Samy tiana, antsan'i Raozigasy

Publié le 23 août 2023 à 15:41

Tsy any andafin'ny riaka ihany no saha ivelaran'ny asasoratr'i Raozigasy fa voaporofo izao ny hetahetan'Antananarivo hahita azy mivantana. Niantsa tononkalo tokoa izy ny 12 Aogositra 2023 teo. Tsy teny amin'ny ivo-toerana na efitrano lehibe mpandray antsa tononkalo ialohavana doka ireny anefa no nanatanterahana izany. Nisintaka kely ny ivon-tanàna ivangongoan'ny tohana sy ny sesika izy. Teny Ankadikely, tao amin'ny toeram-pisakafoana Ny Andrin'ny Soa, 9 km miala ny Garan'ny Soarano, no nampihomehezany sy nampitomaniany an'ireo 19 ka hatramin'ny 75 taona nandritra ny adin'ny roa. Adin'ny telo mihitsy aza raha ny marimarina kokoa noho ny hetahetan'ny mpijery sarotra nampitoniana tao aorian'ny fe-potoana nifanarahana.

Voakajin'i Raozigasy hatramin'ny am-pahan-tsegondra ny atin'ity antsa tononkalo miendrika "One-man-show" ity, endrika efa fanaon'ny mpanao hatsikana sy mpiangano. Andian-tononkalo mirindra amin'ny endrika sy hevitra no narosony ary noravahina hira sy feon-kirana mpanakanto fanta-daza ka nanampian'i Mamy Blue mpitendry gitara azy. Mifanelanelana hatrany ny tononkalo sy ny hira ary mifanaraka ny lohahevitr'izy ireo. Voafatra tsara koa ireo hira satria mbetika andininy iray, mbetika ny fiverenana no nipololotra teo imolotr'ireo mpanaraka. Anisany ireo hira nanamarika ny fahatanoran'i Raozigasy toa ny "Miverimberina" (Njila), "Sombinaiko" (Bodo), "Ny lehilahy" (Henri Ratsimbazafy), "Dada Malala" (Jeneraly), "Ilay mahantra" (Kiaka), "Baomijijy" (Lolo sy ny tariny)... ary nofaranana tamin'ny "Hanaraka anao" (Mahaleo).

Nanome endrika kanto ny seho tokoa izany, seho nahitana fidirana indroa. Nisantarany ny SAMY TIANA ny fitiavana ny akaiky ka nanamarihany ny fitaizana ny zanaka, fitsinjovanana ny ankohonana, fankamamiana ny vady, fifandraisana amin'ireo nahitana masoandro...

 

Natokany ho an'ny fankafizana ny fiainana andavanandro kosa ny faharoa. Ao anatin'izany ny fomba fiteny sy fihetsiky ny tanora ankehitriny, ny rotorotom-piainana, ny fahantrana, ny finamanana...

 

Samy nialohavana kabary fanairana avokoa ireo fizarana roa ireo, fanairana araka ny kalitao manamarika an'ity haivolana ity sady fanairana noho ireo hatsikana nofonosiny. Mbola kabary ihany koa no namaranany ny fotoana ka nampiavaka ilay andinin-teny mampilokiloky hoe:

 

"Izay vary arotsaka mantsy misy fatrany
 Izay natera-behivavy misy foitrany
 Ary ny zavatra rehetra misy fetrany"

 

Betsaka loatra ny lesona azo tsoahina momba an'ity seho ity, na teo amin'ny kalitaony, na teo amin'ny atiny izay sady mbetika nampilokiloky mbetika nampitomany, satia nipololotra loatra mantsy ny fihetseham-po tao an'efitrano.

 

Tatitr'i Toetra Ràja

Ajouter un commentaire

Commentaires

Felana Radoniaina
il y a 9 mois

Mankasitraka indrindra eee!

Ny Hasina Ratsimbazafy
il y a 9 mois

Mankasitraka Poetawebs