Mampandriniaina Manitra manazava ny FANONY

Publié le 20 avril 2023 à 23:16

Higadona tsy ho ela ny hetsika tononkalo fanaon'ny Mpiraifaribolana Sandratra etsy amin'ny CGM/GZ Analakely. Mahaliana ny Pôetawebs hatrany ny sehatra tahaka izao. Manaitra ny petadrindrina, ahitana ny sarin'izy telo mirahalahy, fony kely, mpiombona antoka amin'izany; tsikitsiky sy hafaliana no taratra ao amin'ny endrik'i Riambola Mitia, Mero Kosiky ary Mampandriaina Manitra.

 

Toetra Ràja
Miarahaba Mampandriniaina Manitra, ohatra ny ho kanto ity hetsika ity a!

 

Mampandriniaina Manitra
Miarahaba e! Hihi! Dia ao mahita azy! Enga anie tsy ho diso fanantenana izay hanatrika!

Toetra Ràja
Efa nifankahafantatra ve ianareo telo lahy talohan'ny nidirana Faribolana Sandratra?

 

Mampandriniaina Manitra
Izaho no zandriny indrindra ary efa nahafantatra ny fisian'izy roa lahy. Taoriana kely ny nidiran'i Mero aho no tonga. I Riambola no nandrindra ny Faribolana Sandratra Antananarivo tamin'izany. Teo ireo vao nahalala ahy.

 

Toetra Ràja
Raha tsy mahadiso, inona no hevitra fonosin'ny lohateny hoe Fanony? Fampitoniana? Fanangolem-panahy?

 

Mampandriniaina Manitra
Ny Fanony dia fitaovana entina mampitony. Izay no nitondranay azy tany am-piandohana.

 

Toetra Ràja
Taratra amin'ny petadrindrina ny tsikitsikinareo. Amin'ny alalan'ny antsa mahatsikaiky sy loharanom-pifaliana ve no hampitoniana ireo voaviraviran'ny adim-piainana?

 

Mampandriniaina Manitra
Tsy izany ka! Tsy nanam-po izany indray izahay. Ianao manamarika izany no nampiverina ahy indray hibanjina ilay afisy. Hay mitsikitsiky tokoa! Tsy hoe hampitsikiana ireo torovan'ny adim-piainana fa hampitoniana.

 

Toetra Ràja
Ise izany no mety ho mpitarika anareo telo mirahalahy sa mira lenta ianareo? Mety ho misy andraikitra mampiavaka ny tsirairay ve?

 

Mampandriniaina Manitra
Mira lenta izahay. Ao amin'ny Faribolana Sandratra mantsy, toe-tsaina voizina ny hoe samy manira-tena fa tsy miandry mpitarika.

 

Toetra Ràja
Tsy hitazona ela an'ise aho fa eto am-pamaranana, hisy olona hasaina manokana ve?

 

Mampandriniaina Manitra
Izahay telo mirahalahy ihany no hamelona ny tononkalonay. Amin'ny ankapobeny io satria hisy tovovavy kely mpiantsehatra iray ihany handray anjara kely "Alalira". Hisy vahiny mpiantsa tsy ampoizina koa handray anjara amin'ny farany. Namana mpiraifaribolana no mpanolotra ny seho, namana mety ho tsy ampoizin'ny olona loatra ka aleo izay hanatrika mahita azy any.

 

Toetra Ràja
Ary ny mozika lafika mampiavaka ny Mpiraifaribolana?

 

Mampandriniaina Manitra
I VAHANTSAINA no mpanakanto handravaka ny seho amin'ny mozikany, mozika manana fanahy hafa mihitsy ny azy.

 

Toetra Ràja
Mankasitraka r'ise a! Mirary fahombiazana feno ho an'io hetsika io.

 

Mampandriniaina Manitra
Mirary soa ho anao ihany koa. Mankasitraka ny Pôetawebs sy ny ekipany rehetra!

 

Ajouter un commentaire

Commentaires

Il n'y a pas encore de commentaire.

Créez votre propre site internet avec Webador