Ny tenin-drazako, Samuël Randria

Publié le 16 juillet 2023 à 21:28

Fandalinan'i Tsikimilamina Rakotomavo



Samy manamaivana ny tenin-drazana avokoa ankehitriny ny sokajin-taona sy na ireo lafin-tsehatra misy rehetra na eto an-toerana sy na any ivelany. Toy ny lany andro sy lefin’ny vanimpotoana izay rehetra mifikitra amin’ny teniny. Raha tsy mifangaro teny vahiny izay ambara dia heverina fa tsy azon’ny olona iresahana. Ambara ihany koa fa tsy ampy ny voambolana amin’ny tenintsika ka tsara kokoa raha laroina teny hafa hampafonja azy. Eny fa na dia ireo milaza ny tenany ho manam-pahaizana eo amin’ny lafiny teny aza dia roboka amin’ny fampiasana teny vahiny hanazavana ny hakanton’ny teny malagasy. Ny mpitondra izay mpitarika sy tokony ho fitaratra tsy mandainga eo amin’ny fikoloana ny hasin’ny teny aza moa tsy resy lahatra akory amin’ny fampiasana ny teny malagasy.

 

Feno fihatsarambelatsihy ny tontolo ivelomantsika ka tsy misongadina akory ny atao hoe fitiavan-tanindrazana na eo amin’ny teny na ny tontosaina.

 

• Iza àry no tokony hamerina ny tsaran’ny razana ?
• Rahoviana isika vao hanaja ny tenintsika ?

 

Ajouter un commentaire

Commentaires

Il n'y a pas encore de commentaire.