"Na ny mainty na ny fotsy ary ny efa fotsy volo
Iray dia iray ny Firenena, ka dia tenako daholo;
Malagasy iray ihany ka ny mamiko no maminy,
Fa izay tena avo indrindra dia ny ra iraisako aminy".
Laharana fahefatra aminay fito mianadahy zanak’i Nirhy-Lanto no misy ahy. Mazàna dia tsy ny zanaka no manoratra ny tantaram-piainan-drainy na ny reniny fa olon-kafa hatrany. Moa ve tsy havesa-danja kokoa eo aminy ny bitsiky ny fo noho ny diniky ny saina? Mety hitongilam-pijery noho ny olon-kafa liam-pamakafakana, ivelan’ny fianakaviana ve izy? Ady hevitra sy famelabelarana maromaro no efa nifantoka sy mbola mifantoka amin’ny fanontaniana toy izany. Sarotra ihany ny hanome valim-panontaniana hentitra hatramin’izao, mety tsy hifanandrify mantsy ny fomba fijery.
Araka izany dia sadaikatra ihany ny tenako na dia efa ela ihany aza aho no nanomboka nikaroka momba ny mpanoratra Nirhy-Lanto. Tany amin’ny taona 1975 tany ho any, dia efa nisy asam-pikarohana niarahanay nanatontosa, mpianatra vitsivitsy, tao amin’ny sampana malagasy teny Ankatso: Nirhy-Lanto sy ny Fitiavan-Tanindrazana. Nandeha ny fotoana ka isan’ireo pôeta maro notsongaiko nentiko nanatanteraka ny tezy momba ny literatiora malagasy izay notohanako tamin’ny taona 1995 koa izy.
Niompana tamin’ny asasoratra malagasy mitolona matetika ny fikarohana nataoko, koa dia tafiditra mazàna teo anivon’ny mpanoratra malagasy maro i Nirhy-Lanto tao amin’ireo lahatsoratra samihafa sy ny boky nosoratako.
Tsy ho feno izay voalaza eto, fa mety hitondra fanampiana ihany hanitsiana ireo fahadisoana madinidinika – mety hanova ny fahafantarana ny mpanoratra – tsinjoko tamin’ny boky sy lahatsoratra an-gazety vitsivitsy sendra nandalo teo ambany maso.
NY FAHAZAZANY SY NY FIANARANY
Rakotonindrina Charles Victor no anarana nomen’ireo ray aman-dreniny azy ny 1 ôktôbra 1923, andro sy taona nahaterahany, tany Sambava. Avy amin’ny rainy dia teraky Mamoladahy avy ao Avarabary-Mahitsiarivo, faritanin’Imerintsiatosika - Arivonimamo, izy. Avy amin’ny reniny kosa dia Ambohimiadana-Fandravazana no tanindrazany. I Charles, fa izany no fiantsoana azy eo anivon’ny fianakaviana, no lahimatoa amin’izy dimy mianadahy zana-dRakotomanga Edouard, Governora madinika, araka ny anarana niantsoana ny Lehiben’ny kantao fahizany, sy Razafindrasoa Henriette. Maromaro, noho izany, arakaraka ny toerana nanendrena hiasan’ny rainy, ny sekolim-panjakana nianaran’i Charles. Nanomboka nianatra izy tao Imerina-Imady, Ambositra, tamin’ny taona 1930, ary nivoaka ho mpiasam-panjakana avy tao amin’ny École Le Myre de Vilers tamin’ny 1941.
Izy mianadahy avy miaraka amin-dRamatoa Henriette Razafindrasoa nahitany masoandro. Ankavia miankavanana: Nirhy-Lanto mivady, Iariseheno mivady, Victorine Rabarijohn (vavy tokana), Arish-Lanto mivady, Allysh-Lanto (1969)
Fony izy taona faharoa (1938) tao amin’ny École Régionale Tsianolondroa-Fianarantsoa, dia nampanao fifaninanana manoratra rindrambolana tao an-dakilasy Ramose Ravelonarivo, mpampianatra azy. Ny Fahazazana no lohahevitra nomeny, koa akory ny hagagana sy hafaliany fa azony ny laharana voalohany. Nitsimoka teo ny ho lafiny iray eo amin’ny fiainany aty aoriana dia: i Nirhy-Lanto mpanoratra rindrambolana.
Ny taona namaranany ny fianarana tao amin’ny École Le Myre de Vilers (1941), dia nanao "gazety", sora-tanana, niaraka tamin’ny namany roa lahy tena akaiky azy izy, ka naelin’izy ireo tamin’ny kilasy rehetra. Nitsimoka teo koa ny ho lafiny iray hafa indray dia: i Nirhy-Lanto mpanao gazety.
Malagasy no anaran’io gazety io. Anarana miteny ho azy ahazoana an-tsaina avy hatrany ny toe-tsaina sy toe-po nanetsika azy manoloana ny Tanindrazana sy ny Malagasy manontolo. Inty sombiny amin’ny tononkalo iray nosoratany izay nivoaka tao amin’ny gazety:
"Na ny mainty na ny fotsy ary ny efa fotsy volo
Iray dia iray ny Firenena, ka dia tenako daholo;
Malagasy iray ihany ka ny mamiko no maminy,
Fa izay tena avo indrindra dia ny ra iraisako aminy".
(Izaho atody niady amim-bato, 2002, t. 23)
Intelo ihany no nivoahany dia najanona fa nahazoan’izy ireo gidragidra tamin’ny Filohan’ny sekoly. Azo heverina fa mailo mandrakariva io Lehiben-tsekoly io, izay solotenan’ny fanjakana ao amin’ny toeram-pianarana misy tanora malagasy efa matotra, eo am-pamaranana ny fianarany. Ny antsasaky ny mpianatra voarohirohy tamin’ny raharahan’ny VVS tokoa anie ka mpianatry ny sekoly Le Myre de Vilers ! (Faranirina Rajaonah, 2002, t. 185). Mitsidika sahady i Nirhy-Lanto, mpitolona, tsy teo amin’ny asasorany ihany fa teo amin’ny tanjona nijoroany nentiny nanatanteraka ny maha-mpiasam-panjakana azy.
NIRHY-LANTO : MPIASAM-PANJAKANA
Ny sampana Fitondram-bahoaka (section administrative) no safidy namaranany ny fianarany, hivoahany ho mpiasam-panjakana. Sampam-pianarana tsy dia lava loatra, handraisam-bola haingana hanampiany an-dreniny sy ireo iray tampo aminy io, satria maty ny rainy ny taona 1939. Hoy izy mahatsiaro izany ao amin’ny bokiny:
"Taona nangidy tamiko fa nampiova tanteraka ny fikasako sy ny fanantenako rehetra ! Veloma, ry fianarana ho dokotera… Lasa nofinofy fotsiny ihany !"
(ibid., t.17).
Volana febroary 1942, no nandao an’Antananarivo, hamonjy ny toerana nanendrena azy voalohany izy, tao amin’ny biraon’ny Distrikan’Ankazobe. Tanàna nifanenany àry tamin-dRahelimanana Juliette, izay nampakariny ho vady andefimandriny ny 25 septambra 1943. Nafindra toerana avy eo tany Tsiroanomandidy ny taona 1947. Tsy ampy tapa-bolana akory ny nahatongavan’izy mianakavy kely tao (telo ny zanany) dia voasambotra noho ny maha-mpikambana azy tao amin’ny MDRM izy. Isan’ny mpanorina sy mpitarika io fikambanana io tao Ankazobe ny tenany. Fa talohan’izay dia tao Ankazobe ihany koa no nidirany ho isan’ny mpikambana PANAMA.
Nirhy-Lanto vao tafaverina ho mpiasam-panjakana taorian'ny sesitany, lehiben'ny kantao tao Ambodimadiro - Antsohihy (1956). Eo ankavanana, Rahelimanana Juliette vadiny
Nirhy-Lanto sy ny ankohonany,
miaraka amin'ny rafozam-baviny
Ambatondrazaka (1963)
Niato teo ny maha-mpiasam-panjakana an’i Nirhy-Lanto. Ny fanefana ny sazy no natrehina: roa taona an-tranomaizina ary dimy taona tsy mahazo mandia faritany sasantsasany. Ambositra no toeran-tsesitany; lany tamin’ny asam-pivelomana, mpivaro-mandeha, ny androatokom-piainany.
Tsy takona afenina teo amin’ireo olona nifanerasera taminy anefa izay niainany tao am-pony tao. Ny tenin’i Dokotera Rakotonirainy Joseph, manefa sazy ihany koa ka nifankahalala taminy tao Ambositra dia namintina toy izao:
"Tia soratra sy vaky boky izy ary liana te hahalala zavatra, indrindra fa ny momba an’i Madagasikara sy ny tantarany ary ny literatiora sy ny zava-kanto malagasy."
(Vary Faho, boky fahatelo, 2016, t. 160)
1956 : tafaverina hiasa amin’ny fanjakana; marihina etoana fa tao anatin’ny efa-taona (1956-1960) dia inenina no nafindra faritany hiasana izy. Azo sary an-tsaina ihany ny mety ho anton’izany raha heverina ny famaritan’Ingahy Béranger azy hoe: "MDRM mpikomy sy anti-Français ianao". Lehibeny tao Toamasina, toerana fahatelo nanendrena azy tamin’ny taona 1958. Manazary-Miarinarivo no farany; tao izy no nivoaka, ny didim-panjakana nanangana ny École Nationale d’Administration de Madagascar (ENAM), nisoratra anarana hiatrika ny fanadinana ka afaka soa aman-tsara, tao anatin’ireo 22 amin’ny 454 mpifaninana. Andraikitra ara-panjakana maro no notanany rehefa vita ny fianarana: Sous-préfet, Préfet, dia Inspecteur de ministère, Directeur de l’administration territoriale (Ministeran’ny Atitany). Ny hany nibaiko azy teo amin’ny fanatanterahana ny andraikiny dia tsy antoko pôlitika na inona na inona fa, araka ny finoany — hoy ny fanambarany — dia ny fianianana nataony tamin’ny firotsahany ho PANAMA:
"Ho tia an’i Madagasikara sy ny mpiray firenena amiko (…); tsy miandry baiko fa miroboka amim-pahamalinana avy hatrany amin’ny asa izay hitako sy ekeko fa tena fanompoana marina ny Tanindrazana…"
Teo am-pamaranana ny fianarany tao amin'ny ENAM ny taona 1962 dia noraisin-tanana i Nirhy-Lanto.
Ny filoha Philibert Tsiranana eto no manolotra azy ny diplaoma sy ny lefona Tsitialainga
Miresaka amin'ny mpanao gazety ny Minisitry ny Atitany, ny kôlônely Richard Ratsimandrava.
Eo ankavanana i Nirhy-Lanto (manao solomaso), Directeur de l'administration territoriale (1973)
Napetraka hisotro ronono izy ny taona 1978. Tapitra teo koa ny tantaran’i Nirhy-Lanto: mpiasam-panjakana.
Roapolo taona taty aoriana (1998) dia toy izao no namaranany ny tononkalony iray: Ny sola-pangadiko (Vary Faho, boky fahatelo, 2016, t. 58):
" (…….)
Misy bainga tsy voavadiko,
Ao ny solatry ny angadiko,
Misy zanako kanefa
Mbola hanohy izay tsy efa."
Sary ankavia
Ny filoha Philibert Tsiranana, tonga tao Ambatondrazaka.
I Nirhy-Lanto, mijoro manao fanamiana eo ankavanana, no préfet tao tamin'ny taona 1963
NIRHY-LANTO : MPANORATRA
Mpikambana tao amin’ny HAVÀTSA-UPEM; Filoha Lefitra tamin'ny naha filoha an'i Célestin Andriamanantena i Nary R.H.A. sy i Nirhy-Lanto tamin'ny taona 1991-1996.
Ny fampiasana solonanarana
Nirhy-Lantoson no solonanarana noforoniny voalohany ka nampiasainy hatramin’ny 1942; taorian’izay dia niova ho Nirhy-Lanto mandra-pitsahatry ny peniny. Noraisiny ho anarany ara-panjakana mantsy ity farany tamin’ny taona 1945 ka dia lasa fanampin’anarana ny hoe Rakotonindrina Charles Victor, anarana nomen-dray aman-dreniny azy. Izany hoe lasa mifangaro ny azy ny anarana sy ny solon’anarana:
"… hany ka tsy hay ny faritra manasaraka ny mpanoratra Nirhy-Lanto sy ilay "olona" antsoina hoe Rakotonindrina", hoy ny fanamarihan’ny profesora Rakotomalala Malanjaona.
(Vary Faho, boky faharoa, 2010, t. 5).
Fa nanana solonanarana tsy latsaky ny folo izy natokany ho an’ny lahatsoratra sy ny asasoratra navoakany an-gazety, rehefa tafaverina avy tany an-tsesitany. Sasantsasany amin’izany ny: Bruno Rahaingo, Pika Harisoa, Mamy Rahanitra, Rado Tiana… Antony pôlitika, noho ny gazety nanoratany izay gazety pôlitika nenjehin’ny fanjakana, sy tetikady ara-barotra sao monaina ny mpamaky nefa izay handafosana ka hiparitahan’ny gazety betsaka no tanjona, hoy ny fanazavany.
NIRHY-LANTO : MPANAO GAZETY
Tsy matihanina teo amin’ny fanaovan-gazety i Nirhy-Lanto. Ny zava-nisy niainany sy niainan’ny mpiray tanindrazana rehetra no nitondra ny diany teo amin’io sehatra io. Talohan’ny nandehanany namonjy ny toeran-tsesitany sy ny famelomam-bady aman-janaka rehefa tafaverina soa aman-tsara avy tany izy no niara-niasa tamin’Andriamatoa Arsène Ramahazomanana tao amin’ny Malagasy vaovao, gazety mivoaka isan'andro, sy i Dokotera Andriamampianina Maurice tao amin’ny Gazetin’ny Malagasy, mivoaka isan-kerinandro. Tany an-tranomaizina no nifankahalalany tamin’Andriamatoa Ramahazomanana, ny faharesen-dahatry ny tsirairay teo amin’ny tolona natao, arakaraka ny antoko pôlitika nisy azy avy, no niteraka fifampitokisana sy fatoram-pihavanana teo aminy:
"Tsy nisy aloka mihitsy teo amin’ny fiarahanay miasa. Ifampizaranay ny fanaovana artikla. Dia samy mikatroka izahay ka rehefa vita ny kopia dia jereny sy vakiny ny ahy ary omeny ahy kosa ny azy hojereko sy hovakiko…"
(Izaho atody niady amim-bato, 2002, t. 57).
Nifarana tamin’ny taona 1956 ny naha-mpanao gazety an’i Nirhy-Lanto. Tafaverina ho mpiasam-panjakana izy rehefa lany latsabato teo anivon’ny parlemanta frantsay ny aministia faobe. Tsy nahafoana ny fandraisany anjara tamin’ny fampitam-baovao an-gazety anefa izany, vaovao izay heveriny fa tokony ho fantatry ny Malagasy. Indrindra amin’ny fotoana miavaka toy ny fanomanana fifidianana, ka hampahafantarana ny mpifidy ny toe-javatra misy. Toy izany, ohatra, tamin’ny fifidianana hanoloana ny "conseil municipal" manontolo tao Ambatondrazaka, fony izy Préfet tao:
"Nomeko ny sakaizako, mpanao gazety AKFM tany Antananarivo, ny antsipirian’ny raharaham-pifidianana aty an-toerana. Nahintsako ny hodi-janak’omby ka nampihanjahanjaiko hitanjaka an-karihary ny fahavalom-pirenena misandoka ho tia tanindrazana…" (ibid. t. 99)
NY ASASORANY
Ny taona 1942 no nanomboka namoaka an-gazety ny asasorany izy. Ny gazety Takariva no loha laharana tamin’izany. Hatramin’ny taona 1947 dia gazety maromaro no nahitana ny diam-peniny toy ny gazety Ny Mpandinika, Ny Sakaizan’ny tanora, Fanantenana, Voninavoko, Ako Tatsinanana… Ny fotoana manaraka indray dia gazety roa, fanta-daza teo amin’ny tolona ho an’ny fanafaham-pirenena, no tena misongadina: Malagasy vaovao sy ny Gazetin’ny Malagasy. Rehefa azo ny fahaleovantena dia ny Hita sy re, ny Madagascar Matin, Midi Madagasikara, Madagascar Tribune, ary indrindra ny Valiha, gazetin’ny HAVÀTSA-UPEM.
Ny rindrambolana — araka ny rafi-teny noforoniny, fony izy nigadra, ilazany ny hoe pôezia — no nisantaran’i Nirhy-Lanto ny peniny raha vao 14 taona izy. Nisy ireo nivoaka an-gazety nanomboka ny taona 1942, fa nisy koa ireo voatahiry tao am-bata, tany ambanivohitra, ka efa taty amin’ny taona 2016 vao voarakitra am-boky. Sombin-kahie anankiroa, omban-takila tsy ampy isa, laharana tsy mifanaraka, takelaka rombina, rindrambolana tsy hita fiandohana na fiafarana ny sasany, no nirakitra ireo voaloham-bokatra voasoratra teo anelanelan’ny taona 1940-1942. Zavatra roa no nisarika ny saina tao:
1- Hay, tsy safatsiroa teo anivon’izy dimy mianadahy i Nirhy-Lanto, fa samy zanak’omby tsy ampianarin-domano teo amin’ny sahan’ny rindrambolana izy efatra mirahalahy. I Arish-Lanto no solonanarana nentin’ny lahy faharoa (Rakotoarisoa Raymond, (1925-2007); Iariseheno no nentin-dRakotoseheno Williams (1936-1992) ary i Allysh-Lanto no solonanaran’i Faralahy (Rakotozanany Seth, (1938-1985).
2- Hay, nanoratra rindrambolana amin’ny teny frantsay koa i Nirhy-Lanto. Ny havitsian’izy ireo dia nampitamberina tao an-tsaiko ny fanambarany, tao anatin’ny resaka maro nifanaovanay mianaka teny am-pitsangantsanganana an-tongotra indray tolakandron’ny volana aogositra 1999, manao hoe:
"Ny teny malagasy ihany no mahalaza tanteraka ny vetsovetsom-poko manontolo…".
Mifanako mazàna ny rindrambolan’i Nirhy-Lanto sy i Arish-Lanto. Indreto misy asasoratra maneho ny fihetsehampo sy ny fibanjinana ny hoavy manoloana ny banga navelan’ny ray nahitana masoandro.
Hoy i Arish-Lanto:
"…..…
Ô ! ry fasana tsy miera, fa mandroba sy tsy miantra,
Dia nahoana re ‘ty izaho no navela mba hahantra ?
Indro fa nindaosinao ilay andry niankinako,
Ka nirodana ny manda, manda soa, ny filaminako.
Torotoro izao ny foko mieritreritra an’izany,
Fa ity tenako mijoro toa manjeny tsisy akany,
Eny, toy ny voronkely nosarahina amin-dreny,
Ka mikiakiaka foana, lalandava sy ombieny…
Ô ! ry fasana mavany, ry rangolahy mamanala,
Dia nahoana moa i Dada no nantsoinao mba hiala ?
Tsy mba tsinjonao va re itony zaza kely hery,
Izay indrisy mitomany… mitomany toa jorery ?
Koa mandria moramora izany Dadako izany,
Fa tsy maintsy mbola hihaona any ambadimbadika any,
Eny, izao no anjara teto: ny namela anay ho irery,
Ka tsy kivy na mimalo fa ny Tompo no mijery.
………………………………………………."
Niantefa tao amin’i Nirhy-Lanto ity tolokon’antso vonjin-jandriny:
"Ny tantarako fonosin-dranomaso (tohiny)
Eny ampita hitodiako no hisian’ny hasambarako
Dia ny "tendrony eny ambony" nokasaiko hitsaharako,
Nefa ela loatra izany koa naleoko nitampody…
Eny, mamy indrindra, hono, eny mamy re ny mody !
Fa efa montsana ilay vato, efa tapaka ilay andry
Ka handimby izany izaho fa ry Neny sy ry Zandry
Samy ory malahelo; ka ny hany faniriako:
Dia hiverina hipody, hanafoana indray ny "diako" !
Efa miandry ary aloha izany "tolotry ny anjara"
Nefa… nefa izato foko izay mitomban-dahy tsara,
Vonona handao "an’io", eny vonona hiverina,
Fa handimby ilay Nisoka no idealy iray heverina.
Mijoroa ankehitriny, ô ry foko mitomany,
Fa nateraka hisento izay nateraka eto an-tany !
Eny "gohy" ilay kapoaka, ka atelemo koa ny ngidiny:
"Fandrotrarana hianao ka handimby ray tsy fidiny".
Ranobe mitopatopa no nitrotro izato fiainako,
Ary lavo ho azy teny irony vetsom-pitarainako…
Hany mba mpisafosafo ilay fanahiko oriory
Dia ny "nofiko" mifoha tsy mba renoky ny tory."
Tsapa àry fa tena mifanerasera amin’ny alalan’ny rindrambolana izy mirahalahy, koa azo ampiharina aminy ny filazan-dRajaonah Tselatra hoe: "Roa lahy milanja ambetraka: sendra laviana miara-miropy, sendra mafana miara-mihinjaka". Hany ka te hiara-miropy amin-jandriny i Nirhy-Lanto rehefa tonga ny fisarahana (1942) fa handeha hiatrika ny toeram-piasana nanendrena azy voalohany izy:
"Erikerika
Atolotro an’i Arish-Lanto
Manerika hariva ny aty Vonizongo,
Ka lasa ilay eritra be mitambolona…
Manerika koa izany foko voatsongo,
Voatsongon’ny embona aty an-tanin’olona !
Dia indro mijoy tsy miato hatrany
Ilay eri-manifin’ny andro manjombona,
Ka zary voatohina mba hitomany,
Ilay ratran’ny foko tsy mety mikombona.
Ho aiza kanefa ity fo mitoloko,
Izay vorona bitika tratran’ny orana ?
Ny vetsoko foana, ny vetson’ny foko
No lasa fa vorona tapa-patorana
……………………………….."
Dia hoy i Arish-Lanto
Aza kivy…
Rah’tambesaram-pahoriana izany saina,
Aza ketraka na kivy, mitaraina;
Ô ! banjino ilay Mpiahy ao ambony,
Izy ihany; dia henoy fa he hitony
Irony sento.
Raha misy izay manjo ka mitokiky,
Aza kivy, mbola ho avy indray ny tsiky,
Fa ny tany tsy mitsaha-mikodia,
Ka ny tsara sy ny ratsy manangia
Antsika eto.
………………………………….."
(6 avril 1942)
Fa tsy nanam-pahefana teo amin’ny penin’i Nirhy-Lanto no sady tsy nahafoana ny fitiavan-tanindrazana nivaivay tao anatiny ny gejan’ny fonja nandritra ny roa taona. Hoy indrindra izy ao amin’ny Torimaso tany am-ponja, isan’ireo voasoratra teny Antanimora (1948):
"…………..
Ny tany natao hodiaviko,
Voafetra ka dia tsy laviko.
Ny hidy nampian-tamboho
Dia geja sy toa vahoho;
Ny tenako no azo tanana
Sy azonareo sakanana:
Ny molotro sy ny saiko
Mihira tsy mila baiko."
Fa tany am-ponja ihany koa no nanoratany ireo tantara filalao an-dampihazo anankiroa: Tambanivohitra sy Resy nandresy. Rehefa vita soa aman-tsara ny sazy indroa miantoana ka ny gazety indray no nimasoana dia navoaka ho tantara mitohy, nosoniavin’i Bruno Rahaingo, tao amin’ny Malagasy vaovao sy Hita sy Re taty aoriana, izy ireo.
Fa mbola teny ambony sambo 1947 – araka ny niantsoan’ireo mpiara-mitolona voafonja ny fiarahany tany am-pigadrana – no nanadihadiany ny fitsipika azo arahina hamehy ny fanoratana rindrambolana. Nantsoiny hoe "Andram-pikaliana" izany rehefa navoakany am-boky taty aoriana elabe (Rindrambolana, 1996, t. 95-109).
Tsy nahasoratra firy i Nirhy-Lanto nandritra ny dimy taona (1949-1954) tany an-tsesitany. Ny fiverenany indray teo amin’ny sehatry ny gazety anefa dia azo ambara ho vanim-potoana nameno ny banga. Sady nandray anjara feno izy tao amin’ny Gazetin’ny Malagasy momba ny literatiora no niandraikitra samirery ihany koa ny takila roa natokana ho amin’izany tao amin’ny Malagasy vaovao. Tamin’io vanim-potoana io no nanomboka ny famoronany sombintantara sy tantara indray miseho.
55 taona izy no napetraka hisotro ronono koa nandritra ny taona 1978-1991 dia niasa tamin’ny orinasa tsy miankina amin’ny fanjakana izy: La Cotonnière d’Antsirabe (COTONA), sampana Affaires sociales ka niandraikitra ny "Relations humaines et Relations publiques". Maivamaivana kokoa noho ny adidy aman’andraikitra niantsorohany fony mpiasam-panjakana ny tao amin’ity toeram-piasana vaovao ity koa dia nanam-potoana nanoratana malalaka indray i Nirhy-Lanto. Mainka moa fa rehefa nisotro ronono tanteraka izy nanomboka tamin’ny taona 1991.
NY VENTIN-KEVITRA MISONGADINA
Indramintsika eto hamintina ny amin’izany ny filazan’ Andriamatoa Prosper Rajaobelina, talen’ny ENAM, fotoana nifankahalalany tamin’ity mpanoratra ity (1960-1962) sy i Georges Andriamanantena na i Rado, araka ny anarana ahalalan’ny maro azy eo an-tanimbolin’ny soratra:
"(…) Mafonja ny hevitra fonosin’ny tononkalony raha ny voasoratra tamin’ny taona 1947 sy ny taty aorian’io no jerena. (…). Ny fahantrana no tena hitany amin’ny manodidina azy sy amin’i Madagasikara. Tokony hotadiavina amin’ny pôeziany rehetra izay hevitra izay."
(Vary Faho, boky fahatelo, 2016, t. 162)
Hoy kosa i Rado:
"(…) Vao mainka mitombina koa ny hasoan’ny Rindrambolana nataony, satria mirahavavy amin’ny Fitiavan-tanindrazana tao am-pony ny Fitiavana sy ny Finoany an’Andriamanitra. (…)"
(Rindrambolana, 1996, t.6)
FEHINY
Ankaramalaza, 2 Aogositra 1988
Natokana ho Mpiandry tany Ankaramalaza izy mivady ny 2 aogositra 1988.
Boky roa no napetrak’i Nirhy-Lanto ho an’ny taranaka malagasy. Ny voalohany dia mirakitra ny ampahan’ny asasorany: Rindrambolana (1996); ny faharoa: Izaho – Atody niady amim-bato, nandraiketany an-tsoratra ny lalana nodiaviny nanomboka teo amin’ny fahazazany ka hatramin’ny fotoana nisotroany ronono.
Tanteraka soa aman-tsara ny fifaninana "Loka Nirhy-Lanto – Rindrambolana sy Koloteny" voalohany, ny taona 2006. Vokatry ny fiaraha-miasa teo amin’ny fianakaviana sy ny fikambanana HAVÀTSA-UPEM izany. Hotanterahina isaky ny telo taona no niheverana azy, ka na tsy tena voahaja aza io fe-potoana io noho ny antony maro samihafa dia ny andiany fahefatra no notontosaina tamin’ny 2019. Miaraka amin’ny hetsika fizarana ny loka dia niezahana hatrany ny namoaka boky iray mirakitra ny asasoratr’i Nirhy-Lanto, dia teraka ireo andiana Vary Faho izay mirakitra ny ankamaroany amin’ny asasorany niparitaka an-gazety: Rindrambolana, tantaraforonina, sombintantara, tantara filalao an-dampihazo, famakafakana teny malagasy, matoandahatsoratra, lahateny…
Vahinin'Andriamatoa Hery Valisoa tao amin'ny RNM, fandaharana "Ireo voromanga" i Nirhy-Lanto (2003).
Vahiny tao amin’ny fandaharana "Loharano tsy ritra" niantsorohan-dRamatoa Rabakoliarifetra Vero koa, tao amin’ny Televiziona Malagasy (2000).
Efa vahinin’ny fandaharana "Salanitra" niantsorohan'i Louis Bernard Rakotomanga, tao amin’ny Televiziona Malagasy niaraka tamin'i Nary R.H.A.
Vahinin’ny Institut National des Langues et Civilisations Orientales (INALCO), Parisy, sampana malagsy, nanao famelabelarana ho an’ny mpianatra momba ny literatiora malagasy, ny MDRM sy ny tolona 1947 (1996).
Nandray anjara tamin’ny fifaninana Rindrambolana ho fankalazana ny faha-10 taonan’ny FFKM ka nahazo ny loka voalohany (1990).
Nandray anjara fanolorana rindrambolana tamin’ireo Concert de Noël nifandimby: Espace Aro, Cemès Soanierana, Roxy (1986-1989).
Mariboninahitra
Grand Croix de l’Ordre National Malagasy
Commandeur de l’Ordre du Mérite de Madagascar
Chevalier du Mérite Agricole
Boky efa nivoaka
Nirhy-Lanto Rakotonindrina
- 1996, Rindrambolana, Antananarivo/Paris, ed. Teza Boky & Nirhy-Lanto, 130 p.
- 2002, IZAHO Atody niady amim-bato, Antananarivo/Paris, ed.Teza Boky & Nirhy-Lanto, 157 p.
Nirhy-Lanto, Vary Faho Rindrambolana sy Koloteny
- 2006, Boky voalohany, Antananarivo/Paris, ed.Teza Boky & Nirhy-Lanto, 263 p.
- 2010, Boky faharoa, Antananarivo, ed.Teza Boky & Nirhy-Lanto, 153 p.
- 2016, Boky fahatelo, Antananarivo, ed.Teza Boky & Nirhy-Lanto, 184 p.
- 2019, Boky fahefatra, Vary Faho voatsimpona, Antananarivo, ed.Teza Boky & Nirhy-Lanto, 232 p.
Boky nanovozan-kevitra
F-X Mahah, "Rakotonindrina Charles Victor", in Amboaran-tononkalo nofantenana (hivoaka tsy ho ela).
Gazety VALIHA, "Izy moa no iza ? Nirhy-Lanto Rakotonindrina Charles Victor", lah. 114, 24 novambra, 2001.
HARIMBOLANJATOVONIAINA, Léa Frescia Hollande, NIRHY-LANTO Atody niady amim-bato, Mémoire pour l’obtention du CAPEN, Université d’Antananarivo, École Normale Supérieure, 2006.
Havàtsa Notsongaina, Antananarivo, 2012, pp. 255-261.
NIRHY-LANTO RAMAMONJISOA, Solotiana,
a) "Notes sur la littérature poétique malgache à la veille de l’indépendance", dans Études Océan Indien, [Poésies de Madagascar et des Comores], Paris, CEROI-INALCO, n°17, 1994, pp. 135-148.
b) "Trois poètes malgaches engagés du XXe siècle", dans Noël Jacques Gueunier & Solo-Raharinjanahary (dir.), Raki-pandinihana Études de linguistique, d’anthropologie et de littérature malgaches – Études offertes au Professeur Siméon Rajaona, Lib. Saint-Paul, 1998.
c) Anthologie bilingue de littérature malgache: Jupiter, Bruno Rahaingo, Ny Malodohasaha. Des transports de l’amour à l’engagement du militant, Paris, L’Harmattan, 2001, 183 p.
RAJAONAH, Faranirina, "L’École le Myre de vilers (1940 – 1950): ‘ politique de race’ et formation d’une élite nationale" in RAISON-JOURDE, Françoise et RANDRIANJA, Solofo (dir.), 2002, La nation malgache au défi de l’ethnicité, Paris, Karthala, 2002, p. 185.
RANAIVOSON, Dominique: Iza moa ? ed. Tsipika, 2004.
RANDRIANAVONY Lalaharisoa Josette et al., Nirhy-Lanto sy ny fitiavan-Tanindrazana, asam-pikarohana, Antananarivo, Anjerimanontolo, sampana Malagasy, 1975.
RAVAOARISOA Marie-Jeanne, Ny Asa soratr’i Nirhy-Lanto maneho fiarovana ny maha-malagasy. Tahirin-kevitra azo ampitana fahalalana any amin’ny S.A.F.M., Mémoire pour l’obtention du CAPEN, Université d’Antananrivo, École Normale Supérieure, 2007.
Ajouter un commentaire
Commentaires