Ny Fanantenana

Publié le 7 mai 2023 à 22:52

Fandadihadiana tononkalo malagasy


Hiaraka hahatsiahy an’i Régis Rajemisa-Raolison, ilay pôeta fanta-daza isika ao amin'ity tononkalony mitondra ny lohateny hoe "NY FANANTENANA" ity. Miharihary amin’izany fa manana ny anjara toerany eo amin’ny tontolom-piainana ny fanantenana ka tsy azo hodian-tsy hita. Hasongadina ao anatin’ny fizarana roa miavaka tsara àry ny famaritana ny fanantenana sy ny lanjan’izany eo amin'ny fiainan'ny olona rehetra.

 

*
* *

 

Fanantenana, izany no lohateny nampitondrain'i Régis Rajemisa-Raolison ity tononkalony mahaliana iray ity. Vao ny lohateny fotsiny no dinihina dia efa mahavelom-bolo aoka izany. Ny hoe fanantenana dia fananana toky sy zavatra azo ianteherana, fiandrasana mafy an'izay zavatra tsara andrandraina. Mahatonga ny olona ho faly rehefa miaritra fahoriana na inona izany na inona. Rehefa mahery be koa ny fanantenana ao anaty dia maharitra miandry an'ilay zavatra antenainy ny olona na dia mafy aza ny fitsapana sy ny fahasahiranana diaviny hahazoany izany.

 

Vao topazana maso izao tononkalo izao dia mby ao an-tsaina avy hatrany ny famaritana ny atao hoe fanantenana. Nasongadin'ny mpanoratra ny herin'ny fanantenana eo amin'ny fiainan'ny olona. Hita taratra eo amin'ny andininy voalohany fa loharano ipoiran'ny hafaliana ny Fanantenana. Tsy azo tsinontsinoavina sy vonoina na potehina izany satria miteraka zava-tsoa eo amin’ny fiainana.

"Rah'misy mitady ny tena hafaliana
 Tsy azon'ny ratsy akoro, ravana,
 Dia tokana monja no azo valiana
 Ny FANANTENANA."

Azo porofoina amin'ny fiainana andavanandro ny fahamarinan'izany satria na inona na inona miseho indrindra ireo mampisento sy mampitaraina dia tsy ho levona ao am-po ny fanantenana izay nampitahain'i Régis Rajemisa-Raolison tamin'ny fomba faran'izay kanto amin'ny hoe "afon'ampombo" eo. Zovy moa no tsy mahalala fa na dia tsy miseho ivelany aza ny firedaredan'ny afon'ampombo dia midonaka anaty tsy maty izany ary manamafy azy ny rivotra mitsoka? Izany sary izany no tao an-tsain'ilay pôeta rehefa nilazalaza momba ny fanantenana izay vao mainka mitombo rehefa misy olana toy ny rivotra izay tsy hampihena azy velively.

 

"Ny Fanantenana no afon'ampombo
 Midonaka lava ao anatin'ny fo;
 Rah' sendra ny rivotra, mainka mitombo,
 Vao mainka mitombo raha misy manjo."

 

Koa na dia mafy aza ny manjo dia voafehy mandrakariva ny saina hibanjina ilay fanantenana sy hoavy feno hafaliana tsy hay tanisaina.

 

*

 

Mampiavaka ny olombelona amin'ny biby ny fananana fanantenana ary izany indrindra no hanehoana fa manana ny lanjany eo amin’ny fiainan’ny olona rehetra izany.
Tsy vitsy ireo olona mamoy fo, mamono tena ary kivy rehefa very fanantenana. Ampahatsiahivin’ny mpanoratra anefa fa fomba hanasongadinana sy hijoroana ho olo-mendrika eo anatrehan’ny zava-misy manahirana ny fanantenana. Hamarinin’ny tononkalony izany amin’ny hoe :

 

"Ny Fanantenana no mampisy vidiny
 Ny fiainana etoana 'zay fefik' indrisy"

 

Manan-kery lehibe eo amin’ny maha izy ny tsirairay araka izany ny fanantenana. Azo heverina ho singa mitarika ho amin’ny fahombiazana eo amin’ny fikasana tsara rehetra ny fananana izany. Rehefa mametraka ny fanantenana mantsy ny olona na vondron’olona eo amin’ny fiarahamonina dia mahatsiaro fitoniana ka misosa ho azy izay rehetra tian-katao. Hoy indrindra Régis Rajemisa-Raolison amin’ny kalony :

 

"Ny Fanantenana no 'lay varavarana
 Vohaina tsy tapaka isan' andro hatrany,
 Hiandrasana lava ny FAHASAMBARANA,
 Sao dia mba tonga mitsidika ihany!"



*
* *

 

Raha aravona izay rehetra nambara teo dia hita taratra fa fanalahidin'ny fahombiazana eo amin’ny sehatra rehetra irotsahana ny FANANTENANA. Fitaovana hoenti-miatrika ny ampitso tsy mbola nodiavina kanefa heverina fa tsy hamitaka na hanosi-bohon-tanana izany. Koa ny fandinihana izao kalon’ny pôeta izao no ahatsinjovana fa zava-dehibe ary tena ilaina ny mampiorina ny fanantenana eo am-piatrehana izao fiainana feo sakana amin’ny endriny samihafa izao. Irina indrindra ny hananan’ny tsirairay faharetana eo am-piandrasana izany.

 

Ajouter un commentaire

Commentaires

Il n'y a pas encore de commentaire.

Créez votre propre site internet avec Webador