Hantanoro, poeta mandinika

Publié le 22 août 2023 à 15:48

Nahazo fahombiazana tamin'ny fifaninanana loka Nirhy-Lanto andiany fahadimy i Hantanoro na R'ABEL Rasendralalao Hantanoro. Tafiditra ao anatin'ny fanamarihana ny fahazato taonan'i Nirhy-Lanto ity fifaninanana ity. Manaraka akaiky izany ny tranonkala Poetawebs ary mitapatapakahitra tamin'i Hantanoro

 

Tsikimilamina Rakotomavo
Miarahaba anao Hantanoro.

 

Hantanoro
Miarahaba anao ihany koa. Mankasitraka indrindra ny Poetawebs.

 

Tsikimilamina Rakotomavo
Efa maro ve ireo fifaninanana literera nandraisanao anjara?

 

Hantanoro
Ity no voalohany nandraisako anjara tamin'ny fifaninana literera toy izao. Santatra ihany fa ny manetsa be ao aoriana dia mipetraka ho faniriana.

Tsikimilamina Rakotomavo
Nanao ahoana ny fihetseham-po tamin'ny fahombiazana ?

 

Hantanoro
Faly satria tsy dia nanam-po hoe hahazo loka fa dia andrana ho amin'ny fanombanan-tena ny antony nandraisana anjara. Dia faly sahirana sahala amin'ny akoho kely notsipazam-potsim-bary.

 

Tsikimilamina Rakotomavo
Inona no heverinao fa nampiavaka anao miohatra amin'ny mpifaninana hafa ?

 

Hantanoro
Inoako fa ny fitanisako an-tononkalo ireo mpanoratra fanta-daza toa an-dry Di..., Razafiarivony, Esther Andriamamonjy, Nalisoa Ravalitera sy ny hafa, fa indrindra i Nirhy-Lanto izay antom-pifaninanana noho ny faha-100 taonany no antony nampirona ny safidin'ny mpitsara. Niezaka mafy aho mba haneho ny mahazava-dehibe sy manan-danja ny fananana azy ireo.

 

Tsikimilamina Rakotomavo
Mpanoratra vehivavy ianao. Inona no tombony amin'ny vehivavy poeta ?

 

Hantanoro
Ny toetra voajanahary anay vehivavy dia ny fananana ny saina miditra lalina sy tia mandinika ary mamoaka ny an-tsipiriany amin'ny fiainana.

 

Tsikimilamina Rakotomavo
Inona no lesoka hitanao amin'ny haisoratra malagasy ankehitriny ?

 

Hantanoro
Tsy ampy ny fahafantaran'ny olona ny asasoratra malagasy noho ny fahavitsian'ny fanaparihana azy ireny eny amin'ny fiarahamonina. Tsy mamokatra loatra na vitsy ny famokarana amin'ny alalan'ny boky na tahirin-kevitra hafa ny haisoratra malagasy. Sakana izany ho fampandrosoana ny haisoratra.

 

Tsikimilamina Rakotomavo
Inona àry no vahaolana azonao aroso hanarenana izany lesoka izany ?

 

Hantanoro
Voalohany dia mila fiaraha-miasa ny poety sy mpanoratra ao anaty fikambanana sy vondrona samihafa. Kanefa faritana tsara ny tanjona iaraha-miasa. Ohatra : mampitovy fijery aloha amin'ny vina apetraky ny fikambanana tsirairay avy. Ny tanjona dia :

 

- ny fanandratra ny haisoratra sy ny soratr'ireo mpanoratra sy poety malagasy.
- Laharam-pahamehana ny fanomezan-danja ny teny malagasy. Koa araka izany dia ireo poeta sy mpanoratra no tokony hampiasa ny teny voalohany.

 

Ireto ireo asa entina manantanteraka ny tanjona :

Fantarina ireo karazan-kevitra sy zava-misy manodidina ny haisoratra. Faritana ny manahirana ohatra :

 

- fanatsarana ny hakanton'ny karazana haisoratra soratana.
  Vahaolana : fikarakarana atrikasa iombonana.
- fahasahiranana ara-pitaovana sy ara-bola amin'ny fanoratana sy famoahana sangan'asa...

 

Jerena izay mety azo iaraha-miasa amin'ny ireo manana ny fahalalana matihanina na tsia amin'ny fanontana ny boky ohatra. Mpanonta boky no tiako horesahina eto.

 

Tsikimilamina Rakotomavo
Tena zava-dehibe mahaliana avokoa ireo nambaranao ireo. Koa misaotra anao nanaiky nitapatapakahitra teto amin'ny tranonkala Poetawebs

 

Hantanoro
Ianareo tranonkala Poetawebs no ankasitrahako manokana tsy nisalasala nampandroso.
Mirary soa.

Ajouter un commentaire

Commentaires

Havozo Manitra
il y a 9 mois

Isaorana iHantanoro nivahiny teto amin'ny tranonkala Poetawebs.