Seho poetika. Niarahana tamin'i Maozatra sy Hatsatra

Publié le 29 mai 2023 à 19:45

Tatitr'i Tsikimilamina Rakotomavo


Maozatra sy Hatsatra

Afa-diana ireo nanatrika "Ny tena fitokanana" tao amin'ny CGM.


Seho poetika no azo amaritana izany hetsika izany satria tsy antsa tononkalo mampamelovelo ny fo sy ny saina fa nampisandratra fanahy ihany koa. Nahatsiaro finaritra ny vavahadin-tsain'ireo mpankafy teo am-pianohana ireo tononkalon'i Meva (Maozatra) sy Mahefa (Hatsatra) narahin'ny mozikan'ny Zandrikely Miray Antsahadinta ary indrindra ny tantara an-tsehatra fohy nasongadin'ny Compagnie Bee Z'art.

Nanamarika iny fotoana toka-miavaka iny ny fivoahan'ny boky "Ny tena fitokanana" izay namidy tamin'ny sarany nahafatiantoka ny mpikarakara. Nisy ny fanolorana boky maimaimpoana ho an'ny olona vitsivitsy voatsonga tanatin'ny maro.

 

Tsy nohadinoina ny tsikera literera niarahana tamin'ireo mpikirakira literatiora.


Meva sy Mahefa moa dia Poeta havanana sy maneho ny teny sahy milaza ny andavanandron'ny mpiara-belona hany ka mora takarina izay tiany hampitaina.


Meva (Maozatra)

Mahefa (Hatsatra)

Mahefa sy Meva

Zandrikely Miray Antsahadinta

Ny tena fitokanana

Tsikimilamina sy Nalisoa Ravalitera niantsa ny tononkalon'i Meva sy Mahefa

Ajouter un commentaire

Commentaires

Il n'y a pas encore de commentaire.