Aza kivy hianao, Edouard Andrianjafitrimo

Publié le 27 mai 2023 à 21:30

Fandalinan'i Heriarilala Andriamamonjy



"Aza kivy hianao", izany tononkira laharana faha-574 ao amin’ny fihirana FFPM izany no entintsika mahatsiahy ny tsingerin-taona nahaterahan’ny mpanoratra Edouard Andrianjafintrimo, mpanoratra teraka tamin’ny 28 Mey 1881 ary niamboho tamin’ny 15 Marsa 1972. Anisan’ny mpikatroka tao anatin’ny Vy Vato Sakelika izy nanomboka tamin’ny taona 1914. Nivady tamin’ny fitiavany tanindrazana ny maha mpanao gazety azy. Nosokajina ho mpanao gazety voalohany izy satria namorona ny gazety BASIVAVA tamin’ny taona 1906.

 

Raha zohintsika ny tononkira "Aza kivy hianao" dia miharihary fa mpanoratra niaina ny maha Kristianina tokoa izy. Tsy kivy velively izy tamin’izay ady natrehiny sy natrehin’ny mpiara-belona taminy izay fa nampahery foana ka nilaza fa manana an’i Jeso ho sakaiza ireo izay manana ady mafy. Raha hazavaina ny hevitry ny teny hoe "sakaiza" araka ny rakibolana dia "namana mifankazatra sy mifankatia amin’ny tena ka amborahana izay ao am-po sy izay manjo ny tena".

 

Nambarany ao amin’ny andininy roa voalohany fa "raha tratry ny manjo" ny olona manana an’i Jeso dia ho "afa-tahotra" satria afaka mizara izay mahazo azy araka izay voalazan’ny rakibolana izay. Mbola monina eto an-tany ihany isika ka "misy fihafiana" ety ary hery ho an’izay manana enta-mavesatra izany Jeso izany.

 

Nambarany ao amin’ny andininy fahatelo fa manana MPAMONJY ny olona miady mafy ary io mpamonjy io dia "mba nihafy koa tety". Izany hoe tokony hanana fanantenana hatrany fa efa misy môdely iray niaritra ny mafy koa nefa nivoaka mpandresy ary io môdely io no hanafaka ny tahotra ao anatin’ny tsirairay ary hanome fandresena koa ho an’izay mino.

Ajouter un commentaire

Commentaires

Il n'y a pas encore de commentaire.