Teny gasy tsy nindramiko - Rakotomavo Gilbert

Publié le 15 juillet 2023 à 21:50

Fandalinan'i Tsikimilamina Rakotomavo

         Mitobaka eto amin’ny firenena ankehitriny ireo fitaovan-tserasera entina hampiroboroboana ny teny sy kolontsaina vahiny. Tsy misy maharatsy izany tranga izany; saingy eo anatrehan’ireny no  anentanan’ny poeta ny mpiara-belona handala hatrany ny maha Malagasy. Hoy indrindra RAKOTOMAVO Gilbert :

 

“N’aiza n’aiza ianao tazaniko

 Ry teny gasy tsy nindramiko

 Dia ho arovako fa mamiko

 ‘zany zon’ny tera-taniko!”…

 

Asongadiny àry fa manana ny anjara toerany eto anivon’ny firenena ny teny malagasy amin’ny maha singa fototry ny fitiavan-tanindrazana azy. Koa rariny raha avohitra ny hasiny sy ny fomba fikajiana azy tsy ho potiky ny fanatontoloana.

 

*

*    *

 

           Eto am-panombohana dia aharihary fa manan-kasina ny teny malagasy. Tsikaritra  ankehitriny fa mirona any amin’ny fampianaran-janaka eny anivon’ny sekoly fampianarana teny vahiny ny ankamaroan’ny maro. Heverin’izy ireo mantsy fa fomba mahomby ahafahana mampandroso ny teo-tsain’ny taranaka sy ny hoaviny izany. Manampy trotraka ireny ny fampiasana voambolana vahiny eny an-tsefaky ny fehezanteny izay ambara. Eo anatrehan’ireo santionan-tranga ireo no itaoman-dRakotomavo Gilbert ny mpiray tanindrazana aminy mba hijoro mandrakariva ka hirehareha amin’ny teny malagasy na aiza na aiza misy ny tsirairay; na  indrindra amin’ny fotoana hisehoana amin’ny besinimaro. Tsy ambakan’ny hafa ny teny malagasy; koa tokony ho kinga sy mailaka avy hatrany ny rehetra eo am-pivolanana izany na inona na inona lafiny anehoana azy. Tsy tokony hibahana ao an-tsain’ny tsirairay ny hoe tsy misy voanteny mahadika ny sehatra teknika. Ny fiezahana hamolaka ireo teny efa fampiasa hatrizay no mendrika indrindra amin’izany.

 

*

 

Fototry ny maha Malagasy ny teny, koa tsara indrindra raha tandrovina amin’ny fomba maro samihafa.

 

Rehefa zohina dia manaitra sy manintona ny sofin’ny mpiara-belona ny olona tena mahafehy ny teny malagasy eo am-panaovana lahateny. Satry ny hanongilana ny fandrenesana rehefa misy manatontosa izany satria miantefa avy hatrany amin’ny saina amam-panahy izay ambara. Fomba iray hanomezan-danja ny soatoavina malagasy araka izany ny filazana tsy misy fangaro ny teny  eo amin’ny sehatra misy rehetra.

Fanampin’izany dia azo heverina fa fameloma-maso ny teny ny fiezahan’ny mpanoratra hamolaka ireo voambolana efa fampiasa hatrizay mba hitohizan’ny fahavelomany eo amin’ny taranaka mifandimby. Manana adidy amin’ny fampitana izany mantsy ny poeta sy mpanoratra satria izy ireo no fitaovana mpanapariaka ny hakanton’ny teny tsy ho lefy laza.

 

*

*    *

 

           Raha fehezina izay voambara teo dia tsapa fa teny miavaka ny teny malagasy ka tsy azo tsinontsinoavina. Efa voatendry ho Malagasy isika rehetra na aiza na aiza misy antsika maneran-tany. Koa manentana indrindra ny poeta Rakotomavo Gilbert mba hijoroantsika ho lohany amin’ny famolahana ny teny, ary hiorina hatrany amin’ny maha Malagasy ka hanapariaka amin’ny sehatra samihafa ny lanjany. Antenaina ny faharesen-dahatry ny mpitondra amin’ny fampiasana ny teny malagasy amin’ny raharaham-panjakana manontolo. Raha to sy efa izany dia mahaleo tena tokoa i Madagasikara.

 

Ajouter un commentaire

Commentaires

Il n'y a pas encore de commentaire.

Créez votre propre site internet avec Webador