Ôsika Antsihanaka

Publié le 2 juin 2023 à 21:53

Tatitr'i TSANTA Mirindra


Famaritana ny Ôsika

Raha mozika avy ao Antsihanaka no resahina dia ny ÔSIKA avy hatrany no tonga ao an-tsaina. Aza hadinoina fa jijy milaro hirahira nentin-drazana, mifangaro antsa sy todiavaly mamela-tanana, miampy koka ambo, tehaka mifamaly, arahina zava-maneno toy angorodao, ampongalahy... ny ÔSIKA. 

Ary indrindra tsy afa-misaraka amin'ny fomba amam-panao toy ny joro, fampakarana jao, fampakaram-bady, feraomby, tsakafara, hala-jaza, anaran-jaza, famadihana, hasarabe, fananganan-jiro, tsaboraha maro hafa sns dia saika ilana ÔSIKA avokoa!

 

Ny poeta sy ny Ôsika

 

Fa rehefa ny Poeta kosa no tarafina anaty fiarahamonina, dia toa mitonona kalo ny vavany ary misoratra poezia ny endriny! Raha Poeta gaon-dahy na gaom-bavy no ao anaty masonao, moa tsy ÔSIKALO mipololotra no manarona ny manontolony? Manaitaitra anaty tsimandrimandry io ngadona ÔSIKA io matetika ka tsy tafandrimandry ny Faribolana Sandratra sampana Amparafaravola ny sabotsy 20 Mey 2023 lasa teo, raha ny taona 2013 no niorenany tamin'izany! Tapaka àry ny hevitra fa tohizina ny folo taona manaraka. Napetraka araka izany ny tsangambato faha-10 taona nijoroan'ny sampana Amparafaravola, tamin'ny alalan'ny boky ÔSIKALO.

 

Amboaran-tononkalo

 

Ho iza tokoa moa ny mpiôsikalo fa tsy ireto?

 

- SAROBIDY NIRVANAH
- SOLOFO ANDRIAMIADANA
- RHYALI NAVALISOA
- TATORY-NY
- RIANARI ALOSS
- NY KALO RUPHENIA
- RADO NOMENA
- JARY RICHARD
- AINA R.
- KELLY RANDRIA
- TSANTA MIRINDRA

 

ary i

- RANOE, mpandrindra nasionalin'ny Faribolana Sandratra, sady mpiôsikalo anaty boky ÔSIKALO noho izy gaonan'Alaotra iringiriny. Isaorana azy rahateo, tonga nanotrona nanome hasina ny hetsika ho fanandratana ny literatiora malagasy, tamin'ny alalan'ny ÔSIKALO nipoitra avy an-tanàna!

Tsy anjarako ny milaza ny hakanton'ny ÔSIKALO fa tsara kokoa raha ny fanahinao no hanandrana ny tsirony, mba handrenesanao izay mety ho sirany! Izany nefa tsy tontosa raha tsy teo ny fandrindran'i Rija Al-Jonah, izay nanentana tao anaty seho no sady nanolotra ny boky ÔSIKALO! Ho ela velona hatrany anie ny literatiora malagasy ka hisandratra avo ny ÔSIKALO!

Andilana-Avaratra, Asotry 2023

Ajouter un commentaire

Commentaires

Judi
il y a 3 mois

Tsara, tohizo fa mahaliana sy mahafinaritra

Créez votre propre site internet avec Webador