Poeta Samuël Ratany

Publié le 15 juillet 2019 à 18:19

Hoy Samuël Ratany tao amin'ny "Vakio ity" lah 12, Avrily 1922, raha nilaza ny nofy mahazendana :


"Ny mpifankatia dia tsy mba manam-piadanana tanteraka, fa ny fahoriana mandalo sy ny loza mihelina no tohatra hiakarany ho aminny fahasambarana"


Teraka ny 16 jolay 1901 tao Ankadibevava Antananarivo i Samuël Ratany. Zanaka lahimatoan-dRatsimamakitany na Ratany sy Ramariavero izy. Mpampianatra tao aminny sekoly M.P.F. (Mission Protestante Française) tao Ambatobevanja ny rainy taorianny naha kômandy mpampandry tany azy. Namolavola azy taminny fitiavana hira sy zava-maneno ny rainy toy ny fitendrena harmonia sy ny fitsofana sodina.

Teo aminny tontolon'ny fitiavana dia tsy tanteraka ny fikasany hanambady tovovavy iray tena naharevo azy sy efa nifanao voady taminy noho ny fisakanana nataon-drainy. Mbola niainana loatra tamin'izany ny fanajana sy fanoavana ny tenin'ireo loharano nipoirana. Na izany aza anefa dia tojo an-dRasoazananohatra izay isan'ny nafana fo tao amin'ny fikambanan'ny tanora teo anivon'ny Fiangonana Protestanta Avaratra Andohalo izy. Nampakariny ho vady ny tovovavy ny marsa 1926.

Efa nandindona an'i Samuël Ratany ny fahafatesany ka nahatonga azy hikalo ny "Raozy sy Vonimboasary" ny volana avrily tamin'io taona io izay nanehoany ny tsiambaratelon'ny fitiavany. Ny volana Aogositra no nanoratany ny "izay ho feoko eo am-pialana aina". Nolazoin'ny tsy fahasalamana izy ny Septambra. Nanatrika ny fotoana farany niainany moa ireo sakaizany toa an-dRabearivelo izay nifankahazo am-po taminy, nanatona ny farafara nitoerany sy nametraka ny tanany tamin'ny handriny izy tamin'izany. Ny alahady 10 oktobra 1926 no nandaozany ny tany ary tao Lazaina Avaradrano no nandevenana azy. Ny 3 jolay 1971 kosa no nafindra tany Maharavoravo - Vonizongo ny taolambalony.

FIANARANA SY ASA

Tao amin'ny sekoly Ambatobevanja no nanomboka nianatra i Samuël Ratany ary nanohy izany tao amin'ny sekoly Paul Minault Ambohijatovo Avaratra. Nanomboka nandalina ny haisoratra izy tao amin'io sekoly io. Noho ny fifaneraserany matetika tamin-dRandrianjafitrimo anadahin-dreniny no nironany bebe kokoa teo aminny tontolon'ny soratra.

Teo amin'ny sehatry ny asa dia mpitana bokim-bola tao amin'ny fikambanam-barotra "Vassilou" teto Antananarivo izy. Marihina fa "Tain-jiro" no niantsoan'ny ankamaroan'ny olona izany fikambanam-barotra izany.

 

 

SAMUËL RATANY MIANGALY

 

Ny solonanarana TANICUS no angaly voalohany nentin'i Samuel Ratany teo aminny fanoratana. Mampahatsiahy ny anaran'ny olon-kendry tamin'ny fanjakana romana hoy ny mpandinika izany.

Ankoatra ny maha pôeta an'i Samuël Ratany dia nanoratra sombin-tantara izy. Miresaka ny fihetseham-po teraky ny zava-misy hita sy iainana eo amin'ny fiarahamonina izany toy ny "Nofy mahazendana", "resaky ny mandrakizay", "nandevina", "mandiniha", "aretin-dratsy", "afaka ny helony", "vita ho azy", "Imbalanony", "Vovoka isika", "Ela nitadiavana".


Nisy ihany koa ny fandalinana ny tononkiran'ny Ntaolo izay nanehoany ny rary, ny sasy, ny antsa, ny vazo, ny kalo sy hira araka ny famaritany avy sy ny ampahany tamin'izay noforoniny mifandraika amin'ireo voambara ireo. Ohatra iray amin'ireny ny ANTSA izay nanazavany fa fiderana na fandokafana, fankalazana na fanamboniana, na fananarana na fanoroan-kevitra no votoatin-kevitra ao. Vehivavy mpanotrona sy mpanaraka ny mpanjaka no miantsa. Hoy ny ampahany :

 

 

Anatra

 

Anaran-tany no Tsianolondroa
Tsy ny tany no Tsianolondroa
Fa ny vady no Tsianolondroa

Anaran-tany no Ankeramadinika
Tsy ny tany no Ankeramadinika
Fa ny Hendry no mahadinidinika

Anaran-tany no Analakely
Tsy ny tany no Analakely
Fa ny Hendry no tsy mba kely

 

Samuël Ratany

Maro ireo gazety sy revio namoaka ny sorany : Vakio ity, Ny Tanamasoandro, Akon'Iarivo, Journal de Madagascar, Sakaizan'ny Tanora, Ny Mpandinika, Ny fandrosoana vaovao, Kalokalo Tatsinanana, Tsarahafatra, Ny fandrosoam-baovao.

 

SAMUËL RATANY MALEMY FANAHY

 

Lehilahy mahate ho tia i Samuël Ratany ary nahay nihavana tamin'ny olona. Tao anatiny ny firehetam-po hanondrotra ny mpiray tanindrazana aminy. Nihevitra ny hanondrotra ny pôezia malagasy izy. Nanana fanantenana izy fa ho afaka amin'ny hevitra teritery ny pôezia malagasy ary handroso amin'ny lalan'ny fahatsarana tanteraka.

 

SAMUËL RATANY AKAIKY AN'I J.-J. RABEARIVELO

 

Anisan'ny olona akaiky an-dRabearivelo i Samuël Ratany ka nilazany hoe :

 

"Akaiky dia akaiky ahy loatra ity olona resahiko anio ity satria azo lazaina ho niara-nitombo toy ny hazo kambana izahay hatramin'ny fahakely".


Noho ny fifaneraserana sy fifandraisana teo amin'izy ireo dia nisy ny fifamaliana tononkalo toy ny embona izay teraky ny "Coupes des cendres".

 

Hoy indrindra ny ampahany :

 

"Fa hay ve ny rivo-mandalo dia sahy
 nanaitra tsy satry ny foko natory
 Ka nety nitondra fitserana ho ahy
 Dia tsetra nipongatra tsy hitako akory (&)
 Misosa misosa eny ihany ny taona
 Ka toa tsy tadidy lay ora sy daty
 Tomoetra ny fo dia alana ny saona
 Ny fahatsiarovana anefa tsy maty"

Ny mpandinika lah 123 avrily 1926
ary novaliani J.J. Rabearivelo taminny tsy embona akory.

"Tena zavatra vao
 Sy mbola tsy hita hatraminny ela
 Ny torakizao
 Ny rano efa ritra-tsy nisy tavela
 Na fotaka monja!
 Nankaiza? Nankaiza? - navalonny onja!"

 

Nisy ihany koa ny tononkalo hafa vetsovetso misasakalina natolony an-dRabearivelo :

 

"Ny eritreritra entin'ny alina mangina
 Dia mampisaintsaina ny ao ankoatra ao
 Heverina izany, ka nony tontalina
 Dia hay tsy misy antony izao tontolo izao"


Nisy ihany koa ny tononkalo amin'ny teny frantsay izay mbola natolony ho an-dRabearivelo izay milohateny hoe :

Elégie de minuit

"Je nentends plus la brise secrète
 Venue entretenir la tristesse de mon âme
 Mon cSur a fait une chute trop violente
 A cause de la trahison de ma bien-aimée"

 

 

Revue de Madagascar n° 28, 1941

SAMUËL RATANY MANEHO

 

Maro ireo hevitra hita taratra ao amin'ny tononkalon'i Samuël Ratany.

Voalohany amin'izany ny tononkalo miendrika vavaka izay manaiky ny fanendrena ny fiainan'ny tsirairay. Apetraka eo am-pelantanany izay rehetra mety hiseho amin'ny hoavy na dia eo aza ny fahakiviana mitambesatra ao am-po :

 

"Ry Tompoko, Zay Tokin'ny androko sisa
 Ry Hery mitondra ny tanja-panahy
 Ianao no mitantana sady manisa
 Izay tombonandro voafetra ho ahy"


 Tonombavaka, Sakaizan'ny Tanora lah 424, Febroary 1925

 

"Raha lasa ny tsy foy
 Ka misaona ilay namoy
 Tsy fahorianny fo
 No hanala ny manjo
 Na ny onin-dranomaso
 No handresy ny ankaso
 Fa ny fiononan-tsaina
 Io no fanafodinaina"

 Izao fiainana izao.

 AkonIarivo, lah 5 Janoary 1924

 

Hita taratra ny fisarihana ny olona hahay hionona eo anoloan'ny fisarahana aman'aina izay lalana tsy maintsy izorana. Tsy ampoizina ny fiavian'ny fahafatesana ka ampiomanana ny mpiara-belona sahady izany.

 

Nanoratra tononkalo ho fahatsiarovana ny olona akaiky izay nandao azy ihany koa i Samuël Ratany. Mipololotra eo avokoa ny tsiahy ireo fifandraisana teo aminny mpisakaiza izay miteraka alahelo lalina tsy hay sitranina.
 

"Veloma sakaiza, f'izay no anjara
 Izany no didy sy toeram-boazara
 Ny soa izay nataonao fony tety
 Tsy very tadidy ka dia matoria!"
 In memoriam, Ny fandrosoana Vaovao, 19 Aogositra 1926


Miresaka ary milaza ny endrika isehoan'ny fahafatesana eo amin'ny olo-mandalo ny tononkalo. Ambara ao avokoa ny zava-miseho rehetra hatreny am-pandevenana. Miharihary ao anatin'izany ny fanomezan-tsiny ny fahafatesana izay maka tsy miera ny velona.
 

 

"Ry fahafatesana
 Ry fahafatesana ratsy filana
 Tsy mena-mijery ny fo mitoreo
 Valio hoe ny fanontaniako mazàna
 Mba inona kosa no karamanareo?"
 Fanaovam-beloma ny maty

 

Ankoatra izay tononkalo mitanondrika ambaran'ity pôeta malahelo ity dia maneho toe-javatra mahatsikaiky izy. Toe-javatra tsy ampoizina sy tsy nosainina velively no hisarihinay ny mpamaky amin'izany. Milaza ireo endrik'olona manelingelina ny masony ny mpanoratra :
 

 

"Ny volony vody kifafa
 Ny endriny toy ny sahafa
 Ny handriny petaka toko
 Ny pandany sahala amin'ny loko
 Ny sofiny sofin'ampondra
 Mivelatra toy ny sahondra
 Ny masony mivontirika be"
 Rabiby ramena

 


Fanampin'izay voambara dia mikalo ny hakanton'ny fitiavana i Samuël Ratany. Ny famonjena, ny fampitoniana, ny fampaherezana ary ny fitoerana eo anilan'ny olona tena tia sy mahay mitia no tena fitiavana ambarany.
 

"Be dia be ny alahelo eto;
 Maro koa ny ora mampisento
 Hany hery ataoko fitokiana
 Ny mitoetra an'ilan'olon-tiana"
 Ny eo anilany, Ny Tanamasoandro, lah 106, 18 septambra 1923

 

Tsy ny hevitra raketina ihany no manasongadina ny kalon'i Samuël Ratany fa eo ihany koa ny fanehoany ny kanton'ny feo amin'ny alalan'ny rima izay tsy fandre mahazatra.
 

 

"Ry tsotso-drivotra manelohelo
 Ry ako mozika ka manelohelo
 Ry telegrafiko tsy ambaratelo
 Mba rotsirotsio ny fo malahelo"
 Mba rotsirotsio


Tsikaritra fa misy lohatenin-tononkalo izay miendrika fehezanteny :
"Arosy kely fohy elatra ela ihany vao tody any Itasy" ("Vakio ity" lah 15, 15 Janoary 1923)

 

Hamaranana izao sorapiainan'i Samuël Ratany izao dia hita fa na dia mbola tanora aza izy dia nanandratra ny fanevan'ny haisoratra malagasy. Indramina ny ampahany tamin'ny sombintantara "Mandiniha raha mampieritreritra ny lehilahy".


 

"Ry lehilahy ô Eva ihany tokoa no voafitaka voalohany. Nefa raha tsy nisy anao Adama hakana taolan-tehezana, ary raha tsy nety handray voankazo ianao, dia tsy ho voaozona akory ny tany. Ianao no loharano iandohan'ny soa sy ny ratsy, ka mandiniha vao manome soketa."

Ny Tanamasoandro, lah 178 , 17 jan 1924

 


Loharanon-kevitra

 

* Boky

- Rakotonaivo, F. (1995), Samuël Ratany 1901- 1926. Antananarivo : Ambozontany Fianarantsoa

 

* Gazety sy revio

- Akon'Iarivo, lah 5 Janoary 1924

- Ny fandrosoana Vaovao, 19 Aogositra 1926
- Ny mpandinika, lah 123, avrily 1926
- Ny Tanamasoandro, lah 106, 18 septambra 1923
- Ny Tanamasoandro, lah 178 , 17 jan 1924
- Revue de Madagascar, n° 28, 1941
- Sakaizan'ny Tanora, lah 424, Febroary 1925
- Vakio ity, lah 12, Avrily 1922
- Vakio ity, lah 15, 15 Janoary 1923

Fandalinan'i Tsikimilamina Rakotomavo

Ajouter un commentaire

Commentaires

Il n'y a pas encore de commentaire.