Antsa am-panahy

Publié le 27 juillet 2023 à 22:02

Lahatsoratr'i Tsikimilamina Rakotomavo

 

Mivoaka imason'ny mpankafy kanton-teny ny amboaran-tononkalo nosoratan'i Ny Tsiaro sy Fanaperana Rambolamanana. Mizara roa miavaka tsara ny boky antsoina hoe ANTSA AM-PANAHY ity. Miisa 100 mahery ny tononkalo ao anatin'ny takila 140 voalohany. Tononkalo 30 kosa no ao anatin'ny 40 pejy faharoa.

Tononkalo miresaka finoana sy fivavahana ranoray izy ireo. Voakasika ao anatin'izany avokoa ny lafim-piainan'ny mpino kristiana rehetra: ny fiainam-panompoany, ny fiainam-pitiavany, ny fiainam-pianakaviany, ny fiainam-pireneny, ny fifandraisany amin'Andriamanitra... Ireo no voarakitra ao anatin'ny Antsa am-panahy.

 

Ny tanjona dia ny fitoriana ny filazantsara amin'ny alalan'ny poezia sy ny tononkalo. Samy miray volo ao anatin'ny sehatry ny fitoriana ny filazantsara mantsy Ny Tsiaro sy Fanaperana Rambolamanana ary samy ao anatin'ny sehatry ny asasoratra ihany koa ka izay no nampitsiry ny hevitra hampivohitra ny talentan'izy ireo.

Taorian'ny famoahana tamin'ny fomba ofisialy ny boky tany amin'ny FJKM Ziona Tsiroanomandidy dia hoentina eto Antananarivo sy any amin'ny faritra hafa ny hetsika ANTSA AM-PANAHY.

Ny tranonkala Poetawebs dia maniry ny hipariahan'ny Antsa am-panahy ho fitaovana hanavao ny fiainan'ny isambatan'olona.

Ny Tsiaro

Fanaperana Rambolamanana 

Ajouter un commentaire

Commentaires

Ny Tsiaro RANAIVOARITSIMBA
il y a 9 mois

Mankasitraka amin'ny fo manontolo!