Te handre hira aho

Publié le 15 février 2023 à 22:50

Fandadihadiana tononkalo malagasy


Miako ao am-pon'ireo tandrify azy lalandava ny soratra novolain'ireo pôeta. Mainka mitombo lanja kokoa aza izany rehefa arahina ngadona sy feo. Mifantoka amin'izany indrindra ity sorakanto iray notsongaina tao amin'ny aingam-panahin'i Narivelo Rajaonarimanana ity, izay nampitondrainy ny lohateny hoe : "Te handre hira aho", nalaina tao amin'ny gazety Hehy, laharana faha-2040, ny 30 janoary 1970. Asongadiny ao fa mitana toerana lehibe ao anatin'ny mpankafy ny soratra. Hotomorina akaiky ny tononkalo ka horesahina voalohany fa mitondra hakiviana indraindray ny soratra. Raha efa izany, haseho fa mampisandratra ny firenena ny diam-penina.

 

Mitondra hakiviana indraindray ny soratra.


Mirakitra faharesena ny sanganasa sasany. Manamafy izany ny pôeta eto:

"Te handre hira aho
Amin-gadona sy paika
Tsy miendrika talaho
Na... milaikalaika".

Ireo tononkalo mitory fiangaviana amam-pifonana nateraky ny zava-mafy manjo ny olombelona eto no tsikafonin'ny mpanoratra. Toa manosika ny mpamaky hiondrika manoloana ny tsy rariny sy ny onja sarotra sedraina izy ireny. Araka izany, mitarika ny hafa tsy hanohitra ny sakana isan-karazany ireo ainga mampitoloko.

 

Mandratra fo ny haisoratra. Hoy i Narivelo Rajaonarimanana :

"Koa ampangino vetivety
Ny kalonao ry Poety
Fa mirakitra alahelo
Sy mitory velovelo."

Mamoha ireo tsiaro nitondra ngidy sy faitra ny asasoratra. Velominy ao anatin'ireo mpianoka ny sento mampody tadidy an'ireo lasa efa natao hivalona. Noho izany antony izany, mampijoy ranomaso an'ireo niaina ny voasoratra ny vetson'ny poety.

Manembantsembana ny tanjona tian-kotratrarina ny rango-penina. Manantitra izany ny aingam-panahin'ny poety raha nivolana fa :

"Ka sao misakantsakana
Ny fisosan’ito lakana
'Zay mitondra ny tadiaviko."

Eo am-pitsakotsakoana ny votoatin'ny voasoratra ireo mpankafy no alaim-panahy tsy te hiroso, minia mampiato ny ezaka efa nilofosana fa difotry ny ahiahy nateraky ny sorakanto izay vinakiny. Vokatr'izay, lasa malaina hihetsika sy hivoatra ny sarambaben'ny mpiondana literatiora.

Moa ve tsy zary enta-mavesatra atao an-tsoroky ny fiarahamonina ny literatiora raha miompana amin'ireo voalaza ireo avokoa? Maro loko anefa ny zava-kanto, misy ihany koa ireo mitaiza ny hafa hankamamy tanindrazana.

 

Mampisandratra ny firenena ny diam-penina sasany.


Mivimbina hasambarana ao anaty ny soratra. Hoy mantsy ny tononkalo eto hoe:

"Fa hiram-pifaliana
Sy torebim-pihobiana
An’ireo Mahery Fo ".

Ireo aingam-panahy mamelombelona ny tsiky mamelana eo imolotra no voaresaka eto. Mampitotorebika ny fo ireo asa kanto napetrak'ireo mpanoratra; miantraika amin'izay ataony rehetra izany ka mandavorary ny fiainany. Araka izany, mitahiry hafaliana ao anaty ny haikanton'ny poety.

Mampitsiry fitiavan-tanindrazana ny asasoratra. Manasongadina an'izany ny voalaza hoe:

"Izay mivimbim-pandresena
Ka mamerina ny Zo
Aman-tsantam-pirenena !..."

Maneho fanomezan-kasina ny tany honenana ny raki-tsoratra nampitain'ny pôeta sady mandona ny hambom-pon'ny olona ary manosika azy ho saro-piaro amin'ny anjarany. Noho ireo, tonga manome lanja ny tanindrazana ny mponina.

Mamboly fanantenana ao anaty ny haisoratra. Hamafisin'ny andalana telo farany amin'ity sanganasa ity izany :

"Dia ny hiram-pandresena
Handrariako ny ho aviko
Dia ny hoavim-pirenena."

Eo anivon'ny safotofotom-piainana ateraky ny mafy tsy maintsy lalovana no mipoitra ny fanantenana mandrisika hioitra. Miteraka tanjaka hoenti-miady amin'ny sarotra ny fipakan'ny hevi-dalina ampitain'ny aingan'ny mpanoratra. Mampiomana sahady ny hioty ny voka-tsoan'ny hasasarany ny hery miafin'ny tononkalo.

 

Eto am-pamaranana, tsapa fa miantraika lalina any amin'ny mpankafy ny sorakanto apariaky ny pôeta, mety hiteraka fahavoazana nefa mety hanova ny toe-tsaina hahay hiatrika ny zava-misy ihany koa. Manentana ny mpiangaly literatiora mba hahay mandanjalanja sy hahay mifantimpantina ireo asa kanto nateraky ny korisam-penin'ny pôeta tahaka itony. Mahate-hidera ny fahaizan'ny mpanoratra mifantina ny voambolana tsotra nefa manaitra sy ny endri-panoratana, tsy lava nefa mahafehy ary mahatafita ny hafatra tiana hampitaina. Efa tonga tao an-tsain'ny mpiangaly zava-kanto ve hoe nitondra inona teo amin'ny mpiara-belona ny talenta izay nampiasainy ?

Ajouter un commentaire

Commentaires

Il n'y a pas encore de commentaire.

Créez votre propre site internet avec Webador