Fandalinan'i Ny Hasina Ratsimbazafy
"Taom-bolamenan’ny literatiora malagasy ny taona 1950-1972" (Ramiandrasoa Jean Irenée, 1992 : 38) ary iray amin’ireo "fototr’izany" i Randja Zanamihoatra na Edmond Randriamananjara. Manana Solon’anarana betsaka izy teo amin’ny asa fanoratana saingy Randja Zanamihoatra no nalaza indrindra tamin’ireny. Fankalazana ny andro nahaterahany anio ka tsy hay ny tsy hahatsiaro azy manoloana ireo asa lehibe vitany. Marina tokoa fa ny 20 mey 1925 tamin’ny 11 ora alina tao Vatovory Ambositra no tena voasoratra anaty taratasim-panjakana rehetra voatondro ho nahaterahany (Radanielina Radoheninjo, 2023) saingy gazety sy boky maro (Gazety Valiha, Gazety Tribune de Madagascar, Takelaka Notsongaina I) no efa namoaka ny 29 mey 1925 noho ny antony samihafa. Nisedra fahoriana maro i Randja Zanamihoatra tamin’ny fiainany kanefa tsy nanakana azy ho lohany hatrany izany tamin’ireo fianarana izay norantoviny. Nampiavaka azy indrindra ny fanoratana tononkalo teraky ny saina izay matetika mampifandray ny tontolo hita sy ny tsy hita, ny tsapa sy ny tsy tsapa, ny zava-misy sy ny zava-miafina, tontolo fantatra sy ny tontolo tsy fantatra, ny nofy sy ny ambiroa miafitra ao anatiny sns….. Nosafidina manokana ity tononkalony mitondra ny lohateny hoe Poeta ity hanaovana tamberin-tsiaro izany andrarezin’ny literatiora malagasy izany. Mifono misitery lalina tokoa ny Poeta, ny famaritany azy ary mifandimbindimby ao ny maha olona voafidy manokana azy, ny maha olona miavaka sy hafakely azy ary ny maha mpaminany azy.
Randja Zanamihoatra: mahafantatra ny misiterin’ny Poeta sy ny loharano famoronany asasorakanto
Mirakitra zava-miafina sy misitery lalina ny andro voatendry hahaterahan’ny poeta iray. Misy ireo karazan’andriamanitrakelin’ny ara izay miray fo sy fanahy aminy tanteraka ary miantso azy ireny hiara-dalana sahady na mbola tsy ary vatana akory aza ny Poeta. Na mbola niafitra tany ambadiky ny nofy tsy fantatra sy tontolo fahagola talohan’ny fisiana aza ireny Poeta ireny dia efa afaka mahatsapa antso sahady, antson’andriamanitra, antson’ny famoronana ny kanto. Amin’ny maha mpanoratra miavaka an’i Randja Zanamihoatra dia nahita ny tsy hitan’ny olona izy ary nahafantatra ny tsy fantatra hatrizay ary nitondra ireny zava-miafina ireny ety amin’ny tontolon’ny velona sy ny teny. Aminy dia olona voafidy sy voatendry manokana ho amin’ny famoronana ny kanto ny Poeta. Hoy tokoa izy raha nitatitra izany:
“Raha mbola tsy ary akory ny vatanao malia
Dia efa niantso anao ny SARY sy ny HIRA”
Ny fanahin’ny sary sy ny hira tokoa izay mifanako eny amin’ny tontolo taka-maso sy tsy taka-maso, izay miriaria tany amin’ny taonan’ny fahagola sy ny mandrakizay, izay mifamezivezy eny tontolo rehetra eny dia efa mifankazatra sahady amin’ireny Poeta ireny hatramin’ny fahagolan-tany. Izy ireny no mibitsika aminy sy manoro azy ilay kanto eny rehetra eny izay mendrika harendrika ho lasa teny Poezia. Nomarihin’ny mpanoratra manokana eto fa tsy teny arafidrafitra fotsiny izany Poezia izany fa fihaonan’ny Sary, hira izay mirafitra ho tonony sy feony. Izy ireny rehefa voasambotry ny fanahin’ny Poeta teny an’habakabaky ny “misitery” sy ny “misy teny” dia narendriny ka notefeny ho lasa tontolo faharoa, sary faharoa:
“Fa fihararetan’onja nitopa sy niantefa
Voarain’ny “ALONAO” dia afodiny ho “FEO”
Na sary faharoa velomina amin’ny teny” (…)
Hanjakan’ilay sarin-teny antsoina hoe “Allégorie” tanteraka ny asasoratr’i Randja Zanamihoatra satria izy ireny no manome aina ny tontolo tsy hita maso rehetra. Raha fintinina izay rehetra izay dia Poeta sahy nanambara ny zava-miafina nofonosin’ny atao hoe Poeta i Randja Zanamihoatra. Mifankatia hatrizay ary miara-dalana mandrakizay ny Poeta sy ny Poezia. Tsy tonony sy feo fotsiny ny Poezia fa misy sary koa ao: mety ho teraky ny sary lalina ny Poezia, mety ny Poezia mihitsy no ilay sary lalina ary farany, mety ilay Poezia no hiteraka ilay sary lalina. Ireny rehetra ireny rehefa voatefin’ny Poeta miaraka amin’ny tonony sy feony dia mivoaka ho zavakanto mamiratra : Poezia an-teny na ny Teny Poezia. Raha atao amin’ny fomba hafa ny filaza azy dia misy ny andriamanitry ny famoronana izay mibitsika amin’ny Poeta, izy ireny no antom-pisiany ary mitoetra ao anatiny, miteraka sy mamorona andriamanitra an-teny izay tompoiny isan’andro, izay tsy iza fa ilay antsoin’i Randja Zanamihoatra hoe : “Hatsarantarehy” na ny Poezia.
Randja Zanamihoatra : Poeta miavaka sy hafakely ary mpamorona Poezia saro-takarina
Mety hoe miaina toy ny olon-drehetra tokoa ny mpanoratra saingy mifono misitery tanteraka ilay izy manana fisiana faharoa, ilay fisiana maha Poeta azy. Manana fanahy sy vatana hafakely izy. Mahita ny tsy fahitan’ny olona, maheno ny tsy henon’ny olona, afaka mivezivezy amin’ny tontolo rehetra na ny misy na ny ankoatra ny misy na ny fahagola na ny hoavy. Tsy voafetran’ny toerana sy ny fotoana (tiany hivezivezena) ny Poeta.
“Ianao Poeta irery no manana fanahy
Raha saina monja ihany no entin’ny rehetra
Fa ankoatra izao misaina, mitia sy manahy
Dia mbola misy “ianao”, fisiana tsy mifetra.”
Nihoarany avokoa ny rindrin’izao tontolo izao sy ny fotoana miaraka aminy. Manana vatana hafakely afaka miditra any amin’ny tontolo misitery tsy azon’iza na iza hidirana afa-tsy izy irery ihany ny Poeta. Ireny rehetra ireny no indro tonga Poezia saro-pantarina sy saro-takarina :
“Fanahin’ny Poeta mihoatra ny ara-batana
Sy varavaran-telon’izao tontolo izao
Irery mahalala tafiditra mivantana
Anivon’ny tsy fantatra nefa manindao.“
Manana saina hafakely ihany koa izy satria mahay mamadika ireny fahatsiarovana rehetra ireny ho velona anaty asasoratra indray. Manana fahefana feno ny Poeta hamorona, hanangana tontolo sy fisiana vaovao ho an’ireo izay efa konkan’ny fotoana :
“Ny sary faharoa velomina amin’ny teny
(Tsy ho endrika eo imaso fa ho endrika ao anaty)
Tambolin’ny fisiana nanetona izy ireny
Ary, indro, ianao Poeta nanagana ny maty”
Manodina ny fahatsapan’ny vavahadin-tsaina dimy ho lasa sary an-teny ny Poeta. Mahafantatra ny tsy fantatra izy ary mampahafantatra izany. Miriaria eny anivon’ny tontolo tsy takatra izy ka mivimbina ny hanitr’ireny ho any anaty asasorany. Mahatsapa izay tsy tsapa ihany koa izy ka mahatsangana ilay sary faharoa velomina amin’ny teny. Amin’i Randja Zanamihoatra araka izany dia tokony hanana izay toetra hafakely izay (vatana hafakely, fanahy hafakely, saina hafakely) ny Poeta hoenti-manangana ilay Poezia saro-takarina.
Randja Zanamihoatra: Poeta-Mpaminany
Matetika misy tontolo azo tsapaina miriaria any anatin’ny nofy ary eny amin’ny tontolo tsapa eny ihany koa mety hisy nofy miafitra izay takarin’ny poeta sy mihira miaraka aminy ka arendriny ho tonga amboaran-tsoratra. Mpaminany natao hanambara ireny zava-miafina fonosin’ny nofy ireny ny Poeta, na nofin-jazavavy io na nofin’ny tontolo na nofy anaty nofy. Iraka izay, natao hanambara amin’ny olona rehetra ireny misitery rehetra izay nampahafantarin’ny “feo-andriamanitra” azy ireny:
“Poeta
Sy mpaminany koa- raha misy mpaminany
Ny andronao manonja dia heraka tantara
Nilomanosan’endrika arivo samihafa
Kinanjo teo ny hira no foy mba hanambara
F’izao tontolo izao dia nofy tsy voafafa”
Feno nofy ny tontolo rehetra saingy ireo izay olom-boafidy sy voatokana ihany no afaka mamaha azy ireny ary afaka mitatitra sy manambara ny heviny. Izy ireo no mahalala ny tantara miafitra any ambadiky ny nofin’ny fisiana. Sarinteny fanovana endri-javatra hita amin’ny hoe “andronao manonja” sy ny allégorie “ (andronao) nilomanosan’endrika arivo” sy “ hira no foy mba hanambara” no nentin’ny mpanoratra eto nanehoany ny fahaizany mampifanatrika ny tontolo takatry ny saina, ny fahatsapana sy ny tontolo hafa tsy takatry ny saina afa-tsy izy Poeta irery ihany. Mitatitra ny nofin’ilay andriamanitra ihany koa ny Poeta ary voaantso hanambara izany amin’ny alalan’ny zavakanto vokariny. Izy ireny no mifono hevi-dalana mampahafantatra izay hoavy Misitery sy izay iainana ankehitriny kanefa tsy takatra takarina:
“Nofy tamin’ny Nofy nitoetra ho tokoa
Fa “aloka ao an-tsaina ny vatan’ny finoana” (…)
Matory antaranoana ny sain’ilay Mahery
Ka heniky ny Nofiny izao tontolo izao,
Ny Poeta ihany sisa mihira samirery
Fa feon’ny nofiny izy ary endrika avy ao”
Misesisesy hatrany ny sarin-teny Allégorie izay mampiaina ny zavatra tsy azo tsapain-tanana ary mampihetsika ny tsy hita maso toy ny hita tamin’ny “Nofy tamin’ny Nofy”, “vatan’ny finoana”, “feon’ny nofiny”, sns… Ireny rehetra ireny no porofo fa manana fifandraisana amin’ny tontolo tsy hita maso ny Poeta ary natao hanambara sy hitatitra izay zava-miafina fonosin’izy ireny. Azo tsoahina avy amin’ireo rehetra ireo fa Poeta-mpaminany milaza ny miafina sy izay feon’ny andriamanitra sy ny nofin’ny hoavy i Randja Zanamihoatra.
Niavaka tamin’ny Poeta maro tokoa i Randja Zanamihoatra tamin’ireo asa famoronana saro-takarina novokariny. Voatatitra ao daholo na ny misy na ny tsy fantatra na ny hoavy na ny fahagola tsy mbola nisian’ny fahariana, Tsy “mifetra ny fisiana” amin’ny Poeta ary voahosotra ho mpaminany hilaza ny miafina rehetra any anatin’ny rà, nofy, tontolo tsy àry vatana sy ny sisa izy. Olona voatendry sy voatokana hitondra ny tenin’ny Mahery sy ny andriamanitry ny zavakanto ny Poeta. Raha amin’ny teny tokana dia Mpaminany izy ary sady avy amin’andriamanitra no misy andriamanitra ao anatiny ary manamboatra andriamanitra tompoina amin’ny alalan’ny teny ihany koa izy. Ireny fiheverana manokana izay saro-takarina ireny no hahatsiarovana manokana ity Poeta andrarezin’ny asasorakanto malagasy ity. Tsy maty mandrakizay tokoa ny Poeta satria ny vatany ihany no nandao fa ny asasorany kosa dia nametrahany ny fanahiny izay mibitsika amintsika mpamaky isan’andro.
Ajouter un commentaire
Commentaires