Ala londona!

Publié le 6 septembre 2023 à 21:20

Somariaka ireo mpifaninana soratononina ho fanamarihana ny faha-100 taona nahaterahan'i Nirhy-Lanto tao amin'ny Efitrano Dox, tranombokim-pirenena ny alarobia 6 Septambra 2023.

 

Ala londona, enti-milaza fihintsanan'ny felana ka mampitsimoka ny voa amin'ny zavamaniry, no lohahevitry ny hetsika. Fitenin'i Nirhy-Lanto izany ary voarakitra ao amin'ny boky Rindrambolana. Tononkalon'i Nirhy-Lanto mitondra ny lohateny hoe "Tsy mba maty" no nifaninanan'ireo skoto zazavavy (Fanilo sy Mpanazava) avy ao amin'ny EKAR, EEM, FJKM Anosizato. Hita soritra tamin'izy ireo ny fahalianana amin'ny fanoratana ny teny malagasy.

 

Nanolotra ny fotoana i Tsiky Rakotomavo. Nanazava ny fizotry ny fifaninanana i Solotiana Nirhy-Lanto. Nitsara ny fifaninanana i Solotiana Nirhy-Lanto solotenan'ny fianakaviana, ny Pr Narivelo Rajaonarimanana, Mpampianatra mpikaroka sady mpahaiteny rahateo ary i Hantanoro nisolo tena ireo nahazo loka tamin'ny fifaninanana. Notoloran'ny fianakaviana Nirhy-Lanto boky avokoa ireo mendrika tamin'ny fifaninanana. Na dia teo aza ny fandraisana anjaran'ireo mpifaninana dia nitsapa ny fahaizany ihany koa ireo olona nanatrika. Marihina fa nitondra fanazavana momba ny hevitry ny teny vitsivitsy ny Pr Narivelo Rajaonarimanana.

 

Izahay eto amin'ny tranonkala Poetawebs dia mandrisika hatrany ny fameloma-maso ny teny malagasy toy izao.

 

Tatitra : Toetra Ràja

 

Ajouter un commentaire

Commentaires

Il n'y a pas encore de commentaire.