Mba mafy asaina ny tanimbary

Publié le 2 septembre 2023 à 16:44

        Anisan'ny mamy napetraky ny poeta Ratsimba Georges na Ny Rahona ho antsika ny "Fikirizana". Fikezahana tsy mety kivy no famaritan'ny Rakibolana ny fikirizana, mitovitovy hevitra amin'ny filofosana, filozohana... Mitondra io lohateny io ny tononkalony iray izay tsy afaka eo imolotra hatrany amin'ny garabola. Mitantana amin'ny fiainana manontolo koa izany fomba izany noho ny fahafahany mamatsy hery sy risika manoloana ny ady atrehina izay taratra indrindra ato amin'ity andininy voalohany hohadihadina ity. Hisantarana izany ny fanehoana ny hamafin'ny ady atrehina. Hanaraka izany kosa ny fikirizana mitarika amin'ny fandresena.

 

***

 

1. Ny hamafin'ny ady atrehina

 

        Zovy moa ireo tantsaha no tsy mivoa-dinitra rehefa miady amin'ny hamafin'ny tany sady danihin'ny masoandro? Na ny omby aza fola-damosina rehefa miroritra ireny ragiragy ireny koa mainka fa olombelona mitolona amin'ny angady? Miverimberina tsy hay isaina ny fihetsika manatsatoka, mamadika, manilika ny bainga. Maneho fihetseham-po lalina ny mpanoratra raha manomboka ny tononkalo amin'ny alalan'ny kianteny "mba" noho ny fiekena sy fahatalanjonana amin'ny hamafin'ny ady : "Mba mafy asaina ny tanimbary". Azo heverina ho asam-pitolomana no atrehin'ny raim-pianakaviana antsoina hoe tantsaha na mpamboly, mba tsy hilazana hoe "mpiady" satria fandresena ihany no hany fahombiazany. Tsy fahombiazana mantsy ny "eo ho eo ihany" toy ny fahafaham-panadinana noho ny fahatrarana salanisa. Raha tsy voavadika manontolo mantsy ny tany dia hiharihary ny faharesena. Io faharesen'ny tantsaha io no miteraka ny mosary sy fahantrana ho an'ny ankohonana.

 

Mafy tokoa ny ady raha zohina akaiky ny voalazan'ny mpanoratra amin'ny hoe : "Ny tanany miempaka, maharary...". Maneho fangirifiriana ara-batana izany, miteraka ratra maharary ny tanana miempaka. Hoditra mitsovaka kely na miendaka kely ny empaka (R. Rajemisa Raolison, 1985). Mody hoe kely ny fahavoazana kanefa raha iny hoditra efa mitsovaka iny no mbola votsoran'ny zaran'angady hatrany dia tsy ho zakan'izay tsy ampy fikirizana mihitsy ka hampiala maina azy. "Aza mitarain-tana-miempaka" anefa hoy ny fitenenana manoloana ny ady toy izany izay ilana fikirizana.

 

2. Fikirizana mitarika amin'ny fandresena

 

        Nampiasaina indroa ny fototeny "kiry" ao amin'io andininy iray io, ankoatra ny hita ao amin'ny lohateny sy ireo andininy hafa tsy aseho eto. Mbola nampiarahana tamin'ny teny mpampitohy "anefa" sy "kanefa" izy ireo ao amin'io andininy io ihany. Manambara fifanoheran-kevitra izany. Mafy "Kanefa mikiry ny mpiasa tany". "Ny mpiasa tany" hoy izy fa tsy "ilay mpiasa tany". Tokony ho toetra fototra hananan'ny mpiasa tany rehetra izany ny fanoherana ny hamafin'ny ady atrehina.

 

Manambara ny fandresena farany kosa ny andalana fahefatra "Ikirizany anefa ka vita ihany!". Rehefa voatohitra hatramin'ny farany ny hirifirin'ny empaka sy ny havizanana dia vita ny ady; tanteraka ny kinasa. Mbola manamafy ny vokatry ny fanoherana koa ny mpamaritra matoanteny "ihany" eto. Ambonin'izay, ahariharin'ny poeta ny fihetseham-pon'ilay mpandresy amin'ny alalan'ny mari-piatoana tsoraka (!), izay midika fahafaham-po tanteraka na fahafahana amin'ny vesatra nangeja. Nahavita dingana iray lehibe izy. Rehefa manomboka mahazoazo traikefa dia hihamafimafy ny felatanana. Antenaina ho moramora kokoa mantsy ny ady manaraka rehefa manolatra ilay nofo malemilemy teo aloha.

 

***

 

        Ny fahafaham-pon'ny mpianakavy mitalapetraka amin'ny tsihy fisakafoana dia azo heverina fa vokatry ny empa-tanana sy fikirizan'ny raim-pianakaviana. Ny rarina aza dia miaraka mandresy amin'ny tantsaha koa ireo Malagasy mampiasa ny vary ho foto-tsakafony. Tsy amin'ny fambolem-bary ihany anefa no tokony hampiasana fikirizana fa amin'ny asa rehetra, eny fa na dia misy vesatra hafa mihitsy ambony lavitry ny fahalainana aza, ny tsy fandriampahalemana, ireo mpijinja ny tsy mbola matoy alohan'ny tompony. Izay poeta handimby an-dRatsimba Georges angamba mety ho vaky vava hoe :

 

Na mafy asaina ny tanimbary,
ny tena tsy zaka ka mankarary :
ireo mpioty ny tsy matoy
noho ny "rivotra" tsy madio!

Fanadihadian'i Toetra Ràja

Ajouter un commentaire

Commentaires

Il n'y a pas encore de commentaire.