Amin'izao andro maneran-tany ho an'ny poezia izao dia manolotra tapatapakahitra ho an'ny mpiserany ny tranonkala Pôetawebs izay mpikirakira vaovao sy fandalinana momba ny pôezia. Ny pôeta Toetra Ràja na Rajaonarivony Toetra no vahinin'i Ny Hasina Ratsimbazafy, mamaly ireo fanontaniana momba ny fahitany ny tontolon'ny pôeta sy ny pôezia.
Ny Hasina Ratsimbazafy
Faly tokoa izahay mandray anao tompontrano mba ho vahininay hiara-hitapatapakahitra aminay anio. Voalohany aloha, inona no azo ilazana ny pôezia raha ianao no mamaritra azy?
Toetra Ràja
Faly miarahaba ny mpisera ary mankasitraka an'i Ny Hasina nanomana izao dinidinika ambany tafontrano izao. Tsara aloha ny manamarika fa voambolana tranainy ny pôezia, avy tamin'ny teny grika "poiêsis" izay midika hoe famoronana. Mpamorona izany ny pôeta, mpamorona asa kanto tsy lefin'ny vanimpotoana nifandimby satria efa anarivo taonany no nizarany izany ho an'ny zanak'olombelona. Sarotra ihany ny hisalovana ny toeran'ny mpikaroka ara-literatiora na hamerina an'izay efa fahita anaty rakibolana. Amin'ny maha pôeta ahy no amaritako fa ny pôezia dia forona asa kanto sy mirindra ny misy sy ny heverina, amin'ny alalan'ny zoro tsy ampoizina miteraka fihetseham-po "faratampony". Voninkazo koa izy, ilay manana hanitra azo amboloina, bikana endrika mora tsakoina ary hotsarotsaroana.
Ny Hasina Ratsimbazafy
Misy ve aminao ny atao hoe pôezia tonga lafatra?
Toetra Ràja
Saro-dazaina ny hahita ny lafatra; ny asan'ny saina ezahina ho fatratra, moa tsy voafetran'ny fon'ny mpamaky, fa na mpankafy aza mbola mitaky hatrany ny soa sy kanto kokoa? Na izany aza, rehefa mamaky tononkalo aho dia satriko ny ho talanjona, hiontanontana ary hamerimberina hamaky sy handrirotra ireo andalana mba hiraikitra ao an-tsaina mandritra ny tontolon'ny andro sy mandavantaona. Na ireo efa nahazoazo taona aza mba hiriko ho toraka izany koa raha toa ka mahatsapa fa tena niangaliana ny asa:
"Nokoloina
ary indrindra
nolokoina
mba hirindra
hierinerina
an-kavoana
averimberina
eny foana"
Ny Hasina Ratsimbazafy
Manao ahoana ny fijerinao ny pôezia amin'ny fiarahamonina ankehitriny ?
Toetra Ràja
Azo lazaina fa miroborobo ny literatiora ankehitriny raha ny habetsahan'ny asasoratra no jerena. Ny tolotry ny aterineto ahafahana manapariaka tononkalo no anisan'ny antony. Ambonin'izay, saika intelo na mihoatra isan-kerinandro aza ny hetsiky ny pôeta izay tsy mianona amin'ny antsa sy fanolorana boky vaovao ihany fa efa mirona any amin'ny velakevitra, fitetezena sekoly sy faritany... Mahasarika mpanatrika hatrany izy ireny ary ahatarafana fahafaham-po, na ho an'ny tompon'antoka na ho an'ny mpianoka. Fijery miabo avokoa ireo, iderako sy isaorako ireo pôeta namana, saingy mila fahamailoana satria tsy misy, hoy isika teo, ny pôezia tonga lafatra.
Ny Hasina Ratsimbazafy
Te hilaza ve ianao fa misy adidy tsy efan'ny pôeta?
Toetra Ràja
Ny mety ho tsininy angamba dia ny tsy fahampian'ny pôeta mirotsaka eto amin'ny firenentsika izay ianjadian'ny fahasahiranana tsy mitsaha-mangitsokitsoka. Efa diso fantatra ohatra fa ny fitiavan-tena dia fanetriben'ny tany ary efa nanompanan'ny taranja maro fijery mampitsingidina. Firifiry moa ny ohabolana sy ny oha-pitenenana atao hampisaina momba ny voka-dratsiny, ampian'ny kabary, lahateny, lahatsoratra, toriteny? Ary ny didy folo? Ny didy aman-dalàna? Tsy mahasakana ny fitiavan-tena tsy hiroborobo amin'ny endriny samihafa anefa ireny ka mitaky ady faran'izay hentitra fa tsy homoramoraina amin'ny teny mahazatra intsony. Raha miteny mantsy ny fiarahamonina hoe "tokony hofongorana hatramin'ny fakany ny fitiavan-tena satria manimba ny tany ama-monina". Ny pôeta kosa mety hanao hoe:
"Roahy izy ho montsana
ary hihontsankontsana
hatrany am-parahatoka,
ho mora hikarapoka
sy toro vetivety,
f'izay no tena mety.
Tsy hisy azafady
fa raikitra ny ady!"
Raha mampitolagaga sy mampiontana ary loharanon'ny fihetseham-po faratampony tokoa ny pôezia, tsy ho ireo andalan-teny sy indran-teny miainga avy amin'ny pôeta ve no hahafahana miady amin'ny olan'ny tany ka hitondra mankany amin'ny fandresena, dia ny laonin'ny rindram-piainana? Ny pôeta mantsy dia miainga avy amin'ny fiarahamonina ary miverina ao aminy, amin'ny alalan'ny teny manan-danja sy misy rimany. Tsy riman'ny faran'andalana no resaka eto fa ilay hevitra mirindra, misy fotony ary mitombina ka afaka mitondra fanitsiana sy fanadiovana an'izay mety ho bobongolon'ny tontolo. Tsy hanan-kery anefa ny teny raha tsy manintona sy ho azon'ny vahoaka raisina amin'ny alalan'ny rafi-teny eken'ny rehetra.
Ny Hasina Ratsimbazafy
Rafi-teny eken'ny rehetra...? Mitodika any amin'ireo mpandika fitsipi-panoratana ve ianao?
Toetra Ràja
Miharihary toy ny vay an-kandrina ankehitriny ny tsy fanajana ny teny malagasy. Ao aloha ilay tena fanimbazimbana mihitsy amin'ny alalan'ny fandisoan-tsipelina iniana, na ny fiheverana ny teny vahiny ho ambony ka asosososoka eny an-tsefantsefan'ny andalana. Tsapa ihany koa ny fanararaotan'ny pôeta mampiasa "licence poétique" izay midika ho finiavana handiso fitsipi-panoratana noho ny antony manokana. Ohatra amin'izany ny fanovana ny teny noho ny fanenjehana rima, ny fandikan-tsipelina mba hahazoana feo miavaka, ny famadibadihana ny rafi-teny antsoina hoe tsinjara. Mety ho leferin'ny fiarahamonina ny fampiasana azy ireny raha toa ka maningana fa tsy sanatria raisina ho fitsipika na atao lala-masaka. Ny pôeta mantsy no mandatehezana farany natao hiaro na hanavotra ny teny raha sanatria ka miara-mirona any amin'ny famotehana ny maro. Tsara raha amin'ny alalan'ny teny malagasy madio no anabeazana sy ampitana fahalalana, izay tokony ho taratra ao anatin'ny tenin'ny pôeta. Mpitarika ny pôeta; kanto loatra ny asany. Raha toa ka tsy afaka imolotra ny fiverenan'ny tononkiran'ny mpihira dia mba manana ny tamberin-teniny koa ny pôeta, toy ny tamberin'andalana, tamberin'andininy, sy ireo singa maro mahakanto sy mampiavaka ny tononkalo izay tsy hivalamparana eto.
Ny Pr Narivelo Rajaonarimanana, anisan'ireo niandraikitra ny haisoratra.org
Hery Serasera, nanangana ny vetso.serasera.org
Ny Hasina Ratsimbazafy
Zava-dehibe indrindra teo amin’ny tontolon’ny Literatiora ny fanangananao ny tranonkala Pôetawebs. Nisy antony sy tanjona manokana ve ny nanangananao azy?
Toetra Ràja
Mialoha ny Pôetawebs dia efa nisy tantarany ny literatiora malagasy teto anivon'ny aterineto. Tranonkala roa no fantatro fa nisava lalana talohan'ny taona 2000, dia ny vetso.serasera.org sy ny haisoratra.org. Samy mavitrika sy be mpanaraka izy ireo ary samy sompitry ny tononkalo malagasy. Ambohi-pihaonan'ny pôeta ny vetso.serasera.org satria mampiantrano dinidinika maro toy ny mahazatra ankehitriny ao amin'ny Facebook. Voarindra anatina efitrefitra mifanaraka amin'ny lohahevitra isan-karazany izany. Mbola mavitrika hatrany io tranonkala io hatramin'izao. Ny mampiavaka ny haisoratra.org indray dia noho izy karazana gazety literera fanapariahana lahatsoratra sy vaovao ary maro amin'ireo no efa nivoaka tan-gazety. Nanana olana tamin'ny mpampiantrano izy taty aoriana. "Andao hovonjena io tranonkala io" hoy ny Pr Narivelo Rajaonarimanana tamiko. Anisan'ireo tompon'andraikitra tao mantsy izy. Notaoniny aho hifandinika amin'izay mety hatao. Tsy tanteraka anefa ny fihaonana izay noeritreretina hatao tany Lyon satria haingana sy tampoka loatra ny fahafatesan'ilay tranonkala ary tsy tra-bonjy indrisy ireo tahirin-kevitra maro voarakitra tao. Tsapa tokoa ny fahabangana satria tsy vitsy ireo karazana olona zatra manokatra isan'andro an'io tranonkala io ary anisany ny tenako.
Teo àry no nitsiry ny faniriako hanangana tranonkala mirona bebe kokoa amin'ny fandalinana literatiora, ary mifototra amin'ny tontolon'ny pôeta. Tafatsangana tamin'ny 2009 ny tranonkala. Tsotra ny tanjona, ny fampiroboroboana ny literatiora malagasy. Pôetawebs no anarany satria nampiantranoan'ny Freewebs.
Ny Hasina Ratsimbazafy
Saika ianao avokoa no nikirakira ny lafiny tranonkala anatin’ny Pôetawebs, zavatra isan’ny sarotra izany indrindra ho an’ny olona literera. Niofana manokana momba ny fikirakirana tranonkala ve Toetra Ràja sa manana talenta marolafy?
Toetra Ràja
Sady tsy niofana no tsy manana talenta marolafy amin'ny fikirakirana tranonkala akory i Toetra Ràja fa mba liana amin'ny zava-misy toy ny olona rehetra. Efa am-polo taonany talohan'ny Pôetawebs no nisokatra ho an'ny maro tsy matihanina amin'ny kajimirindra ny fikirakirana tranonkala.
Samy nanaram-po sy nanao izay nahafinaritra azy ireo liana ka anisany ny "olon-tsotra" nandrafitra gazetim-piainana, fanehoana sorapiainana, fizarana sary ary tsy nahavahiny ny pôeta mpanapariaka tononkalo. Nony nisokatra ho an'ny daholobe tamin'ny 2006 anefa ny tambazotran-tserasera Facebook dia maro ireo nirona tany noho ny fahamoran'ny fikirakirana sy ny maha akaiky ny mpisera. Nisy anefa ireo nisafidy ny hanohy na hamorona ny tranonkalany toy ny gazety, orinasa, mpivarotra, fikambanana... ka anisany ny Pôetawebs izay nijoro efa ho 14 taona izao.
Ny tena fahitako azy dia izao: tsy ny lafiny ara-teknika loatra no manahirana fa ny kalitaon'ny tolotra ho an'ny mpisera izay mitaky fotoana amin'ny famoronana sy fandrindrana ny rafitra sy ny atiny. Ny lahatsoratra mahakasika ny tontolon'ny pôeta malagasy no resahina ao amin'io tolotra io, izay voasokajy ao anaty efitrefitra toy ny Sorapiainana pôeta, ny Fanadihadiana tononkalo sy lohahevitra, ny Tapatapakahitra toy izao misy antsika izao.
Ny Hasina Ratsimbazafy
Hiverina kely any an-doharano isika raha sitrakao. Azonao lazaina anay ve ny hetaheta nahatonga anao voalohany ho lasa pôeta?
Toetra Ràja
Mbola herotrerony aho no nankafy namaky bokin-tononkalo. Tsy niala teny an-doham-pandrianako ohatra ny an-dry Dox sy Rado, nampian'ny boky fanangonana asasoratra pôeta toy ny Takelaka Notsongaina 1 sy ny Fary Mamy. Noho izay fiainana ny kanton'izy ireo saika efa ho andro sy alina izay no nahaterahan'ny faniriana mba hamokatra andalan-teny irina hitovitovy amin'ireo niondanana.
Ny Hasina Ratsimbazafy
Firy taona ianao izay no nanoratra? Manoratra karazana Haisoratra hafa ankoatra ny tononkalo ve?
Toetra Ràja
Tamin'ny taona 1983 no niandohan'ny tantarako sy ny pôezia ary misy tamin'izay voasoratra tamin'izany no voarakitra ao anatin'ny bokiko ankehitriny. Tononkalo no niompanako nandritra izay 40 taona nilomanosako tao anatin'ny soratra izay. Nanomboka tamin'ny 2009 nikirakirako ny Pôetawebs anefa dia voasarika bebe kokoa tamin'ny famokarana lahatsoratra aho ka anisany ny andrana sy sorapiainana.
Ny Hasina Ratsimbazafy
Eo amin’izay maha mpanoratra anao izay ihany, misy fotoana manokana ve natokanao hanoratana? Ary fotoana manao ahoana no ifohazan’ny aingam-panahinao?
Toetra Ràja
Singa fototra iorenan'ny aingam-panahiko ny eritreritra. Atopatopan'ny alina ato amiko izy mazàna ary mety ho voavadika andalan-teny. Maro amin'izy ireo anefa no tsy voarakitra eo noho eo na tsy tadidy intsony ka indrisy maty am-pahaterahana. Mbola mitaky ezaka eo anivon'ny fiainako ny fisorohana an'izay fitobatobana eritreritra izay. Fa amin'ny endri-piainako ankehitriny dia manokana 50 minitra ifantohana aho ny maraina ary toy izay koa ny hariva.
Ny Hasina Ratsimbazafy
50 minitra?
Toetra Ràja
50 minitra katroka no ifantohako amin'ny soratra mandritra ny fotoana itombenako ao anatin'ireny fiarabe mpitatitra olona ireny. Feno fitoniana ao anatiny, mipetraka ny mpandeha, mahazo latabatra ny sasany, tony avokoa ny manodidina, tsy misy mitabataba amin'ny antso finday, tsy misy mifamaly, ny sasany manitatra ny torimasony. Hamonjy toeram-piasana ny ankabeazany ka samy mifantoka amin'ny ataony, na amin'ny solosaina na amin'ny finday... Tsy vitsy koa ireo mamaky boky na gazety satria tsy mba voagejan'ny nomerika avokoa akory ny olona.
Ny Hasina Ratsimbazafy
Ampy anao tsara ve izay 50 minitra marain-tsy hariva izay?
Toetra Ràja
Rehefa mivezivezy iny tokoa ny eritreritra dia misosa ny penina ka tsy ampy ny 50 minitra indraindray fa voatery tapahina fotsiny. Mbola io ihany koa ilay fitobatobana eritreritra ilam-bahaolana. Marihina fa manan-danja amiko ireo 50 minitra ireo ary raha tsy anoratako aza dia anovozako fahalalana na amakiako ny soratry ny hafa.
Ny Hasina Ratsimbazafy
Momba izay soratry ny hafa izay indrindra, ny an'iza ohatra no tena ankafizinao manokana? Inona no antony ankafizanao azy?
Toetra Ràja
Tsy mora amiko ny hankafy ny tononkalo rehetra nosoratan'ny pôeta iray, eny fa na dia ny an'ireo efa diso fantatra sy nitety vanimpotoana aza. Mankafy ny an-dry Dox, Rado, Ny Avana Ramanantoanina, Jean Narivony.. aho satria maro be ireo tononkalo mampiontana sy maharesy lahatra ahy noho ny kalitaony sy ny fanajana fitsipi-panoratana. Ny lenta toy izany no tiako hovakina ao anatin'ny asasoratry ny ankehitriny izay misy ankafiziko koa.
Ny Hasina Ratsimbazafy
Rehefa mandinika ny asasoratrao izahay dia mahita fa fohy kely avokoa ny andalana, zara raha ahitana teny iray hatramin’ny telo raha be indrindra. Misy antony manokana ve nahatonga izay?
Toetra Ràja
Tsy voambarako teo fa anisan'ny pôeta ankafiziko koa i Eliza Freda nanoratra ny Reny tsy miteny izay misalotra an'io angaly io. Sady nahasodoka ahy izany tononkalo izany no nampihetsi-po tokoa satria alahelo mampangorakoraka no notantaraina tao anatin'ny andalan-teny fohy isan'andalana. Anisan'ny namelona ny hambom-poko izany satria olombelona tahaka ahy ihany io mpanoratra io. An-kavitsiana ireo pôeta mirona amin'izany angaly izany noho izy sarotra folahina.
Ny Hasina Ratsimbazafy
Ankoatra izay endrika andalana fohy izay, inona no mety mampiavaka an'i Toetra Ràja manokana amin’ny lafiny fanoratana?
Toetra Ràja
Azo tarafina ao amin'ny asasorany fa pôeta mirotsaka angamba i Toetra Ràja, ilay tsy mety afaka hetaheta manoloana ny fangejan'ny bobongolo ny fiarahamonina. Ny hetraketraky ny olona no mamporisika azy hitolona ka mampipololotra ny aingam-panahiny. Mampiavaka azy koa ny fomba fanehoany ireo zava-miafin'ny anio sy ny mahazatra amin'ny alalan'ny zoro mihataka amin'ny mahazatra. Ankoatra izay dia pôetan'ny fitsipika i Toetra Ràja. Antenaiko angamba fa efa voamarikao ao anatin'iny bokiko iny izay!
Ny Hasina Ratsimbazafy
Eny, ity am-pelatanako ity tokoa ny boky Tiako - Tiako foana!, natonta tamin'ny taona 2017. Nisy tantarany manokana ve ny namoahanao azy ity?
Toetra Ràja
Nanapa-kevitra ny hanoratra boky aho tamin'ny taona 2015 noho ny faniriako hametraka anjara biriky eo amin'ny tantaran'ny literatiora. Naka fotoana aloha aho nisaintsainana lohahevitra iray hifotorany satria boky no hirosoana fa tsy angon-tononkalo atambatra anaty vata tsy voafaritra mazava. Naharesy lahatra ahy ny fitiavana, eny fa na dia lohahevitra fironan'ny maro aza. Natomboka nosoratana tamin'io fotoana io ny boky miendrika lahatsoratra fandalinana. Nampiasaina ny tononkalo ho fanamafisana hevitra toy ny fanao amin'ny sary sy tahirin-kevitra hafa. Misy amin'ireo tononkalo ireo no efa voasoratra tany aloha ary tsy vitsy no nosoratana manokana ho an'i Tiako - tiako foana! Noho izany indrindra no nanosika ahy handrindra ny hevitra hifototra amin'ny drafitra tsy mahavahiny ny maro antsoina hoe tsimbalivaly izay efa taratra sahady ao amin'ny lohatenin'ny boky.
Ny Hasina Ratsimbazafy
Io lohateny io indrindra no tiako hohazavainao raha tsy mahadiso.
Toetra Ràja
Ao amin'ny "TIAKO", fizarana voalohany, no nivalamparana ny momba ny halalin'ny fitiavana. Tsy hilaozana olana anefa izany araka ny hita ao amin'ny fizarana faharoa, "NA INONA HITRANGA", izay voamarika amin'ny "tsipipanohizana" (-) eo afovoan'ny lohateny. Fandravonana no ao amin'ny fizarana fahatelo "TIAKO FOANA!" nanamafisana fa mitohy miaina hatrany ny fitiavana ary mahita lalantsara mendrika hizorany.
Ny Hasina Ratsimbazafy
Nisy asasoratra iray na vitsivitsy nanamarika ny fiainanao manokana ve tao anatiny?
Toetra Ràja
Pôeta manadino ny tenany i Toetra Ràja rehefa manoratra araka ilay nolazain'i Dox hoe "'Nde' havelako ny tenako, ny izaho isan'andro". Mampiainga ny fanahiko ireo tranga hitako na tsapako na tantaraina ahy. Anisan'ny loharanoko ny boky aman-gazety, hira, sarimihetsika, aterineto, trangam-piarahamonina eny an-tsena, eny an-dalana, an-tempoly, resadresaka sy seraserako manokana.
Tsy itantarako ny fiainako manokana ny tononkaloko, eny fa na dia samy nampiontana ahy avokoa aza izy rehetra satria nikelezako sy nomeko aina. Tsy mba karazana pôeta mpanoratra tononkalo anarivony aho. Voatsakotsako avokoa aloha izay voakorisan'ny penina, mialoha ny hahitany masoandro. Misy aza ireo navela hilona tao am-bata nandritra ny fotoana maharitra aloha, ary niverenana taty aoriana tamin'ny fotoam-pifohazan'ny aingam-panahy.
Ny Hasina Ratsimbazafy
Mankasitraka anao Toetra Ràja nahafoy fotoana nitafatafana teto.
Toetra Ràja
Ianao no isaorana Ny Hasina nitoto nahafotsy an'izao tafatafa izao.
Ajouter un commentaire
Commentaires