Fandadihadiana tononkalo malagasy
Mialoha ny hidirana ao amin’ny famakafakana ny lahatsoratra aloha dia tsara raha toa ka mifanolotra arahaba fantimpantenana ombam-pirariantsoa isika rehetra amin’izao fihaonantsika mpianakavin’ny literatiora izao indray. Izany lahatsoratra izany dia mitondra ny lohateny hoe A N I K A araka ny nanolorana sy nandrafetan’i Solofo José azy, mpanoratra izay tsy zovina tokoa na dia teo amin’ny sehatry ny filalaovana tantara an-tsehatra na indrindra tao amin’ ny Fampielezam-peom-pirenena Malagasy aza no saika nahafantarana sy ahatsiarovan’ny maro azy.
Izay àry no ela, izay no haingana izay tsy azo nodinganina, fa hiroso amin’ny votoatin’ny dinika an-tsoratry ny iray amin’ireo asa soratr’i Solofo José isika araka izao manaraka izao. Marihina avy hatrany àry fa ny lohateny nosafidin’ny mpanoratra dia tafiditra ao anatin’ireo sokajina lohateny saro-pantarina satria tsy maneho avy hatrany izay tian’ny mpanoratra hambara. Izay no zavatra tsapa raha tahaka ny fahatakarako azy ny an’ny hafa. A N I K A, teny tsy fahita ary tsy fampiasa matetika ka tsy mahagaga anefa raha manaitra. Dia andao àry hiarahantsika mikaroka ny tsiambaratelon’izany teny tokana izany, teny tokana izay nandravonan’ny mpanoratra andalan-tsoratra efatra ambiroapolo izay azo antoka fa hanampy antsika kosa.
Raha niainga teo amin’ny andalana voalohany sy faharoa àry ny hoe “Tanana manify, matevina", narahin’ny hoe “Tanana”, azo ambara ve ny nanaitra ny masonao? Raha toa ny fijeriko ny fijerinao dia asa fa nikaroka tanana misy tsindrim-peo aho. Ny antony dia tsotra: teraka ary niaina an-tanàn-dehibe i Solofo José indrindra fa tao Antananarivo Renivohitra. Dia ho diso tsipelina ve sanatria izay nandika ity lahatsoratra ity? Asa re... Tsy nijanona ela anefa ny hoe tanana sa tanàna ny foto-dresaka. Teo amin’ny andalana fahatelo dia mazava ny resaka satria ny tanàna tsy mandrafitra fa arafitra? Ny tanàna tsy mikaly fa hoe “mikaly ny ao an-tanàna” araka ny fitenin-jatovo. Na izany aza dia ho hitantsika fa nasian’ny mpanoratra fifandraisana ireo teny roa ireo. Miainga avy eo amin’ny andalana fahatelo hatrany amin’ny fahadimy ambin'ny folo izany toy ny hoe:
“Tanana mampiakatra,
mampiakatra
Rindrina mijoala"
Dia fintinin’ny mpanoratra izany fifamenoan’ny tanana sy ny tanàna izany amin’ny hoe:
“Tanana manampaly
Izao rehetra izao
Ho tontolo voarindra"
Izay no zara asan’ny tanana voalohany ary tsy izay ihany anefa araka ny nitondran’ny mpanoratra antsika.
Manaitra avy hatrany ny andalana fahenina ambin'ny folo satria iandohan’ny kianteny fanairana FA izay anehoana fifanoherana. Raha miabo ireo asan’ny tanana hatreto, noho io teny kely hoe FA io dia miandry zaka miiba momba ity tanana ity ny mpamaky. Tsy lava ny resaka fa andalana efatra dia vita:
“Fa ny tanana ihany koa
Mandrangotra,
mandratra,
mamono”
Izay dia ampy nanehoana ireo asa miiba vitan’ny tanana ihany koa. “Koa” kianteny ilazana fa tanana tokana ihany no anaovana ny tsara ary anatontosana ny ratsy, ratsy izay manaraka ambaratonga mety hiafara any amin’ny famonoana mihintsy. Fa ao anatina andalana enina mialoha ny farany no nampibaribarian’ny mpanoratra ny zara asa fahatelo faran’ny tanana. Tsy inona izany fa ny tanan’ny poeta:
”Mandrangotra, manoratra
Eritreri-mahagaga
Lasa Tononkalo"
F A M I N T I N A N A
“Ekenao?" Teny tokana arahina baraingo ilazana fa afaka tsy mitovy hevitra amin’ny mpanoratra isika. Afaka nefa tsy maintsy manaiky; manaiky satria hoy ny mpandinika Paul Valéry hoe “La pensée de l’homme n’est rien sans ses mains” ho adikantsika malalaka hoe "zava-poana ny saina aman’eritreritry ny olombelona raha tsy teo ny tanany”. Izay no azo amintinana ireo asa tanana miabo izay mandrakotra ny tany.
Ilay fampiasana ny tanana amin’ny zava-dratsy indray dia nolazain’ny olona tia biby iray manao hoe “aza ikapohana ny alika ny tananao satria natao hanafosafoana”. Ka tsy ambony lavitra noho ny alika va ny olona nefa dia rangotina, ratrana ary vonoina mihintsy aza?
Koa tsy rariny ve raha toa ka asiana taranja itaizana ireo ankizy sy tanora ho tia ireo namany any an-tsekoly ankoatra izay asehon’ny ankohonana isan-tokantrano ?
Ary ny farany eto am-panoratana nefa tsy ny maivana indrindra dia ny asan’ireo mpanoratra sy pôeta maro. Asa mahagaga no vitan’izy ireo nanehoan-kevitra marolafy nitaizana sy nanabeazana an-dRaolombelona kanefa hoy ny mpandinika iray hoe “La science progresse mais la conscience regresse“, adika tsotra hoe “Miabo ny siansa fa ny aim-panahy miiba”.
Eo indrindra isika izao satria toa tsy mahavita intsony ireo adidy aman’andraikiny na ny fanjakana na ny fiangonana na ny fianakaviana dia izao iarahantsika rehetra mahita izao ny manjo antsika.
Lamba be ifonosanao Rahalahy Solofo José fa ekenay ny voalazanao mba hisorohana ny ratsy sy hiadiana amin’ny tsara ka ho to tokoa ny A N I K A ilazana fandrosoana sy fisandratana.
Manasa antsika koa hamantatra bebe kokoa ny pôeta Solofo José ato amin'ity sorapiainana niantsorohan'i Tsikimilamina Rakotomavo ity.
Ajouter un commentaire
Commentaires