Nofy mahazendana (Samuël Ratany)

Publié le 15 juillet 2023 à 17:43

Fandalinan'i Tsikimilamina Rakotomavo

 

Hoy Samuël Ratany tao amin’ny Vakio ity, lah 12 Avrily 1922, raha nilaza ny nofy mahazendana :

 

"Ny mpifankatia dia tsy mba manam-piadanana tanteraka, fa ny fahoriana mandalo sy ny loza mihelina no tohatra hiakarany ho amin’ny fahasambarana".


Marin-doatra izany fiheverana izany rehefa tojo ny sakana maro sampanana eo amin’ny tontolo tsy hay faritana. Finoana, fahaizana, firazanana, fari-pananana, elanelana amin’ny endriny samihafa sns. dia efa ampy hampisara-maina ny fiombonana efa nimatimatesana. Ho an’ny marefo ara-pihetseham-po dia miteraka fahaketrahana izaitsizy ny saraka amam-po amin’olona izay efa nofinidy hatry ny ela.

 

Koa inona no azo atao? Tsy aleo ve manorin-dasy sy manamaro isa ireo manokam-po amam-panahy ho irery? Toa tsy efa intsony ny miara-miaina anaty fahasamihafana noho ny fanao tsy mitovy ka mahabe olana am-pipetrahana sy mahavalaka am-pitsanganana. Ny fiakaran’ny vidim-piainana rahateo mahatonga ny fitiavan-tena tsy te hizara ho an’ny hafa intsony…


Fisaina hirosoana ho amin’ny fahasambarana feno fatra!

Ajouter un commentaire

Commentaires

Il n'y a pas encore de commentaire.

Créez votre propre site internet avec Webador