Poetan'ny hanina - poeta nindramina

Publié le 10 septembre 2023 à 21:39

Banga indray ny tontolon'ny poeta malagasy. Lasa tamim-pahanginana mantsy ny poeta Odile Razafimandimby, ilay poetan'ny hanina, nandrafitra ny teniny, mora nandalanina amin'ny fahakingan'ny peniny.

 

Mpankafy fandrindrana loko sy teny ity poetan'ny "fotoana mandalo" sy ny fitiavana ity. Manana fo mitepo izy ao anatin'ireo rantsan-tanany dimy mampisosa ny rima sy ny ngadony. Ankoatra ny maha poeta azy dia mpanoratra angano sy mpanosodoko manahaka an-dry Dox sy F.-X. Mahah koa ity poeta mpikamban'ny Havàtsa-Upem sampana Frantsa ity.

 

Ny 29 Aogositra 2023 teo, tany Montreuil Frantsa, no voamarina ny fiafaran'ny fofonainy teto amin'ity tany vangiana ity.

Ny tranonkala Poetawebs dia ontsa indrindra amin'izao fandaozan'ny namany izao. Navadibadika indray ny takelaka mirakitra ilay tapatapakahitra niarahana taminy ny 21 Novambra 2011.

 

"...Mba ento aho ravorona hisidina indray..
 mba hahita ilay taloha mahamanina anay
 ilay tanàna mamy, kanto sy tony
 misy ireo havana tsy hitako intsony."

 

Mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviany.

____________________________

Lahatsoratr'i Toetra Ràja

Ajouter un commentaire

Commentaires

Havozo Manitra
il y a 8 mois

Mampahery ny fianakaviana nilaozany

Heriarilla
il y a 8 mois

Handry am-piadanana anie ny fanahiny.
Manantena hahalala misimisy kokoa momba ny kantony.

Toetra Ràja
il y a 8 mois

Heriailla, izy tenany mihitsy no nanazava ny kantony tao amin'ny tapatapakahitra nifanaovanay ny 21/11/2011. Ity ny rohy:
http://poetawebs.e-monsite.com/pages/tapatapakahitra/page-28.html

Mandy Rukwa
il y a 8 mois

Toutes mes condoléances à la famille de Dila.
Je n'avais plus de ses nouvelles , je la croyais retournée au pays. Nous étions amies il fut un temps, je garde son amitié précieusement. Merci

Créez votre propre site internet avec Webador