Tombam-bokatr'i Andrymann Dorian, Havàtsa-Upem Sampana Frantsa

Publié le 27 août 2023 à 21:54

Nivoaka tamin'ny fahanginany ny Havàtsa-Upem Sampana Frantsa, fikambanana nahita masoandro tamin'ny 2004. Ahitana olona miasa mangina anefa eo anivony. Anisany ny filohany Manantsoa Andriamiarina antsoina hoe Andrymann Dorian eo amin'ny penina, voafidy tamin'ny taon-dasa ary maneho tombam-bokatra amin'izao ampahan-taonany voalohany izao. Mitapatapakahitra amin'ity vahinin'ny Poetawebs ity i Toetra Ràja.

 

Toetra Ràja
Miarahaba anao Andrymann Dorian ary faly mitapatapakahitra aminao.

Andrymann Dorian
Misaotra anao nampiantrano ry Toetra Ràja. Izaho koa dia faly toraka izany.

 

Toetra Ràja
Raha vao mandre ny anarana hoe Andrymann Dorian ny olona, inona no mety ho mby an-tsaina voalohany?

Andrymann Dorian
Filohan’ny Havàtsa-Upem Sampana Frantsa i Andrymann Dorian, vao tamin'ny 10 desambra 2022 teo no voafidy tamin’ny fomba demokratika ary mankasitraka sy mamerim-pisaorana indrindra ireo mpikambana nanome ny fitokisany ka nifidy azy.

 

Toetra Ràja
Azonao ampahatsiahivina ve ny andraikitr'izany filoham-pikambanana izany?

Andrymann Dorian
Ampahatsiahivina etoana fa anisan’ny antom-pisian’ny Filohan’ny Fikambanana ireo andraikiitra goavana ahafahana miaro azy. Toerana ifandimbiasana rahateo koa izany. Mampiroborobo ary misoroka ny fanararaotana sy ny tsy fahaiza-mitantana izy. Fanampin’izany, ny filohan'ny fikambanana dia tsy afaka mivaona amin'izay voalaza ao anatin'ny andraikiny sy ny fetran'ny sata nankinina taminy. Efa voafaritra ao amin'ny sata sy fitsipika anatiny izany.

 

Toetra Ràja
Mety hahaliana ny mpisera raha hidirana lalindalina kokoa ny amin'izay sata izay?

Andrymann Dorian
Omeko ohatra ianao. Amin’ny sata maha Filoha ahy dia ireto no isan’ny zara asa vitsivitsy iantsorohako mandritra ny mandatiora.

 

- Misolo tena ny fikambanana eo anatrehan'ny mpiara-miombon'antoka amin'ny fitsarana
- Miaro ny tombontsoan’ny fikambanana
- Tompon’andraikitra amin'ny fitantanan-draharaha ankapobeny
- Miantoka ny fifandraisana na ny fampitana amin'ny anaran'ny fikambanana
- Antoky ny paikady na famoron-javatra sy tetikasa vaovao. Izany hoe tsy mitsahatra mikatsaka sy mamolavola tetikasa hotanterahina.
- Mpisava lalana sady mpanentana hanatanterahana ireo tetikasa.
- Maka lesona ny amin'ny vitan’ny teo alohako sy manohy izay soatoavina ary mampandroso hatrany.

 

Mazava ho azy fa hiezaka hanao izay hahatomombana ny mandatiora iandraiketako aho.

 

Toetra Ràja
Hiditra amin'ny tombam-bokatra hatramin'ny nitondranao ny fikambanana isika raha sitrakao.

 

Andrymann Dorian
Azo lazaina fa noho ny ezaka sy ny herin-tsaina dia efa maro ny zava-bita tamin’iny enim-bolana voalohany 2023 iny. Isaorana ny Tompo!

 

Toetra Ràja
Eo amin'ny fitantanan-draharaha ankapobeny aloha, inona no azo lazaina?

 

Andrymann Dorian

- Voasoratra soa aman-tsara sy nekena tamin'ny fomba ofisialy ao amin'ny Journal (gazety) ofisialy ny fisian’ny fikambanana Havàtsa-Upem Frantsa.
- Tafajoro amin'ny laoniny ny Banky paositaly.
- Vita sy arifomba ny momba ny Fiantohana (Assurance) ny andraikitry ny fikambanana.

 

Toetra Ràja
Zava-dehibe tokoa izany! Azonao tanisaina ve ireo hetsika notanterahin'ny fikambanana ara-literatiora?

Andrymann Dorian


- Ny 21/02/23, niara-nankalaza ny JILM (Journée Internationale de la Langue Maternelle) na ny andro iraisam-pirenena ho an'ny tenindrazana tany amin’ny INALCO tamin'ireo profesora roa an'ny INALCO, Louise Ouvrard sy Linah Vonjiarisoa, niampy ny mpianatry ny INALCO sy ireo olona maro be nasaina.

- 11 - 27 martsa 2023, nanamarika ny Lohataonan’ny Poeta (Printemps des poètes) teto Frantsa.

- Nisy ny ezaka nandraisana anjara tamin'ny lohahevitra "Les frontières" (Ny sisintany).

- Ny 21/03/23, fankalazana nampitain-davitra tamin'ny Zoom ny "andro maneran-tany ho an'ny poezia". Nafantoka tamin'ny lohahevitra "Ny sandan'ny Poezia" ny velakevitra ary narahina fifanakalozana nentin-dRtoa Marie-Angèle Raharijaona (Antsiva), mpikambana sady mpitahiry vola.

- Ny volana Jona 2023 manontolo, tao anatin'ny Iray Volan’ny Teny Malagasy, velakevitra nampitain-davitra ara-Zoom, narahina fifanakalozana nataon-dRtoa Hajaina Andrianasolo, Akademisiana sady Filohan'ny Havàtsa-Upem manontolo, tamin'ny lohahevitra: "Ireo sarin-teny fampiasa ao amin'ny haisorakanto malagasy", notanterahina tamin'ny 6 Jona.

- Nandritra ireo daty na vanimpotoana fantatra isan-taona voalaza ireo, dia nentanina hatrany ny mpikambana mba hamokatra tsikelikely asasoratra na tononkalo, indrindra rehefa misy aingam-panahy.

 

Toetra Ràja
Misy azo ambara kosa ve ny fifampizarana sy fifandraisana anatin'ny sampana?

 

Andrymann Dorian
Niara-nankalaza ny fety Asaramanitra tamin'ny fihaonana fifampiarahabana tratry ny taom-baovao 2023 ny mpikambana ny 21/01/23 izahay, niara-nifampizara sy niantsa sady namorona tononkalo vaovao, na tamin'ny taom-baovao na efa tamin'ny krismasy koa aza, toraka izany koa tamin'ny fetin’ny reny sy ny ray. Nialoha ny fotoam-pialantsasatra, tamin'ny 8 Jolay teo dia niaraha-nanantanteraka ny fety famaranana ny taom-pianaran'ny mpikambana. Ankoatra izany dia nahatafiditra mpikambana vaovao ny Havàtsa-Upem Sampana Frantsa.


Toetra Ràja
Raha sitrakao dia andao indray isika hiresaka ny vinan'ny fikambanana.

 

Andrymann Dorian
Ny amin'ny fikasana anankiray efa noresahiko taminao ry Toetra Raja dia enga anie mba ho tafavoaka soa aman-tsara amin'izay ireo boky nomanina tamin’ny lasana rehetra. Isan’ny ezaka ato anaty tetikasa koa io raha ho tratra.


Toetra Ràja
Manana teny ambara ve ianao momba ny Havàtsa-Upem itoeran'ny sampana tarihinao?

 

Andrymann Dorian
Ny amin’ny fifandraisana, tsy azo odian-tsy hita ny Havàtsa-Upem amin'ny sehatra iraisam-pirenena satria mendri-kaja avokoa. Tsy Antananarivo ihany fa ireo sampana efa misy rehetra n’aiza n’aiza dia ezahina ny ifaneraserana amin'ny alalan’ny tambajotra azo ampiasaina.

Antso fanampiny sady fanentanana mirazotra alefa amintsika tsy ankanavaka :

Fantara fa fikambanana zokiny indrindra ao amin'ny kôntinantan'i Afrika, raha resaka fampanjakana ny kolontsain'ny teny, ny Havàtsa-Upem. Ary ny teny malagasy dia anisan'ireo teny 12 velona ao amin'ny kôntinanta afrikanina. Fantatra ihany koa fa ny Havàtsa-Upem dia tsy fikambanana mampianatra manoratra fa fikambanana mampivondrona mpanoratra efa manan-talenta ny amin’izany. Izany talenta izany no fohazina ao anatiny, hoy ny Filoha Hajaina.


Toetra Ràja
Mbola mampiditra mpikambana izany ny sampana?

 

Andrymann Dorian
Eto dia manao antso manokana ny Malagasy miteny gasy na miteny frantsay manan-talenta amin'ny soratra mipetraka eto Frantsa aho ka manana ny fanahy malagasy toa an’i Flavien Ranaivo ary mahatsapa fa efa manana traikefa manoratra (lahatsoratra, tononkalo) mba hanao fangatahana hirotsaka hanatevin-daharana ny mpikambana ato amin'ny Havàtsa-Upem Sampana Frantsa, izay indrisy miha-mihena ny tahan'ny mpirotsaka. Koa ho an’izay mahatsiaro tena sy mahatsapa fa tokony handray anjara amin'ny fitaomana ireny mpanan-talenta amin'ny soratra sy poezia ireny no iantefan’ny antso mba hanentana sy hitady mpihavàtsa vaovao hanatevin-daharana.

 

Toetra Ràja
Eto am-pamaranana Andrymann Dorian, inona no dingana manaraka hatrehin'ireo mpanaraka ny sampana?

Andrymann Dorian
Hafoheziko amin’izay ity tapatapakahitra ity ry Toetra Raja fa amin'izao fidirana Septambra 2023 izao dia mitohy ny fanomanana sy ny fanatanterahana tetikasa ka ankoatra ny fiaraha-mankalaza ny herinandron’ny Havàtsa-Upem foibe amin'ny volana Oktobra, dia hisy Hetsika Takariva karakarainay amin'ny 18 Novambra. Etsy andaniny koa ny fanomanana ny fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona. Heverina koa ny fandraisana anjara amin'ny RNS 2024.

Ny farany ary tsy ny kely indrindra, dia tsy hadino ny mampahafantatatra, ary ampiomanana ny rehetra dieny izao, ny amin'ny fety goavana hankalazana ny tsingerintaona faha-20n’ny Fikambanana Havàtsa-Upem Frantsa amin'ny taona ho avy 2024.


Toetra Ràja
Mankasitraka indrindra Andrymann Dorian!

 

Andrymann Dorian
Mankasitraka tamin’ny fifanakalozana nifanaovana ry Toetra Raja!

Ajouter un commentaire

Commentaires

Heriarilala
il y a 8 mois

Faly mahafantatra an'i Andrymann Dorian. Mba maniry hamaky ny asa soratrao eto amin'ny takelka izahay. Mirary soa !