Loa-bary an-dasy - Nirhy-Lanto

Publié le 24 août 2023 à 11:52

Ao anatin'ny fanamarihana ny fahazato taona nahaterahan'ny poeta Nirhy-Lanto amin'ity volana aogositra ity dia notanterahina ny tolakandron'ny 23 Aogositra 2003 tao amin'ny Tranombokim-pirenena Anosy, efitra Dox, ny loa-bary an-dasy maneho ny sorapiainan'izany poeta izany.

Nisantatra ny fandraisam-pinenenana ny zanaka lahimatoany antsoina hoe Tonton Mamy sady nanolotra ny Tale maha izy ara-kolontsaina koa.

Izy ireo, araka izany, no nanokatra tamin'ny fomba ofisialy ny fotoana. Ny zafikeliny, izay "administrateur civil" toa ny dadabeny koa, no nandrindra ny hetsika.

Nanamarika ny atin'ny fotoana ny horonan-tsary nandritra ny 20 minitra maneho ny sorapiainan'i Nirhy-Lanto sy ny lohahevitra "Izaho atody miady amim-bato". Taorian'izay dia maro ireo nandray fitenenana momba ny fahafantarany an'izay hoe "Nirhy-Lanto Atody miady amim-bato" izay.

Anisan'ny nanatrika ny fotoana ny Mpampianatry ny ENS, Mpampianatry ny oniversite Ankatso, Talen-tsekoly samihafa, mpikaroka, ny Pr Narivelo Rajaonarimanana, mpiara-miasa ao amin'ny Ministeran'ny Serasera sy ny Kolontsaina ary mazava ho azy ireo taranany.

Marihina fa ny tranonkala Poetawebs dia anisan'ireo miara-miasa amin'ny taranak'i Nirhy-Lanto amin'izao fotoana fanamarihana izao.

Tatitra : Toetra Ràja

 

Sary : Tranombokim-pirenena

Ajouter un commentaire

Commentaires

Ny Hasina Ratsimbazafy
il y a 8 mois

Mankasitraka Poetawebs