Hafatr’i Suzy Andry ho an’ny mpanakanto ankehitriny

Publié le 10 juillet 2023 à 21:49

Fandalinan'i Tsikimilamina Rakotomavo


Hafatry ny poeta Suzy Andry ho an’ny mpanakanto ankehitriny

 

Toy izao no hafatra napetrak’i Suzy Andry ho an’ny mpanakanto ankehitriny:

 

“lova sarobidy no navelan’ny razantsika ho antsika: dinam-piarahamonina, fifankatiavana, firaisan-kina, fifanajana, fahalalam-pomba, fahatsorana. Aoka tsy atao tsirambina, ka lazaina ho efa lany andro aza.”


Na dia heverin’ny maro ho toy ny lamba maloto saro-diovina sy mendrika ho fanary aza ny kolontsaina dia mbola maro ireo sokajin’olona mandala sy mamelo-maso izany. Iray amin’ireny i Suzy Andry izay poeta, tia kolokolo satria te hametraka harembakoka tsara ho an’ny taranaka mifandimby. Hoy indrindra izy tao amin’ny tranonkala Poetawebs raha nanafatra an’ireo mpanakanto ankehitriny:

 

“lova sarobidy no navelan’ny razantsika ho antsika: dinam-piarahamonina, fifankatiavana, firaisan-kina, fifanajana, fahalalam-pomba, fahatsorana. Aoka tsy atao tsirambina, ka lazaina ho efa lany andro aza.”

 

Aharihariny fa manana ny lanjany eo anivon’ny fiarahamonina malagasy ny soatoavina ka mendrika hotandrovina mandrakariva. Hanasongadinana izany àry dia rariny raha ampanjakaina ny fiombonana. Maro ireo voka-tsoa aterak’izany raha iainan’ny rehetra eo amin’ny andavanandrony.

 

Tsikaritra tokoa fa misara-bazana ny tontolo iainan’ny mpiara-belona amin’izao ankehitriny diavina izao. Samy mihevi-tena ho maningana ny sehatra rehetra misy ka manary ny tsara eo am-pelatanana dia ireo foto-pisainana efa nolalain’ireo efa nialoha lalana. Tsy hita taratra intsony ny ”Mitabe tsy lanin’ny mamba”, ”akanga maro tsy vakin’amboa”, ”Izay mitambatra vato; izay misaraka fasika”. Ireny fomba fiteny rehetra ireny anefa dia natao indrindra hampiorenam-paka ny fomba fiheverana mandala ny fihavanana izay toetrantsika Malagasy hany toka-miavaka maneran-tany. Manana anjara lehibe araka izany ny mpanakanto hikajy sy hitandro izany amin’ny alalan’ny fampitana ny hakanton’ny fiombonana amin’ny asasoratra voizina. Koa na inona na inona sokajin-kanto irotsahana dia tokony hanao ho zava-dehibe ny fanomezan-danja ny firaisan-kina ho fampandrosoana ny fiaraha-mivelona. Mamaritra izany ny fandalana ny fanahy mahaolona, ny fifandeferana, ny fifanampiana sy fifanohanana na an-karatsiana na an-kafaliana.

 

Raha to eo amin’ny tsirairay mantsy ny fifampitsimbinana dia azo antoka fa misy akony tsara eo amin’ny tontolo iseharana izany.

 

Tsy azo odian-tsy hita fa misy fiovana amin’ny endriny samihafa ny zava-misy manerana izao tontolo izao. Ireny tranga ireny matetika no manefy ny toe-tsain’ny rehetra ho amin’ny fomba fiheverana misandrahaka. Rehefa mifototra amin’ny maha Malagasy anefa dia afaka mijoro na inona na inona firongatry ny fanatontoloana. Ny fiorenam-paka amin’ny kolontsaina hatrany no fomba mahomby iatrehana izany. Koa rehefa voahaja ireo toe-tsaina efa raiki-tapisaka eo amin’ny tsirairay dia azo antoka fa tsy manary izay eo an-tratra ny isam-batan’olona na aiza na aiza sehatra misy azy. Koa entanin’i Suzy Andry ny mpanakanto rehetra haneho sy hizara ny hasoan’ny fiombonana izay antoky ny fivoaram-piainana. Tsy misy tsy vitan’ny maro miray hina na eo amin’ny fanorenana, na eo amin’ny fanatontosana hetsika samihafa, na eo amin’ny fandaminana ny fiainam-piarahamonina ankapobeny. Ny fahasamihafana anaty fahamaroana mantsy no harena ahavitana izay fanamby lehibe entina manasongadina ny maha Malagasy.

 

Raha aravona izay voambara teo dia tsapa fa manana ny anjara toerany eo amin’ny fiarahamonina malagasy ny fandalana ny fihavanana. Foto-pisainana mbola tsy tontan’ny ela izany ka mendrika ho tohizin’ny taranaka malagasy mifandimby. Koa raha tiana hijoro ny firenena dia tsara raha resy lahatra amin’ny soatoaviny ny rehetra indrindra ny mpanakanto izay mifampikasoka akaiky amin’ny mpiara-belona ka mitahiry sy miezaka mampita izany. Tsy ambanin-javatra ihany koa ny fandraisana andraikitry ny mpitondra isan-tsokajiny izay fantsom-pahombiazan’ny fampandrosoana ny tany ama-monina. Koa antenaina ny iainan’ny Malagasy tsy an-kanavaka ny fiombonana mba tsy hizarazarana eo amin’ny fijery enti-mandrindra ny fiainam-piarahamonina ankapobeny.

 

Fandalinan'i Tsikimilamina RAKOTOMAVO

Ajouter un commentaire

Commentaires

Il n'y a pas encore de commentaire.