Namoaka ADABO i Singa Mahenika

Publié le 24 juin 2023 à 14:12

Lahatsoratr'i Heriarilala Andriamamonjy

    

Namoaka harembakoka azo tsapain-tanana ny poeta Singa Mahenika na Andriamanamaniry Tahiriniaina Fahatsiarovana. Amboara ahitana tononkalo 47 sy sombintantara 2, nosalorana ny anarana hoe "ADABO".

 

Hazo vaventy, tsy hita afa-tsy eto Madagasikara, any amin’ny faritra andrefan’ny Nosy, ny Adabo. Izany hoe mety hianohanao tsiro tsy misy any an-kafa ity boky vaovao ity. Amponga sy langoroany kosa ny adabo raha any amin’ny faritra antaifasy ary mety ho anarana iantsoana karazam-borona indray izy any amin’ny toerana hafa. Atolotr’i Ngaly na Randrianaivo Ridza ity amboara ity ary i Rado Nomena sy i Vatomivôlagna no mamarana azy.

 

Mifono hafatra sy fanabeazana ny boky ADABO ary natao ho an’ny sokajin-taona rehetra. Misy amin’ireo mpamaky no mety ho voasarika kokoa amin’ny tononkalo; ao kosa ireo tsy ho liana afa-tsy amin’ny sombintantara. Noho izany indrindra no antony nanaovana ireo sorakanto roa karazana ireo ho ao anatin’ny boky iray. Ny Smile Edition no nanao ny fanontana ny boky ary efa azo jifaina any amin’i Singa Mahenika mpanoratra izany.


Ajouter un commentaire

Commentaires

Il n'y a pas encore de commentaire.