray. Ilafy kosa no fiavian’ny reniny.

Nanambady an-dRtoa Ranarisoa izy ny 9 desambra 1950 ary niteraka 6 lahy sy 2 vavy : 

NAHOANA NY RAHONA?

Nahoana Ny Rahona no haratsina ?
Tsarovy fa izy no he nofidina
Mba hitari-dalana ny Israely
Tsy handevozin’ny mponin’i Neily.

Nahoana Ny Rahona no haratsina ?
Saingy nietry ka bantibantina
Fitiavana anefa no anton’izany
Hamangy ‘reo resy eto ambonin’ny tany.

Nahoana Ny Rahona no haratsina ?
Avy aiza ny rano madio tsy vidina?
Rahona ireny no nidina ambany
Hanala hetaheta ny mponina an-tany.

Nahoana Ny Rahona no haratsina ?
Tsarovy fa izy no he nofidina
Hitondra ny Tompo hiakatra indray
Ho amin’ny Toerany mandrakizay.

Atambo mitranga dia rahona hono,
Mba aoka ho lazaiko ny ngidin-dronono
Tsy mety! Tsy mety! Mangidy ny Vahona
Fa mamy ny rano avy amin’Ny Rahona

Migaina ny andro mimenona izy
Oadray ny hafanana, mandoro izaitsizy
Dia avy Ny Rahona mitondra orana
Oadray safodrano, hono, ka atahorana.

Ny Rahona
Mangarivotra-Mahajanga
26 Novambra 1948

Ratsimba Ramamonjisoa Ravelojaona, Ratsimba Ranarison Aivoniriana, Ratsimba Mamy Andriambololona Ramiaramanana, Ratsimba Haja Lalao Harivelo Andriampamonjy, Ratsimbaharisoa Noro Hanitra Lilia, Ratsimbaharisoa Voahangisolo Eva Ramanampamonjy, Ratsimba Amiela Andrianarisaina, Ratsimba Benjamin Andriambelo Rajaonarisoa. 13 taona tao aorian'ny nahafatesany izany hoe ny 25 desambra 2018 kosa vao nodimandry teo amin’ny faha-87 taonany i Ranarisoa vadiny.

 

Mariazin-dRatsimba Georges sy Ranarisoa tamin'ny 09 desambra 1950 tao amin'ny Fiangonana MPF Andrainarivo

(FJKM Andrainarivo Fahasoavana ankehitriny)

 

Ratsimba Georges sy Ranarisoa vadiny

Ratsimba Georges sy ny zanany telo teny amin'ny sekoliny Montaigne Antsahabe - 1955

1.2. Avara-pianarana


Azo sokajiana ho anisan'ireo Malagasy avara-pianarana Ratsimba Georges. Tao amin'ny sekolim-pinoana protestanta no nanatanterahany ny ampahany voalohany tamin'ny fianarany. Teo amin'ny faha-8 taonany izy no niditra nianatra tao amin'ny sekoly Protestanta Ambohimiandra ary naharitra 4 taona tao (3 janoary 1934 - Desambra 1938). Notovonany herintaona tao amin'ny sekoly Protestanta Ambatonakanga izany (janoary - desambra 1945) ary nahazoany ny mari-pahaizana CESD (Certificat d'Etudes du Second Degré).

Indroa miantoana kosa no nandrantoany fianarana mampianatra. Ny voalohany dia notanterahany tao aorian'ny nahazoany ny CESD tao amin'ny Ecole Normale Ambavahadimitafo (Janoary 1946 - oktobra 1948). Azony tamin'izany ny diplaoma CAE (Certificat d'Aptitude à l'Enseignement) izay ahafahana manomana ny "Brevet élémentaire". Nampianatra herintaona tany Mangarivotra Mahajanga aloha izy (novambra 1948 - septambra 1949) vao nanapa-kevitra hanomana izany tao amin’ny Ecole Normale Ambatomanga-Manjakandriana. Naharitra herintaona ny fampianarana (oktobra 1949 - desambra 1950) ka nahazoany an'io "Brevet élémentaire" io. Mbola ny fikirizana hatrany no nahavarany nanaraka fianarana momba ny Teôlôjia nandritra izany fotoana izany.

NY FIKIRIZANA

Mba mafy asaina ny tanimbary
Kanefa mikiry ny mpiasa tany.
Ny tanany miempaka, maharary...
Ikirizany anefa ka vita ihany!

Mba sarotra lahy 'ty enti-mody,
Ny saina domelina, ny andro lany,
Kanefa ny mpianatra te-ho tody,
Rehefa mikiry dia hainy ihany.

Mahery ny rivotra an-tendrombohitra,
Ny lalana sarotra aoka izany,
Kanefa ny mpihanika mahatohitra
Rehefa mikiry dia tody ihany!

Na inona vato misakan-dalana,
Na inona entana mahavizana,
Zakako, afako miandalana
Rehefa tafiko ny Fikirizana!

Ny RAHONA RATSIMBA Georges
Ambohidrapeto, faha 29 Martsa 1954

 

Tao amin'ny sekoly protestanta ihany koa no nahavoatendry azy hampianatra tao aorian'izany, dia ny Sekoly Protestanta Ambalavao Antananarivo Atsimondrano.

14 taona taty aoriana dia nitodi-doha nianatra tao amin'ny Institut National Superieur de Recherche et de Formation Pédagogique (INSRFP) Ampefiloha - Antananarivo indray Ratsimba Georges. 3 taona no faharetany (oktobra 1964 - Jolay 1967. Marihina fa sekoly mifandraika amin'ny ENS ankehitriny izany.

Mbola ny fikirizany ihany no tiana havohitra eto satria tsy moramora amin'ny taonany efa nandroso ny nampielanelana ny asany tamin'ny fanovozam-pahalalana.

 

Ratsimba Georges tao amin'ny INSRFP Ampefiloha

1.3. Asa fampianarana - asa fanabeazana

 

Sady nianatra Ratsimba Georges no nampianatra ary indrindra nampiofana mpampianatra. Tsy nianina tamin'izany ihany anefa izy fa nivelatra tamin'ny andraikitra teo anivon'ny biraom-panjakana sy tamin'ny fanabeazana amin'ny radio sy gazety. 

1.3.1. Fampianarana

 

Teo amin'ny faha 22 taonany izy no nanomboka nampianatra, nandritra ny herintaona tany Mahajanga aloha (1948 - 1949), ary nandritra ny 8 taona (1950 - 1958) tany amin'ny Sekoly Protestanta Ambalavao. Voatendry tany amin'ny sekolim-panjakana maro izy tamin'ny 1958 ka hatramin'ny 1964 : Ambato-Boeny tampon-tanàna, Tsaramandroso Ambato-Boeny, Ankeribe (Ambohidratrimo) ary Manalalondo Arivonimamo. Niato tamin'ny fampianarana tany an-tsekoly izy hatreo ary tsy niverina raha tsy efa tany ankatoky ny fisotroan-dronono (Jona 1981 - jolay 1986) tany amin'ny CEG Ambohimalaza–Miray (Antananarivo Avaradrano). Marihina fa nanana sekoly roa azy manokana izy, dia ny Ecole Montaigne tao Antsahabe sy ny Ecole Rabelais tao Ambohimiandra.

Nonina tany Masombahiny Ambatolampikely - tanàna kely tsy lavitra ny tanindrazany ao Ambatomanoina - izy tao anatin'ny fisotroany ronono. Tamin’izany no nanokafany trano fametraham-panafody antsoina hoe NYISMA, fanafohezana ny hoe "NY Ilaina Sy ny MAhasoa".

1.3.2. Fampiofanana mpampianatra

 

Ny fahombiazany tamin'ny fiofanan'ny INSRFP no vavahady nirosoany tamin'ny asa fampiofanana sy ny asan'ny biraom-panjakana. Tao aorian'izany tokoa mantsy dia voatendry ho "Conseiller Pédagogique Itinérant" tao Antsirabe izy (Oktobra 1967 - septambra 1968). Nampianatra tao amin’ny Foibe fiofanana ho mpampianatra Ambaratonga voalohany (Centre Pédagogique Niveau I) tao Fianarantsoa, ary nampianatra sy nampiofana tao amin’ny FITATA izy nony avy eo (Oktobra 1968 - Septambra 1969). Efa voatendry nampianatra nandritra ny 3 taona tany Toliary izy (marsa 1973 - mey 1976), tao amin’ny "Centre Pédagogique de 2ème Cycle" (CP2C) Belemboka, ary nampianatra tao amin’ny Lycée Laurent Botokeky. Nandritra ireny vaninandron'ny fanagasiana ireny dia voatendry hiasa tao amin'ny BEP-OTEP (Bureau d'Etudes de Programme Organe Technique d'Elaboration de Programme) tao Ambatonakanga (Antananarivo) izy nandritra ny 5 taona (Jona 1976 - mey 1981).

 

Ratsimba Georges sy ireo mpianany nanomana CAP tany Toliary

 

1.3.3. Asa fanabeazana an-gazety sy radio

 

Talen'ny "Radio scolaire" tao amin'ny Radio Madagasikara nandritra ny roa taona (oktobra 1969 - septambra 1971) izy ka nitantanany ny fandaharana "Dinika ho an’ny mpampianatra, ny sekoly sy ny zanatsika, ny fitsipi-pitenenana, ny fanabeazam-boho  ny teny, ny fanazarana hiteny". Notohiziny tamin'ny gazety sy boky izany fizarana asam-panabeazana izany toy ny naha Tonian’ny fanoratana ny gazetin’ny mpianatra azy, gazety famoakan’ny Minisiteran’ny fampianarana nandritra ny herintaona sy tapany (oktobra 1971 - marsa 1973). Tao koa ny gazety boky fampianarana an’ny Club UNESCO. Atoa Ranjivason Jean-Théodore no talen'ny gazety tamin'izany.

 

Ratsimba Georges sy ireo mpiara-miasa taminy tao amin'ny Radio Scolaire

 

Izany fikirizany teo amin'ny fiainany manontolo izany dia taratra teo amin'ny fahamatoran'ny asa soratra ka nahatonga azy ho mpanoratra feno sy nikoizana tamin'ny kalitaon'ny tononkalony.

 

2- ASA SORATRA MATOTRA

 

Maro ireo karazana asa soratra voafehiny toy ny tononkalo, tantara foronina, tantara filalao an-tsehatra, angano, bokim-pampianarana.

 

2.1. Mpanoratra feno

 

Teo amin'ny faha-19 taonany (1945) Ratsimba Georges no nanomboka nanoratra araka ny hita ao amin'ny bokiny "Rotsirotsy". "Toaka-sigara-loka" no lohatenin'ny tononkalony nivoaka voalohany tamin'ny gazety bokin'ny Skoto tamin'izany.

 

2.1.1. Bokin-dRatsimba Georges

 

Tsy mba anisan'ireo mpanao soa tapany Ratsimba Georges fa aleony kokoa ny fotoana no mandefitra toy izay ny hakanton'ny asany. An-taonany maro mantsy no nanomanany ny bokin-tononkalony "Rotsirotsy". Efa hatramin'ny niasany tany Antsirabe (1967 - 1968) no namolavolany azy ary tsy voatontan'ny Librairie Mixte raha tsy tamin'ny 1976, taona niverenany teto Antananarivo.

Ankoatra ny bokin-tononkalo "Rotsirotsy" voalaza teo dia mpanoratra tantara, bokim-pampianarana sy fanabeazana koa Ratsimba Georges.
 
 *Tantara
Tsy dia nigalabina tao anatin'ny fialan-tsasatra ny peniny nandritra ny 19 taona nisotroany ronono fa nikorisa hatrany ka nahafahany namokatra ireto bokin-tantara ireto:
 
- "Ifaranomby", tantara filalao an-tsehatra, mbola tsy nivoaka boky
- "Nody ventiny", tantara filalao an-tsehatra, ahitana fizarana 3, ravahin’ny hira noforoniny
- "Lisy", tantara foronina, mbola tsy nivoaka boky

 *Bokim-pampianarana
- Masomboly, boky ho an’ny mpampianatra any amin’ny Ambaratonga voalohany, niainga avy tamin'ny fandaharana tao amin'ny "Radio Scolaire" ary navadika ho boky

 *Fanabeazana
Nahavatra namoaka boky misesy ho an’ny ankizy Ratsimba Georges; mpanabe moa izy hoy isika. Nahavita boky ireto boky telo ireto izy nandritra ny fotoana niasany tao amin'ny "Radio Scolaire" ary ny fanontana printy an'ny UNESCO no nenti-nanana izany :
 
- Ilay akoholahikeliko (Angano)
- Imaromaso sakaizako (Angano)
- Ny tanimbolin’i Benja, tantara

Ny foibe ara-kolontsaina Albert Camus (CCAC) kosa no nanonta an'Ambatomanoina, bokin'angano, nadika tamin'ny teny frantsay hoe "Roc aux échos".

 

2.1.2. Fampielezana an-gazety 

 

Nampiely asa soratra tamin'ny gazety sy revio Ratsimba Georges nanomboka tamin'ny 1964: gazety Hehy, Madagascar Matin, Courrier, Fampitaha, Fanasina, Talaky mandeha.

 

2.2. Tononkalo - Tononkira

 

Maro amin'ny tononkalon-dRatsimba Georges no tononkira na nanjary tononkira mihitsy.

- Ao aloha ireo hira iombonan'ny ankizy malagasy manerana ny Nosy, tafiditra ao amin'ny fandaharam-pianarana taranja malagasy ary voarakitra any amin'ny bokim-pianarana. Ratsimba Georges no loharanon'ny "Etsy babeko razandry", "Raosijamba," "Matoritoria!", "Antsangory", "Avy mangataka izahay", "Iza iry ambony iry?", "Tanin-katsaka, tanim-pary!", "Iny, hono, izy, Ravorona"... sns.

Hita taratra avy amin’ireo tononkalo ireo fa mety ho ny tononkalony aza no fantatra kokoa noho ny anaran’ny mpanoratra.

Izany indrindra no mahatonga ny tranonkala Pôetawebs hiantsoroka ny fampahafantarana ireny pôeta manana ny toerany eto amin'ny firenena ireny.

- Manaraka izany dia misy amin'ireo tononkalony no navadiky ny mpihira fanta-daza ho tononkira toy ny "Raha ho avy ianao".

Mety ho tsy ampoizina fa Ratsimba Georges no namorona izany tononkira izany. Takona ao ambadiky ny mpihira angamba ny anarany fa ny fantatry ny maro dia ny anaran'ny tarika voatonona ao amin'ny radio androtsirotsiana ny vahoaka. Tsy iza izany fa ny tarika Feo Gasy (Rakoto Frah sy ny namany) sy Ny Voninavoko.

Ny mety ho tsy voalaza anefa dia ny toerana sy izay mety ho antony nanoratana ny "Raha ho avy ianao" : Hôpitaly Girard et Robic (Hôpitalin'i Soavinandriana ankehitriny).

RAHA HO AVY IANAO

1-Itondray tsikitsiky aho, raha ho avy ianao,
  Tsikitsiky tsy miharo tokelaka
  'Zay ho bitsika tena malefaka
  Tsy ho ren'ny tia fosafosa
  Fa hanàko any anatiko kosa!

2-Itondray safosafo aho, raha ho avy ianao,
  Safosafo tsy re toy ny aloka,
  Hifitsahako eo mba hianoka
  Tsy sembanin'izay ahiahy
  Mampihoala ny fo sy fanahy

3-Itondray kalokalo aho, raha ho avy ianao,
  Kalokalo toa rotsy maraina,
  Hongononina fa tsy hiraina,
  Toy ny kalon'ny rivotra monja
  Raha mikalo fitia amin'ny onja!

4-Itondray sangisangy aho, raha ho avy ianao,
  Sangisangy hahadonto ny ratrako,
  Hamihinako anao eto an-tratrako,
  Hitobaham-pitia saraka ela
  Pahalefaky ny hery tavela!

5-Hafatrafatra ny ahy, raha ho avy ianao,
  Rediredin'ny tsy afa-manoatra,
  Ta-haniny no sady misaotra,
  Te-hionona anefa miangavy,
  Raha ho avy ianao ka ho avy

Ny RAHONA RATSIMBA Georges
Hôpital Girard et Robic, faha 13 mey 1965

Ny volana mey 1965 mantsy dia narary Ratsimba Georges. Nandritra izany fotoana izany dia sarobidy taminy ny fahatongavan'ireo mpamangy teo andoham-pandrinany. Lehibe indrindra tamin'izy ireny ny akaikiny, ianao, ilay mpiray fo aminy, nanafarany tsikitsiky.

Raha ny marina dia ilay tsikitsiky "tena izy" io nohafarany io, "malefaka" fa tsy ilay "miharo tokelaka". Ny tokelaka mantsy dia maherihery kokoa araka ny famaritan-dRajemisa Raolison [1985] hoe "Fihomehezana mikakakaka tsy misy hambahamba na indraindray koa somary maneso fanaon'ny ankizy kely indrindra".

 

2.3. Tononkalo raiki-molotra

 

Mampiavaka an'i Ny Rahona ny famoronana andinin-teny tsy afaka eo imolotra, mora raisina ary misosa antsaina. Anisan'ny fantatra indrindra amin'ireny ny "Madio izahay".
 
Manara-drafitra ny tononkalony ary toa voatsinjarany hitovitovy fatra ny isan'ny zanatsoratra efatra (a, i, o, e) eto amin'ity tononkalo ity. Voatsinjarany koa ny isan'ny vaninteny manana tsindrim-peo mafy eo amin'ny faran'andalana toy ny ery/bigody, koa/avokoa, kahie/ange...

Mora tadidy sy antsaina ny tononkalony noho ireo tamberin-teny eny am-piandohan'ny isan'andininy hoe "Jereo ny..." ary noho ny fifehezany ny gadona telo isan'andalana. Ahitana izay angalin-tsoratra izay koa ohatra ny "Etsy babeko razandry", "Antsangory"...
 

2.4. Tamberina anaran-janaka

 

Mampiavaka an-dRatsimba Georges ny fanononany ny anaran'ireo zanaka naterany ao amin'ny tononkalony miendrika fifanakalozan-kevitra. Ny tononkalo "Nahoana" ohatra dia novelominy niaraka tamin'ny zanany efatra : Noro, Voahangy, Amiela ary Benja. Ny ao amin'ny "Mpangoron-karena" aza dia izy 7 mianadahy mihitsy no nateti-piavy nanadihady an'i Benja, raha zohina tsara ny tantara.

Tombony ho azy tokoa ny fifehezany ny endrika tononkalo mora raisina satria manafaingana kokoa ny fampitana anatranatra, tara-kevitra nimatimatesany teo amin'ny soratra.

 

MADIO IZAHAY
 
Jereo ny volonay:
voahogo tsara ery!
Sady izay indray
nasiana bigody!

Jereo ny tananay:
madio tsara koa;
ny hoho kosa indray
voahety avokoa!

Jereo ny tongotray:
mandina aoka izany;
ny faladia oadray!
Toa tsy nandia tany!

Ny reninay moa
mpipasoka mahay:
Voapasony avokoa
ny fitafianay!

Angaha ny tena ihany
no diovinay ’zareo?
Madio tahaka izany
ny bokinay. Jereo!

Boky sy kahie,
sy kitapo koa,
avia jereo ange:
milamina avokoa!

Tsy zaza be lalao
fa hendry sy mahay
ka moa ho gaga ianao
raha toa madio ’zahay?

RATSIMBA Georges

1. PÔETAN'NY FANANARANA

 

Amin'ny maha pôetan'ny fanabeazana azy dia manamarika ny fiheverana Ratsimba Georges ny fahafehezany ny fampitana anatra ao amin'ny tononkalony. Maro mantsy ireo mety ho tafintohina rehefa misavovona ny fatrany. Ratsimba Georges kosa dia miainga avy amin'ny fiainan'ny ankizy ary maneho fitondran-tena mendrika amin'ny andavanandrony.

 

3.1. Môdelim-piainana ny ankizy

 

Tsy hiadian-kevitra intsony ny maha pôetan'ny ankizy sy ny sekoly an-dRatsimba Georges. Marina izany satria maro amin'ny tononkalony no hain'ny ankizy tsianjery ary ianarana any an-tsekoly. Modelim-piainana ho an'ny mpianakavy sy ny firenena anefa no tena taratra ao ambadik'ireny tononkalo ireny. Raha avy amin'ny hoe "reny" mantsy no niavian'ny firenena dia tsapan-dRatsimba Georges fa miainga ao an-tokantrano ny fanabeazana. Io no modely voalohany hita maso sy iainana isan'andro. Ny ray aman-dreny no mpanabe voalohany ny ankizy, izay misandrahaka hatrany amin'ny firenena avy eo.
 
Fanaon-dry Jean de la Fontaine sy Jean Narivony ny mitodika any amin'ny fiainan'ny biby amam-borona hakana lesona ho an'ny fitsipi-piainana. Ratsimba Georges kosa dia fatra-pandinika sy mpanakatra ny fomba amam-pisainan'ny ankizy hanehoana anatranatra ho an'ny sokajin-taona rehetra. Izany indrindra no tonga amin'ny ilay fitenenana hoe "ny hevitra tsy azo tsy amin'olombelona" ary tsy azo tsinontsinoavina amin'izany ny maha harena ny ankizy ho fampivoarana ny fiarahamonina.

 

Ratsimba Georges sy ny vadiny

Ratsimba Georges teny Ambohitrinibe Mahitsy 1959-1960

3.1.1. Fanapahan-kevitra

 

Mazàna amin'ny taom-baovao no fotoana fametrahana tarigetra ho famahana olana ka hirosoana amin'ny fahombiazana. Ratsimba Georges kosa dia niainga avy tamin'ny fanapahan-kevitra ankizy izay heverina ho mifanahantsahana amin'ny fomban'ny daholobe. Maneho izany indrindra ny tononkalo "Fikasana" nisintonany fananarana:

 

“Tsy haditra intsony aho, ry dada sy neny
  manomboka anio:
  ho tia ny zandriko, ho tsara fiteny
  sy hanao madio,

  ny boky tsy horovidrovitiko intsony,
  ny soratro kosa
  hokaliako tsara... ary isa ambony
  no ataoko miavosa!"

 

Ny tsy fahatanterahan'io zandrikely io ny fikasany anefa dia tsy maha vahiny ny maro. Mitodika amintsika "rehetra" tsy misy an-kanavaka ny mpanoratra eo am-pamaranana :

 

"Samia ary miezaka isika rehetra,
 na inon-katao,
 Hanatanteraka ny tarigetran’ny
 taombaovao!"

3.1.2. Fiatrehana ny fiarahamonina

 

Raha kendrena ho tanteraka ny tarigetra, ny fahaiza-miainan'ny tsirairay eo anivon'ny fiarahamonina kosa dia fihetsika sy fomba tokony ho voafehy ary hombam-piteny mifanaraka amin'izany. Ny mpiara-monina mantsy tsy hilaozana fanamarihana na fanontaniana mety hahatafintohina ka ilana valin-teny hentitra am-pitoniana toy ny hita ao amin'ity tononkalo "Mpangoron-karena" ity:

 

“Tsy mpangoron-karena aho fa mpanankarena,
  satria tsy nifetsy anareo fa nomena!”

 

Ireo andalan-teny roa ireo mantsy no namaranan-dRatsimba Georges an'io tononkalony io, nampisosa ny peniny teo am-pahitana ny zanany faralahy Benjamina nandamina ireo kilalao maro be vao azony indray Noely. Tsy fitantarana toy ny fahita amin'ny tantara na sombin-tantara no nataon'ny pôeta fa fahaiza-maneho amin'ny alalan'ny andinin-teny mampihetsi-po. Hainy ny nandahatra ireo fanontaniana sesilany momba ny fiharian-karena. Ny tena marina dia izao: na olana saro-pady sy manan-danja toy ny harena aza no foto-dresaka dia mahagaga fa any amin'ny fiainan'ny ankizy no mety hahitany ny fanalahidin'ny fanazavana.

3.1.3. Safidim-pianakaviana

 

Tsy moramora ny famaritana modelim-piainana mahakasika ny tokony ho isan'ny zanaka na ny fotoana tokony hirosoana amin'ny fiterahana. Indraindray aza moa dia toy ny tonga tsy nantsoina ny vahiny kely. Ny hita ao amin'ny tononkalo "Tiako ry dada!" kosa dia tranga zary narindran'ny fanirian'ny mpianakavy, niainga tamin'ny resaka indray noely:

 

"Ny an-dry Zeze kosa anefa ato ambany
 tsy saribakoly fa olona angamba
 fa sady mihantsika no mitomany
 ary mandena ka soloana lamba"

 

Voaray ny hafatry ny ankizy ka tombanana ho tsy kisendrasendra ny nahazoan'ny fianakaviana vahiny kely antsoina hoe Voahangisolo tamin'ny Noely herintaona tato aoriana.

Harena ny zanaka araka izany ka tokony hirina. Adidy ny fitaizana ka anisany ny fisarihana azy ireny ho tia ny zavaboary sy ny fitandroana azy.

3.1.4. Fitandroana ny zavaboary

 

Taratra ao amin'ny tononkalo "Nahoana" ireny "Nahoanan'ankizy" tsy maintsy valiana ireny satria miantoka ny hoaviny sy ny fiitaram-pahalalany:

 

"Nahoana, ry dada, ny masoandro iry
 ny kintana mbamin’ny volana soa
 raha mba ampidinina koa ho ety?
 Angamba isika hafana kokoa!
 Raha iva, ry Benja, dia tratry ny tany
 ka mety halainy hosimbasimbany!
 "Nahoanan’ankizy” mba mamiko iky"

3.2. Fitondran-tena môdely


Tsy misy olona fanaperana sy tsy azo kianina amin'ny fitondran-tena akory. Ny mamosaka fenitra tokony harahina hahatrarana izany  modelim-piainana izany kosa no mety hahaliana. Hita taratra tamin’ny fiainan-dRatsimba Georges izany noho ireo fikambanana novoiziny, ny finoana narahiny asa, ny andavanandrony, ny taranaka vanona navelany. Ireo rehetra ireo mitambatra no natao ho fahatsiarovana azy.

3.2.1. Fikambanana sy serasera  

 

Teo amin'ny faha-20 taonany izy no nitarika ny fikambanana "Mpifady toaka" nandritra ny roa taona (1946-1948). Amin'izany taona izany dia ny toe-piainana mifanohitra amin'ny fironan'ny tanora tsy tan-dalàna no narahiny satria fotoanan'ny andranandrana izany. Ankoatra izay dia anisan’ny mpitarika tao amin’ny Akany Cité Mandroseza izy. 

Teo amin'ny literatiora indray dia nifanerasera tamin'ny pôeta sy mpanoratra maro izy. Anisany i ED Andriamalala, Rado na Georges Andriamanantena sy ny rahalahiny Celestin Andriamanantena, Dox na Jean Verdi Razakandrainy, Ilay na Ralaisaholimanana, Di... na Henri Rahaingoson, Elie Raharolahy na Harioley, Juliette Ratsimandrava, Reine David Andriamiharisoa, Jean-Théodore Ranjivason... Nankafy mpanoratra vahiny koa izy ary mpamaky ny tononkalon'i Charles Baudelaire sy i Paul Verlaine. Natolony ho an'i Di... ho setrin'ny "Harivariva an-tanin'olona" ny tononkalony "Andeferako ianao". 

Izy no nanomboka ny "Herinandron'ny boky" tany Toliary (La semaine du livre Malagasy), teo anoloan’ny Tranompokonolona, sy ny fanapariahana ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara teo amin’ny lalao Fanorona, niaraka tamin-dRamanetaka David ; ka ny zanany Ratsimba Aivoniriana no fahatelo tamin’izany.

 

3.2.2. Asa sy finoana

 

Eo amin'ny lafiny finoana dia tsara ny manamarika fa ny fiangonana rehetra tamin’izay toerana niasany dia nirotsahany mivantana avokoa. Hoy indrindra ny zanany Ratsimba Benjamin mitatitra izany:

 

"Anisan’ny mpandray anjara mavitrika izy, ary tsy nataony ambanin-javatra izany tamin’ireo toerana rehetra niasany, ary fombany rehefa voatendry hiasa amin’ny toerana iray izy, dia ny mpitondra fivavahana no anisany natoniny voalohany. Izy rahateo dia skoto tamin’ny fahatanorany. Matetika izy no biraom-piangonana ary amin’ny maha mpampianatra azy dia tsy nataony ambanin-javatra ny Sekoly Alahady."

 

Ratsimba Georges maneho ny maha tily azy

Trano fonenan-dRatsimba Georges tany Toliary

 

Taratra amin'ny tononkalony ny fiorenany teo amin'ny tontolo ara-panahy toy ny hita ao amin'ny "Vavaka":

 

"Raha mitsoka ny tafiotra
 Ka miezaka hamongotra amin'ny heriny rehetra
 'Zay manohitohitra azy,
 Ampianaro ahy kosa ny fetezana hilefitra
 Toy ny ahitra malefo"

 

Ratsimba Georges tao amin'ny FLM Katedraly Toliary

 

Namorona tsianjery sy hira maro ho an'ny fiangonana sy ny sekoly alahady izy. Nahavitany andinin-tononkalo manokana aza ny fiangonan'Andranosoa (Ambohimalaza), nitaizana azy ara-panahy, ary tsy izy ihany fa efa hatramin'ny rainy sy ny raibeny rahateo:

 

"Dian’ny manina tsy azo tohaina
 Dodona mafy ka miainga maraina
 Diasan’ny tany ‘lay lalana tara
 Dia alan-kininina no hita ao afara

 Raha vao mitranga ilay tilikambo
 Ravo ny foko ka he fa tsy tambo
 ‘Reo vetsovetso sy sento misangy
 Roso ny diako mamelon-drarangy!"

"Hazakazaka mafy" no hevitry ny "mamelon-drarangy", teny nampiasain'i Jean Narivony koa amin'ilay hoe:

 

"Ireo onja vaventy, toa revo misangy
 Mamelon-drarangy"


Lalan-tany mikitoantoana no mampifandray an'Andranosoa sy Ambatolampikely, sahabo eo amin'ny 3km eo ho eo, rehefa mandao ny lalana vita tara mampitohy an'i Iarivo sy ny faritra atsinanana. Mialoha an'Andranosoa no misy an'Ambatomanoina niavian-dRatsimba Georges, vohitra an-tampon-kavoana manan-tantara kanefa tsy resahina firy intsony ankehitriny. Any amin'ny boky Firaketana sy ny Tantaran'ny Andriana no ahitana fa tao amin'ny rovan'Ambohimanga sy tao amin'ny rovan'Ambatomanoina ny loharanon'ny fanjakana malagasy tao aorian'Andriambelomasina:


- Ambohimanga no niavian'Andrianjafy, Andrianampoinimerina, Radama I, Ranavalona III
- Avy tao Ambatomanoina kosa Ranavalona I, Radama II, Rasoherina ary Ranavalona II

 

Mpiangon'Andranosoa Ratsimba Georges, fiangonana nankalaza ny faha-150 taonany roa taona lasa izay (1868-2018). Tany lonaka niroboroboan'ny fiangonana protestanta mantsy iny faritra iny tamin'ny vaninandro nidiran'ny fivavahana kristianina teto amintsika. Niarakaraka naorina taminy ny tao Isoavina Ambanintsena. Ny tao Anonimasina Ambatolampikely mbola taty aoriana kely fa ny fiangonan'Ankadindravololona no zokiny indrindra, natsangana tamin'ny 1858.

3.2.3. Ny andavanandrony miavaka

 

Lehilahy lava, mitraka, mijaridina ary miavaka hatrany amin'ny pataloha sy palitao fitondra mianjaika izay tsy mahasaraka azy rehefa mampianatra, izany no Ratsimba Georges raha atao indray mitopy maso. Fomba fanajany ny fiarahamonina sy ny ankizy ankamamiany ny fitafiny, izay "nananany maro" araka ny fitadidian'ny zanany Benjamin Ratsimba. Pôetan'ny hatsarana tokoa izy ka na dia ny soratanany aza dia miavaka ary anisan'ny iraiketan'ny fon'ny olona aminy hoy hatrany i Benjamin Ratsimba:

 

"tena nankafiziny koa ny fikaliana soratra rehefa amin’ny fotoana ilàna izany, tiany ny mpianany, ary maro amin’izy ireny no nifandray taminy na dia efa tsy nampianatra intsony aza izy"

 

Ny trano fonenany tao Ambohipo

Tao anefitranony Ambohipo

 

Eny, tia mifandray aman'olona mantsy izy ary na ny fialamboliny aza dia ireny kilalao iarahana sady mampiasa saina ireny toy ny daomy, karatra, fanorona. Tsy mba anisan'ny olona mihiboka izy noho ny fankafizany pika sary, ny fahaizany nanao mari-trano sy sary hosodoko, ny faharetany amin'ny fiompiana sy ny fambolena. Mpikabary rahateo moa izy ary antsoina matetika amin'ny raharaham-pianakaviana sy ny fangataham-bady. Fa amin'ny maha pôeta azy dia misy ny mampiavaka azy hoy i Benjamin Ratsimba:

 

"matetika ireny olona maka azy hikabary ireny dia nahaforonany tononkalo ny ankamaroany".

 

Amin'ny maha mpanoratra azy, hasongadina indray ve ny fitiavany mamaky boky aman-gazety? Mahavantana azy avokoa na boky amin’ny teny malagasy na teny vahiny. Tsy mahavahiny azy koa ny fahaizana mozika, araka ny fanazavan'i Benjamin Ratsimba:

 

"Nahay namaky ireny atao hoe naoty sy solfa ihany koa izy, izany no nahafahany nampianatra ny zanany taty aoriana ny fomba fitendrena ireny hiram-pivavahana ireny".

3.2.4. Vato namelan-kafatra

 

Fanirian'ny ray aman-dreny mazàna ny handovan'ny taranaka ny asan'izy ireo. Saika nisy mpandova hatrany, araka izany, ireo talenta niainan-dRatsimba Georges. Lasa mpampianatra toa azy ny zanany fahefatra, Ratsimba Haja Lalao Harivelo Andriampamonjy. Mpampianatra amin’ny oniversite Toliary ny zafikeliny Ratsimba Ricardo. Mpanoratra tononkalo ny zanany fahatelo, Ratsimba Mamy Andriambololona Ramiaramanana. Mpikabary ny faralahy, Ratsimba Benjamin. Ny fahafehezana ny teny malagasy dia tafapaka hatrany amin'ny zafikeliny antsoina hoe Ratsimba Ando Stéphanie. Mpandray anjara amin'ny soratononina karakarain'ny fikambanana Kolo any Parisy mantsy izy ka nitanany laharana ambony hatrany: 2009 (faharoa), 2011 (fahatelo), 2012 (voalohany), 2013 (fahatelo).
 
Marihina fa miteny sy manoratra teny malagasy avokoa ny taranaky Ratsimba Georges. Tafiditra ao amin'ny modelim-piainana nofihininy izany fahombiazan'ny taranaka izany, araka ilay fitenenana hoe "ny hazo no vanon-ko lakana, ny tany naniriany no tsara". Pôeta mendrika Ratsimba Georges ary fanehoan-tsitraka noho ny zava-bitany teo amin'ny fiaraha-monina ny fankalazana ny fahatsiarovana azy.

 

3.2.5. Fahatsiarovana

 

- Tamin'ny taona 1995 no nankalazaina ny faha-50 taona nanoratan-dRatsimba Georges ka i Amadeus no vy nahitana an'izany fankalazana izany.

- Tamin'ny 20 desambra 2010 indray no nankalazana ny faha-65 taona nanoratany sy ny faha-5 taona nahafatesany. "Ratsimba Georges, pôetan'ny fanabeazana" no lohahevitra narentirenty tamin'izany ary natrehin'i Ampamoha, na Razafiarivony Wilson, filohan'ny fikambanana Havàtsa-Upem tamin'ny fotoan'androny, sy ireo mpampianatry ny Ecole Normale Superieure Ampefiloha. Fotoana nampahafantarina ireo asa sorany mbola tsy nivoaka koa io andro io. Ity taona 2020 ity araka izany dia taom-pitsingeranan'ny faha-75 sy faha-5 ny nanoratany sy ny nahafatesany.

 

3.3. Tanindrazana sy tenin-drazana niainany

 

Naharitra 34 taona no niainan-dRatsimba Georges ny fanjanahantany. Nisy ny fangejana, nikombom-bava ny maro! Hita taratra tamin'ny asa sorany ny fanehoana ny fitiavan-tanindrazana toy ny "Tanindrazana" nosoniavin'i NRRG tamin'ny 1950:

 

"Ny tanindrazana, ry lahy, lova soa sarobidy
 Tsy alam-baraka foana, tsy atakalo volamena
 Na dia ratsy tiavo ihany, raha tsy tiana “Aza amidy”
 Raha mba tiana ihany kosa, hasoavy ny an’ny tena."

 

Nihotakotaka ny tany ary tsy afa-nikofoka ny Malagasy tamin'ny lafiny maro: fitenenana, fivezivezena, fivorivoriana. Anisan'ny tranga tsy nampoizina ny nampiantsoan'ny polisy an-dRatsimba Georges hanaovana fanadihadiana noho ilay fikambanana "Mifady toaka" natsangany tamin'ny 1946 ka niheverana azy ho nitarika fikambanana pôlitika.

Efa nampianatra nandritra ny 12 taona izy nony nahazo ny fahaleovantena i Madagasikara ary nanohy niasa nandritra ny 26 taona tamin'ny vanim-potoana faha-Repoblika. Tsapa amin'ny tononkalony "Dia afaka 'lay tanindrazako", nosoratany tamin'ny andro nahazoana ny fahaleovantena, ilay fahafahana nohirain'ny Malagasy:

 

"Ny ampitso dia saro-pantarina
 Ka nikombona aloha ny vavako
 ‘Zao kosa dia tsapako marina
 Tena afaka ‘lay Tanindrazako"

 

An-taonany maro koa no niainany ny fahaleovantena sy ireo olana naterany. Niteraka fihetseham-po tsy ankiato tao aminy izany ka nampiainga hatrany ny fanahiny. Tsy navelany ho andro mandalo fotsiny ihany ny zava-nitranga fa noraketiny an-tononkalo toy ny "Lasa ilay mahery fo", nosoratana tamin'ny andro fahatelo tao aorian'ny namonoana ny kôlônely Ratsimandrava:

 

"Dia mitraka sy midera
 Ny herim-po nanananao
 Nentinao an-kasahiana
 Hanala ny olana rehetra
 Mamatotra ny firenena"

 

Nifanakaiky tamin'ny vahoaka mantsy io kôlônely io ka nantsoin'ny fokonolona hoe "Minisitry ny ala-olana" tamin'ny fotoana naha mpikamban'ny governemantan-dRamanantsoa azy (marsa 1973-desambra 1974).

Amin'ny maha mpampianatra an-dRatsimba Georges dia tafiditra ao amin'ny fomba fanabeazany ankizy ny fanandratana ny tanindrazana. Tsapa izany ao amin'ny "Io no Madagasikara!". Naverimberiny hatrany mandra-pahatapitry ny tononkalo izany andian-teny izany. "Io", izany hoe raha tombanana dia manoloana ny saritanin'i Madagasikara sy ny manodidina azy izy sy ny mpianany. Hainy ery ny mamaritra ny toeran'ny Nosy eo anivon'ny Ranomasimbe Indiana. "Toa salopy" hoy izy (fr. chaloupe) na lakandrafitra atopatopan'ny rano be iveloman'ny Malagasy tia fihavanana, miara-mandroso, miara-miaina. Voambolana fampiasa amin'ny jeografia ary ombany fandalana toy ny "tena tiako sy lalaiko" sy ny "nosy mamy toa tantely" no andravahany ny fanazavana.

Tsikaritra ihany koa fa mpandala ny teny malagasy Ny Rahona ary tia mampita izany fitiavana izany amin'ny mpianany. Hita izany ao amin'ny tononkalo "Fiteny malagasy" anehoany fa teny kanto sy teny feno "mahavoaka foto-kevitra mazava" ny teny malagasy. Hoy indrindra izy mantsy ao amin'ny andininy fahefatra:

 

"Manana ny teniko aho ka tsy hindrana ny an'olona
  Hitory ny famoizam-poko sy fitia mamololona
  Na handalina ny saiko na hivaofy foto-kevitra:
  Tenin'olona afaka izy ka tsy afaka handefitra!"

 

Tsy vitan'izay fa mbola vavaka no namaranany ny tononkalo:

 

"Andriamanitra ô! ry Teny! Izao no zavatra angatahiko:
 Toy ny niharianao ny tena, saina sy fanahiko,
 Tonony re ny hoe: Foana! hahafoana ny fiainako,
 Raha ny teniko ka sahiko bantina ho tsy ampy mba hisainako!"

 

Raha fehezina dia tsy amin'ny anarana ihany no ahatarafana ny maha pôetan'ny Fikirizana an-dRatsimba Georges fa heverina ho efa ao anatin'ny rany mihitsy ilay fientanam-po hanao ny metimety sy ny tsaratsara kokoa hatrany mba hahatanterahan'ny tarigetrany teo amin'ny fianarana, fampianarana, asa fanabeazana, finoana. Matotra izy amin'ny asa soratra heverina ho feno satria miseho amin'ny endrika samihafa ary ampoizina tsy ho lefin'ny vanimpotoana mifandimby. Mahafehy sy mandala ny teny malagasy ity pôetan'ny fananarana ity araka ny tarakevitra misongadina ao amin'ny tononkalony.
 
FANKASITRAHANA
Isorana manokana Ratsimba Benjamin Andriambelo Rajaonarisoa sy Ratsimba Miharintsoa Fenitra Nirina, zanaka sy zafikelin-dRatsimba Georges, tamin'ny tahirin-kevitra sy fanazavana ary sary natolotr'izy ireo ho an'izao asa fandalinana izao. 

LOHARANON-KEVITRA
- Rajemisa-Raolison R., 1976, "Etsy babeko", Ambozontany Fianarantsoa
- Rajemisa-Raolison R., 1985, "Rakibolana", Ambozontany Fianarantsoa
- Ratsimba G., 2015, "Rotsirotsy", Koloiko sy Hajaiko ny Teniko", Edisiona fahatelo.
- Rakotozafy A, 1978. "Ratsimba valo mianaka". Paris/Strasbourg

TONONKALO

ANTSANGORY

Nahoana ry Noro ianao
no renoka tahaka izao?
Mifohaza fa aza matory,
etsy ataoko antsangory.

Mifohaza fa aza matory,
etsy ataoko antsangory
hitazana iry vodilanitra
misoratra mahafinaritra.

Mifohaza fa aza matory,
etsy ataoko antsangory
hitazana iry lohasaha
mavana maha-te-hizaha.

Mifohaza fa aza matory,
etsy ataoko antsangory
hioty ’reo fela-mirenty
mandravaka tampo-tanety.

Mifohaza fa aza matory,
etsy ataoko antsangory
hianatra hamisavisa
ny haren’ny alin-kisa.

Mifohaza fa aza matory,
etsy ataoko antsangory
hianatra hanohy fihavanana
amin’ny ory sy manana.

Mifohaza fa aza matory,
etsy ataoko antsangory
handray fahendrena amin’ny alina
handinika ireo hevi-dalina.

Ratsimba Georges
In Etsy babeko, Dingana 1. Tak. 68

NAHOANA

Nahoana, ry dada, ny lokon’ny lanitra
no manga fa tsy mba natao menamena?
Ny zavatra mena no mahafinaritra:
manintona maso, mateza jerena!

Ny manga, ry Noro, no lokon’ny lanitra
fa mari-pitiava-madio sy maharitra!

Tsara ny lolom-boasary kanefa
nahoana ry dada, no nasiana elany?
Mipetraka kely izy dia indro milefa,
vovoka monja no sisa avelany!

Voahangy a! Ny elany no itondrany
ny lokony kanto hitety ny tany!

Nahoana, hoy i Amiela, ny renintantely
no misy fanjaitra manindrona koa?
Nefa ny mamy sy savoka omeny
mamy sy manitra, sy mahasoa!

Raha ts’isy fanjaitra ny renintantely,
tavanin’adala ny mamy ka kely!

Nahoana, ry dada, ny masoandro iry
ny kintana mbamin’ny volana soa
raha mba ampidinina koa ho ety?
Angamba isika hafana kokoa!

Raha iva, ry Benja, dia tratry ny tany
ka mety halainy hosimbasimbany!

“Nahoanan’ankizy” mba mamiko iky.

Ratsimba Georges


MAMIKO LOATRA

Maro ny boky izay be mpankafy
fa mamiko loatra ity boky ity
izay novinidin-dry dada sy neny
ary nianarako namaky teny!

Boky manify sy kely velarana
kanefa dia mamiko mangarangarana
fa fanalahidy namoha varavarana
ny fahalalana sy fahasambarana!

Haiko vakina tsy misy avakavaka
ny tarehintsoratra, reny sy zanaka!
Avy eo dia haiko soratana koa
miaraka maro na tsiroaroa!

Tiako dia tiako ’ty bokiko ity
izay ianarako ny a, b, d!
Matoa aho afa-misondrotra hatrany
ity boky ity re no fototr’izany!

Raha toa tafasondrotra ianao any aoriana,
ny “Fiandoha-mamaky” re aza ariana.
Ireny no atao hoe akoho mavon-drazana:
aza atsipy toa vato natsindry ahazana!

Ratsimba Georges

FIKASANA

- “Tsy haditra intsony aho, ry dada sy neny
manomboka anio:
ho tia ny zandriko, ho tsara fiteny
sy hanao madio,
ny boky tsy horovidrovitiko intsony,
ny soratro kosa
hokaliako tsara... ary isa ambony
no ataoko miavosa!”

- “Fa inona anefa, hoy dada sy neny,
no anton’izao?”
Dia hoy Ikotokely namaly an’ireny:
- “Ny taombaovao !”
Kinanjo ny ampitso hadinon’Ikoto
ny voadiny omaly!
Ny isany? - Atody. Ny tena? - Maloto.
Rainy tsy faly!...

Ry zoky sy zandry, fidera tokoa
ny tsara fikasa;
Kanefa ny teny mba inona moa
Rah’tsy arahina asa?
Samia ary miezaka isika rehetra,
na inon-katao,
Hanatanteraka ny tarigetran’ny
taombaovao!

Ratsimba Georges


TANINDRAZANA
Raha vorona ny vorona ka mba manana ny akaniny
Raha biby koa ny biby manan-davaka isitrihana
Ny olombelona dia olona ka mba manana ny taniny
Nahariana, nitaizana, nitomboana, ipetrahana

Fotsy hoditra izy angaha? Any Eoropa no fonenany
Raha vony kosa  indray dia Azia no nihaviany
Any Afrika hoe irony Mainty no iorenany
Fa ny mena hoditra dia Amerika no fodiany

Reny tany niaviana ka hodiana rahatrizay
Nahalatsahan’ny tavony sady tany nahabeazana
Sarobidy ka omena ity anarana iray
Fantatro sy fantatrao no atao hoe tanindrazana!

Izy manana ny teniny vita boky, an-taratasy
Dia ny tanin’ireo razany izay manana tantara?
Fa izaho sy ianao dia isika Malagasy
Aiza kosa ange ny antsika? Ny nosy Madagasikara!


Madagasikara hoe? Sao tsy fantatrao izany?
Voahodidin-dranomasina, miendrin-tongotra havia
Voarakotra ala kanto, manam-batosoa tsy lany,
Be mpisompatra tokoa, nefa koa mba be mpitia

Ny tanindrazana, ry lahy, lova soa sarobidy
Tsy alam-baraka foana, tsy atakalo volamena
Na dia ratsy tiavo ihany, raha tsy tiana “Aza amidy”
Raha mba tiana ihany kosa, hasoavy ny an’ny tena.


Ambanidia, 15 Avrily 1950
Ny RAHONA RATSIMBA Georges

MPANGORON-KARENA

Tonga ny Noely ka vory daholo
ny fianakaviana iray manontolo!
Ambonin’ny rary ’zay efa fanao
dia tao ny sakafo sy ny kilalao!
Tsy vitan’izany fa mbola indreny,
na zanaka izany na ray aman-dreny,
fa nifanolotra zavatra kely
lazaina fa avy amin’Ingahibe Noely!

Rehefa nahazo dia samy namaha
ny zavatra azony ka nampitaha.
Ny tsara, ny maro, ny tena nirina. . .
Mba rafitra koa Ingahy Benjamina:
Nalahany ireo kilalao vao voarainy
ka tonontononiny sady isainy. . .

’Reo zokiny fito, raha nahita izany
dia samy nanatona ka nanontany:
“Firy ny fiarakodian’i Parany?
Ilay tatsambo itsy, mba iza no anarany?
Iry trano iry izao, aiza no miorina?
Io vorona io ve azo tifirina?”

Tsy tambo isaina ny fanontaniana
sy resaka feno fananihaniana,
nisy mihitsy aza sahy nilaza
hoe: “Benja, mpangoron-karena malaza!”

Fa fantatr’i Benja ny dikan’izany
ka dia novaliany ilay mpananihany:
“Tsy mpangoron-karena aho fa mpanankarena,
satria tsy nifetsy anareo fa nomena!”

Ratsimba Georges


FITENY MALAGASY

Tsapanao va re ny hakanton'ny fiteny malagasy,
Na andaharana an-kabary na atao an-taratasy?
Toa tsotra am-pamoronana, malefadefaka eo am-bava
Nefa kosa mahavoaka foto-kevitra mazava

'Zany raha arindra izy, mova tsy ny feon-dokanga:
Milantolanto raha tononina, kaloina mainka mihamanga
Ny hanoharako azy angaha dia orana mijononoka
Mamonto tany; ary ny heriny; ony be misononoka

Variana foana ny vahiny mandinika ny hainteniny!
Endrey izany tononkalo sy ankamantatra afeniny!
Ny ohabolany manoatra ny vatosoa voasisy fatratra,
Ny halalinan'tsain'ny Razana no abaliakany hitaratra!

Manana ny teniko aho ka tsy hindrana ny an'olona
Hitory ny famoizam-poko sy fitia mamololona
Na handalina ny saiko na hivaofy foto-kevitra:
Tenin'olona afaka izy ka tsy afaka handefitra!

Andriamanitra ô! ry Teny! Izao no zavatra angatahiko:
Toy ny niharianao ny tena, saina sy fanahiko,
Tonony re ny hoe: Foana! hahafoana ny fiainako,
  Raha ny teniko ka sahiko bantina ho tsy ampy mba hisainako!

Ny RAHONA RATSIMBA Georges
Mandroseza faha, 17 Marsa 1965

ETSY BABEKO, RAZANDRY

Etsy babeko, Razandry,
etsy babeko, ianao:
Ny saiko tsy mety tafandry,
tia ka tsy afa-mandao!

Etsy babeko, Razandry,
etsy babeko ianao:
Tazano fa sasa-miandry
’Reo namana te hilalao!

Etsy babeko, Razandry,
etsy babeko ianao:
Atsory malaky ny sandry,
eo babeko amy ’ty lamba vao!

Etsy babeko, Razandry,
etsy babeko indray:
Ny olona tapitra mandry,
’ndeha isika hody amy ’zay!

Ratsimba Georges
14 novambra 1964

Ajouter un commentaire

Commentaires

Il n'y a pas encore de commentaire.

Créez votre propre site internet avec Webador