Nodimandry ny poeta Skual

Publié le 2 septembre 2023 à 08:14

Lahatsoratr'i Heriarilala Andriamamonjy

 

Nodimandry ny alarobia 30 Aogositra lasa teo i Skual na Rakotonirina Mamy Lalaina Thierry, poeta, mpandefa asasoratra tao amin'ny tranonkala vetsoserasera.org. Miavaka ny tononkalony amin'ny fampiasana teny mahitsy sy mivantana. Malaza amin'ireny asasorany ireny "Ilay mosoara menamena" izay nitantara tovovavy iray tratran'ny famoizam-po. Anisan'izany koa ilay "Tiako ny sipako", tononkalo maneho ny endrika isehoan'ny tena fitiavana, tononkalo efa nohadihadina teto amin'ny tranonkala tamin'ny taona 2015.

Ankehitriny, hira no tena ahafantaran'ny maro azy. Teo am-panodinana ny horonantsary niarahana tamin'ny tarika D'YEM izy no voalaza fa tra-doza tampoka ka nitarika izao fahafatesany izao. Jereo eto.


Izahay eto amin'ny Tranonkala Poetawebs dia mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviany.

32 taona i Skual izao nandao antsika izao, namela kamboty roa taona ary hafenina rahampitso 2 Septambra 2023 any Ambositra Andina.

Ajouter un commentaire

Commentaires

Heriarilala
il y a 8 mois

Tadidiko...
Fony mbola tsy mpikambana tamin'ny fikambanan'ny mpanoratra aho. Fony mbola tsy nifandray tamina mpanoratra mbola velona aho ka tsy nahalala izay asa soratra ankehitriny fa ireny any anaty fandaram-pianarana ireny no mba fantatro, dia nijery Internet aho. Dia ny asa soratr'i Skual no famakiko tao. Sady gaga aho boe hay ve ankehitriny misy mpanoratra koa e. Noheveriko fa olona taloha be izany manoratra izany. Dia nazoto ery aho nitsidika ny asa sorany tao amin'ny tranonkala. Mbola tsy nanao Facebook aho tamin'izany dia tsy nahalala ny fisian'ireo poeta maro ankehitriny.

Créez votre propre site internet avec Webador