Hirahiran’ny ririnina, Le Myosotis

Publié le 4 août 2023 à 20:15

Fandalinan'i Tsikimilamina Rakotomavo

 


Mahatalanjona fa mivetso alahelo mamohafoha ny lasa ny ankamaroan’ny kalon’ny poeta.  Isan’ireny i Le Myosotis izay manjombon-dava anaty asasoratra. Miharihary amin’ny tononkalony ny fivetsoana mandrakariva ny alina izay iavahany manokana eo amin’ny fomba fanoratra. Itoeran’ny tebiteby sy fahoriana ny alina; saingy itobahan’ny fiainana feno fitoniana kosa izany eto amin’ny ampahan-kalony. Asongadiny fa na dia eo aza ny hamamin’ny fiombonana dia misy hatrany ny hery misarika ny fo sy ny saina hirona ho amin’ny tsiahy mamelovelo.

 

Voambaran’ity poetan’ny voahary ity  ihany koa ireo vanimpotoana samihafa  eo amin’ny tontolo iainana na ny zava-manana aina na ny  tsy manana aina ifaneraserana ka tsy afa-misaraka amin’ny tontolon’ny olombelona. Ny ririnina mamirifiry no  anehoany ny zava-misy rehetra lalovan’ny mpiara-belona. Fihetsika  maro mifandray amin’ny volon’andro tahaka izany no asehon’ny angalin-tsoratra misarika ny mpamaky hiantefa amin’ny tranga roa mety hifanohitra kanefa mifameno ary hahazoana fifaliana sy fahombiazana.

Ajouter un commentaire

Commentaires

Il n'y a pas encore de commentaire.