Poetawebs nihaona tamin'i Fenotsiky

Publié le 1 août 2023 à 21:44

Naharitra iray volana tao amin'ny Hopitaly Soavinandriana Antananarivo, sampandraharaha mitsabo ny homamiadana, ny poeta Fenotsiky. Nanatona azy teny ny Poetawebs omaly tolakandro saingy voalaza fa efa nampodiana. Tamin'ny alalan'ny feony iva dia iva tamin'ny finday no nilazany fa eny an-tranon'ny rahavaviny eny Antanandrano any avaratra andrefan'Ambohitrarahaba izy amin'izao fotoana izao. Nanome ny toromarika momba ny zotra sy ny fomba fandehanana eny izy satria ampovoan-tanàna mantsy ny trano ary sarotra hita raha tsy nanirahany olona hitsena.

 

Tafahaona soa aman-tsara taminy, tamin'io tolakandro io ihany, ny Poetawebs. Mandroso tokoa, indrisy, ny aretina, reraka izy kanefa niezaka nitsiky sy niresaka. Nampahery ny Poetawebs, niresaka, nihaino, nitrotro am-bavaka ary nanolotra valopy fanampiana

Mikarakara tolo-tanana ho azy ireo poeta namany anio alarobia 2 Aogositra 2023 amin'ny 10 ora eny amin'ny Tahala Rarihasina Analakely. Manentana ny Poetawebs, tongava mihira sy miantsa tononkalo ary manampy ho an'izao fitsaboana mavesatra izao. Fotoana izao anehoantsika poeta sy sakaizan'ny poeta ny firaisankinantsika.

Poetawebs

MITATAO

 

Mitatao eto Bezanozano,
Ny rahona mainty mandondona
Dia lanitra manganohano,
Sy eritreritra tonga manjombona...

 

Ireo molotro naman'ny tsiky,
makiana ka efa nakombona
Ilay tara-diavolana... dify!!!
Ny fo miahiahy tsy mitombina

 

Fa manonja ny sangin'ny tany,
mandifotra toa honahona
O! maso efa vonto tomany
Miraraka rehefa voadona

 

Kanefa tsy kivy aho tsy akory
Fa mainka hanamafy ny saina
Ny ali-niaretako tory
Tsy maintsy ho dimbiasa-maraina

 

FENOTSIKY

Andinin-teny napariakany tao amin'ny Facebook

Fenotsiky - 2 Jolay 2023

Fenotsiky - 22 Jona 2023

Manontany ny antsoina hoe "tena namana" i Fenotsiky tamin'ny 2 Jolay 2023. Ahoana hoy ianao?

Ajouter un commentaire

Commentaires

Heriarilala
il y a 9 mois

Mirary soa indrindra ho azy.

Créez votre propre site internet avec Webador