Avelo Nidor, hampangidihidy!

Publié le 12 mai 2023 à 15:18

Manatona moramora ny datin'ny 20 mey. Raha ny amin'ity taona 2023 ity dia teatra pôetika no mby ao an-tsaina. Mbola mety hanakoako isan-taona aza izany, arakaraka ny ontan'ny hidihidy haterany. Izany indrindra no antony hisavasavana ny raviny, hirakorakoana ny volony mba hahafahana miomana sy mitony dieny mialoha ka anasana ny tompon'antoka voalohany amin'izany. I Toetra Ràja no mitapatapakahitra aminy.

 

Toetra Ràja
Miarahaba anao Avelo Nidor ary mankasitraka ny fanoloranao fotoana ho an'ny Pôetawebs. Miarahaba ny mpisera koa manome hasina an'ity dinidinika ity.

Avelo Nidor
Faly miarahaba anao Toetra Ràja, miarahaba ihany koa ny mpikambana rehetra ato amin’ny Pôetawebs ary manolotra ny fiarahabana ho antsika namana olon-tsambatra pôeta sy mpanoratra ary ny mpankafy ny haisoratra.

 

Toetra Ràja
Azo ampahatsiahivina ve ny taona namoronana sy efa nilalaovana ny Mampangidihidy-Z?

Avelo Nidor
Ny taona 2019 no namoronana sy nanomanana ny Mampangidihidy-Z ary nokasaina holalaovina ny 21 marsa 2020, fa iarahantsika mahalala moa ny zava-nisy teto amin’izao tontolo izao tamin’ny fisian’ny areti-mandringana coronavirus iny ka dia tsy tontosa ny fampisehoana azy. Rehefa izany dia naverina naotrika, namboarina, nohatsaraina ka notovanana hoe "nasaika fanindroany" ny lohateny ka lasa MAMPANGIDIHIDY–Z- nasaika fanindroany. Ny Fanahy tao anatiny tsy nisy niova fa ny endrika hitondrana ny seho no namboarina sy nohatsaraina bebe kokoa araka izay bitsiky ny aingam-panahy teny fa tsy niniako akory izany. Araka izany tsy mbola nolalaovina na taiza na taiza ny MAMPANGIDIHIDY–Z- nasaika fanindroany fa io faha 20 mey io no haseho masoandro voalohany izy.

 

Toetra Ràja
Firy ny teatra pôetika efa nosoratan'i Avelo Nidor ary manana vina hanohy famoronana an'izany ve?

Avelo Nidor
Hatreto ny fampisehoana Teatra pôetika narindrako dia ny MAMPANGIDIHIDY, TONONKIRA FANANGANANA NY MATY ary MAMPANGIDIHIDY –Z- nasaika fanindroany.
Ny pôeta tokoa moa dia olon’ny nofinofy sy mangetaheta hatsaran-tarehy lava izay ka satry hamorona sy hiteraka hatrany saingy io dia miankina amin’ny aingam-panahy ihany fa ny irariana dia ny mba hamangian’ilay Andriamanibavin’ny pôezia mpitondra hasambarana ho antsika mpanompo azy.

 

Toetra Ràja
Mampangidihidy–Z nasaika fanindroany. Inona ilay tovana "Z"? Hetaheta tsy manam-piafarana?

Avelo Nidor
MAMPINGIDIHIDY–Z? Tsia, tsy hetaheta tsy manam-piafarana raha ny namoronako azy, saingy tiako kokoa sy hajaiko izay mahasambatra ny olona amin’ny fandikana azy, tahaka izay hevitrao izay ary avelako malalaka ny rehetra hanonofy izay tiany amin’izany; na izany na tsy izany, torolalana kely ho antsika izay liana sy mangidihidy te hahafantatra ity tsiambaratelo noezahiko nafenina ity dia manasa ny mpamaky aho hanjifa ny boky fa ao amin’ny teny fanolorana ny boky no misy fanazavana mikasika azy io ary ilazalazan’i Hobiana, namana mpanoratra, nanao ny teny fanolorana azy.

 

Toetra Ràja
Miloko mainty ranoiray ny tokontanin'ny petadrindrina. Misy antony manokana ve?

Avelo Nidor
Miloko mainty ranoray ny petadrindrina, tsy misy antony manokana akory fa ny bokiko rehetra mihitsy dia saika lasa mainty avokoa ary tsy safidiko izay fa bitsik’ilay fanahy.

 

Toetra Ràja
Momba io petadrindrina io ihany, ahitana sarim-behivavy tokana miamboho. Firy ianareo no hampiaina ity seho ity?

Avelo Nidor
Eny, sarim-behivavy tsy hita endrika tokoa ny amin’ny petadrindrina, manamarika fa resaka hatsaran-tarehy sy fitiavana no fanahy voizina ao ary ny mpilalao dia vehivavy hafahafa miisa efatra, miampy lehilahy roa.

 

Toetra Ràja
Inona no mety ho fahasarotana azo ambara momba ny teatra pôetika raha oharina amin'ny antsa tononkalo mahazatra?

Avelo Nidor
Amiko, tsy tokony hisy fahasarotana ny fifehezana ny teatra pôetika sy antsan-tononkalo tsotra raha hay tsara ny manavaka ny atao hoe teatra sy ny antsan-tononkalo. Ny teatra manko dia olombelona iray miresaka amin’ny olombelona iray ary misy olombelona hafa mijery. Ny lahatsoratra ampiasaina dia mety lahatsoratra tsotra, ilay hitantsika mahazatra, mety lahatsoratra miady rima tahaka ny hitantsika amin’ny Trimofoloalina nosoratan’i Fidelis Rabetsimandranto sy ny Variraiventy farany nosoratan’i E.D. Andriamalala, mety ho tononkalo arindra ho lasa tantara iray tahaka ity mampangidihidy –z- ity ary ny tantara dia tokony ahitana ireo toe-javatra maro mahatantara ny tantara toy ny fifanoheran’ny tanjon’ny mpilalao izay miteraka fifandirana, fifandirana miteraka disadisa, disadisa miteraka zava-doza ka miafara amin’ny fahafatesana na faharavam-pananana na fahaverezan-kasina sy ny sisa. Ny antsan-tononkalo kosa dia olombelona iray na maromaro mamaky na miantsa mampiaina tononkalo iray ary misy olombelona hafa mijery. Noho izany, tokony tsy ho sarotra ny milalao azy ireo raha mahay ny mampiavaka azy.

 

Toetra Ràja
Mankasitraka Avelo Nidor ary mirary fahombiazana feno ho an'ity hetsika ity.

Avelo Nidor
Misaotra ary mankasitraka anao indrindra Toetra Ràja.

Ajouter un commentaire

Commentaires

Il n'y a pas encore de commentaire.