Maty ilay zandriny, Reine David Andriamiharisoa

Publié le 4 juin 2023 à 17:33

Fandalinan'i Imbitika Rambala


Maty ilay zandriny, tononkalon'ny poeta Reine David Andriamiharisoa, fandalinan'i Imbitika Rambala

 

Na dia samy asasoratra aza dia misy ny maha samy hafa ny tantara sy ny tokonkalo. Ny tantara dia asaroratra lava ary mahahenika pejy maro ka mety ho famelabelarana sy fanadihadiana hevitra na zavatra iray; fa ny tononkalo kosa famborahan’ny olona iray amin’ny teny amin’andalana vitsivitsy na ny vetsovetsony efa nitanika ny fanahy aman’eritreriny na ny fahatairana ka nanohina azy teo amin’ny fifaneraserany teo amin’ny manodidina azy na tao amin'ny fiarahamonina. Manamarina izany ity tononkalon’i Reine David Andriamiharisoa ity satria izy dia olona nitety tany ary nifangaroharo tamina sarangan’olona maro. Nanaitra azy ary nivetsovetso tany an-tsainy tany ity tranga iray hitany ity ka tsy namelany raha tsy nampandriany an-taratasy. Ahoana moa hoy Poetawebs ny amin’izany? “Taratra amin’ny fiainany sy amin’ny asasorany izany”.

 

Nahazo fanabeazana feno ara-pinoana sy amin’ny maha olona izy tamin’ny alalan’i Rali ilay mpitaiza azy, nofenoin’ny fitiavana famakiam-boky izany rehefa nampirisihan’ilay vehivavy mpampianatra azy hatramin’ny fahagarabolany, koa teo amin’ny faha-19 taonany izy dia efa nahavita ilay amboaran-tononkalo “L’adolescente”. Ary na dia metisy vazaha aza ny vadiny sy ny reniny dia nankafy sy nankamamy ny teny malagasy izy ka naha vehivavy voalohany azy nahazo ny mari-pahaizana licence-es-lettres malagasy.

 

Nofantenanay ity tononkalo ity mba hitondrana tari-dalana fohy, ho an'ny asa fanadihadiana. Ahitana taratra ny fahafehezan'ny mpanoratra ny teny malagasy ity asasoratra ity ary anatobahany ny alahelony eo anatrehan’ny fangirifirian’ny fiainan’ny olombelona sasany, raha toa ny hafa kosa afaka mihalangalana. Izahay mino fa endri-piarahamonina tany amin’ny tany rehetra nalehany tany toy ny teto an-toerana ihany koa no nitaona azy hanoratra ity tao amin’ny trano fonenany nomeny anarana hoe “Vohitry ny Nofy” ity tamin’ny 09 avrily 1984 : Maty ilay zandriny.

 

Tonga dia mipoaka ny lohateny ka manaitra fa tsy irony sarintsarin-teny irony ka any amin’ny farany na vinaniana mihitsy aza ny ao ambadiky ny lohateny vao takatra. Tsy dia misy teny vaovao na sarotra takarina ao amin’ity tononkalo ity fa teny faheno sy fampiasa andavanandro ihany toy “babangoana”, "norombahina” ka mora takarina nefa mahatohina tanteraka:

 

“Eny maty ilay zandriny”

 

Azo fintinina amin’ireto teny telo ireto ny lahatsoratra:

 

“Eny maty ilay zandriny
 Tsy zanatsika akory io
 (...)
 Madio ny eritreritsika”

*
*   *

    Saingy mamela hafatra i Reine David Andriamiharisoa any amin’ny farany, dia hafatra miendri-panontaniana nefa mavesatra dia mavesatra: 

 

“moa ve isika mieritreritra ny hanome hanina… mba mahavonjy… ity zaza ?”

 

Raha ny endriky ny tononkalo indray dia mandeha andalany tsiroaroa, miady rima kanefa tsy voafehin’ny ngadona. Ahoana tokoa moa hoy ny Poetawebs? ”Tsy manaiky ho voafehin’ny endrika manara-drafitra fa manasongadina ny fisosan’ny teny atosiky ny aingam-panahy”. Na izany aza dia tsy mahavery velively ny hakanton’ny lahatsoratra izany ary toa vao mainka mandetika ao am-panahy ny hafatra tiana hampitaina. Ohatra:

 

“Eny maty ilay zandriny

 Izay famonjentsika, tsy andriny

 

 Indro ilay zoky manome azy ny fara rotsirotsiny

 Tsy misy n’iza n’iza, honjohonjon’izy mirahalahy fotsiny

 (...)

 Noana ny kibony, babangoana koa ny fony

 Ilay zandriny tsy hitsiky aminy intsony

 

 Norombahina taminy koa ilay sombim-pitiavana

 Nendahina taminy ilay zandry hany havana”

 

Anisan’ny mampiavaka ity tononkalo ity koa ny andininy roa voalohany sy andininy farany izay efa ampy tokoa ny hilaza ny tian-kambaran’ny mpanoratra, dia ny hoe:

 

“Eny maty ilay zandriny

 Izay famonjentsika, tsy andriny

 Izay angamba no mba mahavonjy ny amin’ity zaza?”

 

Ny ao anelanelan’ireo dia ny fanehoana ny manjo ilay zokiny :

 

“Indro ilay zoky manome azy ny fara rotsirotsiny

(...)

Mijery izato zandriny izy, ny endriny ory dia ory

(...)

Migogogogo izy, eo an-tratran’iza no mba hiantoraka”

 

*

 

      Ny fizarana faharoa kosa dia manebaka ireo sarangan’olona hafa ka mampibaribary ny fitiavan-tena dia ilay hoe:

 

“Izay rehetra mandalo, mandositra, tsy misy mangoraka

 

 Izay mandeha anaty fiara, zara raha mitazana

 Nefa anie olona iray ra amintsika ireo, iray tanindrazana”

 

 

Maneho ny fialana andraikitra sy ny famonoana ny feon’ny fieritreretana:

 

“O! tsy taova na volovolo, tsy zanatsika akory io

 Tsy misy adidintsika aminy, ny eritreritsika madio”

 

Ary indrindra ilay toe-tsaina fihahatsaram-belatsihy eo anatrehan’Andriamanitra:

 

“Ka vontom-pinoana ery isika miandrandra an’Andriamanitra

 Manonona am-pitiavana ny “Rainay any an-danitra”

 

Rehefa avy nampandotso ny sain’ny mpamaky ny mpanoratra dia nisarika ny saina amam-panahiny amin’ny fanontaniana mba ho entimody hisaintsainana:

 

“Nefa moa ve isika mieritreritra hanome hanina sahaza

 Izay angamba no mba mahavonjy ny amin’ity zaza?”

 

  *

*     *

 

    Azo itarafana ny toetra amam-panahy ny asasoratra iray. Maneho an’izany tokoa ity tokonkalon’i Reine David Andriamiharisoa ity dia ny fankafizany sy ny famolahany ny teny malagasy aloha ary indrindra ilay fony antra ka mitaona ny hafa hiondrika na farafaharatsiny tsy hijery fotsiny ireny olona niangaran’ny vintana na tra-pahavoazana eo amin’ny fiainana ireny.

 

Teraka tao Antsirabe izy ny 07 Jona 1939. Olona nianatra izy ary manana mari-pahaizana sy “certificat” maro. Nanoratra boky maro izy, hatramin’ny angano aza . Hainy ery ny mampiteny ireo biby isan-karazany. Ny boky VOA SY FELANA izay tadiavin’ny olona fatratra aza dia efa lany ka vao hampanonta ireo zanaka aman-jafiny. Poeta, mpanoratra ary mpampianatra izy.

Ajouter un commentaire

Commentaires

Il n'y a pas encore de commentaire.