Antsan-drindrambolana

Publié le 30 août 2023 à 22:38

Fihaonana, Fifaneraserana, fifanakalozana no soritra tamin'ny antsan-drindrambolana notontosaina tao amin'ny Efitrano Dox ny alarobia 30 Aogositra 2023. Tafiditra ao anatin'ny fanamarihana ny faha-100 taonan'i Nirhy-Lanto ity fotoana ity.

 

Nialoha ny antsa dia nandray fitenenana i Solotiana Nirhy-Lanto tamin'ny alalan'ny fianakaviana Nirhy-Lanto, nodimbiasan'i Dol'AJ Filoha mpanampy Havatsa. Namarana izany ny Tale misahana ny maha izy ara-kolontsaina avy ao amin'ny Ministera sady nanokatra ny fotoana.

 

Nifandimby niantsa ny tononkalon'i Nirhy-Lanto avokoa na ny taranaka Nirhy-Lanto na ny mpikambana Havàtsa-UPEM. Niantsa sy nilaza ny mombamomba azy sy ny fomba nandraisany anjara tamin'ny fifaninanana Loka Nirhy-Lanto kosa Randriamisetra nahazo ny laharana faharoa sy Rakotonanahary Jean Franklin nahazo ny laharana fahatelo.


Nisy koa tafatafa nilazan'i Tsikimilamina Rakotomavo ny tsy aritra momba ny boky rindrambolana ka nanoritany ireo manome endrika kanto ny boky.

 

Tatitr'i Toetra Ràja

 

Tsikimilamina Rakotomavo

Tale misahana ny maha izy ara-kolontsaina

 

Randriamisetra, laharana faharoa, tamin'ny fifaninanana Loka Nirhy-Lanto

Fanja Nirhy-Lanto, zafikelin'i Nirhy-Lanto

nandrindra ny fotoana

 

Solotenan'ny fianakaviana

Ajouter un commentaire

Commentaires

Il n'y a pas encore de commentaire.

Créez votre propre site internet avec Webador