Efa nitalapetraka teto amin'ity akalan'ny tranonkala ity i Mahefa tamin'ny Febroary 2010. Folo taona mahery taty aoriana, tamin'ny 2021, nitapatapakahitra an-tsehatra indroa miantoana niaraka tamin'ny Pôetawebs indray izy teny amin'ny Tranombokim-pirenena Anosy. Tsy vahiny aminao intsony araka izany ny nofinofiny, ny afinafiny anaty lohateniny omban'ny vazivaziny. Hiaka-tsehatra izy sy ny namany Meva amin'ny 27 Mey ho avy izao ka hitondrany ny Tena Fitokanana. Mamaly ireo fanontanian'i Toetra Ràja izy momba izany seho mifono misitery izany.
Toetra Ràja
Miarahaba an'i Mahefa sy ny mpisera ary misaotra namaly ity antson'ny Pôetawebs ity. Ahafantarana an’i Mahefa ilay fahaizana mametraka lohatenin-tononkalo manaitra sy miharo hatsikana kanefa lalina. Inona kosa no mety ho toetran’i Meva mifameno na mifandraika amin’izay ka hiteraka fahombiazana ho an’ity seho ity ?
Mahefa
BENATSE, SALAMOLAMOKELIKO, ZANAK’ANABAVY… Tsonga lohateny tamin’ny tononkalo maro nosoratan’i Meva ireo. Zoro izay mampifandray anay roalahy io fomba filalaovana lohateny io ary niteraka fihavanana ara-tsoratra lalina nampifaningotra anay teo an-tokotanin’ny kanto. Zoro faharoa, misy ilay Meva tia mamoha teny efa matory na zara raha misy mampiasa ary milalao izany ao anaty hatsikana mifono anatra (ny kodiny sy Keta..) sy ilay fahaizany mamadika teny nefa matsiro (Pisola, lakaira nahatonga tany Bira). Ireo no ako sy fifamenoana izay lasa singa matanjaka hoentina manatanteraka ity seho ity.
Toetra Ràja
Efa ela nifankahalalana ianareo mirahalahy, azo fintinina eto ve ny alfan’ny fihaonana sy ny tena nanamarika ny tantarany ?
Mahefa
Ny fanomanana ny "Vazizotra" tany amin’ny taona 2 000 no teboka niangana. Norakofan’ny kalo sahalahala, vazo vazivazy ary hira miramira izahay roalahy fa raha tsy mitovy ireny farafaharatsiny mifameno. Nikisaka moramora ny fifandraisana ka tsy nijanona teo amin’io hetsika io ny eritreritra fa teraka ny "Horivitsika", nisisika tao ry "Malal’adalako". Ny tena tsaroako sy nahafinaritra ahy indrindra dia ny niarahanay roalahy nanoratra ilay tononkalo "Ikal’Iarivo" ny 24 Jona 2001 teny ambony fiara Mazda raha niverina avy nanao fampisehoana tany Antsirabe izahay… Nahomby ny fanabeazan’aizana nataonay fa izao indray vao ho teraka "Ny tena Fitokanana".
Toetra Ràja
Momba ny lohaten'io "Ny Tena Fitokanana" io indrindra, fitokanana zava-bita toy ny fanao amin’ny politika ve sa fitokanan-tenan’ny pôeta miendrika fiaimpiainan’ny moanina?
Mahefa
Tena fitokanana ny zava-bita mihitsy io ka! Nalaina tamin’ny zava-misy saingy kosa ataontsika amin’ny endrika kanto, pôetika hoy ny kamo hisahirana. Velirano efatra vita no resahina mandritra an’io hetsika io. Rehefa mitokana moa dia tsy maintsy hoe zavatra vaovao vita tao anatin’ny taona maro nanoratana. Ny ankamaroan’ny tononkalo ao dia ainga vaovao, eny fa na dia tao amin’ny Faribolana Sandratra aza tsy mbola naheno na nahita azy. Ohatra : "Ity tanàna ity, tsara fa masay" hoy i Meva.
Toetra Ràja
Tondrozotra sy mpanoro lalana ny pôeta hoy i Mahefa. Amin’izao fotoana azo ilazana ny firenena ho very izao, hitondra fanavotana azy ve ny tena pôeta?
Mahefa
Eo indrindra isika izao, efa indroa izaho izay no nanonofy hoe lasa filohan’ity Madagasikara ity. Efa maro izay hevitra sy tetika ary nofy noventesin’ny pôeta izay, zary lasa fikira sy fanaovana tohana eny amin'ny seha-pikarohana fotsiny ireny. Tehaka sy sitraka no mamarana ny fotoana dia mijanona ho boky miandry fanitsiana izay diso tsipelina sisa. Fa navaivay ny fitakiana ny nosikely manodidina, pôeta firy no nihira ny hoe "Aza manaiky"... fa nisy nihaino ve moa? Antso an’efitra ihany, lamako tsy nipaka. Fehiny, hevitra sy takelaby ny pôeta fa anjaran’ireo manana fahefana hanatanteraka ny mijery izay hevitra adaladala soritan’ny pôeta.
Toetra Ràja
Mahalaza zavatra betsaka ilay hoe "Bibikelin"'i Meva; mety ho be lalao raha tsy voara-maso. Mila arofanina ve ny pôeta mba tsy hivarinany an-kady na hanatanterahany tsara ny andraikiny ?
Mahefa
Iray amin’ireo tononkalo masaka ifotony nosoratan’i Meva io. Mora atelina fa saro-devonina. Marina, misy ota fady maromaro tokony hotandremana ireto :
- Tsy iniana fa voajanahary ny soratra. Anjaran’ilay mpahary ny mamorona saingy anisan’ireo niangarany kely ny mpanoratra, dia nomeny fahefana hamorona ary eo dia mitranga sahady ny hoe "Tendry ny maha mpanoratra". Rehefa voatendry dia manaraka ny lalananan’ny forona rehetra… Voajanahary, tsy natao hoe tsy maintsy manoratra fa rehefa tonga dia tonga ohatran’ny tonga rehetra.
- Tsy amboarina ilay aingam-panahy. Rehefa mibosesika ny ainga sy ilay feo miantso hanoratra dia misamboaravoara mikorisa ny penina (milina, finday, sns). Misy amin’izy ireny na ireo vokatra no mihataka na tsy mifanaraka loatra amin’ny mety sy mampahazo aina ny rindram-piarahamonina ka manahirana indraindray ka sarotiny ery ny sasany milaza fa hafa ihany ny donak’Ankaratra sy kotrok’ilay Beforona. Aleo izay voasoratra dia voasoratra fa anjaran’ny pôeta no mifidy toerana hanehoany azy.
- Tsy zaitra an-tsena. Tsy sanatria manaratsy ny zaitra eny an-tsena akory fa tsy mahita teny sahaza ilay tefy tadiavina amin’ny soratra. Tsy tokony ho terena ny soratra na hoe tsy maintsy manoratra noho ny antony maro. Misy olana mavesatra amin’ny fiainana na hoe atao mariazy ny zanak’anabavy dia vao mahalala hoe mpanoratra dia manatona miresaka hoe mba hanaovy tononkalo dia asio hoe teny amin’ny 13 mey ry zareo no nihaona.
Toetra Ràja
Naleonareo mirahalahy nampirenty ny sarin-dry Zandrikely Miray Antsahadinta tamin’ny petadrindrina toy izay ny anareo. Hanana toerana miavaka amin’ny seho ve izany ny karazan-kanto hoentin-dry zareo?
Mahefa
Efa ela mihitsy izahay no nifidy tsy haneho ny sarinay amin’ny petadrindrina fa na misy aza dia nataonay sary manondrana (caricature). Sombin’Ainga no aranty fa sao sanatria takona ao ambadiky ny endrika sy bika ny kanto (hihihi) na sanatria hifangarika amin’ny soratra ny salovana fa maro ireo mihevitra hoe tokony ho mpitandrina na mopera ny endrikay mirahalahy. Hanana toerana miavaka ry zareo ary tsy ry zareo irery fa misy zavatra tsy ampoizina mba takatry ny eritreritray novolavolaina hampiavaka an’ity hetsika ity.
Toetra Ràja
... sy ny literatiora malagasy indrindraindrindra. Mankasitraka Mahefa! Mirary fahombiazana!
Mahefa
Ianao no isaorana Toetra Ràja!
Ajouter un commentaire
Commentaires