Hobiana sy ny OMDA

Publié le 7 février 2023 à 21:31

Nivahiny teto amin'ny Pôetawebs ny pôeta Hobiana ny 27 Febroary 2010. Efa 25 taona nanoratana anefa izy tamin'izany fotoana izany. Nahafantarana azy ny tononkalo miharo hatsikana toy ny "Madama" sy "Bedy"... 13 taona taty aoriana, vao mainka nisavovona ny fahombiazany. Lany ho mpikamban'ny Filankevi-pitantanan'ny OMDA vao tsy ela akory izy. Eto amorom-patan'ny Pôetawebs indray izy sy i Toetra Ràja no mitapatapakahitra.

Toetra Ràja
Miarahaba anao Hobiana ary misaotra namaly ny fanasana. Tsy zoviana eo amin'ny soratra ianao kanefa tsara ihany raha hatao bango tokana ny momba anao ho an'izay tsy mahafantatra.

Hobiana
HOBIANA amin'ny maha pôeta ary AndrianimerinA HOBIANA eo amin'ny maha mpanoratra; manoratra tononkalo, sombintantara, lahatsoratra tsotra miompana amin'ny fanabeazana sy kolontsaina ary teny malagasy. Filoha nanorina ny sampana HAVATSA-UPEM tao Arivonimamo ny taona 2021.

Anisan'ny mpanorina sy miara-misalahy ao amin'ny Famoloana Telozoro ankehitriny mba hampisiana takalo sy tantsoroka hahafahana mametraka ny haisoratra malagasy amin'ny lenta tokony hisy azy.

Toetra Ràja
Tamin'ny fihaonantsika farany dia fantatra fa efa mpibata lokam-pifaninanana ara-literatiora i Hobiana.

Hobiana
Nahazo loka matetika tokoa aho ka ny vao haingana indrindra tamin'izany dia ny fanosorana ho "mpanoratry ny taona 2019" sy ny loka voalohany tamin'ny tononkalo nomen'ny Tranomboky Iombonana Rajaona Siméon Régis ny taona 2021 ary ny Loka voalohany tamin'ny Fifaninanam-pirenena momba ny haisoratra malagasy, sokajy sombintantara, taona 2022.

Toetra Ràja
Ny vaovao lehibe ankehitriny dia ny nahalany anao ho mpikamban'ny
Filankevi-pitantanan'ny OMDA. Arahabaina ianao ary mirary fahombiazana indrindra amin'ny asa sahaninao ao. Ampahatsiahivo kely hoe ny antsoina hoe OMDA.

Hobiana
Ny OMDA dia sampan'asa, miendrika fikambanana, miankina amin'ny minisitera misahana ny kolontsaina sy ny zavakanto. Ankehitriny dia ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina no miahy azy. Antom-pisiany ny fiarovana ny zon'ny mpamorona izay azo sokajina roa dia ny zo amin'ny lafiny môraly sy ny zo amin'ny fisitrahana tambiny amin'ny zavakanto voaforona nisy nampiasa.

Toetra Ràja
Manana antontanisa faobe azo omena momba ireo pôeta sy mpanoratra mpikambana ao ve i Hobiana?

Hobiana
Raha ny antontanisa voasoratra dia efa maherin'ny 7.000 ny mpanakanto mpikambana amin'ny sokajy efatra ao amin'ny OMDA: mpihira, mpanoratra tantara, mpiangaly literatiora ary mpikirakira sary sy sarimihetsika. Isa monja ihany anefa ireo fa raha ny hita dia mbola vitsy, mety ho latsaky ny ampahafolony, no mavitrika amina famonjena fivoriambe sy fanefana adidy amin'ny fifidianana. Ny pôeta sy mpanoratra moa dia tena vitsy dia vitsy no mbola mijoro ho mpikambana nialoha iny fifidianana iny.

Toetra Ràja
Tsy mahafantatra ny tombontsoany mety ho azony ao angamba ny pôeta sy mpanoratra. Azo ampitahaina amin'ny an'ny mpihira ve?

Hobiana
Sarotra ny hampitahana ny tombontsoan'ny mpanoratra sy poeta amin'ny mpihira satria na ny fampiasana ny hira sy ny asa soratra aza mifanalavitra ihany, na amin'ny haino aman-jery io na amin'ny fampisehoana mampidi-bola. Na izany na tsy izany anefa dia misy zo tokony hositrahin'ny mpanoratra foana raha vao misy mampiasa ny asa sorany, na radio io, na gazety, na fahitalavitra saingy verivery any fotsiny noho ny tsy fahalalan'ny mpanoratra ny zony, na noho ny tsy fandoavan'ny haino aman-jery any amin'ny OMDA ny zon'ny mpamorona, na noho ny antony mety tsy voafaritra mazava.

Toetra Ràja
Azontsika itarazohana kely ve izay olana atrehin'ny mpanoratra eo amin'ny zon'ny mpamorona izay?

Hobiana
Ny olana voalohany aloha dia ny tsy fahalalan'ny mpanoratra ny zony. Be no izao vao mahafantatra fa rehefa mandeha amina radio na TV na gazety ny asa soratra iray dia tokony misy tambiny miverina any amin'ny mpamorona iny.
Eo ihany koa ny tsy fahalalan'ny maro ny antom-pisian'ny OMDA sy ny fomba fiasany. Tsy vitsy koa moa no nanambara fa kivy noho ny tsy fisitrahany ny zony araka ny heveriny ho tokony ho izy ka lasa tsy mifandray amin'ny OMDA intsony na dia mpikambana aza.
Izany rehetra izany dia mampihen-danja ny fiheverana ny mpanoratra eo anivon'io fikambanamben'ny mpanakanto io ka zary lasa faralahin'olona ny mpanoratra. Ohatra azo hanazavana izany izao ny fahafantaran'ny rehetra fa misy ary hita amin'ny fampahalalam-baovao ny fanenjehana ny mpanao piraty amin'ny hira ataon'ny Brigade Anti-Pirates eny rehetra eny; ny boky piraty nefa dia miparitaka eran'ny renivohitra sy ny faritany saingy tsy misy fijerena firy na mba re matetika hoe misy fepetra noraisina. An-tapitrisany maro nefa ny vola tokony hiditra amin'ny mpanoratra very noho ny fisiana dika boky tsy ara-dalàna mipariaka. Raha natao ny kajy dia misy mpanoratra very 14.000.000Ar isan-taona noho izay tsy fandraisana an-tanana izay olana izay.
Ary azo inoana koa fa mbola maro ny olana ateraky ny lesoka amin'ny fomba fiasa satria mihamaro ny haino aman-jery nefa dia 17 monja ny radio sy TV manerana an'i Madagasikara no mandrotsaka vola ao amin'ny OMDA, ary azo isaina amin'ny rantsan-tanana ihany ireo mandefa mazava ny lisitry ny tononkalo na tantara nalefany, hany ka tsy mipaka any amin'ny mpanoratra na ny vola efa mba narotsaky ny radio sy TV aza.

Toetra Ràja
Noho ny fahitana ireo olana marobe ve no nahatonga an'i Hobiana hanapa-kevitra hirotsaka amin'ny lalindalina kokoa?

Hobiana
Ny fahatsapana izany olana mianjady amin'ny mpanoratra izany no nanosika ahy handray andraikitra mba hahafahana mitondra fanovana eto anivon'ity OMDA ity.

Toetra Ràja
Handray andraikitra tokoa i Hobiana. Ambarao amin'ny mpisera àry ireo asa fohy sy lavitra ezaka miandry an'i Hobiana?

Hobiana
Ny asa fohy ezaka dia tsy miandry ahy intsony fa efa natomboko ary mbola tohiziko. Tsy inona izany fa ny fampahafantarana sy toro lalana amin'ny mpanoratra sy ny pôeta ny zony, ny OMDA ary ny tokony hataony hahazoany misitraka ny zony. Efa maro ny fihaonana natao tamina mpiandraikitra fikambanana mpanoratra na ny mpanoratra mivantana ankoatra ny fampahafantarana izay ataoko eto amin'ny Facebook izay azo karohina ao amin'ny #hobianaomda ny ranty.
Lasa aloha ihany aho satria tsy hipetra-potsiny no nifidianana ahy eto fa haka ny olana sy hevitra fanatsarana avy amin'ny mpanoratra izay soloako tena ary hitondra izany any amin'ny fivorian'ny Filankevi-pitantanana. Mbola eo am-piandrasana ny fivoriana voalohany hifidianana ny Filohan'ny Filankevi-pitantanana izahay, izao, ao aorian'izay vao afaka midinika ny zava-misy sy ny hoavin'ny OMDA.
Ny vahaolana harosoko ho asa lavitra ezaka dia ny fametrahana sy fampiasana malaky ny haitao maoderina ampifandrohizana amin'ny radio sy fahitalavitra manerana ny Nosy, mba hitsirihana ny fampiasana ireny asa soratra ireny sy hikajiana azy amin'ny fomba manaraka toetrandro ankehitriny. Tsy tokony hampiandrasina ny mpanoratra fa alefa miaraka sy mifanindran-dalana ny fametrahana izany.

Toetra Ràja
Azo atsidika kely eto ve ny mety ho saran'ny fidirana ao amin'ny OMDA?

Hobiana
Eo am-boalohany ihany no mandrotsaka saram-pirotsahana fa tsy misy ny latsakemboka isan-taona. Fa rehefa mametraka asa soratra harovana no misy saram-pametrahana aloa isaky ny tononkalo na isaky ny tantara.

Toetra Ràja
Mankasitraka indrindra Hobiana tamin'ireo fanazavana maro be ho an'ny mpiseran'ny Pôetawebs ireo. Mirary soa indrindra!

Hobiana
Ianareo Pôetawebs no isaorana noho ny fanandratanareo hatrany ny haisoratra malagasy sy ny tsy fikelezanareo soroka mamatsy ny mpanoratra sy ny mpamaky amina vaingan-kevitra misy otrikaina tena ilain'ny fiainan-tsaina. Mirary soa Toetra Ràja.

Ajouter un commentaire

Commentaires

Il n'y a pas encore de commentaire.

Créez votre propre site internet avec Webador