Volan'ny poezia tao Ambatondrazaka

Publié le 9 avril 2023 à 21:44

Lahatsoratr'i TSANTA Mirindra

 

Nankalaza ny volan'ny poezia ny tao Ambatondrazaka tamin'ny 25 Marsa 2023, andro manan-tantara ho an'ny Faribolana Sandratra sampana Ambatondrazaka, noho izycfamoahana ny boky mitondra ny lohateny hoe TONTA. Niahy ity hetsika ity ny fitaleavam-paritry ny Serasera sy Kolontsaina MASINJARA Ambatondrazaka.

 

TONTA : bokin'ny fahafolo taona

Boky voavolavola nentina nanamarihana ny faha-10 taonan'ny Faribolana Sandratra Ambatondrazaka. Raha niorina tamin'ny taona 2011 ny sampana dia tamin'ity taona 2023 ity kosa no voatonta ny TONTA .

 

• TONTA : ny diany

Mitsangana ny TONTA, itambaran'ny voa 100, vokatry ny mpijinja 15 tonta, notsongainy tamin'ny antontan-taratasy samihafa voatahiriny tany am-batasarihiny tany, navondrona ho antontan-kalo iray fehezana, ahitana atontan-kevitra maro loko saingy natsitokotoko ho safotofotom-pitia sy safobemantsina, ary natonta ho boky, mba hiatonta eo ambany masonao...

 

• Ireo poeta anisan'ny mpanonta ny TONTA hita mifandimby an-takelaka 111 pejy

- Tazma;
- Any-Jô
- Iarimbinina
- Sedra RVL
- Antsa Fanah
- Ny Peniko
- Rija Al-Jonah
- Af-Natoraly
- TSANTA Mirindra
- Aina Ilonala
- Felandraozy Ny Tiana
- Valengy Miantsa
- Haingoharitiana Nadia
- Erica Velondrasoa
- Eluart Andriatonirina

 

Ajouter un commentaire

Commentaires

Il n'y a pas encore de commentaire.

Créez votre propre site internet avec Webador