MALAMA any Toamasina

Publié le 30 juillet 2023 à 14:43

Lahatsoratra : Toetra Ràja

 

Manome fotoana ny vahoakan'ny Toamasina ny fikambanana MALAMA na MALAgasy MAnoratra sampana Toamasina amin'ny tolakandron'ny sabotsy 5 Aogositra (3 ora sy sasany) izao. 12 mianadahy no isan'ny mpikamban'ity sampana ity ka tanora 4 (3 lahy sy vavy tokana) avy ao amin'ny birao no hanatrika ireo mpijerin'ny fahitalavitra. Ny filoha Ilo Nanahary no hitarika ireo namany dia tsy iza fa ny filoha lefitra Dôva Namanao, ny mpitantsoratra Vatsy Hasina, ary ny mpanolo-tsaina Rajaovao.

 

Ankoatra ny fanazavana momba ny fikambanana MALAMA sy ireo andraikiny eo anivon'ny fiarahamonina dia hirona bebe kokoa amin'ny literatiora sy fanabeazana ary fiarahamonina ny resaka. Handravaka ny fotoana, mazava ho azy, ny antsa tononkalo amin'ny maha poeta sy mpanoratra an'ireo mpikambana.

 

Marihina fa vao tamin'ny herinandro lasa teo no nitapatapakahitra tamin'ny Poetawebs i Fidy Art Niaina filoha nasionalin'ity fikambanana ity, izay irina hanana hoavy mamirapiratra toy ireo fikambanana poeta sy mpanoratra zokiny.

Ajouter un commentaire

Commentaires

Il n'y a pas encore de commentaire.