Tantara mipetraka ny Ajima

Publié le 3 avril 2023 à 22:31

Lahatsoratra : Faniry Ezeckiel

 

Tsy mitsaha-mampiroborobo ny literatiora ireo poeta sy mpanoratra. Namohafoha fanahy teto an-drenivohitr'i Vakinankaratra ny AJIMA. Hetsika nanamarihan'ny Faribolana Sandratra sampana Betafo ny tsingerintaona voalohany nijoroany sady namaranana ny volan'ny pôezia ihany koa.

 

Nakotrokotroka ity seho ara-java-kanto natao tao amin'ny efitrano malalaky ny Tranoben'ny Serasera sy ny Kolontsaina eto Vakinankaratra ity izay natomboka tamin'ny roa ora tolaka andro ary nofaranana tamin'ny dimy ora sy sasany hariva. Nanokatra ny fotoana ny lehiben'ny sampan-draharahan'ny Kolontsaina eto Vakinankaratra, Andriamatoa Rakotosolofo Serge, narahin'ny lahateny fohy noentin'ny mpandrindra ny Faribolana Sandratra Betafo, Rasolofomandimby Faniry Ezekiela. Nampahatsiahivina tamin'izany ny famintinana ny tantaran'ny Faribolana Sandratra sampana Betafo (ny fotoana manan-danja tamin'ireo hetsika efa natao, ny daty manan-tantara...).

 


Nifandimby niakatra an-tsehatra ireo mpanorina taorian'izay. Mialoha ny niantsana ny aingan'ny tsirairay avy dia nampahafantarina tamina horonam-peo voaravaka tononkira ny momba azy ireo. Raha efa izany, niroso tamin'ny fandraisana ho mpiraifaribolana ireo sakaizan'ny Sandratra nandritra ny fotoana elaela ny rehetra. 12 mianadahy izy ireo ary nizarana mari-pamantarana fa Faribolana Sandratra nanomboka tamin'io fotoana io. Niantsa tononkalo iray voafantina avy ireto vao noraisina ireto taorian'izay.

 

Namarana ny hetsika an-tsehatra ireo mpanan-talenta tonga nanome hasina ity AJIMA ity. Nanelanelana ny seho kosa ny hira avy amin'ny tarika Rantsana Fanantenana sy ny fifaninanana nahazoana boky izay nandraisan'ireo mpanatrika anjara. Tonga nanome voninahitra ity fotoana ity i Ny Iraka RAMBOLAMANANA, mpiraifaribolana ao Antananarivo, izay nivimbina tononkalo iray. Nofaranana tamin'ny teny fankasitrahana avy amin'ny Faribolana Sandratra sampana Betafo ny fotoana.

Maro ireo namaly ny antso. Tsapa ho niavaka araka ny anarany ny seho. Tiana ny mampatsiahy ny teny manentan'ity hetsika ity: 

"Tsy ny teny manandra-tena fa ny tena manandra-teny."

Araka izany, azo hiraina ny fahaveloman'ny literatiora ankehitriny noho ireo mpanan-talenta amina faritra maro manome aina ny soratra sy ny teny.

 

Sary : Ny Iraka Rambolamanana sy Patrick Teddy

 

Ajouter un commentaire

Commentaires

Ny Avo Elabakaka
il y a un an

Mankasitraka hatrany oo

Créez votre propre site internet avec Webador