Tafa iarahana amin'ny MALAMA (MALAgasy MAnoratra)

Publié le 23 juillet 2023 à 11:18

Mihamiroborobo ny fikambanana mivoy ny literatiora. Mitafasiry amin'ny tranonkala Poetawebs àry i Fidy Art Niaina mikasika Malagasy Manoratra na MALAMA ary mamaly ireo fanontanian'i Tsikimilamina Rakotomavo.

 

Tsikimilamina Rakotomavo
Miarahaba anao Fidy Art Niaina miantrano eto amin'ny tranonkala Poetawebs. Azonao ambara ve ny lalana nodiavin'ny MALAMA?

Fidy Art Niaina
Miarahaba ny tranonkala Poetawebs. Toy izao ny tantaran'ny fikambanana raha fotorana :
Vondrona fesiboky naorin'i Fidy Art Niaina izy io tamin'ny 2016, nivondronan'ny MPANORATRA MAINTIMOLALY KOLEJY MASINDAHY JOSEFA MAHAMASINA izy ny taona 2017. Rehefa lany ho Filoha mpitantana ny Ankiz'art i Fidy Art Niaina dia isan'ny sokajy iray tao ny tononkalo ka MALAgasy MAnoratra hatrany no anarana nentiny.


Ny 2021 dia nampivondronina indray ny Mpanoratra Maintimolaly CSJM sy ireo mpanoratra ny Ankiz'Art ka nanangana sata mahaleo tena.
- Ny 20 Febroary 2022 no lany ho Filoha Nasionalin'ny MALAgasy MAnoratra i RAKOTOARIMANANA Sandanomena Aymar (Lisy Kely).
- Ny 04 Aogositra 2022 no nijoro ara-panjakana eto Madagasikara ny fikambanana MALAgasy MAnoratra.

 

- Ankehitriny dia faritra telo no ahitana ny sampana:

1- Sampana Itasy, tarihin'ny filoha Diary RAKOTOSON
2- Sampana Toamasina (Antsinanana sy Soanierana Ivongo) tarihin'ny filoha Ilo NANAHARY
3- Sampana Vakinankaratra izay tarihin'ny filoha Soratra Fitia.

 

Ny taona 2023 dia nahazo an'i RABE JIBER ho Ray Mpiahy Nasionaly ny fikambanana.

 

Tsikimilamina Rakotomavo
Efa maro tokoa ireo dingana tontosa. Fa inona kosa no tanjon'ny fikambanana?

 

Fidy Art Niaina
Ny fikambanana dia mikendry ny:
- hamerin-kasina ny teny
- hamerin-kasina ny literatiora an-tsoratra
- hanampy ireo mpanoratra tsy ho very na takona anaty tantara
- hanome lanja manokana ny ambany tanàna sy ny tontolo ambanivohitra
- hanampy ny tanora amin'ny fanabeazana ara-batana, ara-môraly, ara-tsaina
- hampianatra ireo tanora tsy mahay mamaky teny sy manoratra

 

Tsikimilamina Rakotomavo
Ary ahoana kosa no fomba fidirana ao?

 

Fidy Art Niaina
- Ny olona rehetra misehatra amin'ny LITERATIORA AN-TSORATRA ihany no tafiditra ho mpikambana.
- Ny fivoriam-be no manapaka ny fampidirana mpikambana vaovao
- Mandefa tononkalo, 10 farafahakeliny. Atao sora-tanana sy aterina mivantana aty amin'ny birao foibe
- Ny olona hiditra mpikambana dia mila mpiantoka roa ao anaty fikambanana

 

Tsikimilamina Rakotomavo
Inona indray àry no hetsika efa nisongadina?

 

Fidy Art Niaina
Eny, tokoa, efa nisy ihany izany toy ny hetsika ara-literatiora nokarakarain'ny MALAgasy MAnoratra, toy ny ZARA TALENTA izay fanao isam-bolana, ny HIKALO FITIA, ZARA KANTO, VAHAN-TSORATRA SY KALO POETIKA, FO TOA TENY I sy II... Efa nisy ihany koa ny hetsika sosialy toy ny HIAKAN'NY NATIORA izay nentina hiadiana amin'ny doro tanety, NDAO HIFANOLO-TANANA, hetsika nanaovana tolo-tanana ho an'ireo tsy manan-kialofana. Ankotra izay dia maro koa ireo hetsika nanasana ny fikambanana.
- Ny 17 Mey 2023 no namoaka ny tsangambato voalohany ny fikambanana. FO TOA TENY, boky 165 pejy ahitana mpanoratra 20 mianadahy izay navoaka tao amin'ny Tranombokim-pirenena Anosy.

Tsikimilamina Rakotomavo
Raha misy maniry hifandray aminareo dia aiza no halehany?

 

Fidy Art Niaina
Ireto misy adiresy sy tambajotra ifandraisantsika
Ny Birao foibe: Ivotoerana Fifampizarana Art-Kolontsaina Ambany Tanàna Ankiz'art Anosibe.
Pejy Fesiboky: Malagasy Manoratra - pejy ofisialy
Rohy Vonjimaika: https://onjaniainaaubertto.wixsite.com/malagasy-manoratra

 

Tsikimilamina Rakotomavo
Misaotra anao Fidy Art Niaina nivahiny vetivety teto

 

Fidy Art Niaina
Mankasitraka indrindra ny Poetawebs tsy nisalasala nampandroso ny MALAMA.


Rabe Jiber

Ivotoerana Fifampizarana Art-Kolontsaina Ambany Tanàna Ankiz'art Anosibe

Ajouter un commentaire

Commentaires

Il n'y a pas encore de commentaire.

Créez votre propre site internet avec Webador