Ny Iraka Rambolamanana manolotra ny MIHALOTRA

Publié le 27 mai 2023 à 12:22

Poeta tsy zoviana amin'ny maro intsony i Ny Iraka Rambolamanana. Amin'izao an-katoky ny iray volan'ny teny malagasy izao, hitondra anjara biriky ho fanandratana ny literatiora izy sy i Aingan'i Ala. Hotontosaina tsy ho ela ao an-drenivohitr'i Vakinankaratra io hetsika lehibe io. Tahaka izao ny tapatapakahitra nifanaovana tamin'i Ny Iraka Rambolamanana.


Faniry Ezeckiel
Miarahaba anao namana Ny Iraka Rambolamanana, tonga soa indray ato anatin'ny tapatapakahitry ny Poetawebs, miarahaba ny mpanjohy ny tranonkala ihany koa. Volana maromaro izay no nivahiny teto ianao nanazava ny Antsa Fampihorohoroana, inoanay fa hitondra vaovao lehibe momba ny literatiora ianao.

 

Ny Iraka Rambolamanana
Miarahaba ny Poetawebs ary miarahaba ny mpanjohy sy mpanaraka mavitrika rehetra. Hizara vaovao mihitsy no ahatongavana eto.

 

Faniry Ezeckiel
Aleo ary ampahafantarintsika avy hatrany amin'ny mpamaky ny nahandro efa tsara ketrika ao ambadimbadika ao.

 

Ny Iraka Rambolamanana
Toy ny mahazatra isan-taona dia manamarika sy mankalaza amin'ny fomba rehetra ny volana Jona isika, izay IRAY VOLAN'NY TENY MALAGASY. Iray andro mialoha ny hetsika Antsan-tononkalo malalaka, izay hanasana ny mpanoratra sy ny poeta rehetra ary ny mpankafy tsy ankanavaka etsy TSIMBAZAZA ny 4 Jona ho avy izao, dia hosantarinay sy i Aingan'ny Ala, poeta avy ao amin'ny Faribolana Sandratra sampana Betafo, amin'ny alalan'ny tsangan-tononkalo famoaham-boky etsy amin'ny efitrano malalaky ny Alliance Française Antsirabe, ny iray volan'ny teny malagasy ny sabotsy 3 Jona 2023 ho avy izao, amin'ny 1 ora folak'andro tsy diso.

 

Faniry Ezeckiel
Mahaliana tokoa izany namana ary tsapa ho milofo tanteraka amin'ny fanandratana ny literatiora ny mpanoratra. Azonao ampahafantarina ambangovangony ve ny momba io boky io sy ny zava-draiketiny?

 

Ny Iraka Rambolamanana
Nampitondrainay ny lohateny hoe "MIHALOTRA" io boky io. Raha ny heviny ara-pamaritana sy famoaboasan-teny dia midika ho misintona, misarika na mangarona, izay no tena hevitr'ilay hoe "MIHALOTRA" ary niavian'ilay fomba fiteny malagasy hoe : "Boka mihalo-poza ka manosika azy hiverina". Tsy mivaona amin'izay hevi-teny izay ny tara-kevitra manontolo mandrafitra ny boky fa tena misintona sy misarika ny tsirairay, hanery ankavanana ny sehatra rehetra halorina.

 

Faniry Ezeckiel
Taratra sahady fa hanana ny toerany ity boky vaovao nosoratanao sy i Aingan'ny Ala ity.
Azonao hazavaina kely ve ny toetoetrany?

 

Ny Iraka Rambolamanana
Zato pejy mahery kely io boky io, i Arikaomsa Randria no nanao ny teny fanolorana azy. Saika mahakasika ny zoron-damban'ny sehatra rehetra mandrafitra ny andavanandro iainana ny tara-kevitra amin'ny ankapobeny hita ao: hafatra feno entina mitia, hevitra mafonja entina miaina ary saina matanjaka entina mitolona, halorinay tanteraka.

 

Faniry Ezeckiel
Mazava tokoa izay namana Ny Iraka Rambolamanana. Hamaramparanantsika azy dia tsara ampahafantarintsika an'ireo mpankafy ny zavatra ho hitan'ny mpijery amin'io 03 Jona 2023 io.

 

Ny Iraka Rambolamanana
Tsangan-tononkalo no hamelomana ny hetsika iray manontolo, izany hoe tsy misy taratasy na boky hovakina eny an-tsehatra fa an-tsaina avokoa ireo tononkalo rehetra hantsaina ao. Amin'ny 1ora tsy diso no hanomboka ny seho ary hisy fizarana telo lehibe izay hoelanelanin'ny hiran'ny mpihira hanafana io lanonam-pamoahana boky io.

 

Faniry Ezeckiel
Hahita seho tena kanto sy miavaka araka izany izay ho avy amin'io andro io. Hafatra faramparany avy aminao ary Ny Iraka...

 

Ny Iraka Rambolamanana
Lasa mandeha am-pahazarana be fahatany isika amin'ny fiainana eto amin'ity firenena ity. Misarika sy misintona ny sain'ny tsirairay ity boky MIHALOTRA ity fa misy loharano tokony hiverenana ary fotoana izao hanaovana antso avo ho an'ny hery velona rehetra sy ny olom-pirenena isam-batan'olona mba "hijoro ho tompon'andraikitra."

 

Faniry Ezeckiel
Mankasitraka anao Ny Iraka Rambolamanana nivahiny teto amin'ny efitry ny tapatapakahitra.
Nivimbina vaovao manga ho an'ny literatiora ianao, ary mirary ny soa sahady izahay hahavitanareo ny "MIHALOTRA" an-tsakany sy an-davany, hametraka tantara tsy ho voakosika ary hahatety vanimpotoana.

 

Ny Iraka Rambolamanana
Mankasitraka indrindra ny Poetawebs ary mankasitraka manokana ihany koa ireo mpanaraka rehetra fa teo foana ianareo, mbola eo ianareo izao, ary ho eo foana ianareo ho vy miaina, hanosika ny fanandratana ny soratra sy teny malagasy.
Mankasitraka indrindra, tompoko!
"HO AN'NY LITERATIORA MALAGASY !!!"

Ajouter un commentaire

Commentaires

Il n'y a pas encore de commentaire.

Créez votre propre site internet avec Webador