Hafatr'ilay miaramila

Publié le 1 mai 2023 à 21:06

Fandadihadiana tononkalo malagasy


         Fambara iray ahatarafana ny fahambonian’ny olona ny fananany fitiavana ny tanindrazany. Tsy am-bava fotsiny izany fa voaporofo amin’ny fahafoizana aina ho fiarovana azy. Hita izany amin’ity tononkalo iray ity izay nosoratan-dRabary Mpitandrina, nampitondrainy ny lohateny hoe "Hafatr’ilay miaramila", nalaina tao amin’ny Fary Mamy kilasy famaranana, takila faha-45. Asongadin’ny mpanoratra ao fa tsy mitovy amin'ny fahafatesan’ny olona rehetra ny fahafatesan’ny maherifon’ny tanindrazana. Mba hahafahana mandinika akaiky io asasoratra io dia hojerena voalohany fa tokony hotsorina ny fandraisana ny fahafatesan’ireo nahafoy ny ainy ho an’ny fireneny; ny fizarana faharoa dia hanambara ny antony hanaovana izany.

 

*
* *

 

       Lalana tsy maintsy lalovan’ny olombelona rehetra ny fahafatesana ary isan’ny fahoriana mavesatra indrindra eo amin’ny Malagasy. 

Raha ny hafatr’ity miaramila ity anefa, izay tiany ho fantatry ny Malagasy rehetra dia miavaka na koa hoe tokony hiavaka, tsy toy ny fandraisana ny fahafatesan’ny olona rehetra, ny fiatrehana ny fahafatesan’ny olona maherifo. Voalohany indrindra aloha dia tsy tokony hampalahelo. Tsy tokony hitomanina. Tsy tokony hatao mampitoloko. Tsy natao harahin’alahelo be loatra ny olona mahafoy ny ainy ho an’ny tanindrazany. Hoy indrindra ny mpanoratra eto hoe:

 

"Aza mitomanimany
 fa fafao ny masonao"

 

Araka izany dia tsy fahoriana akory ny fahafatesan’ny maherifo.


Manaraka izany dia tsy tokony hatao ihany koa ireo fombafomba izay mahazatra amin’ny fahoriana. Maro mantsy ny fihetsika fanaon’ny Malagasy ho mariky ny alahelony sy ho fara fanehoam-pitiavana atao rehefa misy maty. Tsy ilaina anefa ireny fihetsika mitory fahabangana nilaozan’olon-tiana ireny, raha nahafoy ny ainy ho an’ny Taniny ny olona iray. Hita izany ao amin’ny andalana faha-12 sy 13 manao hoe:

 

"Aza mba mirakaraka
 fa bangoy ny volonao",

 

izay mbola amafisin’ny mpanoratra ao amin’ny andalana faha-17 sy 18 ary 19:

 

"Ireo sakaizako mihaona
 Ka miresaka aminao
 Aza avelanao hisaona"

 

Noho izany dia raisina ho toy ny tsy nisy fahoriana tao amin’ny fianakaviana manontolo.

Fanampin’ireo dia tsy tokony handaniana vola aman-karena ihany koa ny fatin’ny olona tia tanindrazana. Izany hoe na ny fiandrasam-paty na ny fandevenana dia tokony hotsorina fa tsy asiana voninkazo, fiara, sakafo be na lamba maro sy lafo vidy, ho haja sy voninahitry ny maty sy ny fianakaviany, araka ny fanao amin’ny olon-drehetra. Hoy indrindra ity miarimila tamin-dreniny hoe:

 

"Aoka tsy ho be ny lany
 Lambamena iray atao"

 

Ahatarafana fihetseham-po roa samy mibosesika, mifandimby fipoitra anefa ity tononkalo ity, etsy adaniny ny herim-po ananan’ilay miaramila ampitainy amin-dreniny sy ny Malagasy iray manontolo; ankilany ny alahelon-dreniny izay tsapan-janany sahady ary hita amin’ny teny ampiasainy ka miako aty amin’ny mpamaky, noho ny fahaizan’ny mpanoratra ary amafisiny amin’ny alalan’ny fampiasana rima mifaningotra ny fifandimbiasan’ny fisehon’ireo fihetseham-po ireo.

Tsapa araka izany fa na mafy aza ny fisarahana aman’aina dia tokony hiavaka ny fandraisana ny fahafatesan’ny olona maherifon’ny firenena. Ao amin’ny fizarana faharoa no hanambarana ny antony anaovana izany.

 

*

 

      Maro ny antony mahatonga ny fahafatesan’ny maherifo tsy hitomaniana, tsy hisaonana ary tsy andaniam-bola aman-karena ka ny voalohany dia satria tsy tena maty akory izy. Izany hoe tsy mifarana hatreo ny momba azy fa mbola velona ihany. Velona mandrakariva ao am-pon’ny vahoaka izy; tsy lefy laza eo amin’ny fiarahamonina sy ny tantara; tsy hadinoina na oviana na oviana ny fisiany sy ny zava-bitany, araka ny voalazan’ny tononkalo manao hoe:

 

"Tsy mba maty izany maty
 Miaro tany nahabe"

 

Lasa olomangan’ny firenena izy ireo ka rariny raha tsy hitomaniana.

Ny antony faharoa dia efa vonona ny hahafoy ny ainy izy. Koa satria mamy ny aina dia matahotra fahafatesana daholo isika Malagasy amin’ny ankapobeny ka miahiahy lava manao hoe "maty aho!", "maty!", mandritra ny fiainana; tsy sahy miroso raha misy ady sarotra sao haningotr’aina. Ny olona maherifo sady tia tanindrazana kosa dia tsy mba toa izany satria aminy tsy misy maty raha tsy amin’ny andro voatondro ary tsy atahorana velively izany. Toy ny voatsinapy rahateo ny tenany raha oharina amin’ny haben’ny fitiavana ao anatiny. Hoy indrindra ny mpanoratra eto maneho izany ao amin’ny andalana 31 sy 32 manao hoe:

 

"Ny kanosa injato maty
 Fa ny sahy indray mandeha"

 

Raha dinihina tsotra dia ambony noho ny aina eto ny tanindrazana.

Ary ny antony farany dia tsara ny fahafatesana ho an’ny tanindrazana satria ny ady izay natao dia ho fiarovana ny taniny ka ny soa azo avy amin’izany no antony mahatsara azy. Na samy ho faty aza ny manan’aina rehetra dia azo lazaina ho maty am-boninahitra ihany ireo be herim-po ireo satria namela mamy ho an’ny taranaka fa tsy very maina akory ny ra latsaka izay lasa zezika hampiroborobo ny fandrosoan’ny fireneny. Hoy indrindra Rabary Mpitandrina ao amin’ny andalana 39 sy 40 manao hoe:

 

"Nefa mamy izany maty
 Maty nahavita soa"

 

*
* *

   

       Raha fintinina izay rehetra voalaza teo izay dia hita fa miavaka amin’ny fahafatesan’ny besinimaro ny fahafatesan’ny maherifon’ny firenena ka tsy tokony hitomaniana sy hisaonana na handaniana vola aman-karena noho izy ireo niofo ho olomanga sady tsy natahotra fahafatesana fa maty namela mamy ho an’ny taranaka. Nasehon’ny mpanoratra izany heviny izany tamin’ny alalan’ity tononkalo niendrika seho an-tsaina, tsara rindra, feno fanahy. Eto am-pamaranana dia tsara ny manentana antsika rehetra mba tsy hankamamy aina fa samy hahafoy tena ho fiarovana ny firenentsika tsy ho rendriky ny fahantrana. Mba firy amin’ny mpitondra fanjakana ankehitriny àry no tena vonona hanolotra ny ainy ho an’ny tanindrazany?

Ajouter un commentaire

Commentaires

Il n'y a pas encore de commentaire.