Fandadihadiana tononkalo malagasy
"Efa novahana ilay fatoran’ny vala tsy hita faritra, mifalia !" hoy J.-J.Rabearivelo (1903 - 1937) raha namaritra ny atao hoe asa famoronana poezia izy. Pôetan’ny fahafatesana, poetan’ny alahelo tokoa hatramin’izay no nahafantarana kokoa ny mpanoratra. Amin'ity tsingerin-taona nahaterahany ity dia hizara izay hafaliany sy lafy hafa naha-Rabearivelo azy izay izao asa fandalinana fohy izao: lafy hafa izay izy faly anaty asa famoronana, lafy hafa izay izy mizara sy mampianatra mikasika ny atao hoe pôezia sy ny fomba famakiana azy.
“Mamaky teny” no lohatenin’ity pôezia hovelarina eto izay tononkalo nanokafany ny bokiny "Saika Nofy", tononkalo iray izay nampahafantarany misimisy kokoa ny tontolon’ny pôezia sy ny asa famoronan-kanto, ny fomba famakiana pôezia izay natolony ho an’ny mpamaky, ary farany, ny andraikitry ny pôeta eo amin’ny asa famoronana.
*
* *
PÔEZIA SY NY ASA FAMORONAN-KANTO
Pôezia : asasoratra mitahiry zava-miafina ary famoronana tontolo vaovao
Tsy mipongatra ho azy ny asasoratra fa mamaka amin’ny tany niaviany. Noharin’ny mpanoratra amin’ny “Ala miafina” iray izy eto. Ala izay manana fototra sy misotro amin’ny loharano ambanin’ny tany hivelomany, sarin’ny asasoratra izay mamaka amin’ny mpamorona azy; asasoratra izay vokatry ny dinitry ny pôeta, ahitana ny tandindon’ny fiainana nolalovany an-taona maro, ny kolontsainy, ny tantarany ary ny razana izay niandohany; asasoratra izay mamoaka ety ivelany ny tontolo miafina rehetra any amin’ny tsy taka-mason’ny olombelona. Mampahafantatra eto ny pôeta fa mila karohina vao hita sy azo ireny fototry ny asasoratra ireny. Ny asasoratra ihany koa dia famoronana tontolo vaovao iray. Tontolo izay ifandrohizan’ny tontolo hita maso sy ny tsy hita maso, ny azo tsapaina sy ny tsy azo tsapaina, ny velona sy ny maty, ny tontolon’ny nofy. Andian-teny mifangari-kevitra tahaka ny hita amin’ny hoe “ala miafina na azo tsapaina” sy ny sarinteny oxymore hita amin’ny hoe “ala miraom-panginana” izay mampifanojo teny roa mifangari-kevitra ka tsy tokony hiaraka anaty fehezankevitra iray no nanehoan’ny mpanoratra izany. Eo koa ny allégorie amin’ny hoe “hamaky ala…..ny nofy”, ny nofy izay tsy azo tsapaina kanefa nomena aina hiriaria anaty asasoratra. Hoy tokoa izy raha namaritra ny pôezia Saika Nofy hoe : “ary ny asasoratra dia hiraondraona zavatra tsy misy kanefa misy loatra, toy ny nofy”.
Pôezia : Tonony sy Feo mamaka amin'ny loharano nipoirana
Pôezia, fitambaran’ny fomba faneho (tonony sy feony) sy hevitra teraky ny aingam-panahy. Ny sarinteny “hypotypose” izay mampitandahatra fandokoana miendri-pitantarana eo imason’ny mpamaky no nampiasan’i J.-J. Rabearivelo raha naneho izany izy: “ala nandosiran’ny voron-kofinandrika /Ny voron-kofinandrika hasaina mihira na hasai-mitomany – /Hasaina mihira na hasai-mitomany /Ny toera-nahafoizana”. Ny aingam-panahy no mandeha mirenireny ary miverina mitondra ny feo sy hevitra hitany tany am-pihazana tany. Mila samborina ny pôezia, saro-takarina izy matetika ary adidin’ny pôeta ny misambotra ireny feo sy tonony ary hafatra ireny; adidiny ny manambatra sy mandrindra azy ireny ho lasa amboara iray atolotra ny mpamaky. Adidin’ny mpamaky ihany koa ny mamoaka ny hevitra fonosin’ireny teny mitandahatra anaty asasoratra ireny. Tsy narafidrafi-pahatany tokoa mantsy izy ireny ary sarotra tokoa ny mampifanaraka ny hevitra ao anatin’ny endriky ny fanehoana am-peo sy an-teny. Ho an’i J.-J.Rabearivelo manokana, tokony hahatsiarovana mandrakariva ilay fisia-mahaizy ary maneho mandrakariva ilay tany niaviana ny famoronana asasorakanto na toa inona fibosesiky ny asasoratra vahiny izay misarika ny tanora fanahy eo amin’ny fanoratana pôezia. Izany indrindra no namerenany anaty tamberina andian-teny ny hoe “hasaina mihira na hasai-mitomany ny toera-nahafoizana”. Ny teny hoe “foy” izay manana hevitra roa ka sady mamerina ao an-tsaina ny toerana niavina no manamafy ilay tokony hitadiavana hatrany ny very teo amin’ny famoronana asasorakanto. Satria marihina fa nivoaka tao anatin’ny vanim-potoana “Mitady ny very” ity asasorany ity.
Pôezia : hosodoko vita amin'ny teny
Pôezia, hosodoko vita amin’ny teny ary mandranitra ny vavahadin-tsaina dimin’ny fahatsapana. Tsy natao ho sakafon’ny fo fotsiny na saina fotsiny na maso fotsiny na natao hampanofy fotsiny ny pôezia fa fitambaramben’ireny rehetra ireny. Natao izy ireny hanetsika ny fahatsapana hafa. Ao ny teraky ny fo ka mitahiry ireo hafaliana na ranomaso, ao ny teraky ny saina ka saro-takarina ny zava-dazaina ao anatiny, ao ny mitahiry rakitsary toy ny hosodoko vita amin’ny teny ka mitandahatra ao ireo karazan-doko sy karazan-tsarinteny isan-karazany. Ity farany ity izay nentiny namerina ireo lahabolan-drazany fahiny toy ny Hainteny sy angano, ankamantatra sns ho anaty pôezia izay soratany. Ny métonymie izay nampifanakalo ny manontolo amin’ny ampahany no nentin’ny mpanoratra milaza izany: “Hamaky ala ny maso, ny fo, ny saina, ny nofy…”
Famoronana tontolo vaovao amin’ny alalan’ny teny ny pôezia. Lehibe indrindra amin’i J.-J.Rabearivelo, ilay fametrahany mandrakariva ilay tandindon’ny tany niaviany sy ny loharano nipoirany ao anatin’ny fomba fanehoana sy ny hafany. Manao ahoana kosa àry ny fomba famaky izany karazana asasoratra izany ary inona no andraikitry ny pôeta eo anatrehan’izany?
ANDRAIKITRY NY MPAMAKY SY NY PÔETA
Andraikitry ny mpamaky
Mamaky teny ny lohatenin’izao asasoratra izao. Ho sarotra anefa ny hahay mamaky raha tsy nolalovana sy notakarina tao anatin’ilay asasoratra ny famaritany ny atao hoe pôezia aloha. Araka ireo famaritana ireo dia mila fahavononana ny miatrika asasoratra iray. “Aza migadona, aza miteny” hoy ny mpanoratra raha nanoro hevitra ny mpamaky izy mialoha ny hamakiana ny pôeziany. Rehefa manomboka ny vakiteny (mamaky ala) dia misy dingana fito tokony harahin’ny mpamaky. Voalohany, mila fahanginana sy fifantohana, araka izany, ny famakiana teny. Ilaina ny fahavononana hamakivaky ilay tontolo vaovao foronin’ny pôeta. Ilaina ihany koa ny manomana ny vavahadin-tsaina dimy hianoka amin’ny fahatsapana rehetra izay zarain’ny pôeta ao anatin’ny asasorany. Manaraka izany, mila mahafantatra ny loharano nipoiran’ny asasoratra ny mpamaky, mila mahafantatra ny mpanoratra sy ny kolontsaina mifamatotra aminy, mila mahafantatra ny tantara nolalovan’ny mpanoratra sy ny asasoratra. Takarina avy amin’ilay tany mamelona sy hiorenan’ilay asasoratra (ala) avokoa izany. Avy eo, mila mahatakatra izay hevitra fonosin’ny sarinteny ny mpamaky ary mila mahay mianoka izany (hamaky ala ny maso), mila mahazo sy mahatsapa ny karazam-pihetseham-po voarakitra anaty asasoratra (hamaky ala ny fo), mila mahatakatra ny hevitra fonosin’ny sasoratra sy ny filozofian’ny mpanoratra (hamaky ala ny saina), mila mahatakatra ny nofy izay tontolo hafa itondran’ny mpanoratra ny mpamaky (hamaky ala ny nofy). Mila mahay maka izay tandrify sy izay mahafinaritra mifanandrify amin’ireo vavahadin-tsaina amin’ny fahatsapana ihany koa. Farany, mila mahay manakatra ireo hevitra fonosin’ny teny sy ny feo izay nitosaka avy amin’ny aingam-panahin’ny pôeta ihany koa ny mpamaky (voron-kofinandrika hasaina mihira ny tany nahafoizana). Ireo fanakaran-kevitra ankapobeny tokony hain’ny mpamaky ireo dia nohamafisin’ny mpanoratra amin’ny sarinteny Zeugma izay fampiarahana anaty fehezanteny tontolo roa samihafa tsy tokony hiaraka mihitsy : “Ala miafina, Vorona miery. Ao anaty tànanao”.
Andraikitry ny pôeta
Ao anatin’izay dia misy andraikitry ny pôeta ihany koa nampahafantarin’ny mpanoratra. Olona manana fototra ny pôeta ary tsy tokony hanadino izay fototra niaviany izay ao anaty asasorany. Olona efa voahosotra na ihany koa olona efa niomana mialoha ho mpanoratra izy ireny. Misy karazany tokoa mantsy ny tany, na izy efa manana ilay toe-tany mahavokatra avy hatrany, na izy efa voaomana mialoha sy efa voakarakara mialoha mba hahavokatra. Misy fikirizana an-taonany maro takina amin’ny pôeta, tsy ho vita indray andro tokoa ny famelomana ny asasoratra fa mila fotoana hahazoany faka sy hahazoany mitroka ny tsiro rehetra atolotry ny mpamorona azy dia ny pôeta izany. Araka ity asasoratr’i J.-J. Rabearivelo ity dia ny pôeta izay mampiroborobo ny loharano nipoirany sy tsy manadino izany no hanana hazo tsara faka ka hanjary “ala” any aoriana any. Ka na inona tafiotra, na inona hainandro mety hiteraka hain-tany, na inona rivotra entin’ny fandrosoana dia efa lalim-paka ilay asasoratra, efa tsara rano izy ka tsy mora hozongozonina. Farany, manana adidy mampianoka ny mpamaky karazana asasoratra manome fahafinaretana ny vavahadin-tsaina dimy ny mpanoratra. Tsy tokony ho tokana ny sakafon’ny mpamaky fa tokony ho maro rantsana. Izay rahateo amin’i J.-J. Rabearivelo ilay pôezia manetsika fo hafa, ilay pôezia manetsika fanahy hafa. Misy fifampizaràna, fiombonan’aina araka izany eo amin’ny mpanoratra, ny asasoratra ary ny mpamaky ka anjaran’ny tsirairay ny maka izay tandrify azy.
Nampahafantatra antsika ny fomba famaky ny pôeziany i J.-J. Rabearivelo tamin’ity asasoratra ity. Sady Haren-tsaina ny asasoratra no mitahiry zava-maro an-taonany maro teo amin'ny fiainan'ny mpamorona azy. Samy mila fiomanana na ny mpanoratra na ny mpamaky rehefa hiditra eo amin’ny tontolon’ny pôezia. Fahafinaretana amin’ny lafiny rehetra no atolotry ny mpanoratra ho an’ny mpamaky ary ny asasoratra no tontolo vaovao ifaneraseran’ny mpanoratra sy ny mpamaky.
*
* *
Raha fintinina àry izay rehetra izay dia nampianatra antsika namaky ny asasorany J.-J. Rabearivelo.. Azo tsoahina avy amin'izay rehetra izay fa :
- J.-J. Rabearivelo dia pôeta namaka mandrakariva tamin'ny loharano nipoirany ka namadika ireny tononkiran'ny razany ireny ho lasa tontolo vaovao hafa sy mahafinaritra ho an'ny mpankafy ny kantony. Nitolomany mihitsy izany fomba fijery izany tamin'ny nitarihany niaraka tamin'ireo namany ilay hetsika "Mitady ny Very" (1931-1934) ho fampivoarana ny literatiora malagasy.
- J.-J. Rabearivelo ihany koa dia tia manao hosodoko an-teny sy mikatsaka ny kanto kokoa hatrany eo amin'ny fomba faneho an-tsarinteny ny pôezia mba hamalifaliana hatrany ireo mpankafy ny kantony (karazana pôezia ho an'ny "maso" no nanehoany azy tato).
- J.-J. Rabearivelo ihany koa dia mpizara hafinaretana ho an'ny mpamaky ao anatin'izay famoronana tontolo vaovao izay: hita ao anaty asasorany daholo tokoa mantsy na ireo natokana ho an'ny maso, ho an'ny fo, ho an'ny saina, tontolon'ny nofy. Izany hoe, Rabearivelo dia pôeta mizara ny mamy indrindra rehetra avy aminy teo amin'ny tontolon'ny asasoratra. Sakafo hanimpitoloha isan-karazany no atolony ny mpamaky. Ny asasoratra aminy no rivo-baovao isa-maraina ifampiresahany amin'ny mpamaky.
Ajouter un commentaire
Commentaires