Vahindanitra

Publié le 29 décembre 2022 à 18:32

Manam-bahiny ny tranonkala Pôetawebs amin'izao faran'ny taona izao: Riva Ando Andriamalala. Pôeta mpiraifaribolana Sandratra izy ary vao tsy ela no namoaka boky vaovao. Heriarilala Andriamamonjy no mitapatapakahitra aminy.

 

Heriarilala Andriamamonjy
Miarahaba anao Riva tonga soa eto avara-patanay. Iza moa izany Riva izany? Inona no anton'ilay solon' anarana?

Riva Ando Andriamalala
I Riva, mpiraifaribolana Sandratra araka ny efa voalaza, zanak'i Bongolava miriaria eto Imerina, hankalaza ny faha-25 taona niraisana petsapetsa tamin'ny haisoratra ny taona 2024 iny, manoratra tononkalo sy sombintantara. Ilay hoe Riva moa dia fanampin'anarako ihany. Hoy ny Rakibolana hoe "tendrombohitra vato any anaty ranomasina no atao hoe Riva". Fa ny namoronan'i Dada azy io araka ny nambara taminay (satria izahay 5 mianadahy dia samy Riva) dia litera 4 natambatra izay lohana anarana nofantenany tao amin'ny fianakaviana, izany hoe:
R+I+V+A.

 

Heriarilala Andriamamonjy
Efa ela nihetezana ny pôetantsika. Boky maro no efa navoakany. Nanomboka tany amin’ny Kalo Fitia izany tamin’ny taona 2015. Efa nisy koa ny Antaranoana andiany telo, ny Revy hafa andiany roa ary vao tsy ela akory izay no namoahany ny "Vahindanitra". Mba vahavahao aminay hoe izany VAHINDANITRA izany !

 

Riva Ando Andriamalala
Vahindanitra, boky amboaran-kalo mirakitra kalo miisa 91 ao anatina pejy 123 nozaraina anaty lohahevitra 5. Ny vahindanitra moa (voie lactée) dia "Antokon-kintana tsy hita isa mifanakaiky ka toa mitankosina fotsy ary manaraka faritra lehibe lavalava ka mova tsy "toy ny vahy mandadina eo afovoan'ny habakabaka" hoy ny Rakibolana malagasy.

Natao hoe Vahindanitra ity boky ity satria :
- ny Vahindanitra dia hatsarana, hatsarana eny an-danitra, ary hatsarana tsy bolongan-tokana fa avy amina loharano lehibe samihafa, izany hoe mifangaro ao ny aingam-panahy maroloko anaty lohahevitra samihafa ; aingam-panahy notovozina tamin'ny hita sy ny re ary ny tsapa mbamin'ny nofy teny an-dalan'ny fotoana, notefena sy niangaliana tamin'ny talenta sy fitrandrahana mbamin'ny fifampizarana maro, ho tonga kanto manaka-danitra sy ho habaka lehibe hivelaran'ny fanahin'ny mpianoka azy.
- ny Vahindanitra dia vovo-kintana, tsy inona akory anefa fa galaksia iray manontolo, na izany aza dia mitoetra ho zava-bitika anoloan'ny onivera manontolo. Izany hoe toa boky kely tsy inona akory fa mirakitra dadasi-kanto tsy hita noanoa, kanefa dia mitoetra ho zava-bitika ihany anoloan'ny hatsaran-tarehy lafatry ny pôezia sy literatiora.

 

Heriarilala Andriamamonjy
Inona no tara-kevitra iompanan'ny boky ?

 

Riva Ando Andriamalala
Inoako fa ireto lohahevitra nentina nandrafitra ny boky ireto dia mahalaza azy:
- Ady, Ratra, Sento, Alahelo...
- Embona sy Hanina
- Alina, Lanitra, Nofy, Hasambarana...
- Fahendrena sy Fanantenana
- Hira, Mozika, Dihy...

 

Heriarilala Andriamamonjy
Efa nentina tao amin’ny Tranombokim-pirenena ity boky ity tamin’ny 2 Desambra 2022 lasa teo. Nanahoana kay ny dom-berina avy amin'ireo efa namaky ? Nanahoana ny fihetseham-pon'ny mpanatrika tao amin'ny Tranombokim-pirenena tamin'ny namoahana azy ôfisialy ?

 

 

Riva Ando Andriamalala
Tsy mbola naharay dom-berina loatra aho fa ny ako avy any amin'ny mpanao teny fanolorana sy sasin-tenin'ny boky angaha no azoko ambara. Hoy i zokibe J.Nalisoa Ravalitera ao amin'ny teny fanolorana hoe: Ambarako fa « asan’ny saina mendrika hivela ho an’ny taranaka » ity horaisinao ity ary « ho voarakitra ao anatin’ny Tantaran’ny Literatiora Malagasy » izany. Hoy kosa ny hafatr'i Hobiana nandritra ny famoahana ny boky hoe: "Amin'ireo boky nampandalovina teo ambany masoko dia anisan'ny boky naharesy lahatra ahy amin'ny hakantony ity boky ity" Raha ny fihetseham-pon'ny mpanatrika indray tamin'ny famoahana azy dia tsapako hoe afa-po izy ireo. Liana sy nianoka fatratra, tena efa mpianoka ny asasoratro rahateo moa ireo tonga nanatrika. Araka ny ako nampitaina tamiko dia lasa hanihany ao am-pianarana ho an'ireo mpianatry ny LMA nanatrika ny hoe "Asio Riva kely indray aloha Madama a!"

 

Heriarilala Andriamamonjy
Nanahoana ny fihetseham-ponao nanoloana ireo mpanatrika ireo?

 

Riva Ando Andriamalala
Hafalian-dehibe ho an'ny mpisehatra foana ny misy mpanotrona ary tena fara fahoriana ny mifanohitra amin'izay. Ary vao mainka mitombo ny hafaliana rehefa tsapanao fa mihaino anao izy ireo ary mianoka ny kantonao. Fotoana mamy e! Ankasitrahana azy ireo fa tena manome ako miabo ato am-po!

 

 

Heriarilala Andriamamonjy
Inona no iavahan'ity boky ity amin'ny bokinao rehetra ?

 

Riva Ando Andriamalala
Ity boky ity moa nataoko hoe amboaran-kalo satria sady misy tononkalo no misy riankalo ihany koa. Tsapako hoe mbola misy adi-hevitra mitohy ihany eo amin'ny mpisehatra mahakasika ny hoe riankalo, sombintsoratra, sy izay mety ho fiantso samihafa ka nisafidy ny tsy hanoritsoritra izany aho fa nofeheziko tamin'ny hoe amboaran-kalo. Raha izaho nanoratra azy no milaza ny hevitro dia hoy aho hoe bokin'ny fahamatorako ity. Eto amin'ny faha-23 taona nanoratana aho no mamoaka azy. Miakatra ny lenta noho ny traikefa nentin'ny lalana nolalovana. Tsy sanatria hoe ratsy ny teo aloha, fa ataoko sarisary tahaka ny hoe ny ekipan'i Maroc izay tody teo amin'ny lalao manasa-dalan'ny fiadiana ny amboara eran-tany tamin'ity, tsy sanatria ekipa tsy misy lanjany izy teo aloha fa tena nanana ny maha izy azy. Saingy mbola nampiakariny ho avo kokoa izay maha izy azy izay.

 

Heriarilala Andriamamonjy
Inona ny vinavina manaraka eo amin'ny tontolon'ny soratra ?

 

Riva Ando Andriamalala
Hiezaka hampahafantatra ity boky ity araka izay tratra ho an'ny sakaizan'ny boky sy ny soratra ary ny pôezia manerana ny nosy aloha no tena himasoana. Ankoatra izay efa manomana miadana ny faha-25 taona.

 

 

Heriarilala Andriamamonjy
Inona àry no tianao hanampiana izay voambara rehetra teo ?

 

Riva Ando Andriamalala
Ity amboara ity dia tena ampy hamantaranao izany hoe fanahy Riva eo amin'ny sehatry ny literatiora izany. Manazava azy moa i Hobiana ao amin'ny boky hoe pôeta mandanjalanja i Riva. Raha ambara tsotra dia miezaka miaina ny pôezia amin'ny maha pôezia azy i Riva kanefa tsy manary ny mpamaky. Nofantenana fatratra ny asasoratra nampidirina ato ka inoako fa ho afa-po ny mpamaky ary ho ampoky ny kanto eo am-pamakivakiana ny 123 pejy nomanina ho azy.

 

Heriarilala Andriamamonjy
Manana hafatra ho an’ny mpanaraka antsika àry ve i Riva?

 

Riva Ando Andriamalala
Hafatra araka ny hanihany mahazatra hoe "ao anatin'ny tononkira no misy ny hafatra" dia hoy aho hoe "mazotoa manjifa Vahindanitra fa ao anaty Vahindanitra no misy ny hafatra avy aty amiko". Vazivazy ihany fa tsara ny mamaky boky e, tsara koa ny mamaky boky teny malagasy, ary mbola hafa mihitsy ny mianoka ny kanto malagasy.

 

Heriarilala Andriamamonjy
Omeo andinin-tononkalo iray hoe hianohanay sahady!

 

Riva Ando Andriamalala

"Nisonenika ianao, tsy voafefy
teny an-tendron’ny telonohorefy
ary ny ando nahamandina anao
tafahifikao teo amin’ny aiko
no haiko fa hay vovo-manitra
izay nararaka ho vahindanitra
nanaingoana ilay lanitra vao..."
(Hatsarana, takila 54-55)

 

Heriarilala Andriamamonjy
Aiza àry no ahitana ny boky ho an’ireo te hanana azy ?

 

Riva Ando Andriamalala
Ho an'izay te hanjifa ny boky dia eny amin'ny IVOKOLO - LIBRAIRIE D'ORIENTATION no misy azy. Azo atao koa anefa ny mamandrika aty amiko. Tena natao mirary dia mirary ny sarany.

 

Heriarilala Andriamamonjy
Eny àry, isaorana indrindra ianao niantrano tato aminay. Inoanay fa mbola hisy fotoana hiverenanao. Mandra-pitafa!

 

Riva Ando Andriamalala
Mankasitraka ny mpampiantrano. Mirary fahombiazana hatrany ho anareo. Mandra-piresaka indray. Samia soa e!

Ajouter un commentaire

Commentaires

Riva
il y a un an

Mankasitraka indrindra ny poetawebs nampiantrano! Mirary fahombiazana ho anareo ary mirary koa ny Teny malagasy sy ny literatiora malagasy ho ela velona sy hitombo hasina! Riva