Ny Avotra, poeta namoaka voka-pikarohana mikasika ny Literatiora

Publié le 22 juillet 2023 à 21:26

Lahatsoratr'i Toetra Ràja

 

Nahasondriana ary niako tamin'ny maro izay nanatrika ny karoka nataon'Ny Avotra, poeta sady mpitandrina, mitondra ny lohateny hoe: "Literatiora iainana ny toriteny". Nahazoana ny maripahaizana "Maîtrise en Théologie" tao amin'ny Fakiolten'ny Teolojia Ambatonakanga ity karoka ity. Nanome lasitra mahomby ho an'ireo izay hampita hafatra izy tanaty fandalinana.


Ny tanjony dia ny hahombiazan'ny tsirairay rehefa mampita toriteny amin'ny hafa. Miavaka loatra ity poeta ity teo amin'ny fahaizany mamolaka ny teny malagasy nitondrany ny fandalinana. Santionany amin'ny tononkalony voarakitra tanaty amboara izay maneho ireo sakana tsy hay faritana eo anivon'ny fiarahamonina ny hoe:

"Rarana ny mahita
 rarana ny mahare
 rarana ny mitady
 rarana ny mandeha"

 

Ny tranonkala Poetawebs dia faly miarahaba ny namana poeta tahaka izao, izay mandratra avo ny literatiora malagasy.


Mpitsara
Mpitandrina Rabetokotany Miarilaza Andriamialy, Mpitandrina Rasendrahasina Lala Haja

Filoha
Dr Randriamampionona Alfred

Mpitandrina

Mpitarika
Dr RAKOTOMAVO Tokiharimanitra Tsikimilamina

Miankavanana : Mpitandrina Rasendrahasina Lala Haja, Dr Rakotomavo Tokiharimanitra Tsikimilamina, Ny Avotra, Dr Randriamampionona Alfred, Mpitandrina Rabetokotany Miarilaza Andriamialy

Ajouter un commentaire

Commentaires

RY.HO.TSY
il y a 10 mois

Mahafinaritra.