NIRHY-LANTO 100 taona

Publié le 16 août 2023 à 21:09

Nakotroka ny lanonam-panokafana ny faha-100 taonan'ny mpanoratra Nirhy-Lanto tao amin'ny Tranombokim-pirenena Anosy, efitrano David Jaomanoro.

Ankoatra ny lahateny nifandimbiasan'ny solontenan'ny fianakaviana sy ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Lalatiana Rakotondrazafy dia niavaka ny fanoloran'ny fianakaviana boky miisa 240 ho an'ny Minisitera mpiahy.

 

Notolorana mari-pankasitrahana sy fanomezana ihany koa ireo mendrika tamin'ny fifaninanana loka Nirhy-Lanto andiany fahadimy:

 

1. Ranarivelo Roël
2. Tovoharidera Randriamisetra
3. Rakotonanahary Jean Franklin
3. Rasendralalao Hantanoro

Fanokafana sy fitsidihana ny ranty mikasika ny tontolon'ity poeta ity no nanohizana ny fotoan-dehibe. Nifanotrona nandritra ity fotoana toka-miavaka ity ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny teo anivon'ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina, ireo nifanohana tamin'ny fianakaviana, ireo mendrika tamin'ny fifaninanana loka Nirhy-Lanto, ireo mpitsara ny fifaninanana, ary indrindra ny fianakaviana izay tompo-mariky ny fankalazana.

 

Raha nitodika tany amin'ny fianakavian'i Nirhy-Lanto ny Ministra dia nankasitraka azy ireo tamin'ny lohahevitra nisafidian'izy ireo hoe "Ho an’ny tanindrazana, ho an’ny tenin-drazana". Nomarihiny ny ezaka sy fandalana ny teny malagasy avy tao amin'izany poeta izany tamin'ny fiheverana fa ny teny malagasy ihany no mahalaza tanteraka ny vetsovetsom-pony manontolo. Midika izany fa poeta mijoro amin'ny maha Malagasy azy io poetan'ny rindrambolana sy ny fitiavan-tanindrazana io.

 

Ny Poetawebs dia miarahaba manokana ny fianakaviana Nirhy-Lanto noho izao ezaka ho fanomezan-danja ny poetan'ny fitiavan-tanindrazana izao.

 

Tatitra : Tsikimilamina Rakotomavo
Sary : nindramina tamin'ny La Dépêche Taratra

Ajouter un commentaire

Commentaires

Il n'y a pas encore de commentaire.