Teny vondron-kery

Publié le 18 juin 2023 à 18:28

Fandalinan'i Angaroa Mamatonalina


Manan-kolazaina mikasika ny lanjan'ny teny malagasy ny poeta Angaroa Mamatonalina, teny mifanandrify indrindra amin'izao fanamarihana ny iray volana anandratana ny teny malagasy izao. Teny misy aina sy fanahy ny teny malagasy.

 

Teny misy aina, teny misy hery

 

Mamondrona sy mandranitra fahiziana, ahatonga ny isam-pirenena, ny isam-poko ny teny, ary handatsaka lalina ny faka maha izy azy; azy. Tsy hihetsiketsika. Misy aina sy misy hery ny teny mba ho tsara orina ka tsy ho azon’ny kolontsain’ny hafa hozongozoninan hongotana, hobaboina sy hatao sambobelona, ka tsy ahalala ny tany niandohany tamin’izay nambolen’Andriamanitra azy intsony.

 

Teny, misy fanahy

 

Misy fanahy mamolavola ny maha olona izay mampiavaka manokana ny isam-pirenena ny teny, ary misy fanahy manefy sy manamafy orina ny foto-pisainana amam-piheverana ary toetra. Ny tsy famerimberenana sy famolahana ny Teny Reny ao am-bava na an-dela dia manongotra miandalana ny foto-pahizian’ny isam-poko, isam-pirenena, satria niendaka miandalana miaraka amin’izay ihany koa ny fanahin’ny Teny. Izany no nampiavaka manokana ny fisiana tokana aman-tany eo anivon’izao tontolo izao ity, ilay fahizian’ny firenena sy ny mponina ao aminy.

 

Tenin’ny tena - Tanin’ny tena

 

Tokony ho mailo isika fa tsy amin’ny basy aman-tafondro intsony no hampaneken’ny firenena vaventy ny tany madinika, tiany hozanahina, fa amin’ny alalan’ny fampiasany ny herin’ny teny. Izy no afaka manova foto-pisainana noho ny herim-pifandraisana ao aminy, ka hampanoha mora ihany, ny foto-kevitra tiany hampanjakaina. Ka amin’ny alalan’ny fampiasany ny herin’ny teny dia vozonany hianatra sy hampiasa ny teniny, amin’ny ampahany betsaka indrindra, amin’ny alalan’ireo taratasim-panjakana, fandaharam-pampianarana, asa aman-draharaha andavan’andro, ny firenena madinika tian-kozanahina. Vokatr’izany, dia ho very miandalana manaraka izay ny fahiziana. Miha levona sy manjavona miaraka amin’izay ihany koa ny fahatsapana sy fahatsiarovana, izay “Tenin’ny tena” sy “Tanin’ny tena”, hatramin’ny foto-pahiziana sy razamben’ny tena, izay loharano niandohana aza. Dia ho lasa vahiny amin’ny tany nahalatsahan’ny tavoniny ny mponina nozanahina tamin’ny teny, ao amin’izany firenena izany. Koa fantaro fa ny tenintsika no fototry ny hery nomen-Janahary antsika!

Ajouter un commentaire

Commentaires

Il n'y a pas encore de commentaire.